2022
Misafidiana ny ho olona mihevitra ny zava-panahy
Septambra 2022


“Misafidiana ny ho olona mihevitra ny zava-panahy,” Liahona, sept. 2022.

Misafidiana ny ho olona mihevitra ny zava-panahy

Sahala amin’ny mamoy bisikileta ny mihazona ny fivoarantsika ara-panahy eo amin’ny lalan’ny filazantsara. Samy mitaky ezaka feno fahazotoana.

Sary
bisikileta

Sary nataon’i Dilleen Marsh

Iray amin’ny ireo fitahiana mahatalanjona amin’ny maha-mpikambana mahatoky ato amin’ny Fiangonan’ny Tompo ny fiatrehana fiovana sy ny fahafantarana ny zavatra hatao amin’ny fotoan-tsarotra. Ny fanomezana ny Fanahy Masina dia tombontsoa mba handraisana fitarihana sy fitaomam-panahy tsy tapaka rehefa mitoetra ho mahatoky isika.

Fiainana, fiadanana, fitarihana, ary fiarovana

Hoy ny Apôstôly Paoly hoe: “Fa ny fihevitry ny nofo dia fahafatesana; fa ny fihevitry ny Fanahy kosa fiainana, sy fiadanana” (Romana 8:6; jereo koa ny andininy faha-5).

Ny fisafidiana ny hihevitra ny zava-panahy amin’ny alalan’ny fananana fiainana mendrika ny fandresen-dahatra malefaky ny Fanahy Masina dia hitondra fitarihana ho anao amin’ireo fanapahan-kevitrao ary fiarovana amin’ny loza ara-batana sy ara-panahy. Amin’ny alalan’ny Fanahy Masina ianao dia afaka mandray ireo fanomezam-pahasoavan’ny Fanahy ho tombontsoanao sy ho tombontsoan’ireo olona akaikin’ny fonao sy tompoinao. Ny fifandraisany amin’ny fanahinao dia mitondra toky kokoa noho izay mety ho fifandraisana hafa voarainao amin’ny alalan’ireo retsipamantaranao ara-boajanahary.

Ahoana no hahafahantsika miaina fiainana miompana amin’ny fiheverana ny zava-panahy sy manana fitarihana bebe kokoa avy amin’ny Fanahy Masina?

1. Aoka ianao hiray amin’ny Raintsika any An-danitra sy ny Mpamonjy.

Rehefa mifandray tsara amin’ny Raintsika any An-danitra isika dia manana ny Fanahiny miaraka amintsika. Rehefa ataontsika lohalaharana eo amin’ny fiainantsika izany fifandraisana izany, dia mihamanakaiky Azy sy ny Zanany, dia “Jesoa Kristy izay efa nirahiny” isika (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 132:24).

2. Tiava an’ Andriamanitra.

Ny mitia ny Raintsika any An-danitra sy ny mikolokolo fifandraisana Aminy amin’ny alalan’ny vavaka dia hampitoetra Azy ho ao an-tsaintsika sy ao am-pontsika.

Ny Apôstôly Jaona, niaraka tamin’ny fijoroana ho vavolombelona nananany momba ny fitiavan’ Andriamanitra antsika sy ny tenivavolombelony manokana ny amin’i Jesoa Kristy, dia nanohitra ilay finoan-diso fa ny famonjena dia azo amin’ny alalan’ny zavatra hafa ankoatra ny amin’ny alalan’ny finoana an’i Jesoa Kristy. Nanasa ireo mpamaky i Jaona hiaina ny fifaliana avy amin’ny firaisana amin’ny Ray sy ny Zanaka (jereo ny 1 Jaona 1:3). Nampiany hoe:

“Aza tia izao tontolo izao, na izay zavatra eo amin’izao tontolo izao. Raha misy olona tia izao tontolo izao dia tsy ao anatiny ny fitiavana ny Ray. …

“Ary mandalo izao fiainana izao sy ny filany; fa izay manao ny sitrapon’ Andriamanitra no maharitra mandrakizay” (1 Jaona 2:15, 17).

Afaka mahatsapa ny fitiavan’ Andriamanitra amin’ny alalan’ny fiarahan’ny Fanahy Masina isika eto amin’ity fiainana ity. Rehefa manao ny sitrapon’ny Raintsika any An-danitra isika ary miezaka mafy ny hijanona eo amin’ilay lalana izay mitondra antsika mankany Aminy, dia afaka mitarika antsika ny Fanahy Masina.1

3. Tsarovy ny zavatra nataon’ny Mpamonjy ho antsika.

Sary
Zatovolahy mizara ny fanasan’ny Tompo

Ny fampanantenany ao anatin’ireo vavaka roa an’ny fanasan’ny Tompo dia ny “mba hananan’[ireo izay mandray amin’izany] … ny Fanahiny miaraka aminy” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:77, 79). Mandray ny fanasan’ny Tompo isan-kerinandro isika satria tiantsika ny hitandrina sy hikolokolo ny fiainam-panahintsika.

