2021
Tsatòka voalohany tao Afrika
Febroary 2021


SEHATRA MAHAKASIKA NY TANTARAN’NY FIANGONANA

Tsatòka voalohany tao Afrika

“Amin’ity taona ity isika dia mankalaza ny faha-dimampolo taonan’ny nananganana ny tsatòka voalohany tao Afrika.”

Tamin’ny 1970, efa ho 50 taona mahery lasa izay, dia nanambara izao vaovao izao ny lohatenin’ny gazety Cumorah’s Southern Messenger: Lasa tsatòka i Afrika Atsimo! Izany no tsatòka voalohany an’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany natsangana tao amin’ny kaontinantan’i Afrika ary tranga manan-danja sy tsy hay hadinoina ho an’ireo mpikambana niaina tao anatin’ireo faritry ny Misiônan’i Afrika Atsimo tamin’izany.

Ny Cumorah’s Southern Messenger dia gazety navoakan’ny misiôna isam-bolana, ary nahitana ny vaovao rehetra manomboka amin’ireo batisa sy fitsofan-drano zaza ka hatramin’ireo fivoriamben’ny misiôna izay antsoina hoe fihaonambe ankehitriny.

Efa niandry ny Loholona Marion G. Romney (1897–1988), tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifololahy, hitsidika azy ireo amin’ny fivoriamben’izy ireo ny tapaky ny volana martsa 1970 ireo misiônera, saingy tsy nisy nanampo ny hafatra fampidirana nomen’ny Filoha Howard C. Badger, filohan’ny misiôna, izy ireo izay nanatrika ilay fivoriambe. Namaky taratasy avy tamin’ny Loholona Spencer W. Kimball (1895–1985), izay filoha mpisolo toerana an’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo tamin’izany, izy izay nanambara fa ny Loholona Romney dia tonga tao Johannesburg niaraka tamin’ireo toromarika hananganana ny tsatòka voalohany.

Hoy ny nosoratan’ilay mpanoratra tao amin’ny Messenger hoe: “Nisy fanahy nanentana anay rehetra ary nahatsapa fahasambarana lehibe izahay tamin’ilay vaovao mahatalanjona izay efa nandrandranay rehetra tato amin’ny Misiônan’i Afrika Atsimo hatry ny nahatongavan’ireo misiônera voalohany tamin’ity tany ity tamin’ny 1853.”

I Louis P. Hefer no voantso ho filoha voalohany an’ny tsatòkan’i Transvaal, izay natsangana tao amin’ny faritr’i Johannesburg avy tamin’ny distrikan’i Transvaal. I Ben de Wet sy i Olev Taim no mpanolotsain’ny Filoha Hefer. Ireo mpitarika ao amin’ny fisoronana anankitelo ireo dia samy olona niova fo tamin’ny Fiangonana teo anelanelan’ny 8 sy 12 taona teo avokoa, ary samy nitana toerana mpitarika maro nandritra izany fotoana izany. Lehilahy voaomana sy mendrika miisa roa ambin’ny folo hafa no voafidy ho mpanolotsaina avo.

Sampana dimy tao amin’ilay distrika teo aloha no novaina ho paroasy tamin’ny fotoana nananganana ilay tsatòka, ary notendrena ho eveka ireo filohan’ny sampana. Ireto avy izany paroasy sy eveka vaovao izany: Paroasin’i Krugersdorp, (Eveka Daniel Cherrett); Paroasy voalohan’i Johannesburg, (Eveka George Samuels); Paroasy faharoan’i Johannesburg, (Eveka Johann Brummer); Paroasin’i Pretoria, (Eveka Michael Blight); ary Paroasin’i Springs (Eveka Kenneth Armstrong). Tafiditra tao amin’ilay Tsatòkan’i Transvaal ihany koa ireo sampana dimy ambiny: Germiston, Vereeniging, East Rand, Klerksdorp ary Carletonville.

Nandritra ilay fivoriamben’ny misiônera tamin’ny 1970 dia nanome toky ireo misiônerany ny Filoha Badger fa mbola hitohy ny fitomboana izay mitranga ao amin’ny Fiangonana ary namporisika azy ireo mba hanompo ny Mpamonjy amin’ny hery, ny saina, ary ny tanjaka, izay nataon’ireo misiônera nandritra ireo folo taona nanaraka izany.

Efa 117 taona no nahataongavan’ireo misiônera voalohany tao Cape Town nitondra ny vaovao mahafalin’ny filazantsarana tafaverina amin’ny laoniny izay vao nitsangana io tsatòka voalohany ao Afrika io. Tamin’izany fotoana izany dia teo amin’ny 6.000 teo no isan’ny mpikambana tao amin’ilay kaontinanta, ny ankamaroany dia tao Afrika Atsimo sy Zimbabwe amin’izao fotoana. Saingy hatry ny nananganana ny tsatòkan’i Transvaal dia nahitana fitomboana goavana ny Fiangonana. Ankehitriny dia misy mpikambana mihoatra ny 685.000 ao amin’ny firenena miisa 34. Mivory sy miara-mitsaoka ao anatina tsatòka miisa 180 sy distrika 98 izy ireo.

Nandritra ilay fivoriamben'ny misiônera dia nizara hafatra izay mbola manan-danja amin’izao toy ny lanjany tamin’izany ny Loholona Romney. Nilaza tamin’ireo izay nihaino azy izy mba haharitra amin’ny fahoriana, ary hiezaka ny hahafantatra an’ Andriamanitra. “Ny fahasambarana” hoy izy “dia ny mikatsaka ny fandehan’ny Tompo ka andeha amin'ny fomba mitovy amin’izany koa.”