Fihaonamben’ny Fiangonana Maneran-tany
Mahita ny fianakavian’ Andriamanitra amin’ny fomba fijery ankapobeny
Fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany ôktôbra 2023


Mahita ny fianakavian’ Andriamanitra amin’ny fomba fijery ankapobeny

Mino aho fa afaka mijery ny tenantsika sy ny fianakaviantsika amim-panantenana sy fifaliana isika, amin’ny alalan’ny mason’ny finoana.

Fony mbola kely i Berkeley zanakay faravavy, dia nanomboka nampiasa solomaso famakian-teny aho—ilay karazany izay manalehibe sy manitatra ny zava-drehetra. Indray andro, rehefa niara-nipetraka namaky boky izahay, dia nijery azy tamim-pitiavana aho nefa nalahelo ihany koa, satria tampoka teo dia toa nihalehibe izy. Nieritreritra aho hoe: “Lasa aiza ny fotoana? Lehibe vetivety teo izy!”

Rehefa nanainga ny solomaso famakiako teny aho mba hamafa ranomaso, dia tonga saina aho hoe: “Andraso, tsy lehibe izany izy; ilay solomaso ihany kay no nanova azy! Aleo adinoina any izany.”

Indraindray ny hany hitantsika dia ilay fomba fijery akaiky izay manitatra ny fijerintsika ireo olona tiantsika. Anio hariva aho dia manasa anareo mba hanitsy sy hanova ny fijerintsika amin’ny fomba fijery hafa—dia fomba fijery mandrakizay izay mifantoka amin’ilay sary makadiry, ny tantaranao amin’ny ankapobeny kokoa.

Rehefa nanomboka ny ezaka hankanesana eny amin’ny habakabaka ny olombelona, dia tsy nisy varavarankely ireo sambon-danitra tsy nitondra olona. Saingy tamin’ny misiôna Apollo 8 nankany amin’ny volana dia nanana varavaran-kely iray ireo mpanamory sambon-danitra. Raha nitsingevana teny amin’ny habakabaka izy ireo, dia nampihe-tsipo azy ireo tokoa ny fahitana ny tanintsika ary naka an’io sary mahatalanjona io izy ireo, izay nahaliana an’izao tontolo izao. Ireo mpanamory sambon-danitra ireo dia nanana fahatsapana mahery vaika ka izay no nanomezana anarana manokana izany hoe: ny vokatry ny fahitana amin’ny ankapobeny.

Sary
Ny tany hita avy eny amin’ny habakabaka.

NASA

Manova ny zava-drehetra ny fijerena avy amin’ny toerana vaovao ahitan-javatra kokoa. Nilaza ny mpandeha an’habakabaka iray fa izany dia “mampihena zavatra ho amin’ny habeny izay heverinao fa azo fehezina. … Vitantsika izany! Toa tsy misy olana ny mampisy fiadanana eto an-tany. Izany dia manome ny olona io karazana herin-tsaina io… io karazana hery io.”1

Amin’ny maha-olombelona antsika dia manana fomba fijery mifamatotra amin’ny tany isika, saingy Andriamanitra dia mahita an’izao rehetra izao amin’ny ankapobeny izay mahafaoka ny zava-drehetra. Hitany ny zava-boary rehetra, isika rehetra, ary feno fanantenana Izy.

Azo atao ve ny manomboka mahita tahaka ny fahitan’ Andriamanitra na dia miaina eto ambonin’ity planeta ity aza—ny mahatsapa an’io fahatsapana ankapobeny mahatalanjona io? Mino aho fa afaka mijery ny tenantsika sy ny fianakaviantsika amim-panantenana sy fifaliana isika, amin’ny alalan’ny mason’ny finoana.

Manohana izany ny soratra masina. I Môrônia dia miresaka momba ireo izay “natanjaka izaitsizy tokoa” ny finoany ka “nahita marina tokoa … tamin’ny mason’ny finoana, ary faly izy ireny.”2

Rehefa nifantoka tamin’ny Mpamonjy ny mason’izy ireo dia nahatsapa fifaliana sy nahafantatra izao fahamarinana izao izy ireo: noho i Kristy dia ho voavaha avokoa ny zava-drehetra. Ny zavatra rehetra mampanahy anao sy anaoary anao dia hilamina avokoa! Ary ireo izay mijery amin’ny mason’ny finoana dia afaka mahatsapa fa hilamina ny zava-drehetra amin’izao fotoana izao.

