2022
Sambatra sy mandrakizay
Nôvambra 2022


Sambatra sy mandrakizay

Tena ivon’ny drafitry ny fahasambarana nataon’ Andriamanitra mihitsy ny fifaliana marina sy maharitra ary mandrakizay miaraka amin’ireo olon-tiantsika.

Ry namana, ry rahalahy sy ranabavy malala isany, tadidinareo ve ny fotoana ninoanareo, na nanirinareo hino ny fahasambarana tsy misy fiafarana?

Avy eo dia nandeha teny ny fiainana. Lasa “olon-dehibe” isika. Manjary manahirana ny fifandraisana. Feno tabataba sy hipoka ary maneritery ity izao tontolo izao ity, miaraka amin’ny fihatsaram-belatsihy sy ny fisehosehoana. Kanefa, ao “am-pontsika lalina,”1 dia mino isika, na te hino, fa any ho any, amin’ny fomba iray, dia misy sy azo tanterahina ny hoe sambatra sy mandrakizay.

Tsy zavatra ao amin’ny angano ihany ny “sambatra sy mandrakizay”. Tena ivon’ny drafitry ny fahasambarana nataon’ Andriamanitra mihitsy ny fifaliana marina sy maharitra ary mandrakizay miaraka amin’ireo olon-tiantsika. Ny fombany voaomana tamim-pitiavana dia afaka mahatonga ny diantsika mandrakizay ho sambatra sy maharitra mandrakizay.

Manana zavatra maro azo ankalazaina sy ankasitrahana isika. Tsy misy tonga lafatra anefa isika, ary toy izany koa ny fianakaviana rehetra. Ahitana fitiavana, fiaraha-monina, ary toetra mampiavaka ireo fifandraisantsika, saingy matetika koa no ahitana fifandirana, ratram-po, ary fanaintainana lalina indraindray.

“Fa tahaka ny ahafatesan’ny olona rehetra ao amin’i Adama no ahaveloman’ny olona rehetra kosa ao amin’i Kristy.”2 Tafiditra ao amin’ny fahavelomana ao amin’i Kristy ny tsy fahafatesana, dia ny fanomezany antsika ny fitsanganan’ny vatantsika amin’ny maty. Rehefa miaina amim-pinoana sy fankatoavana isika, ny fahavelomana ao amin’i Kristy dia ahitana koa ny fiainana mandrakizay feno fifaliana tsy tambo isaina miaraka amin’ Andriamanitra sy ireo olon-tiantsika.

Misintona antsika hanakaiky ny Mpamonjintsika amin’ny fomba mahavariana ny mpaminanin’ny Tompo, isan’izany ny amin’ny alalan’ireo ôrdônansy sy fanekempihavanana atao any amin’ny tempoly izay mihamanatona antsika amin’ny toerana maro kokoa. Manana fahafahana lalina sy fanomezam-pahasoavana hahita fahatakarana ara-panahy vaovao, fitiavana, fibebahana, ary fifamelan-keloka eo amin’isika samy isika sy eo amin’ny fianakaviana isika, amin’ny fotoana sy ho amin’ny mandrakizay.

Rehefa nahazo lalana aho dia hizara zavatra niainana masina roa notantarain’ny namana momba an’i Jesoa Kristy nampiray fianakaviana tamin’ny alalan’ny fanasitranana ireo alahelo teo amin’ny taranaka nifandimby mihitsy aza.3 “Tsisy fetra sady mandrakizay,”4 “mahery kokoa noho ny famatoran’ny fahafatesana,”5 ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy dia afaka manampy antsika hitondra fiadanana ho an’ny lasantsika ary fanantenana ho an’ny hoavintsika.

Rehefa niditra ho mpikamban’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany ny namako sy ny vadiny dia nianatra tamim-pifaliana izy ireo fa tsy tokony “ho lamban’akoho ka faty no hisarahana” ny fifandraisan’ny fianakaviana. Afaka ny hampiraisina mandrakizay (fehezina) ao amin’ny tranon’ny Tompo ny fianakaviana.

