2021
‘Fantsona avy any an-danitra’: manohina ny fo mandritra ny valanaretina
Ôktôbra 2021


FEON’NY MPIKAMBANA

‘Fantsona avy any an-danitra’: manohina ny fo mandritra ny valanaretina

Raha sahirana tamin’ny fiatoan’ny asa fitoriany vokatry ny COVID-19 i Elder Leniel Gava, dia nianatra izy fa hanome fomba hanolorana tanana hatrany ny zanany ny Tompo.

Nantsoina hanompo tao amin’ny misionan’i Mozambique Maputo i Leniel Gava, saingy nanomboka nanompo tao Zimbabwe fiaviany izy raha niandry ny fahazoan-dalana hiditra an-tany hafa izay hamela azy hiofana sy hianatra ny Portogey tao amin’ny Ivontoeram-piofanan’ny Misiônera ao Bresil. Rehefa niandry efa-bolana i Elder Gava dia tonga tany Bresil nony farany, ary tonga tao Maputo herinandro vitsivitsy taty aoriana.

Tia an’i Mozambique sy ny fahafahana nananany nizara ny filazantsara i Elder Gava. Niorina tamin’ny asa izy ary nanomboka nahazo aina tamin’ny Portogey rehefa lasa valanaretina ny virosy COVID-19 tamin’ny martsa 2020. Niverina tampoka tany amin’ny tanindrazany ny ankamaroan’ny misiônera tany Afrika. Niverina tany Zimbabwe izy.

Nilaza i Elder Gava fa niasa saina foana ireo misiônera nandritra ny dingana fampodiana azy ireo. Aiza no handefasana azy ireo? Mandritra ny hafiriana? Amin’ny fomba ahoana no hanompoan’ izy ireo raha miandry ny fiafaran’ny valanaretina izy ireo? Tamin’ny fotoana nihaonany tamin’ny filohan’ny misiona, Tasara Makasi, vao nitony izy. Hoy ny Filoha Makasi taminy: “Tsy mijanona ny asan’ny Tompo. Manitsy fotsiny ianao dia manohy manao ny asany.” Ka nataony izany. Na tao anatin’ireo fepetra fihiboana aza.

Ireo misiônera, izay nihiboka tao an-tranony toy ny olon-drehetra, dia tsy ela dia nahazo finday avo lenta sy fidirana amin’ireo sehatra tamba-jotran-tserasera izay nahafahan’izy ireo nifandray tamin’ny olona namaly ny dokam-barotra tamin’ny Facebook navoaka tao amin’ ireo pejy Facebook South Africa Area mitondra ny lohateny hoe –Aiza no ahitako fiadanana?–.

Fotoana fohy taorian’ny nandefasana ilay dokam-barotra, i Elder Gava sy ny namany dia naharay anarana maro sy nomeraon-telefaona avy amin’ireo olona izay namaly ilay dokam-barotra, izay naneho fa liana ny hihaona amin’ ireo misiônera sy te hahalala bebe kokoa momba ny Fiangonana izy ireo. I Elder Gava sy ny namany dia nasaina nifandray tamin’ny olona tsirairay. Rehefa nandinika ny anarana sy ny tarehimarika izy ireo, dia nentanim-panahy ny misiônera roa hiantso vehivavy iray. Namaly tamin’ny feo tena ambany izy, saingy rehefa avy nampahafantatra ny tenany izy ireo dia saika nikiakiaka tamim-pifaliana izy. “Misaotra betsaka nifandray tamiko!” hoy izy. “Misaotra anareo niantso tamin’ny fotoana mety.”

Rehefa nandeha ny resaka, dia fantatr’ireo elders fa io vehivavy io dia mbola nandry teo am-pandrian’ny hopitaly raha afa-jaza. “Nilaza izy fa naratra be ny fony . . . toy ny hoe misy lavaka lalina tao,” hoy izy. “Tamin’ny fotoana niantsoanay azy dia nila olona niaraka taminy izy, saingy indrisy fa irery izy. Lasa iray amin’ireo namanay akaiky io rahavavy io ary nanomboka nampianatra azy tamin’ny alalan’ny teknôlôjia izahay.”

Ny Filoha Henry B. Eyring, Mpanolotsaina Faharoa ao amin’ny Fiadidiana Voalohany dia nampianatra fa ny fanomezana ny Fanahy Masina dia manampy antsika hampitraka ny hafa rehefa tena ilain’ izy ireo izany. “Ianareo dia mpikamban’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy izay nanao fanekempihavanana. . . .

“Izany no antony anananareo fahatsapana te hanampy olona iray miady mafy mba handroso eo ambany ziogan’ny enta-mavesatry ny fahoriana sy ny fahasarotana. Nampanantena ianareo fa hanampy ny Tompo hanamaivana ny enta-mavesatr’izy ireo ka hahatanjahany. Nomena anareo ny hery hanampiana mba hanamaivana ireo enta-mavesatra ireo fony ianareo nandray ny fanomezana ny Fanahy Masina.”1

Nilaza i Elder Gava fa io traikefa io dia nampianatra azy ny fomba fiasan’ny Fanahy eo amin’ny fiainantsika sy ny fomba ahafahany manosika antsika hiresaka amin’ireo olona mila antsika, amin’ny fotoana ilan’izy ireo antsika. Nianatra lesona iray hafa koa izy: ny maha-zava-dehibe ny fampiasana araka ny tokony ho izy ny teknôlôjia amin’ny asa fitoriana. Fantany fa ny teknôlôjia dia azo ampiasaina hanatonana ireo zanaky ny Raintsika any An-danitra.

Hitan’i Elder Gava naira-niasa ireo fantsona roa ireo tao amin’ny misionany: ny Fanahy Masina no fantsona any an-danitra, nitondra hafatra avy any an-danitra ho an’ireo misiônera; ary ny teknôlôjia no fantsona ety an-tany, nitondra izany hafatra izany avy amin’ireo misiônera mankany amin’ireo rahalahiny sy anabaviny.

Fanamarihana

  1. Henry B. Eyring, “Ilay Mpampionona,” Liahona, Mey 2015, 18.