Nandalo fotoan-tsarotra aho tao amin’ny kilasy famaranana tany amin’ny lisea rehefa tsy nanao safidy tsara. Tsaroako ny nahitako ny reniko nitomany ka nanontany tena aho raha nandiso fanantenana azy. Tamin’izany fotoana izany dia nanahy aho fa ndrao ny ranomasony dia nidika fa very fanantenana ny amiko izy, ary raha tsy mahatsapa fanantenana ho ahy izy dia mety tsy hisy lalana hiverenana hanao ny tsara intsony.

Fa ny raiko dia ampy traikefa kokoa amin’ny fananana fomba fijery nahatazan-davitra. Nianarany avy amin’ny zavatra niainany fa ny fanahiana dia mitovitovy amin’ny fitiavana, saingy tsy mitovy izany.3 Nampiasa ny mason’ny finoana izy mba hahitany fa hiravona avokoa ny zava-drehetra, ary nanova ahy ny fomba fijeriny feno fanantenana.

Rehefa nahavita fianarana tany amin’ny lisea aho ary nankany amin’ny BYU dia nandefa taratasy ny raiko mba hampahatsiahivana ahy hoe iza aho. Lasa mpandrisika ahy izy—mila mpandrisika ny olon-drehetra. Ny olona iray izay tsy miteny aminao hoe: “Tsy tena mbola mahery mihazakazaka ianao”; dia mampahatsiahy anao amim-pitiavana fa afaka manao izany ianao.

Nanao toy izay nataon’i Lehia tao anatin’ny nofiny i Dada. Tahaka an’i Lehia dia fantany fa tsy tokony hanenjika ireo olona akaikin’ny fonao izay mahatsapa ho very ianao. “Mijanona eo amin’izay misy anao ianao ary miantso azy ireo. Mankeny amin’ilay hazo[-n’aina] ianao, mijanona eo amin’ilay hazo, manohy mihinana ny voany ary, miaraka amin’ny tsiky eo amin’ny tavanao, dia manohy miantso ireo izay tianao ary maneho amin’ny alalan’ny ohatra fa ny fihinanana ilay voa dia zavatra mahasambatra!”4

Io sary azo an-tsaina io dia nanampy ahy nandritra ireo fotoana naha tao anatin’ny alahelo ahy, izay nahitako ny tenako teo amin’ilay hazo, nihinana ny voa ary nitomany satria nanahy aho; ary moa ve mba tena nanampy izany? Aleo isika misafidy ny fanantenana—fanantenana ny Mpahary antsika sy eo amintsiksa samy isika, izay mamporisika ny fahafahantsika ho lasa tsara kokoa noho ny amin’izao fotoana izao.

Fotoana fohy taorian’ny nahafatesan’ny Loholona Neal A. Maxwell, dia nanontany ny zanany lahy ny mpanao gazety iray hoe inona no tena alahelovany indrindra. Nilaza izy fa ny sakafo hariva tao an-tranon’ny ray aman-dreniny izany, satria isaky ny niala tao izy dia nanana fahatsapana fa natoky azy hahavita zavatra ny dadany.

Nitranga io nanodidina ny fotoana nanombohan’ireo zanakay lehibe tonga nisakafo alahady hariva tao aminay niaraka tamin’ny vadin’izy ireo avy. Nandritry ny herinandro dia nitanisa tao an-tsaiko ireo zavatra azoko ampahatsiahivina azy ireo ny alahady aho, toy ny hoe: “Azonao atao ohatra ny miezaka manampy bebe kokoa amin’ny fikarakarana ireo ankizy rehefa ao an-trano ianao,” na “aza adinoina ny fahaizana mihaino.”

Rehefa namaky ny fanamarihana nataon-dRahalahy Maxwell aho dia navelako tany ireo lisitra ary nampanginiko izany feo mitsikera izany, ka rehefa nahita ireo zanako efa lehibe aho nandritra io fotoana fohy isan-kerinandro io dia nifantoka tamin’ireo zavatra tsara maro izay efa nataon’izy ireo. Rehefa nodimandry taona vitsivitsy taty aoriana i Ryan zanakay lahimatoa, dia tsaroako fa feno fankasitrahana aho satria ny fotoana niarahanay dia feno haravoana kokoa sy nahasoa kokoa.