Tsy naniry ny hofehezina tamin’ny rainy anefa ilay namako. “Tsy vady tsara fanahy tamin’ny reniko izy. Tsy ray tsara fanahy tamin’ireo zanany izy,” hoy izy. “Tsy maintsy hiandry ny raiko. Tsy manana faniriana ny hanao ny asa atao any amin’ny tempoly ho azy sy hofehezina aminy any amin’ny mandrakizay aho.”

Nandritra ny taona iray dia nifady hanina, nivavaka, niresaka imbetsaka tamin’ny Tompo izy mikasika ny rainy. Vonona izy nony farany. Tontosa ny asa atao any amin’ny tempoly ho an’ny rainy. Taty aoriana dia nilaza izy hoe: “Niseho tamiko tao anatin’ny nofy ny raiko raha natory aho, nanao akanjo fotsy ranoray izy. Niova izy. Hoy Izy hoe: -Jereo aho. Madio fatratra. Misaotra anao nanatanteraka ny asa atao any amin’ny tempoly ho ahy.-” Nampian’ny rainy hoe: “Mitsangàna dia miverena any amin’ny tempoly; miandry hatao batisa ny anadahinao.”

Nilaza ilay namako hoe: “Ireo razambeko sy ireo izay efa niampita ny voaly dia miandry fatratra ny hahatanteraka ny asa ho azy ireo.”

“Raha ny amiko,” hoy izy, “ny tempoly dia toerana fanasitranana, fianarana, ary fanekena ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy.”

Zavatra niainana faharoa. Nisy namana iray hafa nikaroka mafy ny tantaram-pianakaviany. Te hamantatra ny rain’ny raibeny izy.

Indray maraina be dia nilaza ilay namako fa tsapany ny fisian’ny fanahin’ny lehilahy iray tao amin’ny efitranony. Naniry ny ho hita sy fantatry ny fianakaviany ilay lehilahy. Nahatsapa nenina ilay lehilahy noho ny fahadisoana izay efa nibebahany ankehitriny. Nanampy ilay namako ilay lehilahy hahafantatra fa tsy misy hifandraisana ara-drà mihitsy ilay namako sy ilay olona neritreretiny fa rain’ny raibeny. “Raha lazaina amin’ny teny hafa,” hoy ilay namako, “dia lasa fantatro ny rain’ny raibeko ary fantatro fa tsy izy ilay olona nambaran’ny firaketan’ny fianakaviako fa rain’ny raibeko.”

Rehefa nazava ny fifandraisan’ny fianakaviany dia hoy ilay namako: “Mahatsapa ho olon’afaka aho, manana fiadanana. Mampiova ny zava-drehetra ny mahafantatra hoe iza avy no fianakaviako.” Nandinika ny namako nanao hoe: “Ny hazo mitolefika dia tsy midika hoe hazo ratsy. Ny fomba ahatongavantsika eto amin’ity izao tontolo izao ity dia tsy manan-danja firy noho ny hoe iza isika rehefa mandao izany.”

Manamafy fitsipika ara-potopampianarana dimy ny soratra masina sy ireo zavatra ara-panahy nahitana fahasitranana manokana sy fiadanana, anisan’izany ny niarahana tamin’ireo velona any amin’ny tontolon’ny fanahy.

Voalohany: I Jesoa Kristy izay ivon’ny drafitr’ Andriamanitra ho an’ny fanavotana sy ny fahasambarana, tamin’ny alalan’ny Sorompanavotana nataony, dia mampanantena fa hampiray ny fanahintsika sy ny vatantsika, “ka tsy hosarahina na oviana na ovina intsony, mba hahazoany mandray ny fahafenoan’ny fifaliana.”6

Faharoa: Ny Sorompanavotana, mampiray antsika amin’i Kristy, dia tonga rehefa mampihatra finoana isika ka mitondra voa miendrika ny fibebahana.7 Na eto amin’ny fiainana an-tany izany na any amin’ny tsy fahafatesana. Ireo ôrdônansin’ny tempoly dia tsy manova antsika na ireo izay any amin’ny tontolon’ny fanahy. Kanefa ireny ôrdônansy masina ireny dia manokatra ireo fanekempihavanana masina atao amin’ny Tompo, izay afaka mitondra firaisam-po Aminy sy eo amintsika samy isika.

