2022
Hiala ve aho?
Martsa 2022


“Hiala ve aho?,” Liahona, Mar./Apr. 2022.

Ny Feon’ireo Olomasin’ny Andro Farany: Vehivavy be finoana

Hiala ve aho?

Rehefa tohina aho nandritra ny fiaraha-mientana iray nataon’ny Fikambanana Ifanampiana dia nila nanapa-kevitra.

Sary
vehivavy iray mijery sarin’ny Mpamonjy

Lasibika no nalaina sary

Fotoana fohy taorian’ny naha-mpikamban’ny Fiangonana ahy dia nisangisangy toe-javatra mampihomehy ny mpitarika iray tao amin’ny Fikambanana Ifanampiana. Tampoka teo dia nanaraby ahy teo imason’ny olon-drehetra izy. Tsy nahazo aina aho ary tafintohina.

Ny eritreritro voalohany dia ny tsy hiverina ao amin’ilay paroasy intsony. Nanokatra ny soratra masiko aho, nikatsaka fankaherezana. Raha teo am-pamakiana aho dia tonga tamin’ny andininy iray ahitana an’i Jesoa manontany ireo tezitra hoe: “Hianareo koa va mba te-hiala?” (Jaona 6:67).

Tonga dia novaliako avy hatrany tao an-tsaiko hoe: “Tsia, tsy hiala aho!”

Nantsoiko ny filohan’ny Fikambanana Ifanampiana izay nandroso hevitra ny hiantsoako an’ilay rahavavy nanaraby ahy. Nantsoiko izy ary nambarako azy ny fahatsapako. Noresahinay fa tsara ny miomehy fa tsy tokony hatao ny manaraby olona tsy fantatra eo imason’olona. Niresaka momba ny fahaizana mihaino sy mahatsapa ny fahatsapan’ny mpikambana vaovao ihany koa izahay.

Nanohy niangona tao amin’io paroasy io hatrany aho raha mbola nipetraka tao amin’ilay tanàna. Niaina zavatra maro mahafinaritra aho taorian’ny fiovam-poko tamin’ny filazantsara.

Tao anatin’ny diako manokana handresena ny fahatafintohinana dia nahita ireto teny mahafinaritra avy amin’ny mpitarika ao amin’ny Fiangonana ireto aho:

“Raha milaza na manao zavatra izay heverintsika fa mahatezitra ny olona iray, ny zavatra tsy maintsy ataontsika voalohany dia ny mandà ny ho tezitra ary avy eo dia mifandray manokana amin-kitsimpo ary mivantana amin’izany olona izany.” 1

“Mampanantena anao aho, fa raha misafidy ny tsy ho tafintohina ianao … , dia hahatsapa ny fitiavan[’ny Mpamonjy] sy ny fankasitrahany.” 2

Feno fankasitrahana aho fa nisafidy ny tsy hiala ny Fiangonana tamina resaka tsy misy dikany. Ary feno fankasitrahana aho fa mpikambana ao amin’ilay Fiangonana naverina tamin’ny laoniny ary mbola manohy eo amin’ny lalan’ny maha-mpianatra. Ankasitrahako ny torohevitr’ireo mpaminany sy apôstôly izay mampianatra antsika ny fomba hifandraisantsika amin’ireo rahalahintsika sy rahavavintsika ao amin’ny filazantsara.

Afaka mijanona ho mahatoky hatrany aho fa tsy ho tafintohina. Afaka mifantoka amin’ny ezako manokana ny ho tahaka an’i Kristy aho ary hahatsapa ny fitiavan’ny Mpamonjy sy ny fankatoavany.

Hiala ve aho? Tsia. Manana fijoroana ho vavolombelona aho fa ity no Fiangonan’i Jesoa Kristy naverina amin’ny laoniny eto an-tany ary izany “no manana ny tenin’ny fiainana mandrakizay” (Jaona 6:68).

Fanamarihana

  1. David A. Bednar, “And Nothing Shall Offend Them,” Liahona, Nov. 2006, 92.

  2. Neil L. Andersen, “Never Leave Him,” Liahona, Nov. 2010, 41.