2023
Manompo ny Olomasina manerana izao tontolo izao ireo Apostôly sy mpaminany
Nôvambra 2023


“Manompo ny Olomasina manerana izao tontolo izao ireo Apostôly sy mpaminany,” Liahona, nôv. 2023.

Vaovaom-piangonana

Manompo ny Olomasina manerana izao tontolo izao ireo Apostôly sy mpaminany

Tamin’ny Andro ho an’ny famelan-keloka maneran-tany tamin’ny jolay dia nizara hafatra tao amin’ny tambajotran-tserasera ny Filoha Russell M. Nelson. “Tsy zavatra atao in-dray mandeha ny famelan-keloka fa dingana mitohy izay mitaky faharetana, fangorahana, ary fahatakarana,” hoy izy. “Tsy mora foana ny mamela ireo izay nandratra anao. Afaka mahazo hery avy amin’i Jesoa Kristy ianao.”

Ny Filoha Dallin H. Oaks, Mpanolotsaina Voalohany ao amin’ny Fiadidiana Voalohany dia namporisika ireo tanora maneran-tany nandritra ny fampaherezam-panahy iray tamin’ny 21 mey mba hanana hatrany fomba fijery mibanjina ny mandrakizay eo am-pamakivakian’izy ireo “ireo fotoana mampisy rarin-tsaina” amin’izao fotoana izao.

“Na manao ahoana na manao ahoana ny tsy fitoviantsika ao anatin’ny fahasamihafan’ireo zavaboarin’ny Raintsika any An-danitra, dia tia antsika rehetra Izy ary manana toerana ho an’ny rehetra ny drafitry ny fahasambarana lavorary izay nataony,” hoy ny Filoha Oaks. “Maneho ny fitiavantsika Azy isika amin’ny alalan’ny fitandremana ny didiny, isan’izany ny fitiavana ireo zanany.”

Ny Filoha Henry B. Eyring, Mpanolotsaina Faharoa ao amin’ny Fiadidiana Voalohany, dia namporisika ireo Olomasin’ny Andro Farany nanatrika ny fanokanana ny tempolin’i Saratoga Springs Utah tamin’ny 13 aogositra mba haneho finoana sy fahavitrihana manoloana ny tranon’ny Tompo vaovao.

Ny mpikamban’ny Fiangonana dia “nomena ity tempoly ity mba ho famantarana ny fatokian’ny Tompo … sy ny fahazoany antoka fa haneho finoana sy fahavitrihana lehibe [izy ireo],” hoy ny Filoha Eyring. “Ity tempoly ity no toerana ahafahanareo mahazo matetika kokoa ny herin’ny fanekempihavanan’ny tempoly. Fantany ny ao am-ponareo. Fantany ny fanirianareo mba hahazo fampaherezana sy ho lasa vahoaka marina kokoa, tahaka ny fahalasanan’izao tontolo izao ho feno fifandirana sy lavo kokoa.”

Rehefa miresaka sy mizara ny hafatry ny Famerenana amin’ny laoniny ny mpikambana, dia ho tsapan’ny hafa ny fahamarinan’ny tenin’izy ireo, hoy ny Filoha M. Russell Ballard, Filoha mpisolo toerana ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo. “Ny zavatra mahatalanjona indrindra teo amin’ny tantaran’izao tontolo izao dia nitranga tao amin’ilay Alakely Masina tamin’ny 1820,” hoy izy. “Nisokatra ny lanitra.”

Rehefa niteny tamin’ireo mpikambana sy misiônera tao Toronto, Ontario ny Filoha Ballard tamin’ny aprily dia nijoro ho vavolombelona momba ny antso maha mpaminany azon’i Joseph Smith izy. “Tsy maintsy hoe zavatra nanatrobaka ny fanahiny izany, niainga teo an-tampon-dohany ka hatrany am-paladihany, rehefa nandre ny Raintsika any An-danitra izy niantso ny anarany hoe: -Joseph, ity no Zanako Malalako. Henoy Izy!- [jereo ny Joseph Smith—Tantara 1:17]. Izany no hafatra zaraintsika,” hoy izy tamin’ireo misiônera.

Tamin’ny aprily ny Loholona Dieter F. Uchtdorf dia nanao fitsidihana tany Frantsa, Egypta, ary Isiraely. Nanatrika fivoriana fanasan’ny Tompo tany Egypta izy, nandaha-teny tamin’ireo mpianatra tao amin’ny Brigham Young University Jerusalem Center, ary nitsidika ireo toerana masina.

“Fahatsapana fifaliana tsy hay lazaina no nomen’ny Tompo ahy mba ho isan’ireo mpianany amin’izao fotoana izao,” hoy izy. “Mazava ho azy fa tokony ho mpianatra daholo isika, ary mila miaina mifanaraka amin’ny fanekempihavanana nataontsika.

