2020
Gazetiboky vaovaon’ny Fiangonana amin’ny taona 2021
Desambra 2020


Fampahalalana

Gazetiboky vaovaon’ny Fiangonana amin’ny taona 2021

Manomboka ny janoary 2021 dia hamoaka gazetiboky maneran-tany miisa telo amin’ny fiteny 48 ny Fiangonana:

  • Liahona ho an’ny olon-dehibe

  • Namana amin’ny endriny nohatsaraina ho an’ny ankizy

  • Ary ny Ho zatovo mahery! vaovao ho an’ny zatovo

Ireo gazetiboky tsirairay ireo dia hisy amin’ny fiteny Malagasy isaky ny roa volana. Ireo gazetiboky amin’ny fiteny hafa dia hisy isam-bolana na isaky ny roa volana, arakarak’ilay fiteny.

Ireo mpanafatra Liahona ankehitriny dia hanohy handray ny Liahona hatramin’ny faran’ny famandrihan’izy ireo, fa aorian’ny janoary dia ny fitaovana ho an’ny olon-dehibe ihany izany. Mila manao famandrihana ireo izay maniry ny handray ny Namana sy ny Ho zatovo mahery! vaovao. Fandriho amin’ireo fomba izay misy eo amin’ny faritra misy anao izany toy ny amin’ny alalan’ny store.ChurchofJesusChrist.org, na ao amin’ny foibe mpaninjara, na amin’ny alalan’ireo fanafaran’entana ao amin’ny rantsana. Ho maimaim-poana hatrany ao amin’ny application Gospel Library (amin’ny fiteny Malagasy) na ao amin’ny liahona.ChurchofJesusChrist.org ireo gazetiboky amin'ny endriny nomerika.