2020
Manompoa: Aoka ianao mba ho valim-bavaky ny olona
Aogositra 2020


HAFATRA AVY AMIN’NY MPITARIKA AO AMIN’NY FISORONANA EO AN-TOERANA

Manompoa: Aoka ianao mba ho valim-bavaky ny olona

Isa-maraina dia afaka mifoha isika ary manontany tena hoe “Ahoana no ahafahako ho lasa valim-bavaky ny olona iray amin’ny alalan’ny fanompoana izay handeha hataoko?”

Iray amin’ireo tanjona ao amin’ny drafitry ny Vondromparitra Afrika Atsimo Atsinanana ny “Mitia, manompo ary mifanompo”. Ny fitiavana sy ny fanompoana dia mifandray akaiky satria ny fanompoana dia anisan’ny fanehoana ety ivelany ny fitiavana, izay fahatsapana ao anaty. Rehefa mitia isika dia manompo, ary rehefa manompo isika dia velona sy mitombo ny fitiavantsika ny hafa. Ny Baiboly dia mampianatra fa ny voalohany amin’ny didy rehetra dia ny mitia an’ Andriamanitra, ary ny faharoa dia ny mitia ny namanareo.1

Nilaza ny Filoha Russell M. Nelson hoe: “Ny fiainana izany didy lehibe faharoa izany no fanalahidy hahatongavana ho mpanara-dia marina an’i Jesoa Kristy.”2 Dia notohizany hoe: “Ny Olomasin’ny Andro Farany, tahaka ireo mpanara-dia hafa an’i Jesoa Kristy dia mitady mandrakariva fomba hanampiana, sy hampaherezana, ary hitiavana ny hafa”3.

Amin’ny maha-mpikamban’ny Fiangonana antsika dia mahazo fahafahana isika mba hanompo ny hafa, na izany amin’ny alalan’ny antso iray mba hanompo ao am-piangonana na amin’ny amin’ny fomba hafa. Izany dia manome fahafahana antsika mba hanompo ny hafa, izay matetika no olona tsy fantatsika sy tsy mbola notiavintsika. Efa nanana fahafahana ny hanompo ny olona manodidina ahy aho. Nanome fahafahana ahy izy ireny mba hanehoako ny fitiavako ny hafa.

I Mamie vadiko dia efa naneho imbetsaka tamiko ny ohatry ny fanompoana tsy mila tambiny. Vehivavy tsotra izy fa ny fahafahany mitia sy manompo dia tena miavaka. Tena ankasitrahako ny famaliany haingana rehefa misy fanompoana ilaina. Mahavariana ahy ny herim-po sy ny fanahy tia miahy ny hafa izay ananany rehefa manao asa fanompoana. Vao tsy ela izy no nampifaly vehivavy tsy mpikambana iray izay voan’ny homamiadana efa am-bavahoan’ny fahafatesana. Ny famangiany tsy nisy fampandrenesana an’io vehivavy io izay nitondrany sakafo sy vola kely hividianana fanafody dia nahatonga ny fanaintainan’ilay vehivavy ho lasa fifaliana. Fantatry ny vadiko fa mety tsy ho sitrana io vehivavy marary io, saingy ny fanompoana nataony taminy dia naneho taminy fa mbola manan-danja amin’olona izy.

Taona vitsivitsy lasa izay ny vadiko sy ny rahavavy hafa tao amin’ny paroasinay no nanapa-kevitra ny hanampy fianakaviana sasantsasany, ato amin’ny paroasy misy anay sy any ivelany. Izany fitiavana izany izay naseho tamin’ny alalan’ny fanompoana tsy mila tambiny dia tsy vitan’ny hoe nahasoa an’ireo izay nisitraka izany fotsiny ihany fa nitondra fahafaham-po ho azy ireo ihany koa. Ahatsapana fifaliana kokoa ny manome toy izay ny mandray.

Tsaroako ihany koa ny ezaka niarahan’ny fianakaviako sy fianakaviana namana iray hafa natao. Nikarakara sy nampahery ary nanome sakafo, nandritra ny fotoana maharitra ny rahalahy tokan-tena iray izay tsy nanana fianakaviana sy nolazaina fa voan’ny areti-mifindra iray izahay. Nahita antony hanompoana azy izahay fa tsy hoe nitady antony tsy hanatonana akaiky azy. Io fanehoam-pitiavana sy fanompoana io dia nanova ny fiainan’ity mpikambana mahatoky ao amin’ny Fiangonana ity, izay nanangana fianakaviana iray ankehitriny.

