Fihaonamben’ny Fiangonana Maneran-tany
Ilaina ny mpampihavana
Fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany aprily 2023


Ilaina ny mpampihavana

Manana ny fahafahanao hisafidy ny fifandirana na ny fampihavanana ianao. Mamporisika anareo aho mba hisafidy ny ho mpampihavana, amin’izao fotoana izao ary mandrakariva.

Ry rahalahiko sy anabaviko malala isany, fifaliana ho ahy ny miaraka aminareo. Nandritra izay enim-bolana lasa izay dia tao an-tsaiko tsy tapaka sy tao anatin’ireo vavaka nataoko hatrany ianareo. Mivavaka aho mba hampitain’ny Fanahy Masina anareo ny zavatra tian’ny Tompo ho henonareo mandritra ny firesahako aminareo amin’izao fotoana izao.

Nandritra ny fanatevenam-pahaizana narahiko momba ny fandidiana taona maro lasa izay, dia nanampy dokotera mpandidy iray aho izay nanapaka tongotra iray tena feno fery mandoaka sy mamindra otrikaretina. Sarotra ilay fandidiana. Avy eo tao anatin’izany toe-javatra efa sarotra izany, dia nisy olona iray tao amin’ilay ekipa nanao tandrevaka ny anjara asany, ka nirehitra ny hatezeran’ilay dokotera mpandidy. Tao anatin’izany fipoahan’ny hatezerany izany dia natsipiny ny antsy kely fanaovany fandidiana izay feno mikraoba. Nitontona teny amin’ny lantontanako izany!

Ny olona rehetra tao anatin’ny efitrano fandidiana, afa-tsy ilay dokotera mpandidy tsy nahafehy tena, dia nivarahontsana teo anatrehan’izany fandikana mampidi-doza ny fitsipika mifehy ny fandidiana izany. Soa ihany fa tsy nifindran’ny otrikaretina aho. Saingy namela fiantraikany maharitra teo amiko izany zavatra niainana izany. Tao anatin’ilay ora nitrangan’izany, dia nampanantena ny tenako aho fa na inona na inona zavatra mitranga ao anatin’ny efitrano fanaovako fandidiana dia tsy mba haneho velively tsy fifehezana ny fihetseham-poko aho. Nivoady koa aho tamin’io andro io fa tsy hanipy na inona na inona ao anatin’ny hatezerana, na antsy kely fanaovana fandidiana izany na teny.

Ary na amin’izao fotoana izao aza, izay taona maro aty aoriana, dia manontany ny tenako aho raha toa ilay antsy kely fanaovana fandidiana izay feno areti-mifindra ka nampidi-doza kokoa noho ny fifandirana feno haratsiam-panahy izay manimba ny fifampiresahantsika amin’ny maha-olom-pirenena antsika sy ireo fifandraisana tena maro eo amin’ny fiainantsika manokana amin’izao fotoana izao. Toa nanjavona ny fahalalam-pomba sy ny fahamaotonana ao anatin’ity vanim-potoana hanjakan’ny fisaraham-bazana sy ny tsy fifankahazoan-kevitra noho fiziriziriana amin’ny hevitry ny tena manokana ity.

Lasa diso mahazatra loatra ny fisainana mirefarefa amin’ny tany, ny fanakianana, ary ny fitenenan-dratsy ny hafa. Maro loatra ireo manam-pahaizana eo amina sehatra iray, mpanao pôlitika, mpanolotra fialamboly ary ireo olona hafa mahasarika olona ao amin’ny tambajotran-tserasera izay maniratsira tsy tapaka. Tena sahiran-tsaina aho noho ireo olona maro dia maro izay toa mino fa azo ekena tanteraka ny manameloka, manala baraka, ary manaratsy na iza na iza olona izay tsy manaiky ny hevitr’izy ireo. Maro ireo olona toa vonona ny hanimba ny lazan’ny olona iray hafa amin’ny alalan’ny tsindrom-paingotra kely mampihotakotaka sy mandratra!

Tsy mitondra faharesen-dahatra velively ny hatezerana. Ny fankahalana dia tsy manatsara toetran’olona. Tsy mitondra velively any amin’ny vahaolana mahasoa ny fifandirana. Indrisy anefa fa mahita fitondrantena tia miady isika indraindray na eto anivontsika mpikamban’ny Fiangonana aza. Henontsika ny momba ireo izay manambany ny vadiny sy ny zanany, ny amiin’ireo izay mampiasa ny fanapoahana hatezerana mba hifehezana ny hafa, ary ireo izay manasazy ireo olona ao amin’ny fianakaviany amin’ny alalan’ny “tsy fifampitenenana.” Henontsika ny momba ireo zatovo sy ankizy izay mihetraketraka ary ireo mpiasa izay manala baraka ny mpiara-miasa aminy.

