2022
Tarihina mpaminany velona
Septambra 2022


“Tarihina mpaminany velona,” Liahona, sept. 2022.

Ireo fototry ny filazantsara

Tarihina mpaminany velona

Sary
Mpitarika ato amin’ny Fiangonana eo anoloan’ny sarivongana Christus

Ireo mpaminany dia olona izay nantsoin’ny Ray any An-danitra mba hiteny ho Azy. Izy ireo dia mijoro ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy sy mampianatra ny filazantsarany. Ireo mpikamban’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany dia mino ireo mpaminany fahiny sy ireo mpaminany ankehitriny.

Miresaka amin’ny alalana mpaminany Andriamanitra

Mandray fanambarana avy amin’ Andriamanitra ireo mpaminany. Rehefa taomim-panahy mba hampianatra antsika ireo mpaminany dia toy ireny hoe Andriamanitra ireny mihitsy no miresaka amintsika (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 1:38). Afaka matoky isika fa hiteny amintsika izay zavatra tian’ Andriamanitra ho fantatsika izy ireo.

Mampianatra momba an’i Jesoa Kristy ireo mpaminany

Sary
I Môrmôna miaraka amin’ireo takela-bolamena

Mormon Abridging the Plates [I Môrmôna mamintina ireo takelaka], nataon’i Tom Lovell

Ireo mpaminany rehetra dia mijoro ho vavolombelona mikasika an’i Jesoa Kristy. Mampianatra antsika izy ireo fa Zanak’ Andriamanitra Izy. Ohatra hoe ampianarin’izy ireo antsika ny momba ny fiainany sy ny ohatra nasehony ary ny Sorompanavotana. Ary ampisehoan’izy ireo antsika ny fomba hanarahana Azy sy hankatoavana ny didiny.

Ireo andraikitra sahanin’ireo mpaminany

Mampianatra ny filazantsaran’ i Jesoa Kristy ny mpaminany. Izy ireo dia manazava ireo fitahiana raisintsika rehefa mankatò ny didy isika ary manazava ny amin’ireo vokany raisintsika raha tsy mankatò isika. Misy fotoana izy ireo mety ho entanin’ny Fanahy hilaza amintsika momba ireo zavatra hitranga amin’ny hoavy.

Mpaminany fahiny

Sary
I Mosesy mihazona takela-bato

Moses and the Tablets [I Mosesy sy ireo Takela-bato], nataon’i Jerry Harston

Hatrany am-boalohany Andriamanitra no nampianatra ny olona tamin’ny alalan’ireo mpaminany. Ireo mpaminany izay niaina nandritra ny vanim-potoan’ny Testamenta Taloha dia ahitana an’i Adama, Noà, Abrahama, Mosesy, Isaia, ary ny maro hafa. Nisy mpaminany ihany koa teo anivon’ireo vahoaka tao amin’ny Bokin’i Môrmôna; Anisan’ireny mpaminany ireny i Lehia, i Môzià, sy i Almà, ary i Môrônia. Afaka mianatra momba ny zavatra nampianarin’izy ireo isika amin’ny alalan’ny famakiana soratra masina.

Ireo mpaminany ankehitriny

I Joseph Smith no mpaminany voalohany tamin’ny andro maoderina. Izy no namerina tamin’ny laoniny teto an-tany ny Fiangonan’i Jesoa Kristy. Ny Filoha Russell M. Nelson no mpaminany sy Filohan’ny Fiangonana amin’izao fotoana izao. Ireo mpanolotsainy ao amin’ny Fiadidiana Voalohany sy ireo Apôstôly Roambinifolo ihany koa dia mpaminany sy mpahita ary mpanambara.

Mihaino ny mpaminany

Sary
Mpivady mijery ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany amin’ny alalan’ny telefaonina finday

Ny mpaminany dia miresaka amintsika mandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany sy amin’ny fotoana hafa. Ampianariny antsika ny zavatra izay tian’ Andriamanitra ho fantatsika sy ny fomba hanarahana an’i Jesoa Kristy amin’izao fotoana izao. Afaka hitantsika ao amin’ny Liahona sy ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org ireo fampianarany.

Fitahiana avy amin’ny fanarahana ny mpaminany

Hotahiana isika raha manaraka ireo fampianaran’ny mpaminany. Rehefa manaraka ny mpaminany isika dia afaka mahafantatra fa isika dia manao ny zavatra izay asain’ Andriamanitra ataontsika. Afaka mahatsapa fiadanana eo amin’ny fiainantsika isika ary afaka manakaiky kokoa an’i Jesoa Kristy.