2023
Lesona avy amin’ Andriamanitra momba ny fitaizana
Nôvambra 2023


Lesona avy amin’ Andriamanitra momba ny fitaizana

Miditra anaty fiaraha-miasa miaraka amin’ny Ray any An-danitra ireo ray aman-dreny mba hitarihana ireo zanany sarobidy hiverina any an-danitra.

Efa nitrotro zaza vao teraka ve ianao? Misy hazavana mivoaka avy amin’ny zaza vao teraka tsirairay, mitondra fifamatoran’ny fitiavana tena miavaka izay afaka maha heni-kafaliana ny fon’ny ray aman-drenin’izy ireo.1 Nanoratra ny mpanoratra Meksikanina iray hoe: “Nianatra aho fa rehefa ilay voalohany mamihina ny rantsan-tanan’ny rainy ny zaza vao teraka, miaraka amin’ilay tanany bitika kely, dia efa azony mandrakizay izy.”2

Ny fitaizana zanaka dia iray amin’ireo traikefa tena miavaka indrindra eo amin’ny fiainana. Miditra anaty fiaraha-miasa miaraka amin’ny Ray any An-danitra ireo ray aman-dreny mba hitarihana ireo zanany sarobidy hiverina any an-danitra.3 Anio aho dia te hizara lesona vitsivitsy momba ny fitaizana izay hita ao amin’ny soratra masina sy ampianarin’ireo mpaminany velona mba hanampy antsika hamela ny lova avy amin’ny fitaizantsika.

Miakara eo amin’ny toerana avo kokoa izay misy ny kolontsain’ny filazantsara

Mila miakatra eo amin’ny toerana avo kokoa izay misy ny kolontsain’ny filazantsara isika miaraka amin’ny fianakaviantsika. Nanambara ny Filoha Russell M. Nelson hoe: “Mendrika ny hahazo fitarihana avy any an-danitra ny fianakaviana. Tsy afaka ny hanoro hevitra ny zanany araka ny tokony ho izy ireo ray aman-dreny avy amin’ny traikefa na tahotra na fahaiza-mangoraka izay azy manokana.”4

Na dia mety ilaina amin’ny fitaizana aza ny kolontsaina ananantsika sy ny fomba fitaizantsika sy ny traikefantsika manokana, dia tsy ampy hanampiana ny zanatsika hiverina any an-danitra ireo fahaiza-manao ireo. Mila mahazo “fitambarana soatoavina sy … fomba fanao” avo kokoa isika,”5 izay sady kolontsain’ny fitiavana no kolontsain’ny fifampitokisana, izay hifampitondrantsika amin’ny zanatsika “amin’ny fomba tsara kokoa sy masina kokoa.”6 Ny namaritan’ny Filoha Dallin H. Oaks ny kolontsain’ny filazantsara dia hoe: “fomba fiainana iray mampiavaka, fitambarana soatoavina sy zavatra andrasana ary fomba fanao. … Izany kolontsain’ny filazantsara izany dia avy amin’ny drafitry ny famonjena sy ny didin’ Andriamanitra ary ny fampianaran’ny mpaminany velona. Mitarika antsika izany amin’ny fomba hikolokoloantsika ny fianakaviantsika sy ny fomba entintsika miaina ny fiainantsika manokana.”7

I Jesoa Kristy no ivon’io kolontsain’ny filazantsara io. Ny fiainantsika ny kolontsain’ny filazantsara ao an-tokantranontsika dia tena ilaina mba hanorenana tontolo lonaka izay ahafahan’ny voan’ny finoana hiroborobo. Mba hiakarana amin’ny faritra avo kokoa, dia nanasa antsika ny Filoha Oaks mba “hamoy ireo fombafomban’ny tena manokana na fomban-drazana na fomba fanao izay mifanohitra amin’ny fampianaran’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy.”8 Ry ray aman-dreny, ny fahamenarantsika tsy hametraka ny kolontsain’ny filazantsara dia mety hamela ny fahavalo hahazo vahana ao an-tokantranontsika, na ao am-pon’ireo zanantsika mihitsy aza.

Rehefa misafidy isika hoe ny kolontsain’ny filazantsara no kolontsaina mibahana ao amin’ny fianakaviantsika, dia ho lasa voasivana sy hirindra sy hihaavo lenta ary hihatsara ny fomba fitaizantsika amin’izao fotoana izao amin’ny alalan’ny fitaoman’ny Fanahy Masina9.

