2022
Manampy ny mahantra sy ny ory
Nôvambra 2022


Manampy ny mahantra sy ny ory

Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy dia manolo-tena ny hanompo ireo izay sahirana, ary manolo-tena ihany koa ny hiara-hiasa amin’ny hafa ao anatin’izany ezaka atao izany.

Ry rahalahy sy anabavy, hiteny amintsika ao aoriandriana kely ao mandritra ity fivoriana ity ny Filoha Russell M. Nelson malalantsika. Nangataka ahy izy mba ho mpandaha-teny voalohany.

Ny lohahevitro anio dia mikasika ny zavatra omen’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany sy ny mpikambana ao aminy sy ataon’izy ireo ho an’ny mahantra sy ny ory. Hiresaka ihany koa momba ny fanomezana toy izany izay avy amin’ny olona tsara hafa aho. Ny fanomezana ny sahirana dia fitsipika iray hita ao amin’ireo fivavahana Abrahamika rehetra sy ao amin’ny hafa ihany koa.

Volana vitsy lasa izay, no nanaovan’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany tatitra vao voalohany mikasika ny hoe hatraiza ny fanaovantsika asa fanasoavana manerana an’izao tontolo izao.1 Ny vola navoaka tamin’ny 2021 ho an’ireo sahirana tany amin’ny firenena miisa 188 maneran-tany dia mitotaly 906 tapitrisa dôlara, izany hoe efa saika ho iray lavitrisa dôlara. Ankoatra izany, dia mihoatra ny 6 tapitrisa ora ny fitambaran’ny ora nanaovan’ny mpikambana asa an-tsitrapo mifandray amin’izany tanjona izany.

Ireo antontan’isa ireo mazava ho azy, dia tatitra tsy feno momba ny fanomezana sy ny fanampiana avy amintsika. Tsy ao anatin’izany ireo asa fanompoana manokana ataon’ny mpikambana tsirairay ato amintsika rehefa mifanompo ao amin’ny anjara toerana niantsoana azy sy ao anatin’ny asa fanompoana tsy misy tambiny ataon’ny mpikambana ho an’ny mpikambana. Ary ny tatitra 2021 dia tsy milaza ny zavatra ataon’ireo mpikambana manokana amin’ny alalan’ireo fikambanana mpanao asa soa tsy tambo isaina izay tsy mifandray amin’ny fomba ôfisialy amin’ny Fiangonantsika. Atomboko amin’ireo.

Tamin’ny 1831, roa taona latsaka taorian’ny nanorenana ny Fiangonana naverina tamin’ny laoniny dia nanome ity fanambarana ity mba hitarihana ny mpikambana ao aminy ny Tompo, sy hitarihana ireo zanany rehetra maneran-tany raha ny finoako:

“Fa indro, tsy mety ny hibaikoako amin’ny zava-drehetra; fa izay terena amin’ny zava-drehetra dia mpanompo kamo sady tsy hendry; koa tsy mandray valisoa izy. …

“Lazaiko marina tokoa, fa ny olona dia tokony hazoto hirotsaka amin’ny tanjona tsara, ary hanao zavatra maro amin’ny nahim-pony ka hahatonga fahamarinana fatratra;

“Fa ao aminy ny hery izay ahafahany manao safidy ho an’ny tenany. Ary raha manao soa ny olona, dia tsy hamery mihitsy ny valisoany izy.”2

Tao anatin’ny 38 taona mahery naha-Apôstôly ahy, ary tao anatin’ny 30 taona mahery nanaovako ny asa fivelomako, dia nahita ezaka feno fahalalahan-tanana maro, avy amin’ireo fikambanana sy olona, izay voafaritr’ity fanambarana ity ho toy ny “tanjona tsara” sy “[fampahatongavana] fahamarinana fatratra” aho. Tsy tambo isaina ny karazana asa fanampoana toy izany manerana an’izao tontolo izao, mihoatra ireo sisintany misy antsika sy ny fahalalantsika. Rehefa mandinika izany aho dia mieritreritra an’i Benjamina mpaminany sy mpanjaka, izay ahitana izao fahamarinana mandrakizay izao ny lahateny nataony: “Rehefa eo amin’ny fanompoana ny mpiara-belona aminareo ianareo, dia tsy manao afa-tsy ny fanompoana an’ Andriamanitrareo ianareo.”3

