Fihaonamben’ny Fiangonana Maneran-tany
Toerana ao an-tranom-bahiny
Fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany aprily 2021


Toerana ao an-tranom-bahiny

Amin’ity vaninandron’ny Paska ity, i Jesoa Kristy dia manasa antsika ho lasa tahaka Azy, ho Samaritana tsara fanahy, hanao ny tranom-bahininy (ny Fiangonany) ho fialofana ho an’ny rehetra.

Ry rahalahy sy anabavy malala, na dia nodimandry 20 taona lasa aza izay ny raiko dia misy fotoana aho manimanina azy. Ny Paska dia mampanantena fa hahita azy indray aho.

Fony aho nianatra tany Angletera tany amin’ny fianarana ambaratonga ambony tany amin’ny oniversite dia tonga nitsidika ahy ny raiko. Ny fon-dray nananany dia nahafantatra fa manimanina ny tany an-trano aho.

Tia manandrana sy manao zava-baovao ny raiko, afa-tsy eo amin’ny lafiny ara-tsakafo. Na dia efa any Frantsa izay fantatra amin’ny sakafony mafilotra aza izy dia miteny hoe, “Andao hihinana sakafo sinoa.” Ny raiko, izay patriarika ela nanompoana tato amin’ny Fiangonana dia nanam-panahy ary be fangorahana. Indray alina, rehefa nahare fiaran’ny mpamonjy voina miaraka amin’ny kiriorioka mitabataba teny amin’ny araben’i Parisy izahay dia hoy izy hoe, “Gerrit a! izany feo mikiriorioka izany no ratran’ny tanàna iray.”

Tamin’izay dia izay aho dia nahatsapa kiriorioka sy ratra hafa. Nivarotra gilasy teo amin’ny sarety keliny atositosika ny zatovovavy iray. Bolabolan-gilasy iray monja ihany no omby ny kôrnea ampiasainy. Noho ny antony tsy fantatro dia nisy lehilahy vaventy iray nifanehitra tamin’ilay zatovovavy. Sady nivazavaza izy no nanositosika, nanazera ilay sarety, ka nampiraraka ireo kôrnean-gilasin’ilay zatovovavy. Tsy nisy na inona na inona azoko natao raha nanitsakitsaka ireo kôrnea tamin’ny baotiny izy. Mbola hitako foana ilay zatovovavy nandohalika teo amin’ny sisin’ny arabe, niezaka nanavotra ireo kôrnea potipotika, niaraka tamin’ny ranomason’alahelo nikoriana teo amin’ny tavany. Matetika miverina ato an-tsaiko foana ny fahitana io tranga mampahonena io, mampahatsiahy ny haratsiam-pahy, sy ny tsy firaharahiana ary ny tsy fifankahazoana izay ifanaovantsika matetika loatra.

Tamin’ny tolakandro iray hafa dia nitsidika ny katedraly lehiben’i Chartres, eo akaikin’i Parisy izaho sy ny raiko. I Malcolm Miller,1 manampahaizana maneran-tany momba ilay katedraly dia nanondro andiam-baravarankely telo misy asasary amin’ny fitaratra ao Chartres. Nilaza izy fa mifono tantara izy ireo.

Ny voalohany dia mampiseho an’i Adama sy i Eva niala ny Saha Edena.

Ny faharoa dia mitantara ny fanoharana momba ilay Samaritana tsara fanahy.

Ny fahatelo dia manoritsoritra ny Fiavian’ny Tompo fanindroany.

Raha atao bango tokana dia mamariparitra ilay diantsika mandrakizay ireo varavarankely misy asasary amin’ny fitaratra ireo. Manasa antsika handray ny rehetra mba hahazo toerana ao an-tranom-bahininy izy ireo.2

Sary
Varavarankely ao amin’ny Katedralin’i Chartres

iStock.com/digitalimagination

Tahaka an’i Adama sy i Eva dia niditra tontolo feno tsilo sy hery isika.3

Sary
Varavarankely ao amin’ny Katedralin’i Chartres

iStock.com/digitalimagination

Eo amin’ny lalana mamovoka alehantsika mankany Jeriko dia voatafika sy maratra ary misedra fanaintainana isika.4

Na dia tokony hifanampy aza isika dia matetika loatra no miampita ilay arabe, mamorona antony iray.

