2022
Porofoy fa mpihavana ianareo
Septambra 2022


“Porofoy fa mpihavana ianareo,” Liahona, sept. 2022.

Ny feon’ireo Olomasin’ny Andro Farany

Porofoy fa mpihavana ianareo

Noheveriko fa nangataka zavatra tsy ho vita velively ny Tompo, saingy diso aho.

Sary
Lopy sy tabilaon’ny tetiarana

Nipetraka trano vitsivitsy niala ny tranonay ny mpifanolobodirindrina amiko efa nahazo taona sy ny zanany lahy. Lasa tianay be izy. Taorian’ny nahafatesan’ny zanany lahy dia narary izy ary dia tsy afa-niala teo am-pandriany. Nikarakara azy izahay mandra-pahafatiny, telo volana tatỳ aoriana.

Taorian’ny fahafatesan’izy ireo dia naniry ny hanaovana ôrdônansin’ny tempoly ho an’ity fianakaviana ity aho. Saingy satria tsy mpihavana izahay dia tsy afaka nanao izany aho. Indray andro dia nisy eritreritra mazava tonga tao an-tsaiko hoe: “Asehoy fa mpihavana ianareo ka dia ho afaka hanao ny asa atao any amin’ny tempoly ho azy ireo ianao.”1 Noheveriko fa nangataka zavatra tsy ho vita velively ny Tompo, saingy tonga tao an-tsaiko foana ilay teny hoe porofoy .

Nanomboka namindra ny fananana ny tranony ny havan’ilay mpifanolobodirindrina tamiko, saingy tsy nanana firaketana an-tsoratra hanaporofoana ny fifandraisan’izy ireo izy ireo, na dia taorian’ny nikarohanay ny arisivam-panjakana aza.

Nilaza tamiko ny Fanahy fa nisy zavatra tsy hitanay. Rehefa neken’ireo havany ireo aho dia nisava ny tranony mba hahazoana antontan-taratasy. Nahita kitapo feno taratasy tranainy aho tao amin’ny zoron’ilay trano. Nanana fahatsapana aho fa manan-danja ilay kitapo.

Nisava kitapo roa aho ary nanomboka nisava ny fahatelo. Efa saika voasavako hatrany amin’ny vodin’ilay kitapo aho no injay nahatsapa fonona kahie iray. Tao anatin’ny paosin’ilay fonona kahie no nahitako taratasy fanamarinana manan-danja dimy: ny kopia nahaterahan’ilay vehivavy mpifanolobodirindrina tamiko, ny taratasy momba ny fahafatesan’ny reniny sy ny fanambadian’ny reniny, ny taratasy momba ny fahafatesan’ny renibeny ary ny taratasy fanamarinana ny fandevenana ny rainy.

Rehefa nandinika an’ireo antontan-taratasy izaho sy ny havan’ny mpifanila trano taminay, dia nisy teny roa niavaka tamiko: “Distrikan’i Vagaysky”, any amin’ny faritra andrefan’i Siberia. Tampoka teo dia nahatsapa aho fa tokony hijery ny tetiaram-pianakavianako. Rehefa nanao izany aho dia hitako fa niseho teo amin’ny sampana lavitra amin’ny tetiaran-draiko i Vagaysky. Hita tamin’ny fikarohana fanampiny fa mpihavana izahay sy ilay mpifanila trano tamiko!

Tsy nitaky tamiko ny hanao zavatra tsy ho vita ny Tompo. Tsy haiko ny fanehoana ny hafaliako noho ny fahafantarana fa anisan’ny fianakaviako ilay mpifanolobodirindrina tamiko. Io rohim-pifandraisana io dia hamela ahy hahazo antoka fa hotanterahina amin’ny hoavy ireo ôrdônansin’ny tempoly tokony horaisiny.

Tia ny zanany ny Tompo. Nanomana ny drafitry ny famonjena ho an’ny rehetra izy, anisan’izany ilay mpifanolobodirindrina tamiko sy ny zanany lahy.