2020
Hazavao Izao Tontolo Izao: Desambra 2020
Desambra 2020


Hazavao Izao Tontolo Izao

Hazavao Izao Tontolo Izao: Desambra 2020

Ireto misy karazana asa fanompoana tsotra sy azo atao isan’andro izay azonao dinihina na ataovy izay zavatra efa nomaninao.

Ny fanoloran’ny tena fotoana sy talenta ary fitiavana mandritra ny vanim-potoan’ny Krismasy dia afaka hampisy tanjona sy dikany lalina kokoa an’ilay fotoana hankalazantsika ny fahaterahan’ilay Tompo sy Mpamonjy antsika.

Afaka manaraka ny ohatra nasehony isika rehetra ary manao an’izao tontolo izao ho toerana tsara kokoa amin’ny alalan’ny fampaherezana ireo izay manodidina antsika.

Ny andro tsirairay izay mitondra mankany amin’ilay andron’ny Krismasy dia fahafahana manompo tsirairay ny hafa.

1. Manomboha manao diary fankasitrahana ary manorata zavatra iray mahavelom-pankasitrah ana anao isan’andro ny volana desambra.

2. Mieritrereta olona iray izay ohatra fakan-tahaka eo amin’ny fanaovana asa fanompoana tahaka ny nataon’i Kristy. Asongadino ao amin’ny tambazotran-tserasera izany ohatra tsara izany.

3. Manolora zavatra ho an’ny trano fivarotana zavatra efa nampiasaina na fikambanana mpanao asa soa, na manomeza zavatra ho an’ny olona sahirana.

4. Mandefasa hafatra iray izay ahitana fiarahabana vao maraina mba hampahafantarana olona iray fa mieritreritra azy ianao androany.

5. Manomeza sakafo ho an’ny olona iray tsy manan-kialofana na sahirana.

6. Manolora vavaka feno fankasitrahana an’i Jesoa Kristy sy ny famindrampony.

7. Mieritrereta olona ao amin’ny fianakavianao na olona iray izay fantatrao fa sahirana. Manaova asa Fanompoana mangingina.

8. Mizarà soratra masina iray amin’ny namana iray na olon-tiana iray izay mety mila fampaherezana androany.

9. Manaova rakitsarin’ny fianakavianao mihira hiran’ny krisimasy na miarahaba ary alefaso amin’ny olona iray marary na irery izany.

10. Manorata fahatsiarovana iray momba ny iray amin’ireo ray aman-dreny na ray aman-drenibenao ho an’ireo zanakao na zafikelinao.

11. Antsoy izao dia izao ny ray aman-dreninao na ireo olona hafa ao amin’ny fianakavianao ary lazao azy ireo fa tena tianao tokoa izy ireo.

12. Mizarà taokanto na hira na tononkalo iray hanehoana ny zavatra tsapanao momba an’i Jesoa Kristy, na mamorona ny anao manokana.

13. Manorata teny fohy “fisaorana” ho an’ny talenao, na ny mpampianatra anao, na ny mpampiofana anao na ny namanao, dia lazao ny zavatra tena hainy tsara ny manao azy.

14. Manaova drafitra mba hiaraka hanao zavatra amin’ny namana iray manokana na zanaka iray manokana na olon-tiana iray manokana.

15. Raha mila miala tsiny aman’olona ianao dia ataovy izay hialana tsiny aminy androany.

16. Fantaro ny mikasika ny iray amin’ireo razambenao ary zarao ilay tantara. Mila fanampiana ve ianao? Tsidiho ny FamilySearch.org.

17. Manomeza toky fa hijery ny lafin-tsaran-javatra ianao androany. Arahabao amim-pitsikitsikiana ny olona hitanao.

18. Mieritrereta olona iray izay nanorisory anao tatoato. Ampidiro ao anatin’ireo vavaka ataonao izany olona izany.

19. Tiavo ny namanao: manaova fonon-tanana sy saron-tava ary esory ny fako eny amin’ny faritra manodidina anao.

20. Jereo miaraka amin’ny fianakaviana na namana ilay horonantsary “The Christ Child” (I Jesoa Zazakely).

21. Meteza ho “tsara fanahy” fa tsy hoe “hanana ny marina foana” anio.

22. Anontanio an’Andriamanitra ny fomba ahafahanao ho valin’ny vavaka nataon’ny olona iray androany.

23. Mieritrereta Mpifanolobodirindrina iray izay tsy dia fantatrao tsara. Manolora mofomamy namboarina tany an-trano na fanomezana avy amin’ny fo ho azy.

24. Mifandraisa amin’ny olona iray ao amin’ny fianakaviana izay mipetraka lavitra. Mandefasa hafatra ho azy.

25. Arahaba tratry ny Krismasy! Zarao amin’ireo olon-tianao ireo zavatra rehetra izay nataon’i Jesoa Kristy Mpamonjy ho anao, na manorata ao amin’ny diarinao.