Ry rahalahiko sy anabaviko malala, tsy tokony hisy ny toy izany. Amin’ny maha-mpianatr’i Jesoa Kristy antsika dia tokony ho ohatra tsara eo amin’ny fomba fifandraisana amin’ny hafa isika, indrindra rehefa misy ny tsy fitovian-kevitra. Ny iray amin’ireo fomba mora indrindra hamantarana ny mpanara-dia marina an’i Jesoa Kristy dia ny fangorahana asehony eo amin’ny fitondrany ny olona hafa.

Nataon’ny Mpamonjy mazava tsara tao anatin’ireo toriteniny ho an’ireo mpanara-dia azy tany amin’ny ilam-bolantany roa izany. “Sambatra ny mpampihavana,” hoy Izy.1 “Na zovy na zovy no mamely tahamaina ny takolakao ankavanana, atolory azy koa ny anankiray.”2 Ary avy eo, mazava ho azy fa nanome fampitandremana Izy izay fanamby ho antsika tsirairay: “Tiavo ny fahavalonareo, tsofy rano ireo izay manozona anareo, manaova soa amin’ireo izay mankahala anareo, mivavaha ho an’ireo izay ratsy fitondra anareo sy manenjika anareo.”3

Talohan’ny nahafatesany dia nandidy ireo Apôstôly Roambinifolony ny Mpamonjy mba hifankatia tahaka ny nitiavany azy ireo.4 Ary avy eo dia nanampy Izy hoe: “Izany no hahafantaran’ny olona rehetra fa mpianatro hianareo, raha mifankatia.”5

Mazava ny hafatry ny Mpamonjy: Ny mpianany marina dia olona manatsara toetra, mampitraka, mankahery, mandresy lahatra, ary manentana ny fanahy, na sarotra toy ny inona ny toe-javatra misy. Ny mpianatra marin’i Jesoa Kristy dia mpampihavana.6

Alahadin’ny Sampan-kazo androany. Miomana ny hankalaza ilay zava-nitranga faran’izay manan-danja sy lehibe indrindra voarakitra hatrizay teto an-tany isika, dia ny Sorompanavotana sy ny Fitsanganan’i Jesoa Kristy Tompo tamin’ny maty izany. Ny iray amin’ireo fomba tsara indrindra ahafahantsika maneho voninahitra ny Mpamonjy dia ny fahatongavana ho mpampihavana.7

Nanao izay ahafahantsika mandresy ny ratsy rehetra ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy ka tafiditra ao anatin’izany ny fifandirana. Aza diso hevitra momba izany: ny fifandirana dia ratsy! Nambaran’i Jesoa Kristy fa ireo izay “manana ny fanahin’ny fifandirana” dia tsy Azy fa an’ny “devoly kosa, izay rain’ny fifandirana, ary mamoky ny fon’ny olona izy mba hifanditra amim-pahatezerana izy samy izy.”8 Ireo izay manome vahana ny fifandirana dia maka tahaka ny pejy iray ao anatin’ny bokin’ny tetikadin’i Satana, na tsapan’izy ireo izany na tsy tsapany. “Tsy misy olona afaka manompo tompo roa.”9 Tsy afaka ny hanohana an’i Satana amin’ny alalan’ireo fanafintohinana am-bava ataontsika isika ary avy eo hihevitra fa mbola afaka manompo an’ Andriamanitra.

Ry rahalahiko sy anabaviko malala, tena manan-danja ny fomba fifampitondrantsika! Tena manan-danja ny fomba firesantsika amin’ny hafa sy momba ny hafa any an-tokantrano, any am-piangonana, sy any am-piasana ary ao amin’ny tambajotran-tserasera. Androany dia mangataka antsika aho mba hifandray amin’ny hafa amin’ny fomba tsara kokoa sy masina kokoa. Henoy tsara izao azafady. “Raha toa ka misy zavatra mendrika, maha-te ho tia, tsara na mendri-piderana”10 izay azontsika lazaina momba ny olona iray hafa, na izany lazaina mivantana aminy na tsy eo imasony, dia tokony ho izany no fitsipiky ny fifandraisantsika.

Raha misy mpivady misaram-panambadiana ao amin’ny paroasinareo, na misy misiônera tanora nody alohan’ny fotoana, na misy zatovo miahiahy ny amin’ny fijoroana ho vavolombelona ananany, dia tsy mila ny fitsaratsaranareo izy ireo. Mila miaina ny fitiavana madion’i Jesoa Kristy izay hita taratra ao amin’ny teninareo sy ny zavatra ataonareo izy ireo.

