2022
Manorina fiainana mahatohitra ilay fahavalo
Nôvambra 2022


Manorina fiainana mahatohitra ilay fahavalo

Mivavaka aho mba hanohy hanorina ny fiainantsika amin’ny alalan’ny fanarahana ireo drafitra sy fepetra ara-teknika an’ilay lamina masina izay narafitry ny Ray any An-danitra isika.

Nandritra ireo taona maro nifandimby dia nandray torohevitra, fanentanam-panahy, torolalana ary fanambarana tena tsara isika avy teto amin’ity polipitra tsara tarehy ato amin’ny Ivon-toeran’ny Fihaonamben’ny Fiangonana ity. Indraindray ireo mpandaha-teny dia nampiasa fampitahana izay mifandray amin’ireo sehatry ny fahalalana norantovin’izy ireo sy ny zavatra niainan’izy ireo mba hanehoana amin’ny fomba mazava sy mahery vaika ny fitsipika iray ao amin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy.

Tamin’ny alalan’izay fomba izay, ohatra, no nianarantsika momba ny fiaramanidina sy ny sidina fa ny fiviliana kely fotsiny any am-boalohany dia mety hitarika antsika any amin’ny toerana lavitra an’ilay toeran-kalehantsika tany am-piandohana.1 Tamin’ny alalan’izany koa no nianarantsika zavatra avy tamin’ny fampitahana ny fomba fiasan’ny fo ao anatin’ny vatantsika sy ilay fiovan’ny fo amin’ny fomba mahery vaika izay takina mba hamaliana ilay fanasan’ny Tompo hanaraka Azy.2

Amin’ity indray mitoraka ity dia te hanampy amim-panetrentena fampitahana iray aho izay nosintonina avy amin’ny sehatra iray tao anatin’ny asa nianarako. Ny tontolon’ny asa vaventy no tiako holazaina. Vao nanomboka ny fianarako tany amin’ny oniversite aho, dia nanofy ilay andro izay hahafenoako ireo fepetra takina mba hahafahana mianatra ilay taranja izay hampianatra ahy ny fomba fanorenana tranobe sy foto-drafitrasa hafa izay azo heverina ho toy ny “manakana horohoron-tany” avy eo.

Tonga ihany tamin’ny farany ilay andro hanatrehako ilay fotoam-pianarana voalohany an’io taranja io. Toy izao manaraka izao ireo teny voalohany nambaran’ilay prôfesora: “Tena tsindrindaona izao ianareo hanomboka ity taranja ity sy hianatra ny fomba fanorenana foto-drafitrasa izay manakana horohoron-tany e!” Maro taminay no naneho ny fanekena fatratra izany tamin’ny lohanay. Hoy ilay prôfesora avy eo: “Malahelo aho milaza aminareo fa tsy afaka ny ho tanteraka izany satria tsy afaka mampianatra anareo ny fomba fanorenana tranobe iray izay manakana na manohitra horohoron-tany aho. Tsy mitombina izany,” hoy izy, “satria hitranga foana ny horohoron-tany na tiantsika na tsy tiantsika.”

Avy eo dia nanampy izy hoe: “Ny zavatra azoko ampianarina anareo dia ny fomba fanorenana foto-drafitrasa izay mahatohitra horohoron-tany, foto-drafitrasa izay afaka mahatohitra ireo hery mivoaka avy amin’ny horohoron-tany iray, mba hahafahan’ilay foto-drafitrasa mijanona eo ka tsy ianjadian’ny fahasimbana lehibe ary hahafahany manohy manatanteraka ny asany izay mifandray amin’ny antony nanamboarana azy.”

Ny injeniera no manao ireo kajy izay maneho ny refy sy ny kalitao ary ny endrik’ireo fanorenana, ireo tsanganana, ireo andry, ireo rihibato lalorina ary ireo singa ara-poto-drafitrasa novolavolaina. Ireo vokatra ireo dia volavolaina ao anatin’ireo drafitra sy ao anatin’ireo fepetra ara-teknika izay tsy maintsy arahin’ny mpanorina tanteraka mba hahatontosan’ilay asa ary avy eo hahatanteraka ilay tanjona nandrafetana sy nanorenana azy.

Na dia efa 40 taona aza izay no lasa hatramin’ny nanatrehana ilay fotoam-pianarana voalohany momba ny famolavolana zavatra aorina izay mahatanty horohoron-tany dia tadidiko tsara mihitsy ilay fotoana izay nahazoako fahatakarana lalina sy feno kokoa ny maha-zava-dehibe ny hahitana io foto-kevitra io ao anatin’ireo foto-drafitrasa izay haoriko ao anatin’ny sehatry ny asako any aoriana. Tsy izay fotsiny ihany fa mbola misy zavatra manan-danja kokoa aza dia ny hoe, ho hita lalandava ao anatin’ny fanorenako ny fiainako manokana izany ary ao anatin’ny fiainan’ireo izay azoko tarihina ho amin’ny tsara.