“Fa ny fahatongavana eto an-tany sy ny fjoroana ho vavolombelona amin’ny maha mpianatra, tahaka izay nataon’ireo Apôstôly fahiny, dia zavatra mahafaly ny foko sy manandratra ahy ho ao anatina tontolo tsy takatry ny saina. Ary amim-panetren-tena lehibe no hahatsapako fa matoky ahy ny Tompo mba ho vavolombelony sy ho vavolombelon’ny anarany. Tena mahafaly tokoa ny mandeha amin’ny toerana nipetrahan’ireo Apôstôly namana sy nandehanan’izy ireo.”

Ny Loholona David A. Bednar dia nanokana ilay tranon’i Joseph sy i Emma Smith naverina tamin’ny laoniny ao Kirtland Ohio, ny 26 aogositra. Ny Loholona Bednar dia nilaza izao tamina vondron’olona teo ho eo amin’ny 300 olona teo, isan’izany ireo olo-manan-kaja eo anivon’ny fiarahamonina sy ireo mpitondra fivavahana: “Mihoatra lavitra noho ny trano manan-tantara fotsiny ity trano ity. Tena fonenana ho an’i Joseph sy i Emma Smith ity trano ity, ilay toerana niarahan’izy ireo nipetraka nandritra ny fotoana maharitra indrindra talohan’ny nahafatesan’i Joseph.”

Nandaha-teny nandritra ny Fihaonambe fanao isan-taonan’ny oniversite an’ny Brigham Young University ny Loholona Quentin L. Cook tamin’ny volana aogositra. Nanamarika izy fa ireo manam-pahaizana momba ny fahamatorana ara-tsaina dia nandroso hevitra fa ny asa fitoriana dia manolotra dingan’ny fahamatorana amin’ny fianarana izay fiomanana ho amin’ny fianarana any amin’ny ambaratonga ambony.

Mihoatra ny roa ampahatelon’ny mpianatra ao BYU no nanao asa fitoriana, hoy ny Loholona Cook. “Miankina amin’ny vanim-potoam-pianarana, fa izany dia ahitana misiônera efa nahavita asa fitoriana 21.000 mahery. Eritrereto ny tanjaka efa nentin’ireo mpianatry ny BYU ireo manerana izao tontolo izao. Diniho tsirairay ny fomba nampatanjahan’ny traikefa azon’izy ireo tamin’ny asa fitoriana ny tontolon’ny fianarana teto amin’ity oniversite ity.”

Nandritra ny fitsidihana nataony tao Nouvelle-Zélande sy tany Australie tamin’ny volana mey, ny Loholona D. Todd Christofferson dia nanasa ireo Olomasin’ny Andro Farany ao Nouvelle-Zélande mba hiomana amin’ny fanokanana ny tempolin’i Auckland amin’ny 2024 amin’ny alalan’ny fahatongavana ho masina sy tahaka an’i Kristy kokoa.

Nanasa azy ireo izy mba hanontany tena hoe: “Inona no azoko atao mba hahatonga ahy ho olona masina kokoa, mba ho fanatitra sy fanomezana ny tenako tsaratsara kokoa hatolotra ny Tompo amin’io andron’ny fanokanana io?”

Nijoro hovavolombelona momba an’i Jesoa Kristy ny Loholona Neil L. Andersen nandritra ny asa nampanaovina azy tany Azia. “Ny traikefako amin’ny maha Apôstôlin’ny Tompo ahy dia nanome ahy fijoroana ho vavolombelona fa i Jesoa no Kristy ary mitarika ny asany eto amin’ity tany ity Izy amin’ny alalan’ny Mpaminaniny sy ireo Apôstôliny,” hoy izy. Ny Loholona Andersen dia tany amin’ny Vondromparitra Azia Avaratra an’ny Fiangonana mba hihaona tamin’ireo Olomasin’ny Andro Farany ao Kôrea, Môngolia, ary Japana sy hanompo azy ireo.

Tamin’ny 22 aprily ny Loholona Ronald A. Rasband dia nihaona tamin’i Paul Mashatile, filoha lefitra ao Afrika Atsimo, ary tompom-pahefana faharoa aorian’ny filohan’i Afrika Atsimo. Izany dia manamarika ny fotoana voalohany nihaonan’ny mpitarika iray ao amin’ny Fiangonana tamina manampahefana iray eo anivon’ny fitondram-panjakana manana toerana ambony toy izany tao Afrika Atsimo.

Ireo mpitarika dia nieritreritra ny sasany tamin’ireo fomba nanampian’ny Fiangonana tamin’ny fanamaivanana ny fijalian’ny olona sy nanomezana hery ny vahoakan’i Afrika Atsimo, izay fanampiana mitotaly R240 tapitrisa (mihoatra ny 13 tapitrisa Dolara Amerikana) hatramin’ny 2018. Ireo fanomezana dia nampiasaina tamin’ny zavatra isan-karazany toy ny fanampiana tamin’ny loza voajanahary, fanohanana ireo hetsika fanomezana asa ho an’ny tanora, fandaharan’asa fambolena sy fiompiana hoenti-mivelona, ary fandraisana fepetra amin’ireo herisetra mifototra amin’ny maha-lahy na ny maha-vavy.