Ny Filoha Dallin H. Oaks, Mpanolotsaina Voalohany ao amin’ny Fiadidiana Voalohany, dia nampianatra hoe “Rehefa miala lavitra kokoa ny fiainan’izao tontolo izao isika, dia mahatsapa ho akaiky kokoa ny Raintsika any An-danitra ary afaka ny hotarihan’ny Fanahiny kokoa. Izany fiainana tsara izany no antsointsika hoe fiainam-panahy.” Nampian’ny Filoha Oaks hoe: “Ny fomba fandraisantsika ny zavatra iainantsika dia singa iray manova ny halehiben’ny fiainam-panahintsika. … Isika izay manana fijoroana ho vavolombelona ny amin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy dia tokony handray ireo zavatra iainantsika amin’ny fahalalantsika momba ny tanjon’ny fiainana, sy ny iraka notanterahin’ny Mpamonjintsika, ary ny anjara mandrakizain’ireo zanak’ Andriamanitra.”2

4. Mahaiza mamantatra ireo zavatra ara-panahy.

Manamarina aho fa ny fiainam-panahy dia fitahiana avy amin’ny ezaka maharitra avy amintsika. Rehefa mikatsaka ny hianatra sy hanaraka ireo fitaomana avy amin’ny Fanahy isika dia afaka ny hanavaka mora kokoa ireo zavatra avy amin’ Andriamanitra amin’ireo zavatra an’izao tontolo izao.

Hoy ny Loholona Quentin L. Cook ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo hoe: “Raha mitaky ezaka averimberina sy tsy tapaka ny fahazoana fahafahana mahavita zavatra ara-batana sy ara-tsaina dia mitombina koa izany ho an’ireo zavatra mahakasika ny ara-panahy.”3

Ampitomboy ny fiainam-panahinao

Noho ny fitsinjovan-davitra ananan’ireo mpitarika ato amin’ny Fiangonana dia manana fitaovana arifomba isika mba hanampiana antsika amin’ny fampantanjahana ny fiainam-panahintsika. Eritrereto ny fivoaran’ny Application Bibliothèque de l’Évangile izay mamela ny herin’ny soratra masina sy ny fandalinana ny filazantsara ho ao am-paosinao ara-bakiteny amin’ny fotoana rehetra. Eritrereto ny amin’ireo fiovana mifandray amin’ny fanompoana izay mandrisika ny fampiasana teknôlôjia rehefa manampy ny hafa isika. Saintsaino ilay fomba fianarana mifototra any an-tokantrano, sy tohanan’ny Fiangonana, ary ny fandaraham-pianarana Avia, hanaraka Ahy izay afaka mampiakatra ny fiainam-panahintsika na aiza na aiza misy antsika.

Tsy voatery hisy elanelana ara-panahy intsony eo amintsika sy Andriamanitra noho ireo loharanom-pitaovana misy ireo! Afaka miara-miasa isika, misafidy ny fahafahana rehetra mba ho olona mihevitra ny zava-panahy, mamporisika ny hisian’ny fahavelomana sy fiadanana, ary minia manao izay hahatonga ny fiainam-panahy ho singa tsy afa-misaraka amin’ny fiainantsika. Mampianatra ny soratra masina hoe: “Ny vokatry ny Fanahy kosa dia fitiavana, fifaliana, fiadanana, fahari-po, fahamoram-panahy, fanaovan-tsoa, fahamarinana, fahalemem-panahy [ary] fahononam-po” (Galatiana 5:22–23).

Manaova tanjona ara-panahy ary tanteraho izany

Ny olona mihevitra ny zava-panahy dia milofo mba hampatanjaka ny fiainam-panahiny ary, rehefa mametraka tanjona izy, dia manontany hoe: “Manome ireo zavatra mifanentana amin’ny filàko ara-panahy ve ireo tanjoko?”

Ny olona mihevitra ny zava-panahy dia mikatsaka ny hahafantatra ny fomba hanarahana fitaomam-panahy ary avy eo manao asa hanatanterahana ireo fitaomam-panahy ireo. Noho izany dia manan-danja ny mametraka tanjona ho an’ny fitomboana ara-panahy.

Nametraka tanjona mba hianatra hitondra bisikileta i Annie zafikelivavinay izay dimy taona. Nanao fanazaran-tena izy ary nahay haingana, koa dia nentin’ny ray aman-dreniny nanao dia am-bisikileta an’ny mpianakavy izy.

Teo am-pamoizan’izy ireo dia naneho ny fitalanjonany ny reniny ny amin’ny fahaizan’i Annie nitondra bisikileta teny amin’ny havoana sy nanerana ny tetezana. Nozarain’i Annie ny tsiambaratelon’ny fahombiazany: “Mamikitra tsara fotsiny aho, dia manohy mamoy ry Neny a.”