Tena voatahy isika noho ny fianteherantsika amin’ilay fahalalana ny drafitry ny famonjena izay noforonin’ny Raintsika any An-danitra, sy noho ny fananantsika ny filazantsaran’i Jesoa Jesoa Kristy naverina tamin’ny laoniny ary noho ny fianteherana amin’ireo fitarihana tena tsara avy amin’ireo mpaminany velona! Ireo zavatra rehetra etsy ambony ireo dia mandrafitra ireo “drafitra” sy ireo “fepetra ara-teknika” narindran’ Andriamanitra mba hampianarana antsika ny fomba hanorenana fiainana feno fifaliana, fiainana izay mahatohitra ny fahotana, mahatohitra ny fanafihan’i Satana, izay mikatsaka mafy ny hanakana ilay anjarantsika mandrakizay miaraka amin’ny Raintsika any An-danitra sy miaraka amin’ireo fianakaviana malalantsika.

Ny Mpamonjy aza tany am-piandohan’ny asa fanompoana nataony dia “navela ho alain’ny devoly fanahy.”3 Saingy tafavoaka soa aman-tsara tao anatin’izany fitsapana lehibe izany i Jesoa. Inona no vokatra nentin’ny fananana toetra mahatohitra an’i Satana sy mahatohitra fakam-panahy teo Aminy? Ny zavatra nahatafavoaka tamim-pahombiazana an’i Jesoa tao anatin’ireo fotoana tena sarotra ireo dia ny fiomanany ara-panahy, izay nanome fahafahana Azy ho ao anatina toe-javatra ahafahana manohitra ireo fakam-panahin’ny fahavalo.

Inona avy ireo zavatra sasany izay nanampy ny Mpamonjy ho vonona hiatrika izany fotoan-tsarotra izany?

Voalohany, nifady hanina nandritra ny 40 andro sy 40 alina izy, fifadian-kanina izay tsy maintsy narahina vavaka tsy tapaka. Noho izany na dia nalemy ara-batana aza Izy dia tena natanjaka kosa ny fanahiny. Na dia soa ihany fa tsy angatahana hifady hanina mandritra ny halavam-potoana toy izany aza isika, fa mandritra ny 24 ora fotsiny ary indray mandeha isam-bolana, dia mitondra hery ara-panahy ny fifadian-kanina ary manomana antsika mba hahazaka ireo fitsapana eto amin’ity fiainana ity.

Faharoa, ao anatin’ilay tantara mikasika ireo fakam-panahy natrehan’ny Mpamonjy, dia hitantsika fa namaly foana an’i Satana tamin’ny alalan’ny fananana soratra masina tao an-tsainy Izy ka nambarany izany ary nampihariny tamin’ny fotoana tena nampety izany.

Rehefa nalain’i Satana fanahy Izy mba hanova ireo vato ho mofo mba hahafahany mahazo sakafo taorian’ilay fifadian-kanina naharitra, dia hoy ny Tompo taminy: “Voasoratra hoe: Tsy mofo ihany no hiveloman’ny olona fa ny teny rehetra izay aloaky ny vavan’ Andriamanitra.”4 Avy eo rehefa teo an-tampon’ny tempoly ny Tompo, dia naka fanahy Azy ny devoly mba hampiseho ny heriny, izay novalin’ny Tompo tamim-pahefana hoe: “Voasoratra hoe koa: Aza maka fanahy an’i Jehovah Andriamanitrao.”5 Ary tao anatin’ny ilay fanandramana fahatelo nataon’i Satana, dia namaly ny Tompo hoe, fa voasoratra hoe: “Jehovah Andriamanitrao no hiankohofanao ary Izy irery ihany no hotompoinao.”6

Ny trangana horohoron-tany dia mamela marika ny vokany na dia eo amin’ireo trano narafitra sy naorina araka ny tokony ho izy aza. Ny vokany dia mety ho fitresatresahana, fanaka sy valindrihana nianjera, ary ny varavarankely vaky, sns. Saingy io trano narafitra tsara sy naoriana tsara io dia hahatanteraka ilay tanjona mba hiaro ireo mipetraka ao amin’izany, ary miaraka amin’ny fanamboarana vitsivitsy dia hiverina amin’ny endriny tany am-boalohany izany.

