2022
Manompo amin’ny antso ao amin’ny Fiangonana
Martsa 2022


“Manompo amin’ny antso ao amin’ny Fiangonana,” Liahona, Mar/Apr. 2022.

Ireo fototry ny filazantsara

Manompo amin’ny antso ao amin’ny Fiangonana

Ny mpitarika dia mangataka ireo mpikambana mba hanompo amina andraikitra manokana fantatra amin’ny hoe “antso.” Ny antso dia manome fahafahana ny mpikambana hanompo ny hafa sy hanatona akaiky kokoa an’ Andriamanitra.

Sary
lehilahy iray eo ambony seza misy kodiarana mampianatra kilasy iray ao amin’ny Fiangonana

Sary nalain’i David Bowen Newton

Rehefa manompo ao amin’ny antsontsika isika dia manatontosa ny asan’ Andriamanitra. Mampianatra ny hafa momba ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy isika ary manampy azy ireo hanatona akaiky Azy Ireo. Mandray fitahiana ihany koa isika rehefa manompo amim-pahatokiana.

Mandray antso

Sary
zatovolahy mijoro eo anoloan’ny mpiangona

Ireo izay manompo ao amin’ny Fiangonana dia nantsoin’ Andriamanitra. Mivavaka ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana hahazoana fitaomam-panahy hahafantarana hoe iza no angatahana mba hanompo ao amin’ny antso tsirairay. Miantso mpikambana iray avy eo ny mpitarika iray mba hanompo ary hazavainy ireo andraikitra ao amin’ilay antso. Ho an’ny ankamaroan’ny antso dia tohanana mandritra ny fivoriam-piangonana ireo mpikambana. Ireo mpikambana ao amin’ny paroasy na sampana no manao ny fanohanana. Midika izany fa vonona izy ireo ny hanohana ilay olona voantso. Omen’ny mpihazona fisoronana iray tsodrano avy eo ilay mpikambana. Izany no antsoina hoe fanokanana. Omena fahefana entina miasa ao amin’ilay antso ilay mpikambana sy tsodrano hafa izay manampy azy hanompo.

Eveka

Ny eveka no mpitarika ny paroasy iray. (Ao anatin’ny sampana dia mitovy amin’ny eveka ny filohan’ny sampana.) Ny filohan’ny tsatòka no manolotra mpihazona ny fisoronana mendrika mba hoantsoina ho eveka. Ny Fiadidiana Voalohany no manao fankatoavana ilay fiantsoana. Avy eo ilay eveka dia tohanana sy atokana mba hanompo. Mahazo fanalahidin’ny fisoronana ihany koa izy, izay midika fa manana ny fahefana hitarihana ilay paroasy izy. Amin’ny maha eveka azy dia manompo sy mitarika ireo mpikambana rehetra ao amin’ny paroasy izy.

Fiadidiana

Ny kôlejin’ny fisoronana sy ny Fikambanana Ifanampiana, ny rafitry ny Zatovovavy sy ny Kilonga ary ny Sekoly Alahady dia tarihina fiadidiana, filoha iray sy mpanolotsaina roa raha ny mahazatra. Ny fiadidian’ny tsatòka no miantso sy manokana ireo fiadidian’ny kôlejin’ny loholona. Ny episkôpà no mangataka ireo mpikambana mba hanompo ao amin’ireo fiadidiana hafa ao amin’ny paroasy ary manokana azy ireo. Ny mpikambana rehetra dia manompo ireo mpikambana ao amin’ny kôlejy na rafitra iandraiketany. Manatanteraka ny zavatra ilain’ny mpikambana izy ireo ary manampy azy ireo hahatsapa ny fitiavan’ Andriamanitra.

Sary
vehivavy mitondra sakafo ho an’ny reny iray mihazona zaza

Antso hafa

Ny antso hafa ato amin’ny Fiangonana dia ahitana ny mampianatra, manampy amin’ny mozika, mihazona rakitsoratra, mandrindra fiaraha-mientana ho an’ny zatovo na ny kilonga, ary manompo amin’ny fomba hafa. Ny antso tsirairay ao amin’ny Fiangonana dia manan-danja ary manome fahafahana ny mpikambana hanompo ny hafa sy hanompo an’ Andriamanitra. Rehefa miara-miasa isika rehetra mba hanatanteraka ny antsontsika dia mankahery ny hafa isika ary manampy ny Fiangonana mba hitombo.