2020
Fotoana nahatonga saina
Desambra 2020


FEON’NY MPIKAMBANA

Fotoana nahatonga saina

“Niezaka nanarina ny lohako aho tamin’ity indray mitoraka ity ary nahavita nampiandrandra ny masoko. Saingy ny potipotik’ilay môtôko tsara tarehy niparitaka teo amin’ny arabe no hany sisa tazako.”

Alatsinainy 10 aogositra 2020 tamin’izay, manodidina ny tamin’ny 8 ora alina. Maika ery aho ny handao ny toeram-piasako ary hiolomay hody alohan’ny fe-potoana tsy ahafahana mivoaka ny trano amin’ny 9 ora alina, izay napetraky ny fitondram-panjakana mba ho fepetra fiarovana hampihenana ny fiparitahan’ny coronavirus.

Niakanjo aho: natomboko tamin’ny kiraroko, avy eo dia ny fiarovana ny lohaliko, ny palitaoko, ary avy eo ireo fehin-tanana sy fehin-tongotra mazava alina. Noraisiko ny arolohako dia nivoaka ny toeram-piasana aho. Tavela irery teo amin’ilay toeram-piantsonan’ny fiara izay tsy dia nazava loatra ny môtôko. Efa lasa nody daholo ny olona rehetra, ary nieritreritra aho hoe “miara-misakafo hariva amin’ny fianakaviany izao izy ireo amin’izao”. Nanaovako ny arolohako sy ny fonon-tanako, niakatra teo amin’ny môtôko aho, dia novelomiko ilay izy. Tiako ery ny feon’ilay maotera Suzuki. Dia nanainga aho sady nanofahofa tanana nanao veloma ilay mpiambina.

Efa an-taonany maro no nitondrako môtô tamin’izany lalana izany nandeha niasa. Efa ela tokoa ka haiko tsianjery ilay lalana iray manontolo, ireo dongodongona, ny kihon-dalana iray, eny fa ny toerana misy ireo kilava-davaka aza. Tamin’io alina io dia tery dia tery ny fotoana nananako ka noho izany dia nieritreritra aho hoe tokony handeha faingana any amin’ilay tsena lehibe eo akaikin’ny tranoko aho alohan’ny hikatonan’izany mba hahafahako mividy zavatra hohanina. Nidina ilay tendrombohitra aho, tamin’ny hafainganam-pandeha 70 km isan’ora raha ny fiheverako azy, no indro nahita gidro tampoka teo afovoan’ny faritry ny lalana nandehanako. Te-hiala ilay izy aho saingy nisy fiara nanatona teo amin’ny faritra ilany tamin’ny lalana, izay maika ny hody ihany koa mialoha ny fe-potoana tsy ahafahana mivoaka ny trano. Nitsahiko ny hisatry ny kodiarana aoriana ary niezaka nampiadana tsimoramora ny fandehan’ilay môtô aho, saingy tsy voafehiko intsony ilay izy, dia nipitika aho, ary nitontona teo amin’ny arabe, nihohoka. Nivadibadika im-betsaka ilay môtô dia nisolifatra niala ilay lalana.

Tsy nahare na inona na inona afa-tsy feo mikasokasoka aho nandritra ny fotoana vitsy. Tsy nahatsiaro ny vatako aho. Niezaka nanarina ny lohako aho, saingy navesatra loatra izany. Nieritreritra ny tenako aho hoe “na izaho efa maty na nalemy.” Fotoana vitsy taoran’izay dia nahare olona nanontany aho raha toa aho ka tsy maninona, dia nisy feon’olona iray nilaza tamim-pahagagana hoe “hay vehivavy mpitaingina môtô ity!” Niezaka nanarina ny lohako aho tamin’ity indray mitoraka ity ary nahavita nampiandrandra ny masoko. Saingy ny potipotik’ilay môtôko tsara tarehy niparitaka teo amin’ny arabe no hany sisa tazako.

