2022
Manompo any amin’ny firenena maro ireo mpitarika ato amin’ny Fiangonana
Nôvambra 2022


Vaovaom-piangonana

Manompo any amin’ny firenena maro ireo mpitarika ato amin’ny Fiangonana

Nanohy ny fanompoana ataon’izy ireo maneran-tany ireo mpitarika ato amin’ny Fiangonana nandritra ireo enim-bolana lasa. Indreto ny sasany amin’ireo zavatra nisongadina tamin’ireo asa maro nataon’izy ireo hatramin’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany farany teo.

Niresaka momba ny hery mitaona ananan’ny vehivavy ny Filoha Oaks

Tamina horonan-tsarin’ny Fiangonana navoaka tamin’ny septambra ny Filoha Dallin H. Oaks, Mpanolotsaina Voalohany ao amin’ny Fiadidiana Voalohany, dia niresaka momba ny hery mitaona nananan’ny reniny sy ny renibeny tamin’ny fanampiana azy hanana fijoroana ho vavolombelona momba ny Tompo sy finoana an’ny Tompo. Ny hery mitaona ananan’ny vehivavy teo amin’ny fiainany dia nitohy tamin’ny alalan’ny vadiny, Rahavavy June Oaks, ary taorian’ny nahafatesan’ity farany, dia nitohy tamin’ny alalan-dRahavavy Kristen Oaks vadiny.

“Ireo mpampianatro manan-danja indrindra teo amin’ny sehatry ny fotopampianarana sy fanompoana teo anivon’ny Fiangonana sy ireo andraikitra sahanina ao amin’ny fianakaviana, mitovy lenta amin’ireo mpaminan’ny Fiangonana, dia vehivavy,” hoy ny Filoha Oaks.

Niresaka momba ireo mpitsoa-ponenana ny Loholona Uchtdorf

Nankany Pologne ny Loholona Dieter F. Uchtdorf ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo tamin’ny aprily. Niahy fampaherezam-panahy iray ho an’ireo mpitsoa-ponenana Okrieniana izay nahazo fialofana vonjy maika tany izy.

Mahakasika ny fitsidihana nataony, ny Loholona Uchtdorf, izay mpitsoa-ponenana ihany koa tamin’izy mbola kely, dia nilaza fa heniky ny fahatsapana “alahelo sy fangirifiriana lalina” ny fony ho an’ireo Olomasina sy ireo hafa monina any amin’ireo firenena ravan’ny ady kanefa heniky ny fankasitrahana ihany koa.

“Ireo olona tsirairay sy fianakaviana ireo dia nampatanjaka sy nampitraka anay tamin’ny hatsaram-panahin’izy ireo, ny fahatokiany ary ny finoany ny Mpamonjy sy ny finoany ho an’ny Mpamonjy ary ny tanjony masina,” hoy izy. “Nanantena ny hankahery sy hampionona azy ireo izaho sy i Harriet kanefa izy ireo indray no nitondra fahazavana avy any an-danitra sy fanantenana ary fampiononana ho an’ny fonay.”

Niresaka tamin’ny National Press Club tany Washington, D.C. ny Loholona Bednar.

Niresaka tamin’ny National Press Club ny Loholona David A. Bednar ao amin’ny kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo tamin’ny mey, nanazava tamin’ny antsipiriany ny zavatra natao sy ny antony nanaovan’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy maneran-tany asa fanampiana olona, asa fanasoavana, fampianarana, fananganana tempoly, asa fitoriana, ary ny asa momba ny tetiarana.

“Ny tanjona fototry Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany dia ny manampy ny olona hianatra momba ireo toetran’ Andriamanitra, ho tia an’ Andriamanitra, ho lasa mpianatr’ilay Zanakalahiny, Jesoa Kristy, ary hitia sy hanompo ireo rahalahy sy anabavintsika,” hoy ny Loholona Bednar.

Namangy an’i Amerika Atsimo ireo Fiadidian’ny Kilonga sy ny Fikambanana Ifanampiana maneran-tany

Nihaona tamin’ireo mpitondra fanjakana sy ireo mpikamban’ny Fiangonana tany Argentine, Chili, Uruguay, ary Paraguay ny Filoha Camille N. Johnson, Filohan’ny Fikambanana Ifanampiana, sy ny Filoha Susan H. Porter, Filohan’ny Kilonga maneranan-tany nandritra ny fanompoana sy fitsidihana fanampiana olona naharitra 10 andro nataon’izy ireo.

Nihaona tamina fikambanana ara-panjakana izay manampy ireo vehivavy miatrika toe-javatra mamparefo tany Paraguay sy tany Argentine izy ireo.

“Miandrandra ny hiara-hiasa aminareo ny Fiangonana misy anay amin’ny fampivoarana ny fahafahana mandranto fianarana sy ny fizakan-tena ho an’ny vehivavy,” hoy ny Filoha Johnson.

Ankoatra ny fanampiana ny fitondram-panjakana dia nanompo ireo mpikamban’ny Fiangonana ihany koa ny Filoha Johnson sy ny Filoha Porter. Nanao fivoriana niarahana tamin’ireo ray aman-dreny vao herotrerony izy ireo, fampaherezam-panahy ho an’ireo vehivavy tokan-tena, fivoriana fifanakalozan-kevitra ho an’ny fianakaviana niarahana tamin’ny ankizy, ary fampiofanana mpitarika ny daholobe.