2021
Ny Halehibeazan’ Andriamanitra
Febroary 2021


FEON’NY MPIKAMBANA

Ny Halehibeazan’ Andriamanitra

“Amin’ny tranga ratsy indrindra dia mety hisy ny hamoy ny ainy, ary mety ho faty ny reny sy ny zaza. Na dia nampatahotra ahy aza izany, dia fantatro fa tao amin’ny antsipiriany Andriamanitra. Fantatro fa hanao ny sitrapony amin’ny vady aman-janako ny Tompo.”

Tamin’ny 29 nôvambra 2018, dia nihetsi-jaza tamin’ny zanakay fahefatra i Ruth vady malalako. Na dia fotoana nampientanentana sy nahafaly ho anay mianakavy aza io fotoana io dia nisy ahiahy goavana sasantsasany. Teo amin’ny faha-32 herinandro amin’ny fitondrana vohoka izy ary nantenaina ho teraka ny faran’ny volana Janoary 2019. Tokony ho valo herinandro mialoha eo izany. Ny fieritreretana sy ny zava-misy hita ankehitriny momba ny fahaterahan’ny zanakay tsy ho tonga volana dia nanelingelina.

Talohan’ny nandehananay tany amin’ny hôpitaly Aga Khan any Nairobi io alina io dia nivavaka mangina aho ary nitalaho tamin’ny Tompo mba ho samy voaro ny reny sy ny zaza. Rehefa tonga tany amin’ny hôpitaly izahay dia nampitandrina ahy ny dokotera ny amin’ny mety ho vokany mampidi-doza amin’ny fiterahana aloha loatra. Nolazain’izy ireo fa mety hisy fiantraikany amin’ny fivoaran’ny zaza ny tsy fahafenoan’ny volana ao am-bohoka. Amin’ny tranga ratsy indrindra dia mety hisy ny hamoy ny ainy, ary mety ho faty ny reny sy ny zaza. Na dia nampatahotra ahy aza izany, dia fantatro fa tao amin’ny antsipiriany Andriamanitra. Fantatro fa hanao ny sitrapony amin’ny vady aman-janako ny Tompo. Nanome fiadanana be ho ahy io fanomezan-toky io. Efa imbetsaka aho no nivavaka momba ny raharaha maika hafa taloha, ary nahita ny tanan’ny Tompo aho. Namaly ny vavaka nataoko rehetra hatramin’ny andro fahatanorako Izy. Fantatro fa tsy hahafoy anay Izy na dia sarotra toy ny ahoana aza ity tranga ity.

Nanodidina io fotoam-pitsapana io dia nizara ny paroasy Zimmerman nisy ahy ary nahazo antso aho mba ho evekan’ny iray amin’ireo paroasy roa vao noforonina. Fotoana tena sarotra tamiko izany, saingy fantatro fa hanome fomba hanatanterahana an’io asa goavana io Andriamanitra. Afaka nifandimby nanao ny antsoko vaovao aho, sady nikarakara ireo zaza telo tao an-trano—mbola tanora avokoa izy rehetra—no nitsidika matetika tany amin’ny hôpitaly, ary manome asa marina ho an’ny mpampiasa ahy.

Tamin’ny fifandraisako taloha tamin’ireo eveka hafa dia hita fa ny fiantsoana ho eveka dia noheverina ho iray amin’ireo antso lehibe indrindra amin’ny fiangonana—atahorana sy tiana amin’ny refy mitovy. Na izany aza, fantatro tsara fa izay antsoin’ny Tompo dia ataony mendrika ary hanome lalana ho ahy Izy mba ho eveka mahomby ary koa hahatontosa ireo andraikitra hafa napetraka eo an-tsoroko. Araka ny nolazain’i Nefia hoe: “Ary ny zava-nitranga dia hoy izaho Nefia tamin-draiko: Handeha aho ary hanao ny zavatra izay efa nandidian’ny Tompo, satria fantatro fa tsy manome didy ho an’ny zanak’olombelona ny Tompo raha tsy efa nanomana lalana ho azy mba hahazoany manatontosa ny zavatra izay andidiany azy” (1 Nefia 3:7).

Nandeha tsara ny zava-drehetra ary teraka i David zanakay izay nilanja 1,5 kg (manodidina ny 3,3 livres). Nilaza ireo mpitsabo fa tsy arakaraka ny tsy fahatongavam-bolany izy ary tsy notandindomin-doza izaitsizy. Napetraka tao amin’ny Sampam-pitsaboana zaza vao teraka izy ary namaly tsara ny fikarakaran’ny dokotera sy ireo mpitsabo mpanampy. Toy ny tamin’ireo fotoana maro hafa taloha, dia nahita ny tanan’ny Tompo sy ny fitahiany tsara indrindra teo amin’ny fiainan’ny vady aman-janako aho. Ity traikefa ity dia nanampy ahy hankasitraka ny teknôlôjia lehibe momba ny fitsaboana sy ny fihetsika tsy misy fitiavan-tenan’ireo mpiasan’ny hôpitaly. Salama sy tomady i David ankehitriny ary tena fanampiny lehibe ao amin’ny fianakavianay. Loharanom-pifaliana ho anay rehetra izy. Tena tia azy i Payson sy i Precious ary i Natasha mpiray tampo aminy. Mampahatsiahy mandrakariva ny halehibeazan’Andriamanitra izy.

I Joshua M. Njoroge dia Mpanolotsaina Faharoa ao amin’ny Tsatokan’i Nairobi Kenya Atsinanana ankehitriny.