Ataovy ivontoerana fianarana ny filazantsara ny tokantrano

Nampianatra ny Filoha Russell M. Nelson fa ny tokantrano no tokony ho “ivon-toeran’ny fianarana ny filazantsara.”10 Ny tanjon’ny fianarana sy fampianarana ny filazantsara dia ny “hampiorim-paka ny fiovam-pontsika amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy ary ny hanampiana antsika hitovy kokoa amin’Izy Ireo.”11 Andeha isika hijery andraikitra telo lehibe amin’ny fitaizana izay voalazan’ireo mpaminany sy apôstôly ary afaka hanampy antsika hametraka kolontsain’ny filazantsara avo kokoa ao an-tonkatranontsika.

Voalohany: Mampianara malalaka

Nampianatra an’i Adama mikasika an’i Jesoa Kristy sy ny fotopampianarany ny Ray any An-danitra. Nampianatra azy Izy “mba hampianatra malalaka ny zana[ny] amin’izany zavatra izany.”12 Izany hoe nampianatra an’i Adama ny Ray any An-danitra mba hampianatra ireny zavatra ireny amim-pahalalahana sy tsy am-pitsitsiana ary tsy misy fameramperana.13 Milaza amintsika ny soratra masina hoe: “Nisaotra ny anaran’ Andriamanitra i Adama sy i Eva ka nampahafantatra ireo zanakalahiny sy zanakavaviny ny zava-drehetra.”14

Mampianatra ireo zanantsika tsy am-pitsitsiana isika rehefa mandany fotoana manan-danja miaraka amin’izy ireo. Mampianatra tsy misy fameramperana isika rehefa miresaka lohahevitra manahirana toy ny fotoana lany amin’ny fampiasana fitaovana elektrônika, ary mampiasa ireo loharanon-kevitra omen’ny Fiangonana.15 Mampianatra amim-pahalalahana isika rehefa mandalina ny soratra masina miaraka amin’ireo zanatsika ary mampiasa ny Avia, hanaraka Ahy sy mamela ny Fanahy ho mpampianatra.

Faharoa: Asehoy amin’ny alalan’ny ohatra ny maha mpianatry ny Tompo

Vakiantsika ao amin’ny bokin’i Jaona fa rehefa nanontany ny Mpamonjy momba ny fihetsiny ny Jiosy maromaro dia nisarika ny sain’izy ireo ho any amin’ilay ohatra alainy tahaka i Jesoa, dia ny Rainy izany. Nampianatra Izy hoe: “Ny Zanaka tsy mahazo manao na inona na inona ho Azy, afa-tsy izay hitany ataon’ny Ray; fa na inona na inona no ataon’ny Ray dia toy izany koa no ataon’ny Zanaka.”16 Ry ray aman-dreny, inona no mila ataontsika mba hanehoantsika ohatra tsara ho an’ireo zanatsika? Ohatry ny maha-mpianatra.

Amin’ny maha ray aman-dreny antsika, dia afaka mampianatra ny maha zava-dehibe ny fametrahana an’ Andriamanitra ho lohalaharana isika rehefa miresaka ny didy voalohany, fa asehontsika amin’ny ohatra kosa izany rehefa apetrantsika ireo fialambolin’izao tontolo izao ka mitandrina ny andro Sabata ho masina isika isan-kerinandro. Afaka mampianatra ny maha-zava-dehibe ireo fanekempihavanana any amin’ny tempoly isika rehefa miresaka momba ny fotopampianaran’ny fanambadiana selestialy, fa asehontsika amin’ny ohatra kosa izany rehefa manaja ireo fanekempihavanana nataontsika isika ka fomba feno fahamendrehana no itondrantsika ny vadintsika.

Fahatelo: Taomy mba hanao asa

Ny finoana an’i Jesoa Kristy no tokony ho ain-dehiben’ny fijoroana ho vavolombelon’ireo zanatsika, ary ireny fijoroana ho vavolombelona ireny dia tokony ho tonga amin’ny zanaka tsirairay amin’ny alalan’ny fanambarana ho an’ny tena manokana.17 Mba hanampiantsika ireo zanatsika amin’ny fanorenany ny fijoroany ho vavolombelona, dia mamporisika azy ireo isika hampiasa ny fahafahany misafidy mba hifidy ny marina18 ary manomana azy ireo ho eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanan’ Andriamanitra mandritra ny androm-piainany.19

Fahendrena ny mamporisika ny zanatsika tsirairy mba hanaiky ny fanasan’ny Filoha Nelson mba handray an-tanana ny fijoroany ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany, hiasa an’izany, hikolokolo izany mba hitomboan’izany, hamahana izany amin’ny fahamarinana, ary tsy handoto izany amin’ny filôzofia dison’ny olona tsy mino.20