Manjary feno ny fifaliantsika rehefa mahatsapa ny fahasoavan’i Jesoa Kristy sy ny famelany antsika isika. Ary, rehefa mifanolotra ilay fahagagana avy amin’ny fahasoavany sy ny famelany isika dia afaka manampy antsika hahatonga ireo zavatra tsy rariny eo amin’ny fiainana ho lasa rariny ilay indrafo raisintsika sy ny famindram-po atolotsika.8

Fahatelo: Mahafantatra sy tia antsika tanteraka Andriamanitra. “Andriamanitra [dia] tsy azo vazivaziana”9 na koa fitahana. Miaraka amin’ny indrafo sy fahamarinana tonga lafatra no hamihinany amin’ny sandriny feno fiarovana ireo manetry tena sy mibebaka.

Nahita an’i Alvin rahalahiny voavonjy tao amin’ny fanjakana selestialy tao anatin’ny fahitana iray ny mpaminany Joseph Smith tao amin’ny tempolin’i Kirtland. Talanjona ny Mpaminany Joseph, satria maty talohan’ny nahazoany ny ôrdônansy manavotry ny batisa i Alvin.10 Nanazava ny anton’izany tamin’ny fomba feno fampiononana ny Tompo: “Hitsara [antsika] araka ny asa[ntsika], araka ny fanirian’ny fo[ntsika] ny Tompo.”11 Ny fanahintsika dia mijoro ho vavolombelona momba ny asantsika sy ny faniriantsika.

Feno fankasitrahana isika mahafantatra fa ny velona sy ny “maty izay mibebaka dia ho voavotra amin’ny alalan’ny fankatoavana ireo ôrdônansin’ny tranon’ Andriamanitra”12 sy ny Sorompanavotan’i Kristy. Na ireo ao anatin’ny fahotana sy ny fandikan-dalàna aza dia manana fahafahana hibebaka any amin’ny tontolon’ny fanahy.13

Mifanohitra amin’izany kosa, ireo izay minia misafidy ny faharatsiana, ireo izay manemotra amin’ny nahim-po ny fibebahana, na ireo izay minia na mahafantatra fa mandika ireo didy sady mikasa ny hanao fibebahana tsy zarizary dia hotsarain’ Andriamanitra ary “[h]anana ny fitadidiana mazava ny hadisoan[y] rehetra.”14 Tsy afaka manota isika ny sabotsy dia hanantena famelan-keloka ho azy avy eo amin’ny alalan’ny fandraisana ny fanasan’ny Tompo ny alahady. Ho an’ireo misiônera na ireo hafa izay milaza fa ny fanarahana ny Fanahy dia midika hoe tsy voatery mankatò ireo fenitry ny misiôna na ireo didy, dia tsarovy fa ny fankatoavana ny fenitry ny misiôna sy ireo didy dia manasa ny Fanahy. Tsy tokony hisy amintsika hanemotra ny fibebahana. Ny fitahian’ny fibebahana dia manomboka rehefa manomboka mibebaka isika.

Fahefatra: Ny Tompo dia manome antsika fahafahana masina mba ho tonga tahaka Azy kokoa rehefa manolotra ireo ôrdônansin’ny tempoly isoloan-tena ho an’ny famonjena izay ilain’ny hafa kanefa tsy azony atao ho an’ny tenany manokana. Lasa feno sy tanteraka kokoa isika15 rehefa lasa “mpamonjy … eo an-tendrombohitra Ziona.”16 Rehefa manompo ny hafa isika dia afaka manamafy ireo ôrdônansy ny Fanahy Masin’ny Fampanantenana sady manamasina ny mpanome sy ny mpandray. Na ny mpanome na ny mpandray dia samy afaka manao sy manamafy ireo fanekempihavanana manova, ary rehefa mandeha ny fotoana dia mandray ireo fitahiana nampanantenaina an’i Abrahama sy Isaka ary Jakoba.

Farany, ny fahadimy: Araka ny ampianarin’ny Fitsipika Volamena17 dia manasa antsika tsirairay hanolotra amin’ny hafa izay ilaintsika sy iriantsika ny fifandanjana masina eo amin’ny fibebahana sy ny famelan-keloka.

