2023
Azo atao an-jotra ireo famandrihana fotoana hitsidihan’ny vondrona ny tempoly
Nôvambra 2023


“Azo atao an-jotra ireo famandrihana fotoana hitsidihan’ny vondrona ny tempoly,” Liahona, nôv. 2023.

Azo atao an-jotra ireo famandrihana fotoana hitsidihan’ny vondrona ny tempoly

Azon’ny Olomasin’ny Andro Farany atao amin’izao fotoana izao ny mamandrika fotoana hitsidihan’ny vondrona ny tempoly ho an’ireo ôrdônansy rehetra isoloana tena amin’ny alalan’ny fampiasana ny rafitra an-jotra ho an’ireo famandrihana fotoana hitsidihana ny tempoly. Teo aloha ilay rafitra dia tsy namela afa-tsy famandrihana fotoana hitsidihan’ny vondrona mba hanaovana batisa isiloana tena sy ôrdônansin’ny famehezana.

Io fiasa vaovao io dia ho tombontsoa ankamamian’ireo fianakaviana sy namana izay maniry ny hiaraka ho any amin’ny tempoly. Ireo vondrona ahitana olona maro kokoa toy ny paroasy sy ny tsatòka dia angatahina mba hanohy hanao ny famandrihana amin’ny alalan’ny email na ny telefaonina.

Rehefa manao famandriham-potoana dia asio marika ilay bokotra misy soratra hoe “vahiny fanampiny” ary ampidiro ny isan’ireo mpikambana lehilahy sy vehivavy hanatrika ny fotoana. Miovaova arakaraka isaky ny tempoly ny isan’ny olona betsaka indrindra ao anatina vondrona ary miankina amin’ny olona zakan’ny tempoly.

Ho hitan’ireo mpiasa ao amin’ny tempoly ny fotoana voafandrika hitsidihana rehefa manao fanamarinana eny amin’ny toerana fijerena ny fahazoan-dalana ireo vahiny ary hitarika ireo vahiny ireo mpiasa ao amin’ny tempoly rehefa tonga izy ireo.