Alohan’ny hifaneraserantsika amin’ny olon-tiana iray dia afaka manontany tena ve isika hoe: “Moa ve mitondra fanampiana sa mandratra ny zavatra handeha hataoko na holazaiko?” Isan’ireo hery manana fiantraikany goavana ananantsika ny tenintsika, ary ny olona ao amin’ny fianakaviana dia toy ny solaitrabe miendrika olona, mijoro eo anoloantsika manao hoe: “Soraty izay hevitrao momba ahy!” Ireo hafatra ireo, na fanahy iniana na tsy nahy, dia tokony hitondra fanantenana sy hampahery.5

Tsy anjara asantsika ny hampianatra olona izay misedra zava-tsarotra fa hoe tsy mahay izy ireo na mandiso fanantenana. Ao ireo fotoana mahalana izay mety hahatsapantsika ho voatarika hanitsy, saingy amin’ny ankabeazan’ny fotoana dia aoka isika hilaza amin’ireo olon-tiantsika am-bava sy tsy am-bava ireo hafatra iriany ho re hoe: “Tsapa ho feno ny fianakaviantsika noho ny fisianao ao anatin’izany.” “Hotiavinay mandritry ny androm-piainanao ianao—na inona na inona mitranga.”

Indraindray dia fangorahana fa tsy torohevitra no ilaintsika. Fihainoana fa tsy ny fananarana. Olona mandre sy manontany tena hoe: “Ahoana no mety ho fihetseham-poko raha milaza ny zavatra izay vao avy nolazain’izy ireo aho?”

Tsarovy fa ny fianakaviana dia labôratoara nomen’ Andriamanitra izay hianarantsika ny zava-drehetra, noho izany dia tsy vitan’ny hoe mety hitranga ny fahadisoan-dalana sy ny diso kajikajy, fa azo inoana koa. Ary moa ve tsy hahaliana raha toa ka amin’ny fiafaran’ny fiainantsika, dia ho hitantsika fa ireo fifandraisana ireo, eny fa na dia ireo fotoan-tsarotra ireo aza, no tena nanampy antsika ho tonga tahaka ny Mpamonjy antsika? Ny fifandraisana sarotra tsirairay dia fahafahana iray hianarana ny fomba hitiavana amina lenta lalindalina kokoa, dia lenta tahaka ny an’ Andriamanitra.6

Andeha hitazan-davitra mba hijerena ny fifandraisan’ny fianakaviana ho toy ny fahafahana tonga lafatra hampianatra antsika ireo lesona tiantsika hianarana eto.

Ndeha ho ekentsika fa ao anatin’ny tontolo lavo, dia tsy misy fomba iray hahatongavana ho vady sy ray aman-dreny sy zanakalahy na zanakavavy sy zafikely sy mpanoro hevitra, na namana tonga lafatra, fa fomba an-tapitrisa hahatongavana ho olona tsara.7 Andao hijanona eo amin’ilay hazo isika, handray amin’ny fitiavan’ Andriamanitra, ary hizara izany. Rehefa manampy ny olona manodidina antsika isika dia miara-mivoatra.

Indrisy anefa fa tsy ampy ny fahatsiarovana ny fihinanana ilay voa; mila mihinana izany hatrany hatrany isika amin’ny fomba izay hanova ny fomba fijerintsika sy hampifandray antsika amin’ilay fomba fijery ankapobeny araka an’ Andriamanitra, dia amin’ny fanokafana ny soratra masina, izay feno hazavana, mba handroahana ny haizina; mandohalika hatrany mandra-pahatonga ny vavaka fanaontsika mahazatra ho mahery vaika. Amin’izay fotoana izay no mampalefaka ny fo ary manomboka mahita araka ny fijerin’ Andriamanitra isika.

Amin’izao andro farany izao, ny asantsika lehibe indrindra angamba dia izay ataontsika miaraka amin’ireo olon-tiantsika, izay olona tsara miaina anaty tontolo ratsy. Ny fanantenantsika dia manova ny fomba fahitan’izy ireo ny tenany sy ny hoe iza marina moa izy ireo. Ary amin’ny alalan’io fomba fijery ombam-pitiavana io dia hahita izay olona azony ha hatongavana izy ireo.

Saingy ny fahavalo dia tsy maniry ny hiarahantsika sy ireo olon-tiantsika miverina mody. Ary satria miaina eo amina planeta iray izay voafatotry ny fotoana sy ny isan’ny taona manam-petra isika,8 dia miezaka manao izay hisian’ny fahatsapana fihotakotahana hatrany izy. Sarotra ny hahitantsika, rehefa mifantoka loatra amin’ireo zavatra bitika eo amin’ny fiainana isika, fa zava-dehibe kokoa noho ny hafainganam-pandehantsika ny lalana izorantsika.