Ny ankamaroan’ny fifanampiana sy ny asa fanasoavana ho an’ny mpiara-belona amintsika dia ampianarina sy ampiharin’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany sy ampianarintsika sy ampiharintsika amin’ny maha-mpikambana antsika. Ohatra, mifady hanina isika isaky ny voalohan’ny volana ary manolotra farafahakeliny ny vola vidin’ireo sakafo tsy nohanina mba hanampiana ny sahirana ao eo anivon’ireo mpiara-miangona ao amintsika. Ny Fiangonana dia mitondra anjara biriky goavana koa ho an’ny asa fanasoavana sy asa fanampiana maro manerana an’izao tontolo izao.

Na dia eo ary ny zavatra ataon’ny Fiangonantsika mivantana, ny ankamaroan’ny asa fanasoavana an’ireo zanak’ Andriamanitra maneran-tany dia sahanin’olona sy fikambanana tsy mifandray amin’ny fomba ôfisialy amin’ny Fiangonantsika. Hoy ny anankiray tamin’ireo Apôstôlintsika hoe: “Andriamanitra dia mampiasa olona mihoatra ny iray mba hanatanterahana ny asany lehibe sy mahatalanjona.… Lehibe loatra sy sarotra loatra ho an’ny vahoaka iray izany.”4 Amin’ny maha-mpikamban’ny Fiangonana naverina amin’ny laoniny antsika dia mila mahafantatra kokoa sy mankasitraka kokoa ny asa fanompoana ataon’ny hafa isika.

Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy dia manolo-tena ny hanompo ireo izay sahirana, ary manolo-tena ihany koa ny hiara-hiasa amin’ny hafa ao anatin’izany ezaka atao izany. Vao tsy ela izay no notolorantsika fanomezana lehibe ny Programme alimentaire mondial des Nations Unies. Tao anatin’ireo folo taona maro nanaovana asa fanasoavana dia fikambanana roa no misongadina ho mpiara-miasa lehibe: ireo tetikasa niarahana tamin’ireo masoivohon’ny Croix-Rouge sy ny Croissant-Rouge tany amin’ny firenena maro dia nanome fanampiana tena lehibe ho an’ireo zanak’ Andriamanitra nanoloana ireo loza voajanahary sy ady. Toy izany koa, manana firaketana lava be ahitana ireo fanampiana niarahana nanao tamin’ny Catholic Relief Services (CRS) isika. Ireo fikambanana roa ireo dia nampianatra antsika be dia be mikasika ny fanampiana eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena.

Nisy koa ny fiarahantsika niasa tamina fikambanana hafa izay nitondra voka-tsoa, ka tafiditra ao anatin’izany ny Muslim Aid, ny Water for People, ary ny IsraAID, raha tsy hilaza afa-tsy ireo. Na dia samy manana ny sehatra manavanana azy avy aza ny fikambanana mpanao asa soa tsirairay avy dia manana tanjona iombonana isika, dia ny hanamaivana ny fijaliana eo anivon’ireo zanak’ Andriamanitra izany. Tafiditra ao anatin’ny asan’ Andriamanitra ho an’ny zanany avokoa izany rehetr izany.

Ny fanambarana maoderina dia mampianatra fa i Jesoa Kristy Mpamonjy antsika no “fahazavana marina izay manazava ny olona rehetra izay tonga eo amin’izao tontolo izao.”5 Noho izany ireo zanak’ Andriamanitra rehetra dia omena fahazavana mba hanompo Azy sy hifanompo araka izay fahaizana tsara indrindra ananany sy araka izay vitany.