Saingy noho ny fangorahany, ilay Samaritana tsara fanahy dia mijanona ka mamehy ny ferintsika amin’ny divay sy diloilo. Ny divay sy ny diloilo, izay tandindona ao anatin’ny fanasan’ny Tompo sy ireo ôrdônansy hafa, dia mampitodika antsika any amin’ilay fahasitranana ara-panahy ao amin’i Jesoa Kristy.5 Ilay Samaritana tsara fanahy dia mametraka antsika eo amin’ny borikiny na, araka ireo asasary amin’ny fitaratra sasany, dia mibata antsika eo an-tsorony. Entiny ao amin’ilay tranom-bahiny, izay maneho ihany koa ny Fiangonany isika. Hoy ilay Samaritana tsara fanahy rehefa ao amin’ilay tranom-bahiny hoe: “Tsaboy izy; … dia honerako [ianao], rehefa miverina [aho].”6 Mampanantena hiverina ilay Samaritana tsara fanahy izay tandindon’ny Mpamonjy antsika, saingy amin’ny voninahitra sy fahalehibiazana amin’io indray mitoraka io.

Sary
Varavarankely ao amin’ny Katedralin’i Chartres

iStock.com/digitalimagination

Amin’ity vaninandronin’ny Paska ity, i Jesoa Kristy dia manasa antsika ho lasa tahaka Azy, ho Samaritana tsara fanahy, hanao ny tranom-bahininy (ny Fiangonany) ho fialofana amin’ireo ratra sy tafiotry ny fiainana.7 Miomana ho amin’ny Fiaviany Fanindroany nampanantenaina isika rehefa manao amin’ireo “kely indrindra”8 ny zavatra ho nataontsika Taminy isan’andro. Isika tsirairay ireo “kely indrindra” ireo.

Rehefa mankao amin’ilay Tranom-bahiny miaraka amin’ilay Samaritana tsara fanahy isika dia mianatra zavatra dimy momba an’i Jesoa Kristy sy ny tenantsika.

Voalohany, dia miditra ao amin’ilay Tranom-bahiny tahaka antsika izao isika, miaraka amin’ny kilema kely sy ny tsy fahalavorariana eo amintsika tsirairay avy. Na izany aza dia samy manana zavatra tena ilaina ny tsirairay mba hitondrana anjara biriky. Matetika rehefa miaraka aman’olona isika no mahita ny lalantsika mankany amin’ Andriamanitra. Ao anaty fiarahamonina miray hina isika, na dia rehefa miatrika valanaretina, na tafio-drivotra, na doro tanety, na hain-tany, na rehefa miatrika mangina ireo zavatra ilaina amin’ny andavanandro. Mahazo fanentanam-panahy isika rehefa miara-mikaondoha, mifampihaino, ka tafiditra ao anatin’izany ireo rahavavy tsirairay avy, ary ny Fanahy.

Rehefa miova ny fontsika ka lasa misoritra eo amin’ny tarehintsika ny endriny,9 dia mahita Azy sy ny tenantsika ao amin’ny Fiangonany isika. Ao Aminy isika no hahita fahazavana fa tsy fikorontanan-tsaina. Ao Aminy isika no hahita tanjona hanaovana ny tsara, antony hahatonga antsika ho olona tsara, ary fahafahana tsy mitsaha-mitombo ny ho lasa tsara kokoa. Ao Aminy isika no hahita finoana miorim-paka, tsy fitiavan-tena mitondra fanafahana, fiovana feno fiahiana, ary fitokisana an’ Andriamanitra. Ao amin’ny Tranom-bahininy isika no hahita sy hampitombo ny fifandraisantsika manokana amin’ Andriamanitra Raintsika sy i Jesoa Kristy.

Matoky antsika Izy mba hanampy amin’ny fanaovana ilay Tranom-bahiny ho ilay toerana iriny. Rehefa manolotra ny talentantsika sy ny ezaka tsara indrindra avy amintsika isika dia hankahery sy hitahy ihany koa ireo fanomezam-pahasoavany ara-panahy.10

Nisy mpandika teny amin’ny fiteny Espaniôla iray izay nilaza tamiko hoe: “Ry Loholona Gong, fantatro tamin’ny alalan’ny Fanahy ny zavatra holazainao ka afaka nandika izany aho,” hoy ity rahalahy mahatoky ity, “tamin’ny alalan’ny fanomezam-pahasoavan’ny fandikan-teny.”