Nanampy nampiarina ahy ireo Samaritana tsara fanahy ireo dia nitondra ahy teo amin’ny sisin-dalana. Nasain’izy ireo nipetraka aho, naka aina, ary nanamafy raha toa ka nahatsapa fanaintainana na aiza na aiza teo amin’ny tenako. Nalain’izy ireo ny môtôko dia nafindrany hiala ny lalana, ary nahare ny iray tamin’izy ireo aho niteny hoe “Raha ilay môtô no jerena dia tsy maintsy hoe maratra mafy io vehivavy io.”

Nitsangana aho dia tsikaritro fa tsy nahare fanaintainana, afaka nandeha aho, afaka niresaka, ary afaka nampihetsika ny tanako ihany koa kanefa tsy nahatsapa fanaintainana na kely aza. Tsy naninona mihitsy aho.

Tonga saina aho fa tafavoaka velona tamin’ny fomba mahagaga ka tsy tratran’ny faharatrana goavana, eny fa na ny ratsy kokoa noho izany aza, dia ny fahafatesana. Niverina nipetraka aho dia nanontany tena hoe “raha ho faty androany aho, moa ve aho vonona ny hihaona amin’ny mpahary ahy?” Ny valinteny marina dia hoe “Tsia, tsy vonona aho.” Izay ampahany izay no nampatahotra ahy indrindra, tsy ilay hoe ho faty fa ilay hoe tsy vonona aho.

Amin’ny maha-Olomasin’ny Andro Farany ahy dia tadidiko fa efa maro ireo fotoana izay nanoroan’ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana hevitra ahy mba ho vonona amin’ny fotoana rehetra tahaka ireo virijiny dimy tantaraina ao amin’ny Matio 25:5–13. Tonga saina aho fa nifantoka bebe kokoa tamin’ny zavatr’izao tontolo izao mihoatra ny zavatra mandrakizay. “Fotoana tokony hanovana izany rehetra izany izao”, hoy aho nieritreritra. “Inona ary izany no tokony hataoko Tompo ô?”, hoy aho nanontany tena.

Hoy ny Loholona Kim B. Clark indray mandeha hoe: “Banjino amin’ny eritreritra rehetra i Kristy, aza miroanàhana, aza matahotra”1. Antso mba hatoky ny Tompo tanteraka, hampanoa ny sitrapontsika amin’ny Azy sy hanolotra ny fontsika ho Azy izany, ary mba ho lasa tahaka Azy amin’ny alalan’ny heriny manavotra.

Nanapa-kevitra aho fa ny zavatra ilaiko atao dia ny manolotra vavaka amin-kitsim-po ho an’ny Tompo, mibebaka amin’ny fahotako isan’andro, mivoky amin’ny teniny, mitandrina ny didiny, mandray ny fanasan’ny Tompo, mitandrina ny Sabatany ho masina, ary mitsaoka matetika araka izay azoko atao ao amin’ny tempoliny masina.

Hatramin’izay andro nitrangan’ny loza izay dia niezaka nanao ireo asa tsotra maneho finoana ireo aho, nanaraka ny torohevitry ny Loholona Clark hoe: “Banjino amin’ ny eritreritra rehetra i kristy; aza miroanàhana, aza matahotra.” Mijoro ho vavolombelona aho fa tsapako nisintona ahy hanakaiky kokoa ny Ray any An-danitra ny fitiavany ary nahatsapa ny fitaomana manamasin’ny Fanahy Masina aho rehefa nandeha teny ny fotoana.

Lehiben’ny Tetikasa Fanorenana ao amin’ny Fiangonana ao Kenya i Liza Ngimor. Izy no lehiben’ny tetikasa fananganana ny biraon’ny Vondromparitra vaovao Afrika Afovoany ao Nairobi. Mipetraka ao amin’ny Paroasy Upperhill, Tsatòkan’i Nairobi Andrefana izy.

Naoty

  1. Kim B. Clark, “Banjino i Jesoa Kristy”, Liahona, Mey 2019, 56; jereo koa Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 6:36.