Tahirim-pitaovana
Mampiasà loharanom-pahalalana azo antoka


“Mampiasà loharanom-pahalalana azo antoka,” Loharano sy fanontaniana (2023)

Sary
ankizy lahy sy ankizy vavy mamaky soratra masina

Fikatsahana ny valin’ireo fanontanianao

Mampiasà loharanom-pahalalana azo antoka

Nampianatra ny Loholona Dieter F. Uchtdorf fa “Tsy mbola nisy teo amin’ny tantaran’izao tontolo izao nahafahantsika niditra mora kokoa amina fampahalalana misimisy kokoa toy ny amin’izao—ny sasany amin’izany dia marina, ny sasany diso ary betsaka amin’izany no marina amin’ny ampahany.”1 Ao anatin’ity tontolo isian’ny fisalasalana ity dia mamporisika ireo mpikambana ny Fiangonana mba “tsy hitady sy tsy hizara afa-tsy loharanom-pahalalana azo antoka, azo ianteherana, ary marina.”2 Tokony halavirintsika ireo loharano izay mifototra amin’ny siosio na mamporisika fifandirana na fahatezerana.

Mitaky asa ara-panahy sy ara-tsaina ny fianarana manombana ny hatsaran’ny loharanom-pahalalana ampiasaintsika. Ireto misy torohevitra kely vitsivitsy enti-manombana fampahalalana:

  • Tombano ny maha azo antoka ireo loharano. Tsy ary hitovy avokoa ny lanjan’ny lohahevitra velabelarin’ny loharanom-pahalalana rehetra. Ny loharanom-pahalalana tsara indrindra dia hanana fahalalana mivantana momba ana lohahevitra fa tsy miantehitra amin’ny tsaho, siosion-dresaka, na fanasoketana. Amin’ny fomba mivantana mivoitra avy amin’ny fahalalana na fahaiza-manao no hiresahany. Hanonona loharanom-pahalalana tsara laza izy ireny mba hahafahanao manamarina ny tenin’izy ireo. Tsy hanamafy lalandava ny zavatra efa eritreretinao ny loharano azo antoka. Mety hifanohitra amin’ny fomba fijerinao ny azy ireny. Raha manana fanontaniana momba ireo fampianarana ôfisialin’ny Fiangonana ianao dia tadiavo aloha ny zavatra efa nolazaina na tsy mbola nolazain’ireo mpitarika ato amin’ny Fiangonana amin’izao fotoana izao. Hanampy anao hanombana ireo fanambarana hafa nataon’ireo mpitarika ato amin’ny Fiangonana tany aloha tany izany.

  • Mianara mamantatra fironan-kevitra. Saika ho ny loharano rehetra no manana fironan-kevitra. Tsy mahatonga azy ireo ho tsy azo antoka avy hatrany izany, saingy manan-danja ny mihevitra ny fomba fijerin’ilay mpamorona an’ilay loharanom-pahalalana. Fakafakao ny antony nanoratana sy ny mombamomba ny loharano ampiasainao. Mitandrema amin’ireo loharano izay mitonon-tena ho tsy manana fironan-kevitra na maneho fomba fijery amin’ny fomba feno fihantsiana.

  • Hamarino ny zavatra ianaranao. Misy lanjany lehibe rehefa miombon-kevitra na miresaka mazava tsara momba ny lohahevitra iray ny loharano azo antoka maromaro. Mitombina indrindra izany rehefa mandalina ireo loharanom-pahalalana miresaka momba ny tantara sy ireo fampianaran’ny Fiangonana isika. Na dia mety tsy hisy foana aza io karazana fifanarahana eo amin’ny loharano io dia mety hanampy ny hampitaha fampahalalana avy amina loharano samy hafa mba hahafahanao manombana tsara ny hatsarany.

  • Avaho amin’ny fanazavana ny zava-misy marina. Zava-misy marina ny fampahalalana sasany. Saingy maro amin’ireo zavatra sendra antsika ao amin’ny internet sy ao amin’ireo zavatra avoaka no vokatry ny fanazavana momba ana zava-misy. Ny fanazanava tsara indrindra dia miezaka miresaka momba ireo zava-misy rehetra. Mandinika ireo antsipirian-javatra miavaka na zava-misy ao anatina sahan-kevitra mivelatra kokoa izy reny ary manome lanja araka ny tokony ho izy azy reny. Tsy manilika fotsiny izay fampahalalana mifangarika amina fomba fijery iray manokana izany. Hamarino ireo loharano ampiasaina entina manazava zavatra iray manokana mba hakana antoka fa manohana ireo fanambarana atao na tsy miala amin’ny sahan-kevitra izany.

  • Fantaro tsara ireo loharanom-pahalalana vokarin’ny Fiangonana. Mahakasika ny fotopampianarana sy ny fitsipiky ny Fiangonana, ny loharanom-pahalalàna tsara indrindra dia ny soratra masina sy ny fampianaran’ireo mpaminany velona ary ny Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany. Namoaka loharanom-pitaovana fanampiny ihany koa ny Fiangonana mba hanampiana anao hahatakatra tsara kokoa ny sasany amin’ireo fanontaniana be mpametraka indrindra ananan’ireo Olomasin’ny Andro Farany momba ny tantaran’ny Fiangonana sy ny kolontsaina. Mety ho hitanao fa ireo no tsara hanombohana rehefa manadihady momba ny fanontanianao ianao.

  • Katsaho ny fitarihan’ny Fanahy Masina. Mety hampisafotofoto indraindray ny fampahalalana vaovao. Tsy voatery hidika izany fahatsapana izany fa hoe tsy marina ilay fampahalalana. Miaraka amin’ireo fahaiza-manao voalaza tetsy ambony, dia katsaho ny fitarihan’ny Fanahy masina. Afaka manampy anao hamantatra ny fahamarinana Izy. “Hanazava ny sainao”3 Izy ary hanampy anao hanitsy ny fomba fijerinao hifanaka amin’ireo fahamarinana vaovao. Mivavaha mba hahazo fanampiana. Manàna fomba fiainana izay hahafahan’ny Fanahy miresaka aminao. Meteza handray ireo fitaoman’ny Fanahy eo am-pamahanao ireo olanao.

Soratra masina manan-danja: 2 Timoty 3:14–16; Jakôba 4:13; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 19:38

Fanamarihana

  1. Dieter F. Uchtdorf, “Our Search for Truth,” New Era, Aug. 2020, 2.

  2. Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany: Manompo ao amin’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany, 38.8.27, Médiathèque de l’Évangile

  3. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 11:13.