Ny fanomezam-pahasoavan’ny finoana sy fahatokiana dia tonga sy miseho amin’ny endrika samihafa amina toe-javatra samihafa. Nisy anabavy malala iray nandray fampiononana ara-panahy rehefa matin’ny COVID-19 ny vadiny. Hoy izy: “Fantatro fa ho tafahaona indray izaho sy ilay vady malalako.” Tao anatina toe-javatra iray hafa mahakasika ny COVID, dia nilaza ny anabavy malala iray hafa hoe: “Tsapako fa tokony hiangavy ny Tompo sy ireo mpitsabo mba hanome fotoana kely fanampiny ho an’ny vadiko aho.”

Faharoa, ampandraiketiny amintsika ny hanao ilay Tranom-bahininy ho toeram-pahasoavana sy toerana malalaka, ahafahan’ny rehetra miangona, misy toerana ho an’ny rehetra. Amin’ny maha-mpianatr’i Jesoa Kristy antsika dia mitovy lenta avokoa isika rehetra, tsy misy izany hoe ao anatina ambaratonga ambany izany.

Afaka manatrika soa aman-tsara ny fivoriana fanasan’ny Tompo, sy ireo fivoriana isaky ny alahady, ary ireo hetsika sosialy hafa ny olona rehetra.11 Mitsaoka amim-panajana ny Mpamonjintsika isika, mifampiahy sy mifampitsinjo. Mijery ny tsirairay isika ary mankasitraka ny tsirairay. Mitsiky isika, mipetraka miaraka amin’ireo izay irery, manontany anarana ka isan’izany ny an’ireo mpikambana vaovao, ireo rahalahy sy anabavy niverina navitrika indray, ireo zatovolahy sy zatovovavy, ary ny ankizy malala tsirairay ao amin’ny Kilonga.

Maka sary an-tsaina hoe amin’ny toeran’izy ireo isika ka mandray ireo namana, ireo vahiny, ireo olona vao nifindra, ary ireo olona sahiran-dava be atao. Mifampitondra alahelo sy mifampizara fifaliana isika, mifampitsinjo isika. Rehefa solafaka isika eo anatrehan’ny zavatra inoantsika ary rehefa voakitakita na tsy miraharaha, na mitsaratsara, na voailika isika, dia mikatsaka ny hifamela ary manao ny tsara kokoa.

Ny fianakaviana iray avy ao Afrika izay mipetraka ao Etazonia ankehitriny dia nilaza hoe: “Hatry ny andro voalohany dia be fitiavana sy tsara fandraisana ireo mpikamban’ny Fiangonana. Nanao izay hahatamàna anay ny tsirairay. Tsy nisy izany hoe nanao tsinontsinona anay izany.” Hoy ilay raim-pianakaviana hoe: “Ny Baiboly Masina dia mampianatra fa ny voan’ny filazantsara dia tonga avy amin’ny fakan’ny filazantsara.” “Ary ireo misiônera,” hoy ilay reny sy raim-pianakaviana, “mba tianay ny zanakay lahy sy ny zanakay vavy hihalehibe tahaka ireo misiônera ireo.” Ry rahalahy sy anabavy, aoka isika handray amim-pitiavana ny olon-drehetra ho ao amin’ilay Tranom-bahininy.

Fahatelo, ao amin’ny Tranom-bahininy dia mianatra isika fa ny fanaperana dia ao amin’i Jesoa Kristy, fa tsy ao amin’ny fanaperana araka izao tontolo izao. Sady tsy tena izy no sarotra inoana, ny fanaperana araka izao tontolo izao izay arafitra ho “lafatra” dia mety hahatonga antsika hahatsapa ho tsy mahavita azy ary voagejan’ny fijerena tambajotran-tserasera sy ny fahazoana “j’aime”. Mifanohitra amin’izany anefa, i Jesoa Kristy Mpamonjintsika dia mahafantatra ny zavatra rehetra momba antsika izay tsy tiantsika ho fantatr’olon-kafa, ary mbola tia antsika ihany Izy. Ny filazantsarany dia filazantsara manome fahafahana antsika hiarina foana, izay tanteraka amin’ny alalan’ny sorona fanavotana nataony.12 Manasa antsika tsirairay avy Izy ho Samaritana tsara fanahy, tsy hitsaratsara, hifamela kokoa ary ho be famindrampo kokoa amin’ny tenantsika, rehefa miezaka mitandrina tsara kokoa ny didiny isika.