Fitaizana marina sy feno fikasana tsara

Ny fikasana masin’ny Raintsika any An-danitra amin’ny maha ray Azy dia nampahafantarina ao amin’ny fanambarana iray nomena an’i Mosesy: “Fa indro izao no asako sy voninahitro—ny manatanteraka ny tsy fahafatesana sy ny fiainana mandrakizain’ny olona.”21 Nampian’ny Filoha Nelson hoe: “Hanao izay rehetra azony atao Andriamanitra, afa-tsy ny hanitsakitsaka ny fahafahanao misafidy, mba hanampiana anao hahazo ireo fitahiana lehibe indrindra ao amin’ny mandrakizay.”22

Amin’ny maha ray aman-dreny antsika dia solontenan’ Andriamanitra isika amin’ny fikarakarana ireo zanatsika.23 Mila manao izay rehetra azontsika atao isika mba hanorenana tontolo ahafahan’ireo zanatsika mahatsapa ny fitaomany masina.

Sanatria amin’ny Ray any An-danitra ny hikasa hametraka antsika ray aman-dreny ho mpitazana, hijery ny fisehon’ny fiainana ara-panahin’ireo zanatsika. Mamelà ahy ianareo haneho ity hevitra momba ny fitaizana feno fikasana tsara ity amin’ny alalan’ny zavatra niainako manokana. Fony aho tao amin’ny Kilonga tao amin’ny rantsana kely iray tany Guatemala, dia nanomboka nampianatra ahy momba ny lanjan’ny tsodranon’ny patriarika ny ray aman-dreniko. Naka fotoana ny reniko hizarana ny zavatra niainany tamin’ny nandraisany ny tsodranon’ny patriarika sarobidiny. Nampianatra ahy ny fotopampianarana mikasika ny tsodranon’ny patriarika izy, ary nijoro ho vavolombelona momba ireo fitahiana nampanantenaina. Ny fitaizany feno fikasana tsara dia nankahery ahy mba hanam-paniriana handray ny tsodranon’ny patriarika ho ahy.

Rehefa feno 12 taona aho, dia nanampy ahy ny ray aman-dreniko tamin’ny fitadiavana patriarika. Nila natao izany satria tsy nisy patriarika tao amin’ilay distrika nisy anay. Nandeha nankany amin’ny patriarika izay tany amin’ny tsatòka tany amin’ny 156 kilometatra aho. Tadidiko mazava tsara ny nametrahan’ilay patriarika ny tanany teo ambony lohako mba hitso-drano ahy. Fantatro tamin’ny alalan’ny fanamafisana avy amin’ny Fanahy, tsy isalasalana, fa mahafantatra ahy ny Ray any An-danitra.

Amin’ny maha zatovolahy 12 taona iray avy amin’ny tanàna kely iray ahy, dia zava-dehibe ho ahy izany. Nitodika tany amin’ny Ray any An-danitra ny foko tamin’io andro io noho ny fitaizana feno fikasana tsara avy amin’ny reniko sy ny raiko, ary ho feno fankasitrahana mandrakizay amin’izy ireo aho.

Nampianatra Rahavavy Joy D. Jones, Filohan’ny Kilonga maneran-tany teo aloha hoe: “Tsy afaka miandry izay hitrangan’ny fiovam-po eo amin’ny zanatsika fotsiny isika. Ny fiovam-po kisendrasendra dia tsy fitsipiky ny filazantsaran’i Jesoa Kristy.”24 Ny fitiavantsika sy ny fanasantsika mankahery dia afaka manova zavatra amin’ny fomba ampiasan’ny zanatsika ny fahafahany misafidy. Nanantitrantitra ny Filoha Nelson hoe: “Tsy misy asa manan-danja kokoa mihoatra izany maha-ray aman-dreny araka ny fahamarinana sy amin’ny nahim-po izany!”25

Famaranana

Ry ray aman-dreny, ity tontolo ity dia feno filôzôfia sy kolontsaina ary hevitra izay mifaninana hisarika ny sain’ireo zanatsika. Ilay trano mijoalajoala sy malalaka dia manangoly isan’andro ny olona hikambana ao aminy amin’ny alalan’ny fampiasana fantsona hiseraserana nivoaka vao haingana indrindra. “Nefa tao amin’ny fanomezana ny Zanany,” hoy ny nampianarin’ny mpaminany Môrônia, “no efa nomanin’ Andriamanitra ny lalana tena tsara indrindra.”26

Rehefa miara-miasa amin’ Andriamanitra isika amin’ny alalan’ny fanekempihavanana sy lasa mpisolotena Azy amin’ny fikarakarana ny zanatsika, dia hanamasina ny fikasantsika Izy, sy hitaona ny fampianarantsika, ary hanamora ny fanasana ataontsika mba “hahafantaran’ny zanatsika ny loharano azony andrandraina ho famelana ny fahotany.”27 Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.

