2022
Mikatsaka an’i Kristy isan’andro ve ianao?
Martsa 2022


“Mikatsaka an’i Kristy isan’andro ve ianao?,” Liahona, Mar./Apr. 2022.

Tanora

Mikatsaka an’i Kristy isan’andro ve ianao?

Ny zavatra niainako tao amin’ny tempoly dia nanampy ahy hahatsikaritra fa mila mikatsaka an’i Kristy isan’andro aho.

Monina any Guatemala ny mpanoratra.

Sary
mamaky soratra masina eo akaikin’ny varavarankely iray misokatra ny tovolahy iray

Fony aho mbola kely dia fanaoko ny mametra-panontaniana amin’ny tenako hoe “Miresaka ve ny Fanahy masina?” “Hahita an’ Andriamanitra ve aho rehefa mankany an-danitra?”

Amin’izao izao efa lehibebe izao dia afaka mijery ny lasa aho ary mahita fa nitari-dalana ahy foana ny Ray any An-danitra ary naneho ohatra tamiko fa misy Izy, fa tsy afaka nahafantatra foana ny fiasan’ny tanany teo amin’ny fiainako aho. Tena voatahy aho fa notezaina tao anaty tokantrano misy ny filazantsaran’i Jesoa Kristy naverina tamin’ny laoniny, saingy niaina tamina fijoroana ho vavolombelona nindramina aho nandritra ny fotoana naharitra. Sarotra tamiko ny nino fa tena nisy marina Andriamanitra.

Indray andro, tokony ho 15 taona aho tamin’izay dia nanao filazana dia ho any amin’ny tempoly izay hataon’ny paroasy ny evekako. Efa nahazatra ahy ny nandeha tany amin’ny tempoly niaraka tamin’ny fianakaviako, koa nieritreritra aho hoe tsy dia zava-dehibe loatra izany. Tsy mbola nahatsapa zavatra firy koa aho raha ny tena marina ary tsy nahatakatra ny maha-zava-dehibe ireo fanekempihavanana sy ôrdônansy tanterahina any amin’ny temploly.

Rehefa tonga ilay andro dia niditra ny tempoly aho ary nisolo ny akanjo fotsiko. Rehefa nandalo fitaratra iray aho dia nahita ny tenako nanao akanjo fotsy niaraka tamin’ny tsikitsiky teny amin’ny tarehiko. Teo am-piandrasana ny ambin’ireo mpikambana tao amin’ny paroasiko aho dia talanjona. Nandinika ny hakanton’ny toerana fanaovam-batisa sy ireo sary hosodoko aho no naheno tampoka ny Fanahy nikasika moramora ny foko.

Tsy ho hadinoko mandrakizay ireo teny tonga tato an-tsaiko: “Orson, tranon’ny Tompo ity. Tia anao Izy. Tiany hanova ny fiainanao ianao sy hiezaka ny ho lasa olona tsaratsara kokoa tsikelikely.”

Nahatsapa fitiavana be dia be aho tao anatin’ireo teny ireo saingy lasa heniky ny fahatsapana ho meloka. Tsy nandray ny tempoly tamim-pahamatorana aho raha tsy teo. Koa nivavaka aho tao am-poko, nangataka ny Ray ny An-danitra mba hamela ahy.

Ary fantatro fa naheno ny vavaka nataoko Izy satria nahatsapa fiadanana be tao am-poko aho.

Nampitombo ny finoako aho tamin’io andro io ary nahazo tenivavolombelona marina momba ny filazantsara izay niriko mafy. Tamin’io andro io aho dia afaka nilaza mafy tahaka ireo mpanaradia an’i Jaona anankiroa hoe: “Efa nahita ny Mesia izahay” (jereo ny Jaona 1:41

Fomba tsotra hifandraisana

Nanomboka tamin’io zavatra niainako io aho dia niezaka ny hahafantatra kokoa ny fitaoman’ny Ray any An-danitra teo amin’ny fiainako tamin’ny alalan’ny fikatsahana an’i Kristy isan’andro. Na dia mampahasarotra ny fahenoana ny feon’ny Mpamonjy aza indraindray izao tontolo izao dia fantatro fa tena misy tokoa Izy ary miaraka amiko Izy.

