2022
Mitohy ny fivoaran’ny fiorenan’ireo tempoly vaovao
Nôvambra 2022


Vaovaom-piangonana

Mitohy ny fivoaran’ny fiorenan’ireo tempoly vaovao

Nanambara tempoly vaovao 18 ny Filoha Russell M. Nelson nandritra ny fivoriana tolakandron’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany ôktôbra 2022. Jereo ao amin’ny lahateny famaranana nataony any amin’ny pejy 121 ny toerana misy ireo tempoly.

Ireto tempoly manaraka ireto dia natokana na naverina natokana hatramin’ny Fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany farany tamin’ny aprily:

  • Natokana tamin’ny 8 mey ny Tempolin’i Rio de Janeiro Brésil.

  • Natokana tamin’ny 22 mey ny Tempolin’i Yigo Guam.

  • Natokana tamin’ny 19 jona ny Tempolin’i Praia Cape Verde.

  • Naverina natokana tamin’ny 19 jona ny Tempolin’i Hong Kong Chine.

  • Naverina natokana tamin’ny 3 jolay ny Tempolin’i Tokyo Japon.

  • Naverina natokana tamin’ny 16 ôktôbra ny Tempolin’i Hamilton Nouvelle Zélande.

  • Natokana tamin’ny 20 nôvambra ny Tempolin’i Bélem Brésil.

  • Natokana tamin’ny 20 nôvambra ny Tempolin’i Quito Equateur.

  • Noraiketina ho ny 1–17 desambra ny fotoana hanaovana ny varavarana misokatra ho an’ny Tempolin’i San Juan Puerto Rico. Amin’ny 15 janoary 2023 no hanokanana izany.

Notontosaina ny fihadiana fototra an’ireto tempoly manaraka ireto: Tempolin’i Grand Junction Colorado (Etazonia), Tempolin’i Lindon Utah (Etazonia), Tempolin’i Farmington New Mexico (Etazonia), Tempolin’i Elko Nevada (Etazonia), Tempolin’i Burley Idaho (Etazonia), Tempolin’i Smithfield Utah (Etazonia), Tempolin’i Yorba Linda California (Etazonia), Tempolin’ny Lubumbashi République Démocratique de Congo, ary ny Tempolin’i Ephraim Utah (Etazonia).

Efa voafaritra ny fotoana hanaovana fihadiana fototra ny Tempolin’i Valley Oregon (Etazonia) sy ny tempolin’ny Heber Valley Utah (Etazonia).