Tsarovy fa, “Raha te-handeha haingana ianao dia mandehana irery. Raha te-ho lasa lavitra ianareo dia miaraha mandeha.”9 Soa ihany fa tsyvoafatotry ny fotoana ilay Andriamanitra ivavahantsika. Hitany ny tena maha izy azy an’ireo olon-tiantsika sy ny tena maha izy azy antsika.9 Ka noho izany dia manam-paharetana amintsika Izy, ary manantena fa hifaneho faharetana isika.

Ekeko fa misy fotoana izay ahatsapana ny tany, ilay fonenantsika ara-nofo, ho toy ny nosy feno alahelo10, fotoana izay ananako maso ilany feno finoana ary ny maso iray hafa kosa mitomany. Efa niainanareo ve io fahatsapana io?

Niaina izany aho tamin’ny Talata.

Afaka misafidy ny toetry ny mpaminanintsika ve isika rehefa mampanantena fahagagana ao amin’ny fianakaviantsika izy? Raha manao izany isika dia hitombo ny fifaliantsika, na dia mitombo aza ny fisafotofotoana. Mampanantena Izy fa azo atao ny miaina ny vokatry ny fahitana amin’ny ankapobeny amin’izao fotoana izao, na inona na inona toe-javatra iainantsika.12

Ny fananana io mason’ny finoana io amin’ izao fotoana izao dia famerenana indray, na akon’ny finoana nananantsika talohan’ny nahatongavantsika teto amin’ity planeta ity. Mahita mihoatra ny tsy fahazoan’antoka ny amin’ny fotoana iray izany, ka mamela antsika “hazoto hanao ny zava-drehetra izay tratry ny herintsika; dia … hahajoro.”13

Misy zava-tsarotra ve eo amin’ny fiainanao amin’izao fotoana izao, zavatra mampanahy anao fa tsy ho voavaha? Raha tsy misy ny mason’ny finoana, dia mety ho toy ny hoe misy zavatra tsy hitan’ Andriamanitra, fa marina ve izany?

Na angamba ny tahotrao lehibe kokoa dia ny handia irery izao fotoan-tsarotra izao. Nefa midika izany fa nandao anao Andriamanitra, fa marina ve izany?

Mijoro ho vavolombelona aho fa ny Mpamonjy dia manana ny fahafahana, noho ny Sorompanavotany, hanova ho fitahiana ny nofy ratsy rehetra izay lalovanao. Nampanantena antsika “omban’ny fanekempihavanana tsy azo ovana” izy fa rehefa miezaka ny hitia sy hanara-dia Azy isika dia “ny zava-drehetra izay efa nampahoriana [antsika] dia hiara-hiasa hahasoa [antsika].”14 Eny, ny zava-drehetra.

Ary satria zanaky ny fanekempihavanana isika dia afaka mangataka izany fahatsapana feno fanantenana izany izao!

Na dia tsy tonga lafatra aza ny fianakaviantsika dia afaka manao izay hahalafatra ny fitiavantsika ny hafa mandra-pahatongan’izany ho fitiavana mitoetra hatrany sy tsy miova isika, na inon-kidona na inon-kihatra, dia ilay karazam-pitiavana izay manohana ny fiovana sy mamela ny fitomboana sy ny fiverenana.

Asan’ny Mpamonjy ny mamerina ireo olon-tiatsika. Asany sy ny fotoanany izany. Adidintsika ny manome ny fanantenana sy ny herim-po ahafahan’izy ireo miverina mody. “Sady tsy manana ny fahefan’[Andriamanitra] hanamelohana isika no tsy manana ny heriny hanavotana, fa nomena lalana hampiasa ny fitiavany.”15 Ny Filoha Nelson dia nampianatra ihany koa fa ny hafa dia mila ny fitiavantsika fa tsy ny fitsaratsarantsika. “Mila miaina ny fitiavana madion’i Jesoa Kristy izay hita taratra ao amin’ny tenin[tsika] sy ny zavatra ataon[tsika] izy ireo.”16

Ny fitiavana no zavatra manova fihetseham-po. Io no famporisihana madio indrindra amin’ny rehetra, ary ny olon-kafa dia afaka mahatsapa izany. Andeha isika hifikitra amin’ireto tenin’ny mpaminany natolotra 50 taona lasa ireto: “Tsy misy tokantrano tsy mahomby raha tsy hoe mitsahatra miezaka izany tokantrano izany.”17 Tsy isalasalana fa ireo izay manam-pitiavana indrindra sy maharitra amin’izany no mandresy!