Fanamarihana

  1. Jereo ny Salamo 127:3.

  2. Johnny Welch, “The Puppet,” navoaka indray tao amin’ny inspire21.com/thepuppet; jereo ihany koa ny Johnny Welch, Lo que me ha enseñado la vida (1996).

  3. Mety ho toa asa mampihemotra izany, kanefa araka ny nolazain’ny Loholona Jeffrey R. Holland hoe: “Miaraka amin’ny fanampian’ny Ray any An-danitra dia afaka mametraka lova avy amin’ny fitaizana tena tsara isika mihoatra noho izay heverintsika” (“The Hands of the Fathers,” Liahona, July 1999, 18).

  4. Russell M. Nelson, “Thou Shalt Have No Other Gods,” Ensign, May 1996, 15.

  5. Dallin H. Oaks, “The Gospel Culture,” Liahona, Mar. 2012, 22.

  6. Russell M. Nelson, “Ilaina ny mpampihavana,” Liahona, mey 2023, 99.

  7. Dallin H. Oaks, “The Gospel Culture,” 22.

  8. Dallin H. Oaks, “The Gospel Culture,” 22.

  9. Jereo ny Môrônia 10:5.

  10. Russell M. Nelson, “Lasa Olomasin’ny Andro Farany maodely,” Liahona, Nov. 2018, 113.

  11. Ny fiovam-po no tanjontsikal,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: Testamenta Vaovao 2023v.

  12. Mosesy 6:58.

  13. Jereo ny American Dictionary of the English Language, “freely,” webstersdictionary1828.com/Dictionary/freely.

  14. Mosesy 5:12.

  15. Jereo ny “Taking Charge of Technology” sy ny Ho zatovo mahery!: Torolalana amin’ny fanaovana safidy (2022), Gospel Library.

  16. Jaona 5:19.

  17. Jereo ny “Matio 16:17–18. Individual Revelation Needed for a Testimony of Jesus Christ,” [Fanambarana ho an’ny tena manokana ilaina amin’ny fijoroana ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy],” ao amin’ny Testamenta Vaovao: Boky torolalana ho an’ny mpianatra (2018), 52.

  18. Jereo ny Dale G. Renlund, “Fidionareo anio,” Liahona, nôv. 2018, 104: “Ny tanjon’ny Raintsika any An-danitra eo amin’ny fitaizana dia tsy ny hanao izay hahatonga ireo zanany hanao ny marina; fa ny hanao izay hahatonga ireo zanany hisafidy ny hanao ny marina ary ho tonga tahaka Azy amin’ny farany.”

  19. Jereo ny “Tovana: Manomana ny zanakao ho eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanan’ Andriamanitra mandritra ny androm-piainana,” ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: Testamenta Vaovao 2023, Médiathèque de l’évangile.

  20. Jereo ny Russell M. Nelson, “Mandresy izao tontolo izao dia mahita fitsaharana,” Liahona, nôv. 2022, 97

  21. Mosesy 1:39. Ao amin’io andininy io i Jesoa Kristy dia miresaka eo amin’ny toeran’ny Ray any An-danitra.

  22. Russell M. Nelson, “Safidy ho an’ny Mandrakizay” (fampaherezam-panahy maneran-tany ho an’ny tanora, 15 mey 2022), Médiathèque de l’Évangile.

  23. Jereo ny Russell M. Nelson, “Salvation and Exaltation,” Liahona, May 2008, 10: “Aza miezakan ny hifehy ny zanakareo. Fa henoy kosa izy ireo, ampio izy ireo hianatra ny filazantsara, ankaherezo izy ireo, ary tariho mankamin’ny fiainana mandrakizay izy ireo. Solontenan’ Andriamanitra ianareo amin’ny fikarakarana ireo zanaka izay nampandraiketiny anareo. Aoka ny fitaomany masina hitoetra ao am-ponareo rehefa mampianatra sy mandresy lahatra ianareo.”

  24. Joy D. Jones, “Fifanakalozan-kevitra manan-danja,” Liahona, mey 2022, 12.

  25. Russell M. Nelson, “Fahafinaretana ny Sabata,” Liahona, mey 2015, 131.

  26. Etera 12:11.

  27. 2 Nefia 25:26.