2022
Inona no nampianarin’i Isaia mikasika ny fanangonana an’i Isiraely?
Septambra 2022


“Inona no nampianarin’i Isaia mikasika ny fanangonana an’i Isiraely?,” Liahona, sept. 2022.

Avia, hanaraka Ahy

Isaia 1–12

Inona no nampianarin’i Isaia mikasika ny fanangonana an’i Isiraely?

Sary
tazan-davitra ny Lohasahan’i Salt Lake

A View of Salt Lake City [Tazan-davitra ny Lohasahan’i Salt Lake], nataon’i James Taylor Harwood

Nampiasa sary ohatra i Isaia mba hampianarana momba ny fanangonana an’i Isiraely. Saintsaino ity soratra masina ity: “Dia hanangana faneva ho an’ny jentilisa Izy ka hamory ny Isiraely izay voaroaka sy hanangona ny Joda izay voaely Avy any amin’ny vazan-tany efatra” (11:12).

Ny faneva dia saina. Ny Loholona Jeffrey R. Holland ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nizara ny fomba namoronan’ireo mpitarika tato amin’ny Fiangonana tamin’ny vaninandron’ny mpamaky lay faneva iray, “ilay saina vao noforonina ary nanambarany fa ny lohasaha Lehiben’i Salt Lake sy ireo tendrombohitra manodidina azy dia ilay toerana voalaza tao amin’ny faminaniana izay hivoahan’ny tenin’ny Tompo amin’ny andro farany.”1

Inona avy ireo sary ohatra sy hevi-baovao hafa mifandray amin’ny fampielezana sy ny fanangonana an’i Isiraely afaka hitanao ao amin’ny Isaia toko 2, 5, sy 11?

Tamin’ny fomba ahoana no nanampian’ireo mpaminany maoderina antsika hahatakatra tsara kokoa ny fanangonana an’i Isiraely?

Mety hanampy tokoa ny mandalina ny zavatra nolazain’ireo mpaminany maoderina momba ireo fampianaran’i Isaia sy ny fanangonana an’i Isiraely. Hevero ny hikaroka ao amin’ny iray amin’ireto lahateny nandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany izay nataon’ny Filoha Russell M. Nelson ireto sy hanao lisitra ireo fomba hahafahanao manampy manangona an’i Isiraely: