2023
Ny Loholona Alexander Dushku
Nôvambra 2023


“Ny Loholona Alexander Dushku,” Liahona, nôv. 2023.

Ny Loholona Alexander Dushku

Fitopololahy Manampahefana Ambony

Ny ray aman-drenin’ny Loholona Alexander Dushku dia lasa mpikamban’ny Fiangonana tao Boston, Massachussetts Etazonia rehefa avy nitsidika ny Foara maneran-tany tao New York City ny taona 1964. Nahatsapa mafy ny fiasan’ny Fanahy ny rainy noho ny zavatra nianarany momba ny filazantsara tao amin’ny tranoheva iray notohanan’ny Fiangonana, ary nanasa ireo misiônera izy mba hampianatra azy sy ilay ho vadiny tsy ho ela.

Mpikambana vaovao tao amin’ny Fiangonana ny ray aman-dreniny tamin’ny nahaterahany, fa nilaza anefa ny Loholona Dushku fa efa fantany hatrizay fa handeha hanao asa fitoriana izy.

“Tany am-panaovako asa fitoriana aho vao nanomboka nahatakatra marina ny voninahitry ny asa fitoriana sy ny halehiben’ny hery mety hananan’izany,” hoy ny Loholona Dushku izay nanompo tao amin’ny Misiôna Portugal Lisbonne nanomboka tamin’ny 1986 ka hatramin’ny 1988. “Izany dia nampihiratra tanteraka ny masoko hibanjina ny fanjakan’Andriamanitra sy hahalala ny lanjan’izany.”

Ny Loholona Dushku dia mino fa manana fahafahana lehibe hanova zavatra eto amin’izao tontolo izao ny maha mpikamban’ny Fiangonana.

“Na dia mety ho vitsy an’isa aza isika dia manan-danja sy manana hery lehibe ny mpikamban’ny Fiangonana,” hoy izy. “Miara-mandeha amin’i Kristy isika, mifampisakambina Aminy. Ary avy eo isika dia miara-mandeha. Lasa tanana sy feon’ny Tompo isika amin’ny fankaherezana sy ny fampatanjahana ny hafa.”

I Alexander Dushku dia teraka tamin’ny 17 nôvambra 1966, ary naterak’i Nicholas sy i Donna Lee Dushku tany Fairfield, Californie, Etazonia. Nanambady an’i Jennifer Burnham tamin’ny 1988 tao amin’ny tempolin’i Salt Lake ny Loholona Dushku. Manan-janaka valo sy zafikely sivy izy ireo.

Ny Loholona Dushku dia nahazo diplaoma licence momba ny toe-karena avy amin’ny Brigham Young University tamin’ny 1990. Nahazo doctorat en jurisprudence avy amin’ny J. Reuben Clark Law School an’ny BYU izy tamin’ny 1993. Niasa tao amina orinasa momba ny lalàna mitsinjo ny tombontsoam-bahoaka teo anivon’ny firenena izy ary mpiraki-draharaha tao amin’ny Cour d’appel tao Etazonia tao amin’ny fari-piadidiam-pitsarana faha-7 nialoha ilay asany farany indrindra tao amin’ny orinasa momba ny lalàna Kirton McConkie ao Salt Lake City, izay nifantohany tamin’ny didy hitsivolana voalohany natao tamin’ny Lalam-panorenana tao Etazonia sy ny fahalalahana ara-pivavahana.

Ny Loholona Dushku dia filohan’ny tsatòka tamin’ny fotoana niantsoana azy. Efa eveka, mpikambana tao amin’ny filankevitra avo, mpanolotsaina tao amin’ny episkôpà ary filohan’ny kôlejin’ny loholona izy.