Mampianatra ny Bokin’i Môrmôna fa “ny zavatra tsirairay izay manainga sy mitaona hanao ny tsara sy ho tia an’ Andriamanitra ary hanompo Azy, dia avy amin’ny tsindrimandrin’ Andriamanitra.”6

Mitohy hoe:

“Fa indro, omena ny olona tsirairay ny Fanahin’i Kristy mba hahazoany manavaka ny tsara amin’ny ratsy; koa asehoko anareo ny fomba hitsarana; fa ny zavatra tsirairay izay manainga hanao ny tsara sy handresy lahatra mba hino an’i Kristy dia alefan’ny hery sy ny fanomezam-pahasoavan’i Kristy. …

“Ary ankehitriny ry rahalahiko, … fantatrareo ny hazavana izay ahazoanareo mitsara, hazavana izay hazavan’i Kristy.”7

Ireto misy ohatra vitsivitsy maneho zanak’ Andriamanitra manampy zanak’ Andriamanitra hafa amin’ny zavatra fototra ilainy ara-tsakafo, sy ara-pitsaboana, ary ara-pampianarana.

Folo taona lasa izay, dia nanomboka ezaka mahatalanjona mba hanome sakafo ny noana ry Kandhari, izay mpivady mandala ny finoana Sikisma avy ao amin’ny Émirats Arabes Unis. Amin’ny alalan’ny tempoly Sikh Guru Nanak Darbar, izy ireo dia manolotra sakafo tsy misy hena mihoatra ny 30.000 isaky ny faran’ny herinandro ho an’izay rehetra miditra ny varavarany, ka tsy mifidy finoana na fiaviana. Nanazava i Dokotera Kandhari hoe: “Mino izahay fa iray avokoa isika; zanaky ny Andriamanitra iray isika ary eto isika mba hanompo ny olombelona.”8

Ny fanolorana fitsaboana sy ny fitsaboana nify ho an’ireo izay sahirana no ohatra iray hafa. Nihaona tamin’i Zaher Sahloul, izay dokotera Siriana Amerikanina mpitsabo olona marary mafy aho tany Chicago. Iray amin’ireo izay nanangana ny MedGlobal izy, izay mandrindra ireo matihanina eo amin’ny lafiny ara-pitsaboana amin’ny filatsahana an-tsitrapo hanome ny fotoan’izy ireo sy ny fahaizan’izy ireo sy ny fahalalan’izy ireo ary ny fahaizan’izy ireo mitarika mba hanampiana ny hafa ao anaty voina, toy ny ady any Siria, izay nanaovan’i Dokotera Sahloul vy vivery ny ainy hitsaboana sivily. Ny MedGlobal sy ny fikambanana mitovy aminy (isan’izany ireo matihanina Olomasin’ny Andro Farany maro) dia maneho fa Andriamanitra dia maniraka ireo matihanina ao amin’ny finoana mba hitondra ny fanampiana ilaina maneran-tany ho an’ny mahantra.9

Miditra an-tsehatra amin’ny ezaka ara-pampianarana izay maneran-tany ihany koa ny zanak’ Andriamanitra mahafoy tena maro. Ny ohatra tsara iray amin’izany, izay fantatsika tamin’ny alalan’ireo ezaka fanaovana asa soa, dia ny asan’ny lehilahy iray fantatra amin’ny hoe Ramose Gabriel, izay efa mpitsoa-ponenana tamina ady maro niseho imbetsaka. Vao haingana izy izay no nilaza fa ankizy mpitsoa-ponenana amana hetsiny ao Afrika Atsinanana no mila fanampiana mba hihazonana ny fanantenan’izy ireo ho velona sy ny sain’izy ireo ho mavitrika. Narindrany ireo mpampianatra hafa teo anivon’ireo olona mpitsoa-ponenana ho ao anatin’ilay antsoin’ireo hoe “sekoly eo ambanin’ny aloka ny hazo,” izay toerana hamoriana ireo ankizy mba hianatra lesona eo ambanin’ny aloky ny hazo iray. Tsy niandry ny hafa izy mba handrindra na hitantana fa nitarika manokana ireo ezaka izay nanome fahafahana an’ireo ankizy any amin’ny fanabeazana fototra an’arivony maro mba hianatra nandritra ireo taona nifindrafindrana monina izay nandrera-tsaina.

