2023
Ireo zavatra nisongadina nandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany fanao isaky ny tapa-taona faha-193
Nôvambra 2023


Tonga soa ato amin’ity laharana ity

Ireo zavatra nisongadina nandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany fanao isaky ny tapa-taona faha-193

Banga ny seza fipetrahan’ny Filoha Russell M. Nelson nandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany, kanefa nifaly ireo mpikamban’ny Fiangonana nandray torohevitra sy fijoroana ho vavolombelona avy amin’ny mpaminanin’izy ireo 99 taona tamin’ny fivoriana farany tamin’ny alalan’ny hafatra efa noraketina mialoha.

Nilaza ny Filoha Nelson fa ny fanaintainana vokatry ny ratra tao an-damosina nahazo azy vao haingana dia nampitombo ny “fankasitraha[ny] lalina kokoa noho i Jesoa Kristy sy ny fanomezany ny Sorompanavotany izay tsy takatry ny saina.” Raha namporisika ny mpikambana izy mba “[hisaina] amin’ny fomba selestialy,” dia nizara ny zavatra nianarany momba ny “drafitra tonga lafatra” an’ny Ray any An-danitra hoe:

  • “Ireo zavatra izay hahatonga ny fiainanao eto an-tany ho tsara indrindra araka izay azony ahatongavana ihany no ireo zavatra izay hahatonga ny fiainanao mandritra ny mandrakizay ho tsara indrindra araka izay azony ahatongavana!”

  • “Ny safidy ataonao androany anefa dia hamaritra zavatra telo: ny toerana hipetrahanao mandritra ny mandrakizay, ny karazana vatana izay hitsangananao amin’ny maty, ary ireo olona izay hiarahanao miaina mandrakizay” (pejy 117).

Ny Filoha Dallin H. Oaks dia nijoro ho vavolombelona momba ny fisandratana izay miandry ireo Olomasina mahatoky (jereo ny pejy 26). Ny Filoha Henry B. Eyring dia nijoro ho vavolombelona momba ny fitarihana avy amin’ny Fanahy Masina izay ampanantenaina an’ireo Olomasina mendrika (jereo ny pejy 92; jereo koa ny Loholona Stevenson, pejy 42). Ary ny Filoha M. Russell Ballard dia nanao fijoroana ho vavolombelona mahery vaika momba ny “[andraikitra] be voninahitra [an’ny Mpaminany Joseph Smith] amin’ny fahatongavany ho ilay mpaminanin’…[ny] fotoampitantanan’ny fahafenoana” (pejy 74).

Ireo mpandahateny tamin’ny fihaonambe dia nampianatra fa ny safidy manan-danja indrindra ataontsika eto amin’ny fiainana an-tany dia miompana amin’i Jesoa Kristy Tompo sy ny fankatoavana ny didiny, isan’izany ny lalàn’ny fahafolonkarena (jereo ny Filoha Nelson sy ny Loholona Andersen, pejy 117 sy 32). Nampianatra ihany koa izy ireo fa mahazo fahasambarana, fahasitranana, ary fanantenana amin’ny alalan’ny Mpamonjy isika rehefa mibosesika mandroso eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana (jereo ny Loholona Bednar, Godoy, Choi, ary Cook, pejy 6, 16, 46, ary 82; Rahalahy Newman, pejy 36; ary Rahavavy Wright, Freeman, ary Runia, pejy 9, 76, ary 62) ary “maneho amin’i Jesoa Kristy sy amintsika samy isika ny fanoloran-tenantsika amin’ny fanekempihavanan’ny fanasan’ny Tompo amin’ny alalan’ny antso ao amin’ny Fiangonana, ny firahalahina, ny fiaraha-monina, ary ny fanompoana” (Loholona Gong, pejy 111).

Ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana dia namporisika ny mpikambana mba hanaiky “ny fanomezam-pahasoavan’ny fibebahana” (Loholona Renlund, pejy 96; jereo koa ny Filoha Eyring sy ny Loholona Uchtdorf, pejy 92 sy 86). Nampianatra izy ireo fa ny Famerenana amin’ny laoniny dia mitondra fahatakarana momba ny “toetra araka an’ Andriamanitra sy [ny] lova avy amin’ Andriamanitra … ary [ny fahafahana] ho tonga tahaka an’ Andriamanitra” (Loholona Soares, pejy 70; jereo koa ny Loholona isany Phillips, Giraud-Carrier, ary Sabin, pejy 49, 114, sy 56). Ary nampahatsiahy ny Olomasin’ny Andro Farany izy ireo fa “mila misiônera isika mba hanangonana an’i Isiraely—mihoatra lavitra noho ireo izay efa manompo,” indrindra fa ireo mpivady zokiolona (Loholona Rasband, page 52; jereo koa ny Loholona Parrella, pejy 80).

Rehefa nilaza ireo drafitra mba hanorina tempoly vaovao miisa 20 ny Filoha Nelson dia niteny hoe: “Ny fanompoana sy ny fitsaohana ataonao ao amin’ny tempoly dia hanampy anao hisaina amin’ny fomba selestialy” (pejy 117; jereo koa ny Loholona Christofferson sy Esplin, pejy 19 sy 108).