2021
Ny zavatra antenaina rehefa maharay ny fahazoan-dalana voafetra hidirana ny tempoly
Ôktôbra 2021


NY LALAN’NY FANEKEMPIHAVANAKO

Ny zavatra antenaina rehefa maharay ny fahazoan-dalana voafetra hidirana ny tempoly

Raha toa ka vao haingana ianao no lasa mpikambana na niverina navitrika tato amin’ ny Fiangonana, ireo mpitarika anao na ireo namanao dia mety hanasa anao hiomana handray fahazoan-dalana voafetra hidirana ny tempoly.

Fotoana tena mampientanentana ho an’ny maro amin’ireo mpikambana vaovao sy ireo zatovo ao amin’ny Fiangonana ny fandraisana fahazoan-dalana voafetra hidirana ny tempoly. Mandritra ny tafa sy dinika hataonao amin’ny evekanao dia hametraka fanontaniana mitovy amin’ireo napetraka taminao ho an’ny batisanao ny evekanao. Tafiditra ao anatin’izany ireo fanontaniana momba ny fanajanao ireo didy sy momba ny fijoroana ho vavolombelona anananao momba ny filazantsara. Rehefa azonao ilay fahazoan-dalana hidirana ny tempoly ho anao, dia afaka manao drafitra handehanana any amin’ny tempoly miaraka amin’ny fianakavianao sy ireo namanao ao amin’ny paroasy ianao.

Rehefa nanontaniana mikasika ny zavatra izay hoteneniny amin’ny olona iray miahiahy mahakasika ny fandehanana any amin’ny tempoly vao voalohany i Mosa avy ao amin’ny sampana Cosmo City ao Johannesbourg, Afrika Atsimo, dia nilaza hoe, “Tsy tokony hisy ny fiahiahiana. Misy fiadanana ao amin’ ilay trano, dia ny tempoly izany. Hampitoniana ireo tahotra sy fitsapana iainanao any amin’ny tempoly. Ny tempoly no toerana na trano feno voninahitra sy fiadanana . . . ary faran’izay azo antoka indrindra hitanao eto amin’ity tany ity. Asaina daholo isika rehetra. Ireo toe-javatra iainana dia mety hamily antsika hiala amin’ilay maha-izy azy antsika sy amin’ny fiarahana amin’ny Raintsika any An-danitra. Ny tempoly no fanafody sy hôpitaly ho an’ny fanahintsika. Izany dia toerana hiovan’ilay hazavantsika mitsilopilopy ho lasa faran’izay mazava. –Aza matahotra fa momba anao ny Tompo– (Isaia 41:10).”

Ny fahazoan-dalana voafetra dia manome fahafahana anao mba hanao asa fanompoana ao amin’ny toerana fanaovam-batisa ao amin’ny tempoly sy hanatanteraka ireo ôrdônansin’ny batisa sy ny fandraisana ho mpikambana ho an’ireo olona efa maty ao amin’ny fianakavianao sy ireo olona hafa efa maty. Omen’ny tempoly akanjo tohitena sy servieta mba hampiasainao ianao. Ny olona tsirairay dia samy manana lalimoara kely sy toerana fisoloana akanjo mba hanesorana ireo akanjo fitondra miangona mba hosoloina akanjo fotsy.

Tsaroan’i Mosa ny zavatra tsapany tamin’izy niditra ny tempoly vao voalohany; “Andro iray tsy hay hadinoina velively ilay fotoana voalohany nidirako ny tempoly sy nahafahako nandray anjara tamin’ny ôrdônansin’ny fiangonana. Tsy haiko ny naneho ny hafaliako rehefa natao batisa ho an’ny maty aho. Nanohina ny foko ny fahafahako nanampy an’ireo izay tsy nanana fahafahana ny ho mpikamban’ny fiangonana na natao batisa ary tsy nanana fahafahana hahafantatra ny fahamarinana. . . . Nahatsapa ny Fanahy niaraka tamiko aho.”

Misy fomba ahafahanao miomana mba hiditra ny Tranon’ny Tompo vao voalohany. Ny mpaminanintsika, Russell M. Nelson, dia nilaza hoe: “Tiako ny manoro hevitra hoe, ireo mpikambana hiditra ny tempoly vao voalohany dia tokony hamaky andinin-tsoratra manolotra fanazavana fohy ao amin’ny Torolalana ho an’ny soratra masina hita eo ambanin’ireto lohahevitra miisa fito ireto: –Manosotra,– –Sorompanavotana,– –Kristy,– –Fanekempihavanana,– –Fahalavoan’i Adama,– –Sorona,– ary –Tempoly.– Hampisy fototra mafy orina ny fanaovana izany.”1

Fitahiana lehibe eo amin’ny fiainanao ny fahamendrehana hiditra ny Tranon’ny Tompo. Afaka mahazo ilay fahazoan-dalana voafetra ho anao ianao amin’ny fiantombohan’ilay taona ao amin’ny tetiandro izay hahafeno 12 taona anao. Tsy maintsy mandray ny Fisoronana Aharôna ny lehilahy mialoha ny hidirana ny tempoly. Mety mila miantso mialoha ianao mba hamandrihana fotoana handehanana any amin’ny tempoly. Angataho ny fianakavianao na ireo mpitarika mpitarika ato amin’ny Fiangonana mba hanampy anao amin’ny firesahana amin’ireo mpiasa ao amin’ny tempoly.

Nilaza koa ny Filoha Nelson hoe: “Satria tranon’ny Tompo ny tempoly, dia Izy no mametraka ireo fitsipika ahafahana miditra ao anatin’izany. Ny olona iray miditra ao anatin’izany dia vahininy. Ny fihazonana fahazoan-dalana hidirana ny tempoly dia tombontsoa iray tsy voavidim-bola ary famantarana azo tsapain-tanana ny fankatoavana an’ Andriamanitra sy ireo mpaminaniny.”2

Ho feno fiadanana ny fiainanao rehefa tonga mba hitsaoka sy hanompo ao amin’ny tempoly ianao.

Fanamarihana

  1. Russell M. Nelson, “Personal Preparation for Temple Blessings,” Liahona, July 2001, 33.

  2. Russell M. Nelson, “Personal Preparation for Temple Blessings,” 33.