Raha toa misy namana iray ao amin’ny tambajotran-tserasera manana fomba fijery ara-pôlitika sy ara-tsôsialy izay manitsakitsaka ireo zavatra rehetra inoanao dia tsy hanampy ny valin-teny feno hatezerana sy mandratra avy aminao. Hitaky zavatra bebe kokoa avy aminao ny fanorenana tetezan’ny fahatakarana an-tsaina, kanefa izany mihitsy no ilain’ny namanao.

Mandroaka ny Fanahy foana ny fifandirana. Ny fifandirana dia manamafy orina ilay hevi-diso hoe ny fifandonana no fomba hamahana ireo zavatra tsy mampitovy hevitra; saingy tsy mamaha mihitsy izany. Safidy ny fifandirana. Safidy ny mampihavana. Manana ny fahafahanao hisafidy ny fifandirana na ny fampihavanana ianao. Mamporisika anareo aho mba hisafidy ny ho mpampihavana amin’izao fotoana izao ary mandrakariva.11

Ry rahalahy sy anabavy, afaka manova ara-bakiteny izao tontolo izao isika, olona iray ary fifandraisana iray isaky ny mandeha. Amin’ny fomba ahoana? Amin’ny alalan’ny fampisehoana ny fomba fitantanana tsy fitovian-kevitra marina amin’ny alalan’ny fifanajana sy fifampiresahana mendrika.

Ampahan-javatra mandrafitra ny fiainana ny tsy fitovian-kevitra. Miara-miasa isan’andro amin’ireo mpanompon’ny Tompo feno fanolorantena aho izay tsy voatery hahita foana ny olana iray amin’ny fomba mitovy. Fantatr’izy ireo fa te haheno ny hevitr’izy ireo aho sy ny zavatra tsapan’izy ireo marina momba ny zava-drehetra noresahanay, indrindra ireo olana saro-pady.

Sary
Ny Filoha Dallin H. Oaks sy ny Filoha Henry<nb/>B. Eyring

Ireo mpanolotsaiko mendri-kaja anankiroa, ny Filoha Dallin H. Oaks sy ny Filoha Henry B. Eyring, dia ohatra tsara eo amin’ny fanehoan’izy ireo ny zavatra tsapany, indrindra rehefa mety tsy hitovy izany. Ataon’izy ireo ao anatin’ny fifankatiavana madio izany. Tsy misy amin’izy ireo manolo-kevitra fa izy no tena mahafantatra zavatra tsara ary noho izany tsy maintsy miaro mafy ny heviny izy. Tsy misy amin’izy ireo manaporofo fa ilaina ny mifaninana amin’ilay anankiray hafa. Noho ny tsirairay samy feno fiantrana, ilay “fitiavana madion’i Kristy,”12 dia afaka ny ho tarihin’ny Fanahy ireo fanapahan-kevitra mila dinihanay. Tena tiako sy omeko voninahitra ireo lehilahy anankiroa manana ny maha-izy azy ireo!

Ny fiantrana no fanefitry ny fifandirana. Ny fiantrana dia fanomezam-pahasoavana ara-panahy izay manampy antsika handroaka ilay olona araka ny nofo izay tia tena, miaro tena, mieboebo ary be fialonana. Ny fiantrana no toetra fototra ananan’ny mpanara-dia marina an’i Jesoa Kristy.13 Ny fiantrana no mamaritra ny mpampihavana iray.

Rehefa mampanetry ny tenantsika eo anatrehan’ Andriamanitra isika ary mivavaka amin’ny herin’ny fontsika manontolo, dia hanome antsika ny fiantrana Andriamanitra.14

Ireo izay manana io fanomezana masina io dia mahari-po sy tsara fanahy. Tsy mialona ny hafa izy ireo ary tsy mirehareha ny amin’ny tenany manokana. Tsy mora sosotra izy ireo ary tsy manao otripo.15

Ry rahalahy sy anabavy, ny fitiavana madion’i Kristy no valiny hamahana ny fifandirana mankarary antsika amin’izao fotoana izao. Ny fiantrana dia manosika antsika “hifampitondra ny enta-mavesatra”16 toy izay hampavesatra ny entana lanjain’ny tsirairay. Ny fitiavana madion’i Kristy dia manome fahafahana antsika mba “hijoro ho vavolombelon’ Andriamanitra amin’ny fotoana rehetra sy amin’ny zava-drehetra”17, indrindra ao anatin’ny toe-javatra sarotra. Ny fiantrana dia manome fahafahana antsika mba hampiseho ny fomba firesaky ny lehilahy sy ny vehivavy ao amin’i Kristy sy ny fihetsik’izy ireo, indrindra rehefa ianjadian’ny fanakianana mafy.

