Tahirim-pitaovana
Fikatsahana ny valin’ireo fanontanianao: Teny fanolorana


“Fikatsahana ny valin’ireo fanontanianao: Teny fanolorana,” Lohahevitra sy fanontaniana (2023)

Fikatsahana ny valin’ireo fanontanianao

Teny fanolorana

Fotoana mialoha be ny nandohalihan’i Joseph Smith tao amin’ilay Ala kely Masina no efa nanorenany fototra ho an’ny fivoarany ara-panahy. Amam-bolana no nanatrehany fivoriam-pitsaohana, namakiany ny Baiboly sy nandraisany anjara tamin’ny vavaky ny mpianakavy. Niresaka tamin’ireo olona tao amin’ny fianakaviany izy, anisan’izany ny sasany izay tsy nino ny fikambanam-pivavahana voalamina. Nila niezaka mafy i Joseph mba hahita ny valin’ireo fanontaniany. Namaly ny vavaka nataon’i Joseph ihany Andriamanitra nony farany. Saingy tsy namaly ny fanontanian’i Joseph rehetra ny Fahitana Voalohany. Ho an’i Joseph dia asa atao mandritra ny androm-piainana ny fikatsahana valim-panontaniana.

Ankehitriny ireo fampahalalana momba ny tantaran’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany dia mora hita kokoa noho ny teo aloha. Mety ho fitahiana lehibe izany saingy tsy mora mandrakariva ny mahafantatra hoe inona no loharanom-pahalalana azo itokisana. Ary mety hiteraka fanontaniana saro-baliana ny sasany amin’ireo zavatra fantatsika. Nomarihin’ny Loholona Dieter F. Uchtdorf fa “mety hahatsapa tena ho menatra na tsy mendrika ny sasany noho ny fananana fanontaniana sarotra mila valiny momba ny filazantsara, kanefa tsy tokony hanana fahatsapana toy izany izy ireo.” Nampianariny fa: “Ny fametrahana fanontaniana dia tsy mariky ny fahalemena; fa fiantombohan’ny fitomboana.”1 Manome tolo-kevitra maromaro izay afaka manampy anao hahita fiadanana eo am-pikatsahana ny valin’ireo fanontanianao ireo lahatsoratra ato amin’ity loharanom-pahalalana ity.