Ao amin’ny fianakaviana eto an-tany dia manao izay nataon’ Andriamanitra tamintsika fotsiny isika, manondro ny lalana ary manantena fa handeha amin’izany lalana izany ireo olon-tiantsika, ary fantatsika fa safidin’izy ireo ny lalana izay diaviny.

Ary rehefa miampita any ambadiky ny voaly izy ireo ka manatona ny fanintonana feno fitiavan’ny fonenan’izy ireo any an-danitra,18 dia inoako fa ho toy ny zavatra efa niainana ny fahatsapany izany noho ny fomba nitiavana azy ireo tety.

Andao hampiasa izany fomba fijery ankapobeny izany ka hahita ireo olona tiantsika sy miara-miaina amintsika ho toy ny mpirahalahy mianala eto amin’ity planeta mahafinaritra ity.

Afaka manao izany ve izaho sy ianao? Vitantsika izany! Afaka miaritra sy manantena isika! Afaka mijanona eo amin’ilay hazo isika dia mihinana ilay voa miaraka amin’ny tsiky eo amin’ny tavantsika, ary mamela ny Fahazavan’i Kristy eo amin’ny masontsika ho lasa zavatra azon’ny hafa ianteherana ao anatin’ny ora maizina indrindra. Rehefa mahita hazavana miharihary eo amin’ny tarehintsika izy ireo, dia ho voasarik’izany. Avy eo isika dia afaka manampy indray hampifantoka ny sainy amin’ilay loharano niandohan’ny fitiavana sy ny fahazavana, “ilay kintana mamirapiratra fitarika andro,” dia i Jesoa Kristy.19

Mijoro ho vavolombelona aho fa izao, eny izao rehetra izao, dia ho tsara fiafarana lavitra noho izay azontsika noeritreretina! Rehefa mijery an’i Jesoa Kristy amin’ny mason’ny finoana isika, dia enga anie isika hahita fa hilamina ny zava-drehetra amin’ny farany, ary hahatsapa fa hilamina izany izao. Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.

Fanamarihana

  1. Anousheh Ansari, in “The Overview Effect and Other Musings on Earth and Humanity, according to Space Travelers,” cocre.co.

  2. Etera 12:19; nampiana fanamafisana.

  3. Jereo ny Jody Moore, “How to Say Hard Things,” from Better Than Happy, Sept. 18, 2020, ep. 270.

  4. Ronald E. Bartholomew, nampiasaina rehefa nahazoana lalana; jereo koa ny 1 Nefia 8:11; 11:21–22.

  5. Jereo ny James D. MacArthur, “The Functional Family,” Marriage and Families, boky 16 (2005), 14.

  6. Azo atao izany raha toa isika ka “[mivavaka] amin’ny Ray amin’ny herin’ny fo manontolo mba hahazoana mameno [antsika] amin’izany fitiavana izany” (Môrônia 7:48).

  7. Teny nambara tamin’i Jill Churchill nampita tamin’ny fomba tsotra.

  8. Jereo ny Richard Eyre, Life Before Life: Origins of the Soul … Knowing Where You Came From and Who You Really Are (2000), 107.

  9. Ohabolana nentin-drazana.

  10. Jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 93:24, 26.

  11. Jereo ny Robert Frost, “Birches,” ao amin’ny Mountain Interval (1916), 39.

  12. Jereo ny Russell M. Nelson, “Fifaliana sy fahavelomana ara-panahy,” Liahona, nôv. 2016, 81–84; jereo koa ny “Aoka Andriamanitra no hanjaka,” Liahona, nôv. 2020, 92–95.

  13. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 123:17.

  14. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 98:3; nampiana fanamafisana.

  15. Wayne E. Brickey, Inviting Him In: How the Atonement Can Change Your Family (2003), 144.

  16. Russell M. Nelson, “Ilaina ny mpampihavana,” Liahona, mey 2023, 100.

  17. Teachings of Presidents of the Church: Harold B. Lee (2000), 134.

  18. Jereo ny Paul E. Koelliker, “Tena tia antsika tokoa Izy,” Liahona, mey 2012, 18.

  19. Apokalypsy 22:16.