Tahirim-pitaovana
Ataovy ivon’ny fiainanao i Jesoa Kristy


“Ataovy ivon’ny fiainanao i Jesoa Kristy,” Lohahevitra sy fanontaniana (2023)

Sary
Fianakaviana any Afrika mipetraka manodidina ny latabatra, miara-mamaky soratra masina

Fikatsahana ny valin’ireo fanontanianao

Ataovy ivon’ny fiainanao i Jesoa Kristy

Zava-dehibe amin’ny fikatsahana ny valin’ireo fanontaniana saro-baliana indrindra mahakasika ny fiainana ny finoana an’i Jesoa Kristy. Matetika isika no mihevitra ny finoana ho toy ny zavatra inoana mafy. Saingy mihoatra ny zavatra inoana ny finoana. Tafiditra ao anatin’izany ny fitokisana, fitokiana ary ny tsy fivadihana. Afaka mitodika mandrakariva any amin’i Jesoa Kristy isika rehefa manana fanontaniana saro-baliana na olana saro-bahana. Hitombo ny finoantsika rehefa mihaino ny teniny, sy manaraka ireo fampianarany ary miezaka mitia ny hafa amin’ny fomba nitiavany isika.

Nampianatra ny Filoha Russell M. Nelson fa “afaka ny hisy fiadanana ao amin’ny fanahinao rehefa manorina finoana an’ilay Andrian’ny Fiadanana ianao.”1 Ireto misy zavatra vitsivitsy tokony hotadidiana:

  • I Jesoa Kristy no fototra azo antoka ho an’ny finoantsika. Mametraka ny fitokiantsika amina olona sy antoko maro isika eo amin’ny fiainantsika andavanandro. Anisan’izany ireo olona ao amin’ny fianakaviantsika, namana, sy ny fitondram-panjakana ary ny mpampiasa. Saingy i Jesoa Kristy no hany olona azontsika itokisana tanteraka amin’ny fanantenantsika hanana fiadanana sy handray famonjena. Natsangana ny Fiangonana mba hitondrana ny olona mankany Aminy. Azonao itokisana tanteraka i Jesoa Kristy na dia sahirana amin’ireo lafin-javatra hafa mahakasika ny finoanao aza ianao.

  • Manana fangorahana tonga lafatra i Jesoa Kristy. Afaka mampanakaiky antsika Amin’ny Mpamonjy ireo fitsapana lalina manjo antsika. Tsy misy olona hafa ankoatra an’i Kristy ka afaka mahatakatra tanteraka ireo tolona iainantsika. Niara-nitomany tamin’ireo notompoiny Izy. Niaina fanirery, fahoriam-panahy, eny fa na dia ny fisintahan’ny fanatrehan-dRainy aza Izy. Afaka mitodika Aminy ianao ary hianoka fananana antra sy fangorahana.

  • Manome fomba fijery lavitra ny drafitr’ Andriamanitra ho an’ny famonjena. Maro amin’ireo fanontaniantsika no zary miova rehefa mampifantoka ny fijerintsika amin’ny drafitry ny Ray any An-danitra isika. “Noho ny fahalalantsika io drafitra io,” hoy ny Filoha Dallin H. Oaks, “dia miainga amina fiheverana tsy mitovy amin’ny an’ireo izay tsy miombon-kevitra amin’ny fahalalana ananantsika isika. Vokatr’izany dia tonga amina tsoakevitra samihafa momba ana lohahevitra manan-danja maro isika.”2 Afaka manampy antsika hahita ireo olantsika amin’ny fomba fijery mibanjina ny mandrakizay ny famakafakana ireo fanontaniantsika omban’ny fieritreretana momba ny drafitry ny famonjena.

  • Misy fanontaniana manan-danja sy fanontaniana tsy manan-danja firy. Indraindray isika manana fanontaniana na olana mifandray amina tranga ara-tantara, fampianaran’ny Fiangonana sy fitsipika, na tsy fahombiazan’olona. Mendrika ny ezaka amin-kitsim-po avy amintsika ny fikatsahana fiadanana amin’ny fanontaniana tahaka ireny. Saingy manan-danja ny manavaka ireo fahamarinana fototra ao amin’ny filazantsara amin’ireo izay tsy dia manan-danja firy. Nampianatra i Joseph Smith fa “ny zavatra hafa rehetra dia fanampiny fotsiny ihany” amin’ireo fahamarinana hafa manodidina ny iraka fanavotana nataon’ny Mpamonjy.3

  • Safidio ny finoana. Ny fahazoana fahalalana ara-panahy dia mitaky ny handehanantsika am-pinoana fa tsy amin’ny fahitana.4 Raha miandry mandra-pahazoantsika porofo azo tsapain-tanana momba an’ireo zavatra ara-panahy isika dia tsy hanomboka na oviana na oviana ny dingana hananana finoana an’i Jesoa Kristy. Nampianatra ny Loholona Dale G. Renlund hoe: “Mba hitomboan’ny finoana dia tsy maintsy misafidy ny hanana finoana ny olona iray. Tsy maintsy maniry ny hanana finoana ny olona iray. Tsy maintsy manao asa amim-pinoana ny olona iray.”5

  • Hazony mafy izay fantatrao. Rehefa tsapanao fa manalasala ny finoanao dia “Mifikira mafy amin’ny zavatra izay efa fantatrao,” hoy ny torohevitry ny Loholona Jeffrey R. Holland, “ary mijoroa ho matanjaka mandra-pahazoanao fahalalana misimisy kokoa.”6 Itokio ireo traikefa ara-panahinao taloha. Porofo ireny fa valian’Andriamanitra amin’ny fanomezan-toky ara-panahy ny finoanao an’i Jesoa Kristy.

Soratra masina manan-danja: Romana 8:35, 37–39; 2 Nefia 4:34–35; Mozià 4:9; Helamàna 5:12

Fanamarihana

  1. Russell M. Nelson, “Jésus le Christ, notre Prince de la paix” (Veillée de Noël 2013, 8 dec., 2013), Médiathèque de l’Évangile.

  2. Dallin H. Oaks, “As He Thinketh in His Heart” (Takariva iarahana amin’ny Manam-pahefana Ambony, 8 feb., 2013), broadcasts.ChurchofJesusChrist.org.

  3. Elders’ Journal, July 1838,” 44, josephsmithpapers.org.

  4. 2 Korintiana 5:7.

  5. Dale G. Renlund, “Aza miroanahana, fa minoa kosa” (lahateny nandritra ny fampitana fampiofanana fanao isan-taona an’ny Seminera sy Institiota fianarana ny filazantsara, 12 jona 2018), Médiathèque de l’Évangile.

  6. Jeffrey R. Holland, “Tompo ô, mino aho,” Liahona, mey 2013, 94.