I Kristy, izay ohatra tonga lafatra ho antsika ny amin’ny fitiavana sy ny fanompoana, dia namerina amin’ny laoniny ny fanantenana ho an’ny sasany ary ny tanjon’ny fiainana ho an’ny hafa. Nahafantatra ny filan’ny hafa ny Mpamonjy ary nahita fahafahana hanompo foana tamin’ny fotoana rehetra. Ankehitriny, izao tontolo izao dia mila tolo-tanana bebe kokoa hatrany. Ankoatra ny fahafahana izay omen’ny Fiangonana antsika dia afaka mikatsaka sy mitady ombam-bavaka fahafahana hanompo ihany koa isika tsirairay avy na miaraka amin’ny fianakaviana. Any amin’ny toerana sasany sy amin’ny toe-javatra sasany dia mety hampidi-doza ny fahafahana manompo ary azontsika halavirina izany. Saingy tsy tokony horaisintsika amin’ny ankapobeny fotsiny izany dia tsy hijery ireo fahafahana hanompo ka hitondra fanampiana ho an’ireo noana, na marary na manana filana manokana isika. Rehefa maniry ny hanompo isika ary maneho izany faniriantsika izany dia hitarika antsika ny Tompo, amin’ny alalan’ny Fanahiny, ho any amin’ireo olona mila izany sy ny fahafahana manao izany. Isa-maraina dia afaka mifoha isika ary manontany tena hoe “Ahoana no ahafahako ho lasa valim-bavaky ny olona iray amin’ny alalan’ny fanompoana izay handeha hataoko?” Manompo amin’ny alalan’ny fanolorana ny herintsika, ny fananantsika ary koa ny fotoanantsika sy ny fifantohantsika isika.

Hoy ny Filoha Nelson: “Ireo izay maniry ny ho antsoina hoe vahoakan’ny Tompo dia te-hifampitondra ny enta-mavesatry ny tsirairay […] hiara-malahelo amin’izay malahelo; […] ary hampionona ireo izay mila fampiononana”4.

Vao tsy ela aho nandritra ny dia iray no nanao fihetsika kely feno hatsaram-panahy ary akory ny hafaliako naheno an’ilay ramatoa tsy fantatro akory izay nampiako nitondra ny valiziny hiditra ny fiaramanidina nilaza hoe: “Misaotra ramose. Mahafaly ahy ny mahafantatra fa mbola misy ny olona izay miraharaha sy manampy ary manompo.” Tiako ny manampy olona tsy fantatra. Io ramatoa io, izay mety mahatsiaro foana ity tantara ity ary mety mitantara izany amin’ny hafa izay tsy mahafantatra ahy sy mety tsy hihaona amiko mihitsy, dia hahatsapa foana ilay fahasambarana tamin’ny nandraisany fanompoana tsy mila tambiny. Matetika no hita ny mampiavaka izany rehefa manao asa fanompoana tsotra isika izay toy ny efa mahazatra eo imason’izao tontolo izao indraindray. Fanompoana tsotra sy tsy tsikaritra izay avy ao am-po ka lasa miseho ampahibemaso sy eny amin’ny tambazotra ifaneraserana.

Hoy ny Filoha Russell M. Nelson: “Ny fanampiana ny hafa, ny fanaovana ezaka amin-kitsim-po mba hikarakara ny hafa tahaka, na mihoatra ny hikarakarantsika ny momba ny tenantsika, no fifaliantsika. Dia tiako ampiana hoe indrindra fa rehefa tsy mety amintsika izany ary voatery hanao zavatra tsy fanaontsika isika”5.

Mijoro ho vavolombelona aho fa ny fanompoana no fototr’ilay didy faharoa. Mitondra fifaliana ny fanompoana, mitondra fahasambarana ny fitiavana. Aoka isika hiala sy hivoaka amin’ny toerana sy zavatra mahazatra antsika ka haneho ny fitiavantsika amin’ny fanompoana ny hafa ivelan’izany.

Ny Loholona Eustache Ilunga dia nantsoina ho Fitopololahin’ny Vondromparitra nandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany aprily 2018. Vadin’i Mamie Thérèse Muela Mutatayi izy. Manan-janaka efatra izy ireo. Ny Loholona sy Rahavavy Ilunga dia mipetraka ao Kinshasa, Repoblika Demôkratikan’i Congo.

Naoty

  1. Marka 12:28–31.

  2. Russell M. Nelson, “Ny didy lehibe faharoa,” Liahona, Nôv. 2019, 100.

  3. Russell M. Nelson, “Ny didy lehibe faharoa,” 97.

  4. Russell M. Nelson, “Ny didy lehibe faharoa,” 97.

  5. Russell M. Nelson, “Ny didy lehibe faharoa,” 100.