Nilaza ny Loholona Rasband hoe nanantena izy fa ireo ezaka ireo dia naneho fa ny Fiangonana dia “handray andraikitra eto mandritra ny fotoana maharitra. Manao izany izahay mba hanarahana ireo didy roa lehiben’ny Tompo hoe: mitia an’Andriamanitra sy mitia ny mpiara-belona amintsika.”

Nandritra ny fitsidihana tany Islande, Ecosse, ary Angleterre tamin’ny septambra, dia nohamafisin’ny Loholona Gary E. Stevenson fa ilaina ny Olomasin’ny Andro Farany mba “iray fo sy iray saina” (Mosesy 7:18) miaraka amin’ny “fiainana mifantoka an’i Jesoa Kristy,” ary manao izay rehetra azontsika atao mba hanarahana Azy. Ny Loholona Stevenson, niaraka tamin’i Lesa vadiny dia nitsidika tao Reykjavik Islande ny 7 septambra talohan’ny nitodihany tany Edimbourg Ecosse sy Northampton Angleterre ny 9–10 septambra.

Tamin’ny fampaherezam-panahy iray tao Marriott Center nandritra ny Herinandron’ny fanabeazana tao Brigham Young University ny 22 aogositra, dia nanao lahateny miresaka antsipirian-javatra ny Loholona Dale G. Renlund mikasika ny fomba iarahan’ny fandinihana sy ny fanjohian-kevitra ary ny finoana miasa mba hanamorana ny fahazoana fanambarana. Raha mandeha irery ny fandinihana sy ny fanjohian-kevitra ary ny finoana dia tsy azo ianteherana, hoy ny Loholona Renlund nampianatra. Tsy maintsy miara-miasa izy telo ireo.

“Ny finoana -tsy misy asa- [Jakoba 2:20] dia tsy hitombo ho azy eo. Amin’ny alalan’ny fandinihana sy ny fanjohian-kevitra, omban’ny asa ara-panahy hafa ihany ny finoana vao mitombo. Ankoatra izay, ny fandinihana sy ny fanjohian-kevitra ary ny finoana matetika dia tsy vitan’ny hoe mandeha alohan’ny handraisana fanambarana ihany, fa alohan’ny hahatakarana izany fanambarana izany koa.”

Tamin’ny 15 jona ny Loholona Gerrit W. Gong dia nihaona tamin’Andriamatoa hajaina Sheik Osman Nuhu Sharubutu, izay Imam Lehibe eo anivon’ny firenena sady Grand Mufti ao amin’ny Repoblikan’i Ghana. Ilay fihaonana dia natao tao amin’ny trano fonenan’ny Grand Mufti tao Accra.

Nozarain’ny Loholona Gong ny halehiben’ny fankamamian’Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany ireo ray aman-drenintsika voalohany, i Adama sy Eva, tahaka ny ataon’ny Silamo: “Izahay koa dia mino fa ray aman-dreny iray ihany no niaviantsika ary tokony hiaina am-pilaminana toy ny fianakaviana iray isika.” Nanamarika ny Loholona Gong fa tarihina mpaminanin’Andriamanitra isika, dia ny Filoha Russell M. Nelson, ary ny fampianarany dia mitovy amin’ireo izay omen’ny Imam. “Ny mpaminaninay dia mampianatra anay hamela an’Andriamanitra hanjaka, mampianatra izy fa tokony ho mpampihavana isika, mampianatra izy fa tokony hanampy ireo tanorantsika handranto fianarana sy hahazo fampiofanana isika mba hahombiazan’izy ireo amin’ny fiainana, ary mampianatra antsika izy mba hanome tosika ny vehivavy sy ireo taranatsika vao misondrotra. Ireo ny zavatra reko avy taminao androany.”

Ny Loholona Ulisses Soares dia nanao dia naharitra 10 andro tany Chili, Uruguay, ary Argentine tamin’ny volana jona. Ny fotoana nijanonany tao Argentine dia nahitana lahateny iray nandritra ny fihaonambe iraisam-pinoana iray, tafatafa tamina mpanao gazety malaza iray tao Argentine, ary fanompoana ireo mpikamban’ny Fiangonana.

“Ny filaminana dia manomboka amin’ny fanajana ny maha miavaka ny olona tsirairay avy,” hoy ny Loholona Soares tamin’ireo izay nivory tao amin’ny Kôngresy maneran-tany ho an’ny fifanakalozan-kevitra iraisam-pinoana sy iraisan’ireo kolontsaina tao Buenos Aires. “Ny fotokevitra momba ny hasina maha olona dia mety hiovaova arakaraka ny kolontsaina, kanefa zavatra tsy miovaova izany ao anatina tontolo tsy misy fifandanjana sy miovaova. Ny zon’olombelona dia manamora ny fanaisorana ny tsy fifandanjan’ny tombontsoa sy ny harena ary ny lalana misokatra ho an’ny rehetra. Ary tokony hampiharina manerana izao tontolo izao ireo zo ireo.”