Maro amintsika no mandalo fotoana izay ahatsapantsika ho akaiky kokoa ny lanitra mihoatra ny mahazatra. Misy ihany koa andro izay sarotra amintsika ny mahatsapa ny fitaomany, na mafy toy ny ahoana ny fiezahantsika, na fotoana tery izay tsy ahafahantsika mahita fotoana ampy hikatsahana Azy. Saingy fantatro fa raha manana faniriana marina ny hikatsaka Azy isika dia ho hitantsika ny fiasan’ny tanany eo amin’ny fiainantsika.

Raha mahatsapa ho tsy mifandray amin’ny Mpamonjy ianao dia manontania tena hoe: Miezaka mitady ny Mesia isan’andro ve aho?

Rehefa mikatsaka ny ho tahaka ireo Apôstôly fahiny isika, mandao vetivety ny haratontsika (jereo ny Matio 4:20) sy ireo andraikitra sy zava-mahaliana hafa ka mitodika Aminy, dia hahita Azy isika.

Misy ireo loharanon-kery ara-panahy izay afaka manampy antsika. Nampahatsiahy antsika ny mpaminany Almà hoe “amin’ny alalan’ny zava-madinika sy tsotra no anatanterahana ny zavatra lehibe” (Almà 37:6). Ny asa am-pinoana sy fampiharana ara-panahy kely ataontsika isan’andro dia afaka manampy antsika hampitombo ny fahafahantsika mahafantatra ny Tompo eo amin’ny fiainantsika.

Zavatra toy ireto manaraka ireto ny sasany amin’izany fitaovana ara-panahy izany:

  • Mivavaka am-pinoana

  • Mandalina ny soratra masina avy amin’ny nahim-po sy atao manan-danja

  • Manompo ny hafa tsy mila tambiny

  • Mizara ny fijoroana ho vavolombelona anananao amin’ny namana

  • Mihaino fihirana na hira masina

  • Mamonjy institiota

  • Mitandrina ny andro Sabata ho masina

  • Mifady hanina

  • Mandeha tsy tapaka any amin’ny tempoly

Maro ireo zavatra afaka manampy antsika hahita an’i Jesoa Kristy, saingy ny tena manan-danja dia ny tsy fijanonana mikatsaka Azy. Nampianatra ny Filoha Russell M. Nelson hoe: “Eo am-pikatsahantsika ny ho mpianatr’i Jesoa Kristy dia vao mainka tokony ho avy amin’ny nahim-po kokoa ny ezaka ataontsika hihainoana Azy. Mila ezaka an-tsitrapo sy tsy tapaka ny famenoana ny fiainantsika isan’andro amin’ny teniny sy ny fampianarany, ary ireo fahamarinany.” 1

Nahita Azy ve ianao androany?

Na dia tsy mahazo ireo valiny rehetra nokatsahinao aza ianao dia mandrosoa hatrany! Katsaho fotsiny i Kristy ary safidio ny hanana finoana Azy. Raha toa ka hiezaka ny hikatsaka Azy ianao isan’andro amin’ny alalan’ireo asa kely dia fantatro fa hahatsapa ny famihinany anao avy any an-danitra ianao. Fantatro fa marina izany satria efa nahatsapa izany aho.

Fantatry ny Ray any An-danitra ny ezaka ataontsika. Tsy dia raharahiany loatra ny haben’ny zavatra ataontsika mba hampiorina ny fanahintsika raha toa ka afaka miteny amim-pahasahiana sy amim-pandresen-dahatra isika hoe “Efa nahita ny Mesia izahay!”

Ny vavaka ataoko dia ny hahafantarantsika sy hitiavantsika isan’andro ny Tompontsika. Ny hanaovantsika araka izay natoron’i Môrônia sy “hikatsaka ity Jesoa ity” (Etera 12:41). Enga anie izaho sy ianao isaky ny mifarana ny andro, hahita ilay nosoratan’i Mosesy sy ireo mpaminany hafa: dia i Jesoa avy any Nazareta izany. Rehefa mikatsaka an’i Kristy isika dia hahita ny fiasan’ny tanan’ Andriamanitra eo amin’ny fiainantsika. Ary arakaraka ny hikatsahantsika an’i Kristy isan’andro no hahitantsika Azy ary ho afaka ny hahafantatra ny feony, izay mitarika sy manoro lalana antsika mandritra ny fiainantsika.

Fanamarihana

  1. Russell M. Nelson, “Henoy Izy Liahona,mey 2020, 89.