Fa izao kosa, tsy miresaka momba ny hoe “fiadanana na inona na inona zavatra takian’izany” aho.18 Miresaka momba ny fitondrana ny hafa amin’ny fomba izay mifanaraka amin’ny fitandremana ny fanekempihavanana izay ataonao rehefa mandray ny fanasan’ny Tompo aho. Manao fanekempihavanana ny hahatsiaro ny Mpamonjy mandrakariva ianao. Ao anatin’ireo toe-javatra mafampana ara-pihetsehampo sy feno fifandirana dia manasa anao aho mba hahatsiaro an’i Jesoa Kristy. Mivavaha mba hanana ny herimpo sy ny fahendrena hilaza na hanao izay ho nataony. Rehefa manaraka ilay Andrian’ny Fiadanana isika dia ho lasa mpampihavana.

Amin’izao fotoana izao dia mety mieritreritra ianao fa tena hanampy olona iray fantatrao ity hafatra ity. Angamba manantena ianao fa hanampy azy mba ho tsara fanahy kokoa aminao izany. Manantena aho hoe hanampy izany! Saingy manantena koa aho fa hijery lalina ny ao am-ponao ianao mba hahita raha toa ka misy sombintsombina fieboeboana na fialonana izay manakana anao tsy ho lasa mpampihavana.19

Raha tena vonona tokoa ianao hanampy amin’ny fanangonana an’i Isiraely sy hanorina fifandraisana izay haharitra mandrakizay, dia izao no fotoana hanesorana ny lolompo. Izao no fotoana hampitsaharana ny fiziriziriana amin’ny hoe rehefa tsy ny hevitrao no arahina dia aleo hijanona. Izao no fotoana hampitsaharana ny fanaovana zavatra izay mahatonga ny hafa hihafihafy noho ny fahatoharana sao tezitra ianao. Izao no fotoana handevenana ny fitaovam-piadianao.20 Raha toa ka feno faniratsirana sy fiampangana ny fitaovam-pitenenanao, dia izao no fotoana hanesorana izany.21 Hitsangana amin’ny maha-lehilahy na vehivavy ao amin’i Kristy izay matanjaka ara-panahy anao ianao.

Afaka manampy antsika ao anatin’izany fikatsahantsika izany ny tempoly. Tafiana ny herin’ Andriamanitra isika rehefa ao, izay manome fahafahana antsika handresy an’i Satana, ilay mpitarika ny fifandirana rehetra.22 Esory hiala ao amin’ireo fifandraisanao izy! Fantaro fa mandroaka ny fahavalo koa isika isaky ny mamaha tsy fifankahazoan-kevitra iray na mandà ny tsy ho mora tezitra. Afaka maneho famindrampo feno fitiavana kosa isika izay toetran’ny mpianatra marin’i Jesoa Kristy. Manakantsakana ny fahavalo ny mpampihavana.

Aoka isika amin’ny maha-vahoaka iray antsika ho lasa fahazavana marina eo an-tendrombohitra, fahazavana iray izay “tsy azo afenina.”23 Aoka isika hampiseho fa misy fomba amim-pilaminana, feno fanajana hamahana olana sarotra ary fomba mitondra fahazavana hamahana ireo tsy fitovian-kevitra. Rehefa mampiseho ilay fiantrana izay asehon’ireo mpanara-dia marin’i Jesoa Kristy ianao, dia hampitombo ny ezaka ataonao mihoatra noho izay eritreritra ambony indrindra ao an-tsainao ny Tompo.

Ny haraton’ny filazantsara no harato faran’izay lehibe indrindra eto amin’izao tontolo izao. Manasa ny rehetra hanatona Azy Andriamanitra, “na mainty na fotsy, na andevo na olon’afaka, na lehilahy na vehivavy.”24 Misy toerana ho an’ny rehetra ao. Na izany aza dia tsy misy toerana ho an’izay mety ho karazana fitsarana an-tendrony, na fanamelohana, na fifandirana ao.

Ry rahalahiko sy anabaviko malala, mbola ho avy ny tsara indrindra ho an’ireo izay manokana ny fiainany mba hanatsara ny toetran’ny hafa. Androany aho dia manasa anao mba handinika ny maha-mpianatra anao ao anatin’ny sahan-kevitry ny fomba fitondranao ny hafa. Mitsodrano anareo aho mba hanao izay fanovana mety ilaina atao mba hahatonga ny fitondrantenanareo ho mendrika, feno fanajana, ary maneho an’ilay mpanara-dia marina an’i Jesoa Kristy.

Mitsodrano anareo aho mba hanolo ny filana ady amin’ny fiangaviana, hanolo ny lonilony amin’ny fahatakarana an-tsaina, ary hanolo ny fifandirana amin’ny filaminana.

Velona Andriamanitra! I Jesoa no Kristy. Izy no lohan’ity Fiangonana ity. Mpanompony isika. Hanampy antsika ho lasa mpampihavana ao Aminy Izy. Mijoro ho vavolombelona ny amin’izany aho amin’ny anarana masin’i Jesoa Kristy, amena.