Mazava ho azy, ireo ohatra telo ireo dia tsy midika fa izay zavatra rehetra lazaina na ataona fikambanana na olon-tsotra mitono-tena ho tsara na avy amin’ Andriamanitra dia izay tokoa. Ireo ohatra ireo dia mampiseho fa Andriamanitra dia manentana fikambanana sy olon-tokana maro mba hanao tsara maro. Mampiseho ihany koa izany fa maro amintsika no tokony hahafantatra ny tsara ataon’ny hafa sy hanohana izany satria manana ny fotoana sy ny enti-manana hanaovana izany isika.

Ireto dia ohatra vitsivitsy amin’ny asa fanompoana izay tohanan’ny Fiangonana ary tohanan’ireo mpikambana ato amintsika sy olona sy fikambanana tsara hafa amin’ny alalan’ny fitondrana anjara biriky manokana ara-potoana sy ara-bola:

Atomboko amin’ny fahalalahana ara-pivavahana izany. Ao anatin’ny fanohanana izany, dia manompo ho an’ny tombontsoantsika isika nefa koa manompo an’ny tombontsoan’ireo antokom-pivavahana hafa. Nampianatra i Joseph Smith, Filohantsika voalohany hoe: “Isika dia mitaky ny zo hanompo an’ Andriamanitra Tsitoha araka ny baikon’ny fieritreretantsika ary miaiky fa manana izany zo izany ny olon-drehetra, ka aoka izy hanompo, na manao ahoana na manao ahoana, na aiza na aiza, ary na inona na inona sitrany.”10

Ireo ohatra hafa maneho ny asa soa ataon’ny Fiangonana naverina amin’ny laoniny sy ireo fanampiana hafa izay tohanan’ireo mpikambana ato amintsika an-tsitrapo dia ireo sekoly sy ivon-toeram-pampianarana ambony ary oniversite fanta-daza ato amintsika ary ireo fanomezana izay tsy dia fantatra firy nefa navoaka ankehitriny ho an’ny fanamaivanana ny fijalian’ireo olona iharan’ny fandringanana sy famindrana fonenana noho ny loza voajanahary toy ny tafio-drivotra sy ny horohoron-tany.

Ny asa soa hafa tohanan’ny mpikambana ato amintsika amin’ny alalan’ny fanolorana fanomezana sy fanaovana ezaka ataon’izy ireo an-tsitrapo dia betsaka loatra ka tsy ho voatanisa avokoa, saingy ny fitanisana ny vitsivitsy amin’izany dia haneho ny karazan’izany sy ny lanjan’izany: fiadiana amin’ny fanavakavaham-bolon-koditra sy ny fanakakavahana hafa, fikarohana ny fomba fisorohana sy fanasitranana aretina, fanampiana ny sembana, fanohanana fikambanana miasa eo amin’ny sehatry ny mozika sy ny tranom-bakoka, ary ny fanatsarana ny tontolo ara-pitsipi-pitondrantena sy ara-batana ho an’ny rehetra.

Ny ezaka rehetra mahakasika ny asa fanasoavana ataon’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany dia mikatsaka ny hanaraka ny ohatr’ireo vahoaka marin-toetra voafariparitra ao amin’ny Bokin’i Môrmôna: “Ary dia toy izany, tamin’izany fotoam-panambinana izany, no tsy mba nandroahany izay nitanjaka, na izay noana, na izay nangetaheta, na izay marary, … ary … izy dia nalala-tanana tamin’ny rehetra, na antitra na tanora, na mpifatotra na olona afaka, na lahy na vavy, na olona ivelan’ny fiangonana, na ao anatin’ny fiangonana.”11

Mijoro ho vavolombelona aho ny amin’i Jesoa Kristy, izay mitarika ny zanak’ Andriamanitra rehetra amin’ny hazavany, amin’ny fanampiana ny mahantra sy ny ory manerana izao tontolo izao. Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.