2022
Manova ny fifandirana ho lasa fitiavana
Martsa 2022


“Manova ny fifandirana ho lasa fitiavana,” Liahona, Mar./Apr. 2022.

Tonga soa ato amin’ity laharana ity

Manova ny fifandirana ho lasa fitiavana

Sary
Josefa avy any Egypta mihavana amin’ny rahalahiny

Josefa avy any Egypta, nataon’i Michael T. Malm

Miaina fifandirana isika indraindray eo amin’ny fifaneraserantsika amin’olona. Tena ilaina ny fahaizana manova ny fifanjihirana manimba ho lasa fifanjihirana mampiorina mba ho soa ho antsika. Tena manahirana antsika anefa izany.

Tena mavesatra ny fifanjihirana manimba. Mirongatra ny fifandirana. Toa voafetra ny fahafahantsika manova izany. Mahatsapa ho malemy sy mitebiteby isika. Potika sy rava eny rehetra eny ny fifandraisana aman’olona sy ny fiarahamonina.

Saingy afaka miroso amin’ny fifanjihirana mampiorina ihany koa anefa isika, izay hiafahantsika amin’ny lafiratsin’ny fifandirana. Afaka mampiroborobo ny fahamarinana sy ny famindram-po isika, sy manamafy orina ny fifandraisantsika aman’olona ary mamaha ireo olana efa lalim-paka. Afaka misy fiadanana ny fifandraisantsika aman’olona sy ny fiarahamonina misy antsika.

Amin’ny maha mpanelanelana olona mifanditra ahy sy amin’ny maha vady ary ray ahy dia nahita aho fa ny filazantsaran’i Jesoa Kristy dia afaka mitondra amintsika ny hazavana sy ny hery ilaina mba hanova ny fifandirana ho lasa fitiavana.

Ato anatin’ity laharana ity ianao dia hamaky ny fomba nahafahan’i Jakoba sy i Esao ary i Josefa nandravona ny fifanjihirana teo amin’ny fianakavian’izy ireo, sy ny fomba ahafahantsika manao torak’izany ao an-tokantranontsika sy eo amin’ny fiarahamonina misy antsika (jereo ny pejy 20). Azonao vakina ihany koa ilay lahatsoratra mafonja nataon’ny Loholona D. Todd Christofferson mahakasika ny fomba ahafahan’ny fahoriana mandio antsika rehefa mitodika any amin’ny Tompo isika (jereo ny pejy 6).

Maro tokoa isika no mitondra fanaintainana be amin’ny faharavan’ny fifandraisana ao an-tokantrano sy eo amin’izao tontolo izao. Manantena aho fa hitondra fanantenana ho an’ireo izay tsy manantena firavonana intsony ity laharana ity, ary hanainga finoana fa tsy irery isika, ary indrindra indrindra fa hahatsapantsika ilay fitiavan’i Jesoa Kristy izay tsy vitan’ny hoe manova ny fontsika fotsiny fa ny fon’ireo izay mampahaory antsika ihany koa.

Amin-kafanampo,

Chad Ford

Mpampianatra ao amin’ny Intercultural Peacebuilding, Oniversite Brigham Young–Hawaii