Manampy ny tenantsika isika rehefa mifanampy. Mipetraka eo akaikina arabe be mpampiasa ny fianakaviana iray fantatro. Matetika dia misy vahiny mijanona eo mangataka fanampiana. Indray maraina be dia naheno kapokapoka mafy tamin’ny varavarany ilay fianakaviana. Tao anatin’ny faharerahana sy ny fanahiana hoe iza no mba mandondòna amin’ny 2 ora maraina dia nihevitra izy ireo hoe sao mba olon-kafa no tokony hanampy amin’ity indray mitoraka ity. Raha mbola nanohy nandondòna anefa ilay olona dia naheno izy ireo hoe, “May! Misy afo mirehitra ao ambadiky ny tranonareo!” Mifampitsinjo ny Samaritana tsara fanahy.

Fahaefatra, ao amin’ny Tranom-bahininy dia lasa mpikambana ao amina fiarahamonin’ny filazantsara mifototra amin’i Jesoa Kristy isika, miorim-paka eo amin’ny fahamarinana naverina tamin’ny laoniny, ny mpaminany sy apôstôly velona, ary ny testamenta iray hafa momba an’i Jesoa Kristy—dia ny Bokin’i Môrmôna. Mitondra antsika ho ao amin’ny Tranom-bahininy ary koa ao amin’ny tranony Izy, dia ny tempoly masina. Ny tranon’ny Tompo dia toerana ahafahan’ilay Samaritana tsara fanahy, toy ny nataony tamin’ilay lehilahy naratra teo amin’ny lalana nankany Jeriko, manadio sy mampiakanjo antsika, manomana antsika hiverina eo anatrehan’ Andriamanitra, ary mampihaona antsika mandrakizay amin’ny fianakavian’ Andriamanitra. Ny tempoliny dia misokatra ho an’ireo rehetra izay miaina ny filazantsarany amim-pinoana sy fankatoavana.

Ny firavoravoana amin’ny tempoly dia mifono firaisan-kina ao amin’ny filazantsara eo anivon’ny fahasamihafana eo amin’ny soatoavina nentim-paharazana, kolontsaina, fiteny, ary taranaka. Nandritra ny lanonana fihadiana fototra ny tempolin’i Taylorsville Utah, i Max Harker izay 17 taona dia nizara ny lovam-pinoan’ny fianakaviany tao anatin’ny taranaka enina nifandimby nanomboka tamin’i Joseph Harker dadan’ny dadaben’ny dadabeny sy i Susannah Sneath vadiny. Ao amin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy naverina tamin’ny laoniny dia afaka samy ho lasa rohy matanjaka ao amin’ireo taranaka ao amin’ny fianakaviantsika isika tsirairay avy.

Ary farany, fahadimy, mifaly isika fa tia ny zanany ao amin’ny toe-javatra sy fiaviana isan-karazany misy antsika Andriamanitra, ao amin’ny firenena, mponina ary samy hafa fiteny rehetra, ka misy toerana ho an’ny rehetra ao amin’ny Tranom-bahininy.

Tao anatin’ny 40 taona mahery lasa izay dia lasa nivelatra maneran-tany kokoa ny Fiangonana. Hatramin’ny 1998 dia betsaka kokoa ny mpikamban’ny Fiangonana monina ivelan’i Etazonia sy Kanadà noho ireo izay monina any. Amin’ny taona 2025 dia azo heverina fa ho betsaka tahaka ny isan’ireo izay mipetraka ao Etazonia sy Kanadà ny isan’ny mpikamban’ny Fiangonana mipetraka ao Amerika Latina. Eo an-dalam-pahatanterahana ilay faminaniana ny amin’ny hanangonana ireo taranaka mahatokin’i Lehia. Ireo Olomasina mahatoky, isan’izany ireo mpisava lalana fahizay tao Etazonia, dia mbola loharano ipoiran’ny finoana sy ny asa fanompoana hatrany ho an’ilay Fiangonana maneran-tany.

