2022
Misafidy ny hihaino Azy aho
Martsa 2022


“Misafidy ny hihaino Azy aho,” Liahona, Mar./Apr. 2022.

Ny Feon’ireo Olomasin’ny Andro Farany: Vehivavy be finoana

Misafidy ny hihaino Azy aho

Rehefa nanonona hoe mofomamy ny rahavavy iray nandritra ny fijoroana ho vavolombelona nataony dia nijery aho ary nanomboka nifantoka.

Sary
andiana lakile eo ambony latabatra, miaraka amin’ny vehivavy iray mivavaka ao aoriana

Teraka tato amin’ny Fiangonana aho. Noho izany dia nanatrika ireo fiaraha-mientan’ny Kilonga sy zatovo aho. Nankafiziko ny tao amin’ny Kilonga noho ireo hira sy lesona.

Rehefa zatovo anefa aho dia nanomboka nania rehefa nifindra tamina paroasy vaovao. Nanatrika fiaraha-mientan’ny zatovo aho ny ankamaroan’ny herinandro saingy nitokana irery ahy ary tsy nandray anjara firy. Tsy nankafy ny fiangonana isak’alahady aho saingy tonga ihany aho tsindraindray. Tsapako fa tsy tena niova fo tamin’ny filazantsara sy ny fampianarany ao aminy aho. Tsy nanana fijoroana ho vavolombelona an’ny tenako manokana aho.

Toy ny mahazatra, nandritra ny fivoriana fifadian-kanina sy fijoroana ho vavolombelona iray dia nirenireny ny fanahiko. Tsy tena nihaino tsara aho raha nijoro ho vavolombelona ireo mpikambana tao amin’ny paroasy saingy niteny hoe amena aho isaky ny tapitra ny fijoroana ho vavolombelona tsirairay. Avy eo dia nisy ranabavy iray niakatra teny amin’ny polipitra ary nanomboka nizara ny fijoroana ho vavolombelona nananany. Rehefa nanonona hoe mofomamy izy dia nijery aho ary nanomboka nifantoka.

“Miresaka amin’ny Ray any An-danitra foana aho na dia eo am-panaovana mofomamy aza,” hoy izy. “Manolotra vavaka kely aho mba hitombo ilay mofomamy ary hivoaka tsara. Fantatro fa mamaly ny vavaka ataontsika Izy.”

Tsy dia nieritreritra firy izany fijoroana ho vavolombelona izany aho raha tsy tamin’ny fotoana izay tsy nahavelona ny fiaranay raha nila izany izahay handehanana hividy sakafo. Tamin’izay fotoana izay dia tsaroako ireo teny nolazain’ilay ranabavy. Koa niverina tao amin’ny efitrano fandriako aho mba hangataka amin’ Andriamanitra hanampy anay ka ho velona ilay fiara. Nandohalika izahay ary nivavaka. Rehefa vitako izany dia noraisiko ny lakilen’ny fiara ary natsofoko tao amin’ny famelomana ny fiara. Dia tonga ny valin’ilay vavaka nataoko, dia ny feon’ilay fiara izay velona.

Noho izany valim-bavaka tsotra izany dia niala avy tamin’ilay fahalavoana aho ka nandray lalana izay nanampy ahy hahazo fijoroana ho vavolombelona an’ny tena manokana sy lasa niova fo tanteraka tamin’ny filazantsara. Lasa tsy tononkira fotsiny ny tonon’ilay hiran’ny Kilonga hoe, “Ny fitiavany dia natolony ho ahy,” 1 fa mihoatra izany. Lasa fahatsapana tena ananako izany.

Mivavaka ho an’ny zavatra rehetra aho izao. Ary na dia tsy araka ny niriako foana aza ny valiny sy ny fotoana hamaliana azy dia mbola misafidy ny hihaino Azy foana aho rehefa mahatsiaro ireo tenin’i Nefia hoe: “Nefa indro lazaiko aminareo fa tsy maintsy mivavaka mandrakariva ianareo ary tsy kivy” (2 Nefia 32:9).

Fanamarihana

  1. Jereo ny “Ny fitiavany dia natolony ho ahy,” Bokin-kiran’ny ankizy, 42.