Torak’izany koa ny fanafihan’ny fahavalo dia mety hampisy “triatra,” na fahavoazana vitsivitsy eo amin’ny fiainantsika na dia eo aza ireo ezaka ataontsika mba hanorina ny fiainantsika araka ilay lamina tonga lafatra narafitr’ Andriamanitra. Ireo “triatra” ireo dia mety miseho amin’ny alalan’ny fahatsapana alahelo na fanenenana noho ny fanaovana fahadisoana sy noho ny tsy fanaovana ny zavatra rehetra amin’ny fomba tonga lafatra, na noho ny fahatsapana fa tsy tonga amin’ilay tsara araka ilay irintsika isika.

Saingy ny tena zava-dehibe dia ny hoe mbola mijoro isika noho ny fanarahana ireo drafitra sy fepetra narafitr’ Andriamanitra, dia ny filazantsaran’i Jesoa Kristy izany. Tsy rava ny fototra nanorenana ny fiainantsika teo anatrehan’ireo ezaka ataon’ny fahavalo na ireo toe-javatra sarotra izay tsy maintsy natrehantsika, ary vonona ny handroso aza isika.

Ilay fifaliana ampanantenaina ao amin’ny soratra masina ho toy ny tanjon’ny fisiantsika7 dia tsy tokony hoheverina hidika hoe, tsy hiaina olana na alahelo isika, tsy hisy “triatra” eo amin’ny fiainantsika vokatr’ireo fakam-panahy, na ireo fahoriana, na ireo fitsapana atrehantsika amin’izao fotoana izao eo amin’ny fiainantsika eto an-tany.

Io fifaliana io dia misy ifandraisany amin’ny fomba fijerin’i Nefia ny fiainana rehefa nilaza izy hoe: “Rehefa nahita fahoriana betsaka aho tamin’ny androko, dia nahita sitraka fatratra tokoa tamin’ny Tompo ihany koa aho tamin’ny androko rehetra.”8 Tamin’ny androny rehetra! Na dia ireo andro izay nijalian’i Nefia aza nandritra ny tsy fahatakarana sy fandavana nasehon’ireo rahalahiny, na dia tamin’ny nanafihan’izy ireo azy tao anatin’ny sambo aza, na tamin’ilay andro nahafatesan’i Lehia rainy aza, na dia tamin’i Lamàna sy Lemoela lasa fahavalo nankahalain’ny olony aza. Na dia tao anatin’ireo andro sarotra ireo aza dia nahatsapa ho nahita sitraka fatratra tokoa tamin’ny Tompo i Nefia.

Afaka manana fahatoniana isika amin’ny fahafantarana fa ny Tompo dia tsy hamela antsika velively ho alaina fanahy mihoatra noho izay zakantsika. Nanasa antsika i Almà “[hiambina sy hivavaka] mba tsy hahazoana maka fanahy [antsika] mihoatra noho izay azo[ntsika] zakaina, ary dia hotarihin’ny Fanahy Masina toy izany ka lasa manetry tena, malemy fanahy, manoa, manam-paharetana, feno fitiavana sy ny fahari-po rehetra.”9

Azo ampiharina amin’ireo fitsapana eo amin’ny fiainana izany. Nampahatsiahy antsika ny tenin’ny Tompo i Amôna: “Mandehana … ary zakao amim-paharetana ny fahorianareo, ary Izaho no hanome fahombiazana anareo.”10

Ny Tompo dia nanome fanampiana antsika foana rehefa miatrika fitsapana na fakam-panahy, na tsy fahatakarana, na aretina na fahafatesana mihitsy aza isika. Hoy Izy hoe: “Ary ankehitriny, dia lazaiko marina tokoa, ary izay lazaiko amin’ny anankiray dia lazaiko amin’ny rehetra, mahereza rankizy madinika; fa eo afovoanareo Aho ary tsy nahafoy anareo.”11 Tsy handao antsika na oviana na oviana Izy!

Mivavaka aho mba hanohy hanorina ny fiainantsika amin’ny alalan’ny fanarahana ireo drafitra sy fepetra ara-teknika an’ilay lamina masina izay narafitry ny Ray any An-danitra ary notanterahina tamin’ny alalan’i Jesoa Kristy Mpamonjy isika. Noho izany, noho ilay fahasoavana izay tonga amintsika amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy, dia hahomby isika eo amin’ny fanorenana fiainana mahatohitra fahotana, mahatohitra fakam-panahy, ary hamafisina mba hahazaka ireo fotoana mampalahelo sy sarotra eo amin’ny fiainana. Ary ankoatra izany dia ho ao anatina toe-javatra izay hahafahana mahazo ireo fitahiana rehetra nampanantenaina isika amin’ny alalan’ny fitiavan’ny Raintsika sy fitiavan’ny Mpamonjy antsika. Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.