2020
Ny Fiadidian’ ny Vondromparitra Afrika Afovoany
Aogositra 2020


Biographies

Ny Fiadidian’ ny Vondromparitra Afrika Afovoany

Joseph W. Sitati, Filohan’ny Vondrom-paritra

Ny Loholona Joseph W. Sitati dia notohanana ho Fitopololahy Manampahefana Ambony tamin’ny 4 aprily 2009. Tamin’ny fotoana niantsoana azy dia filohan’ny Misiônan’i Calabar Nigeria izy. Ny Loholona Sitati dia efa mpanolotsaina tao amin’ny Fiadidian’ny Vondromparitra Afrika Andrefana. Mpanolotsaina voalohany ao amin’ny Fiadidian’ny Vondromparitra Afrika Atsimo Atsinanana izy izao.

Ny Loholona Sitati dia nahazo mari-pahaizana licence en génie mécanique avy tao amin’ny Oniversiten’i Nairobi tamin’ny 1975 ary diplaoma momba ny sora-bola sy ny fitantanam-bola avy tamin’ny Association of Certified Accountants. Namita fianarana hahazoana mari-pahaizana momba ny fitantanana orinasa ihany koa izy tao amin’io oniversite io tamin’ny 2000 ary niasa ho mpitantana tao amin’ny Reach the Children, fikambanana iray tsy miankina mpanao asa soa. Talohan’izay izy dia nitana anjara toerana maro tao amin’ny Total Group, orinasa fahaefatra lehibe indrindra mpamokatra solika maneran-tany.

Hatramin’ny naha-mpikambana azy tato amin’ny Fiangonana ny Loholona Sitati dia efa nanompo tamin’ny antso maro, anisan’izany ny filohan’ny sampana, filohan’ny distrika, mpanolotsaina tao amin’ny fiadidian’ny misiôna, filohan’ny tsatòka, Fitopololahin’ny Vondromparitra, ary filohan’ny misiôna. Efa tale maneran-tanin’ny seraseran’ny Fiangonana ho an’i Afrika ihany koa izy.

I Joseph Wafula Sitati dia teraka tao Bungoma Kenya tamin’ny 16 mey 1952. Nanambady an’i Gladys Nangoni izy tamin’ny jolay 1976. Manan-janaka dimy izy ireo.

Matthew L. Carpenter, Mpanolotsaina Voalohany

Ny Loholona Matthew L. Carpenter dia notohanana ho Fitopololahy Manampahefana Ambony an’Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany tamin’ny 31 martsa 2018, teo amin’ny faha-58 taonany. Tamin’ny fotoana niantsoana azy dia mpikambana tao amin’ny Kôlejy fahenin’ny Fitopololahy izy tao amin’ny Vondromparitra Afovoan’i Amerika Avaratra.

Nahazo mari-pahaizana Licence ès science en gestion d’entreprise avy amin’ny Brigham Young University izy tamin’ny 1983. Nahazo maîtrise en Administration des affaires avy amin’ny Harvard Business School izy tamin’ny 1987. Nandritra ny fotoana niasany dia efa Filoha Tale Jeneralin’ny Bay View Commercial Financial Group izy ary ny vao haingana indrindra dia tale mpitantana tao amin’ny Genesis Financial Services Fund sy ny Foundation Specialty Financing Fund izy.

Efa nanompo tamin’ny antso maro tato amin’ny Fiangonana ny Loholona Carpenter, ka anisan’izany ny naha-mpitory ny filazantsara nanompo tamin’ny fotoana feno azy tao amin’ny misiônan’i Suisse Genève. Efa misiôneran’ny paroasy izy, filohan’ny skoto, filohan’ny Zatovolahy teo anivon’ny tsatòka, mpanolotsaina tao amin’ny episkôpà, mpanolotsaina tao amin’ny fiadidian’ny misiônan’ny tsatòka, mpitarika ny asa fitoriana teo anivon’ny paroasy, mpikambana tao amin’ny filankevitra avo, eveka, ary filohan’ny tsatòka.

I Matthew Leslie Carpenter dia teraka tao Salt Lake City Utah tamin’ny 21 ôktôbra 1959. Nanambady an’i Michelle (Shelly) Kay Brown izy tamin’ny 1982. Manan-janaka dimy izy ireo.

Thierry K. Mutombo, Mpanolotsaina Faharoa

Ny Loholona Thierry K. Mutombo dia notohanana ho Fitopololahy Manampahefana Ambony an’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany ny 4 aprily 2020 teo amin’ny faha-44 taonany. Tamin’ny fotoana niantsoana azy dia filohan’ny Misiônan’i Baltimore Maryland izy.

Nahavita fianarana momba ny fitantanana orinasa tao amin’ny Oniversite an’i Cepromad ny Loholona Mutombo tamin’ny 2010. Nahazo mari-pahaizana licence en gestion des ressources humaines avy amin’ny Oniversite an’i Cepromad izy tamin’ny 2012. Nanana orinasa mpanao fitaterana izy nanomboka tamin’ny 2000 ka hatramin’ny 2005. Efa niasa ho an’ny Fiangonana izy ka tompon’andraikitra mpanara-maso tao amin’ny Departemanta misahana ny fitantanana ireo fitaovana sy talen’ny Departemanta mpikarakara ny momba ny mpiasa tao amin’ny Repoblika Demôkratikan’i Congo izy tamin’izany. Ny asany vao haingana indrindra dia talen’ny Departemantan’ny Tantaram-pianakaviana tao amin’ny Repoblika Demôkratikan’i Congo.

Efa nanompo tamin’ny antso maro tato amin’ny Fiangonana ny Loholona Mutombo, ka anisan’izany ny naha-mpitory ny filazantsara nanompo tamin’ny fotoana feno azy tao amin’ny Misiônan’i Abidjan Côte d’Ivoire. Efa mpitarika ny asa fitoriana teo anivon’ny paroasy izy, mpampianatra Sekoly Alahady teo anivon’ny paroasy, mpitantsoratra mpanatanteraka teo anivon’ny tsatòka, mpanolotsaina tao amin’ny fiadidian’ny tsatòka, ary filohan’ny tsatòka.

I Thierry Kasuangi Mutombo dia teraka tao Kinshasa, Repoblika Demôkratikan’i Congo, tamin’ny 31 Janoary 1976. Nanambady an’i Tshayi Nathalie Sinda izy tamin’ny 2002. Manan-janaka enina izy ireo.