Indraindray ny fahavononantsika hamela ny heloky ny hafa dia mahatonga antsika sy izy ireo hino fa afaka mibebaka sy mahazo famelan-keloka isika. Indraindray dia tonga amin’ny fotoana samy hafa ny fahavononana hibebaka sy ny fahafahana mamela heloka. Mpanalalana antsika amin’ Andriamanitra ny Mpamonjy antsika, Izy koa anefa dia manampy antsika hahafantatra hoe iza isika sy hanatsara ny fifandraisantsika amin’ny hafa rehefa manatona Azy isika. Indrindra fa rehefa lalina ny ratram-po sy ny fanaintainana, dia sarotra ny manamboatra ny fifandraisantsika sy manasitrana ny fontsika, izay tsy ho vitantsika samirery. Kanefa ny lanitra dia afaka manome antsika tanjaka sy fahendrena mihoatra ny an’ny tenantsika mba hahafantarana izay fotoana tokony hananana faharetana sy ny fomba tsy hiraharahiana intsony izay zavatra nampahory.

Tsy dia mahatsapa ho manirery isika rehefa fantatsika fa tsy irery isika. Ny Mpamonjy antsika dia mahatakatra mandrakariva.18 Omban’ny fanampian’ny Mpamonjintsika, dia azontsika avela any ny avonavontsika, ny alahelontsika, ny fahotana ataontsika amin’ Andriamanitra. Na inona na inona mety ho tsapantsika rehefa manomboka isika, dia lasa sitrana kokoa isika rehefa matoky Azy mba hanatsara ny fifandraisantsika.

Ny Tompo izay mahita sy mahafantatra tanteraka dia mamela heloka izay tiany; isika (tsy lavorary) dia tokony hamela ny rehetra. Rehefa manatona ny Mpamonjy isika dia tsy mifantoka loatra amin’ny tenantsika. Mihena ny fitsarana ary mamela heloka kokoa isika. Ny fahatokiana ny fahamendrehany sy ny famindram-pony ary ny fahasoavany19 dia afaka manafaka antsika amin’ny fifandirana, ny fahatezerana, ny fanararaotana, ny fandaozana, ny tsy rariny, ary ireo fanamby ara-batana sy ara-tsaina izay indraindray miaraka amin’ny vatana eto amin’ny tontolon’ny fiainana an-tany. Ny hoe sambatra sy mandrakizay dia tsy midika tsy akory hoe ho sambatra sy mandrakizay ny fifandraisana rehetra. Saingy ny arivo taona izay hamatorana an’i Satana20 dia mety hanome antsika ny fotoana ilaina sy ireo fomba mahagaga hitiavana sy hahatakarana ary handaminana ny zava-drehetra, eo am-piomanana ho amin’ny mandrakizay.

Hitantsika eo amintsika samy isika ny fiaraha-monin’ny lanitra.21 Isan’ny asan’ Andriamanitra sy voninahiny ny fanatanterahana ny fahasambarana sy ny mandrakizay.22 Ny fiainana mandrakizay sy ny fisandratana dia ny mahafantatra an’ Andriamanitra sy i Jesoa Kristy, koa, amin’ny alalan’ny herin’ Andriamanitra, izay misy Azy Ireo no hisy antsika.23

Ry rahalahy sy anabavy malala, velona Andriamanitra Raintsika any An-danitra sy ny Zanany Malalany. Izy ireo dia manolotra fiadanana, fifaliana, ary fanasitranana ho an’ny foko sy ny samy hafa fiteny, ho antsika tsirairay avy. Ny mpaminanin’ny Tompo no mitarika ny lalana. Mitohy ny fanambaran’ny andro farany. Enga anie isika hanakaiky kokoa ny Mpamonjy antsika ao amin’ny trano masin’ny Tompo, ary enga anie Izy hampanatona antsika kokoa an’ Andriamanitra sy hampifanatona antsika samy isika, rehefa mampifanaraka ny fontsika ao amin’ny fangorahana sy ny fahamarinana ary ny famindram-po nomen’i Kristy amin’ny taranaka rehetra isika—amin’izao andro izao sy mandrakizay, sambatra ary mandrakizay. Azo tanterahina izany ao amin’i Jesoa Kristy. Marina izany ao amin’i Jesoa Kristy. Mijoro ho vavolombelona ny amin’izany aho, amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.