Tsy maintsy manao toy izany koa isika. Amin’ny alalan’ny famoizana no hihazonantsika ny tenantsika tsy hianjera. Ny zavatra tsotra toy ny fanaovana vavaka isan’andro, ny fandalinana soratra masina, ary ny fanarahana ireo torohevitra avy amin’ny mpaminany dia mitandro ny fiainam-panahintsika mba handroso hatrany na dia eo aza ireo havoana, sy valanaretina ary ireo fiovana misy eo amin’ny fiainana.

Sary
Fianakaviana miara-mijery soratra masina

Nilaza ny Filoha Russell M. Nelson hoe: “Raha toa ka ny hamela an’ Andriamanitra hanjaka, ny ho anisan’i Isiraely, no fanirianao lehibe indrindra, dia fanapahan-kevitra maro no ho lasa mora. Olana maro no ho lasa tsy misy dikany. Fantatrao izay tianao hotratrarina. Fantatrao ny karazan’olona tena tianao hahatongavana.”4

Rehefa mifantoka amin’izay tena manan-danja ianao dia ho hitanao fa afaka ny ho tsotra ny fizotry ny fampantanjahana ny fiainam-panahinao sy ny fahatongavanao ho olona mihevitra ny zava-panahy, na dia mitaky ezaka sy fahazotoana aza izany. Noho izany dia mamikira ary tohizo ny famoizana!

Kolokoloy ny fahafahanao mihaino ny Fanahy Masina

Maro ireo zavatra eo amin’izao tontolo izao izay miezaka ny hisarika antsika mba hanao zavatra sasantsasany na hieritreritra amin’ny fomba manokana iray ka indraindray dia mety hahatsapa ho sakodiavatra ianao ny amin’izay lalana tokony hizoranao. Tsarovy fa ny Liahona ara-panahinao dia mandaitra tsara rehefa mahay manavaka ny feon’ny Fanahy amin’ireo feon’izao tontolo izao ianao.

Ny Fanahy Masina dia tony, sy mazava, ary mampionona. Manome torolalana mazava tsara izany mba hitondra fiadanana sy fanantenana ho anao. Izy dia miara-miasa tanteraka amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy, manatanteraka anjara asa maro mba hanampiana anao hiaina amim-pahamarinana ary handray ireo fitahian’ny filazantsara.

“Andriamanitra Raintsika no loharano faratampon’ny hery ara-panahy,” hoy ny Filoha Nelson. “Ny Fanahy Masina no mpampita io hery io. Tsy mitovy amin’ny hery avy amin’ny herinaratra io hery io. Ny fitaovana iray mandeha herinaratra dia mandany hery. Ny fampiasana ny hery avy amin’ny Fanahiny dia mameno ny herintsika. Raha toa ka misy fotoana voafetra no ahafahana mampiasa ny hery avy amin’ny herinaratra, ny hery ara-panahy kosa dia afaka ampiasaina mandritra izao fotoana izao sy mandrakizay!”5

Mba ho lasa olona mihevitra ny zava-panahy dia mamikira, manohiza mamoy, ary mametraha tanjona ara-panahy. Ampiasao ireo loharanom-pitaovana misy azonao ampiasaina mba hampatanjahana ny fanahinao.

Mijoro ho vavolombelona aho fa ny fiheverana ny zava-panahy dia fiainana sy fiadanana (jereo ny 2 Nefia 9:39), ny kalitaon’ny fiainantsika dia mihatsara rehefa mifandray tsara amin’ny Ray sy ny Zanaka isika, ary Andriamanitra dia tia antsika sy miraharaha antsika sy ireo zavatra ilaintsika.

Avy tamin’ny lahateny natao nandritra ny fampaherezam-panahy: “To Be Spiritually Minded Is Life and Peace,” natao tao amin’ny Oniversite Brigham Young ny 9 febroary 2021. Mba hahitana ilay lahateny iray manontolo dia midira ao amin’ny speeches.byu.edu.

Fanamarihana

  1. Ny Loholona Bruce R. McConkie (1915–85) dia nampianatra hoe: “Ny hoe manana ny fanatrehan’ny Tompo eto amin’ity fiainana ity dia midika hoe mihanoka ny fiarahan’ny Fanahy Masiny” (Doctrinal New Testament Commentary [1973], 3:374).

  2. Dallin H. Oaks, “Spirituality,” Ensign, Nov. 1985, 61.

  3. Quentin L. Cook, “Ireo fototra iorenan’ny finoana,” Liahona, mey 2017, 129.

  4. Russell M. Nelson, “Aoka Andriamanitra no hanjaka,” Liahona, nôv. 2020, 94.

  5. Russell M. Nelson, “Protect the Spiritual Power Line,” Ensign, Nov. 1984, 31.