Ankoatra izany, ny ankabeazan’ny olon-dehibe mpikamban’ny Fiangonana ankehitriny dia tsy mbola manambady, na mananotena, na nisara-panambadiana. Izany dia fiovana manan-danja. Ao anatin’izany ny antsasa-manilan’ireo anabavintsika ao amin’ny Fikambanana Ifanampiana sy ny antsasa-manilan’ireo olon-dehibe rahalahintsika ao amin’ny fisoronana. Izany fivoarana demôgrafika izany dia efa nisy tao amin’ny Fiangonana maneran-tany hatry ny taona 1992 ary misy ao amin’ny Fiangonana ao Etazonia sy Kanadà hatry ny taona 2019.

Ny toerantsika eo anatrehan’ny Tompo sy ny Fiangonany dia tsy misy idiran’ny hoe manambady na tsia fa miankina amin’ny maha-mpanara-dia mahatoky sy be herimpo an’i Jesoa Kristy antsika.13 Ny olon-dehibe dia te ho raisina ho toy ny olon-dehibe sy ho tompon’andraikitra ary hitondra anjara biriky amin’ny maha-olon-dehibe azy. Ny mpianatr’i Jesoa Kristy dia avy amin’ny toerana, endrika, habe, fihodirana, ary taona rehetra, ka ny tsirairay dia manana talenta, faniriana marina ary fahafaha-manao lehibe mba hitahy sy hanompo. Isan’andro isika dia mikatsaka ny hanaraka an’i Jesoa Kristy miaraka amin’ny finoana ho amin’ny fibebahana 14 sy fifaliana maharitra.

Mandritra ity fiainana ity isika indraindray dia miandry ny Tompo. Mety mbola tsy eo amin’ny toerana antenaintsika sy irintsika hisy antsika amin’ny hoavy isika. Hoy ny anabavy be fandavan-tena iray izay hoe: “Ny hoe miandry amim-pahatokiana ny Tompo handrotsaka ny fitahiany dia zavatra masina. Izany dia tsy tokony hatao zavatra mampalahelo, na mifono avonavona, na fitsaratsarana, fa tokony ho voninahitra masina kosa.”15 Mandra-pahatonga izay andrasantsika dia tokony hanohy ny fiainantsika hatrany isika.

Nampanantena i Isaia hoe: “Fa izay miandry [ny Tompo] dia mandroso hery kosa; elatra no hiakarany tahaka ny voromahery; hihazakazaka izy, nefa tsy ho sasatra; handeha izy, nefa tsy ho reraka.”16

Mampanantena ilay Samaritanantsika tsara fanahy fa hiverina. Fahagagana no mitranga rehefa mifampitsinjo tahaka ny ho nataony isika. Rehefa manana fo torotoro sy fanahy manenina isika17 dia afaka hahita fitarihana ao amin’i Jesoa Kristy ary ho voahodidin’ny sandrin’ny fiantohany mahatakatra izay mahazo antsika.18 Ireo ôrdônansy masina dia manolotra ny fanekempihavanan’ny fiombonana ho mpikambana sy ny “herin’ny toetra araka an’ Andriamanitra”19 mba hanamasinana ny fikasana ao anaty sy ny fihetsika aseho ety ivelany. Lasa Tranom-bahinintsika ny Fiangonany miaraka amin’ilay hatsaram-panahiny feno fitiavana sy ny faharipony.

Rehefa mampisy efitrano ao amin’ny Tranom-bahininy isika, ka mandray ny rehetra, dia afaka manasitrana antsika eo amin’ilay lalana feno vovoky ny fiainana ety an-tany ilay Samaritana tsara fanahy. Ny Raintsika any An-danitra sy i Jesoa Kristy Zanany, miaraka amin’ny fitiavan’ Izy Ireo tonga lafatra, dia mampanantena “fiadanana eo amin’ity izao tontolo izao ity ary, fiainana mandrakizay any amin’ny tontolo ho avy”20—“ka any amin’izay misy Ahy no hisy anareo koa.”21 Izany no ijoroako ho vavolombelona amim-pankasitrahana amin’ny anarana masin’i Jesoa Kristy, amena.