Tahirim-pitaovana
Manàna faharetana amin’ny tenanao sy ny hafa


“Manàna faharetana amin’ny tenanao sy ny hafa,” Lohahevitra sy fanontaniana (2023)

Sary
vehivavy roa miresaka ao am-piangonana

Fikatsahana ny valin’ireo fanontanianao

Manàna faharetana amin’ny tenanao sy ny hafa

Vavolombelona nanatri-maso an’i Joseph Smith sy ny famerenana amin’ny laoniny ireo Olomasina tany am-boalohany. Nahita maso fahagagana izy ireo–dia ny fandikanteny, fanasitranana, ary fahitana. Nahita ireo fanamby sy fahadisoana ary tsy fahombiazana ihany koa izy ireo. Nianatra nanaraka ny mpaminany tamim-paharetana sy tamim-pinoana izy ireo.1

Nampianatra ny Loholona Jeffrey R. Holland hoe: “Manehoa hatsaram-panahy amin’ny fahalemen’olombelona—ny anao sy ny an’ireo izay miara-manompo aminao ao amin’ny Fiangonana, izay tarihin’ny lehilahy sy vehivavy tsara sitrapo sy mety maty. Ankoatra ilay hany Zanany Lahitokana tonga lafatra, dia olona tsy tanteraka avokoa no niarahan’ Andriamanitra niasa.” Nanao antso avo tamintsika ny Loholona Holland mba hifaneho “faharetana sy hatsaram-panahy ary [hamela] heloka”.2 Ohatra iray amin’ny faharetana ny fahafahana mifantoka amin’ny fanatsarana zavatra mandritra ny fotoana lava kanefa misoroka ny fahasorenana sy ny fahatezerana. Mitaky fanetrentena, sy hatsaram-panahy ary fahatakarana izany. Mitombo ny finoantsika rehefa mampihatra faharetana amin’ireo rahalahy sy rahavavintsika ary amin’ny tenantsika isika. Diniho ireto fitsipika manaraka ireto:

  • Manàna faharetana amin’ny tenanao. Mety hampisafotofoto na hahasorena ny mahafantatra zavatra momba ny Fiangonana na ny tantarany izay mifanohitra amin’ny zavatra takatrao taloha. Omeo fotoana ny tenanao hahita amin’ny fomba mazava kokoa ny olana iray ary manomboha manakatra fampahalalana vaovao. Manohiza mandalina sy mivavaka. Mety ho ela vao mety ho tsapanao fa manana fototra mafy sy azo antoka ianao. Ireo izay niaina io dingana io hatramin’ny farany dia afaka mijoro ho vavolombelona fa nampiorim-paka ny fiovam-pony tamin’ny filazantsara izany.

  • Manàna faharetana amin’ireo mpikamban’ny Fiangonana. Tsy misy mpikamban’ny Fiangonana tonga lafatra. Ireo paroasintsika sy ny sampana misy antsika dia henika mpino mahitsy fo izay matetika no tsy mahafeno fepetra amin’ny fiainana ireo fitsipika ambony indrindra amin’ny filazantsara. Hitantsika eo anivon’ny Olomasin’ny Andro Farany ireo olana hitantsika eo amin’izao tontolo izao–fitsitokotokoana, fitiavan-tena, sy fahalemena ara-tsafidim-pitondrantena, ary ny maro hafa. Hahita maso ny fahalemena sy ny tsy fahombiazan’ny tsirairay avy isika rehefa miara-mitsaoka sy miara-manompo. Tokony hanome toerana ho an’ny fahasoavan’ Andriamanitra isika rehefa miezaka ny hivoatra ny hafa; tahaka ny ilantsika ny faharetan’izy ireo amin’ireo ezaka amin-kitsimpo ataontsika.

  • Manàna faharetana amin’ireo izay te hanampy. Matetika ireo izay manana olana amin’ny fitadiavana valim-panontaniana na manam-pisalasalana no mitady fanampiana amin’ny olona ao amin’ny fianakaviana, namana, na mpitarika eo an-toerana. Manolotra fampiononana sy fanohanana amin’ny toe-javatra maro ireo fifandraisana ireo. Indrisy anefa fa indraindray ilay olona itodihantsika dia lasa miaro tena na miahiahy na tsy maneho fahaiza-miombom-pihetseham-po. Mety ho sarotra ny maneho faharetana amin’ny hafa rehefa ao anatin’ny fotoan-tsarotra isika. Saingy mila ny faharetantsika tahaka ny ilantsika ny azy ireo isika.

  • Manàna faharetana amin’ireo mpitarika ato amin’ny Fiangonana. Olona marin-toetra kanefa tsy tonga lafatra ireo mpitarika ato amin’ny Fiangonana izay nantsoina hitarika ity asa ity. Nilaza ny Loholona Dieter F. Uchtdorf fa: “efa nisy fotoana izay nanaovan’ireo mpikambana na mpitarika ato amin’ny Fiangonana fahadisoana tsotra izao.”3 Nitombina izany taloha ary mbola mitombina ankehitriny. Mety hiteny zavatra izay hahatonga ny fahasorenanao na ny fahatsapanao tena ho atoka-monina ny mpitarika iray ato amin’ny Fiangonana. Mety tsy haneho ny fangorahana na ny fahatakarana ilainao izy ireo. Ny fanehoana faharetana amin’ireo mpitarika dia tsy midika hoe manome vahana ny fihetsika tsy ara-dalàna na mifono herisetra isika. Fa mila manolotra fanampiana, sy fitiavana ary maneho faharetana amin’ny ankamaroan’ireo mpitarika ato amin’ny Fiangonana isika eo am-piasan’izy ireo amin’ny fomba tsotra sy tsy lavorary ho an’i Ziona.

  • Manàna faharetana amin’ny fotoanan’ny Tompo. Matetika isika no mila valiny haingana rehefa manana fanontaniana mahakasika ny Fiangonana. Mety hieritreritra isika fa hanampy ny mamaky ny zava-drehetra mety ho hitantsika momba ana olana iray na toy ny ahoana na toy ny ahoana ny loharano ipoiran’izany. Na mety hihevitra isika fa ny vavaka na ny fihaonana amina mpitarika iray ato amin’ny Fiangonana dia hitondra vahaolana haingana amin’ireo fahatsapantsika. Kanefa matetika no dingana lava kokoa ny fitadiavana fiadanana. Mety haharary ny tsy fifandrifian’ny fanantenantsika sy ny zava-misy atrehantsika ankehitriny. Tahaka an’i Nefia, isika dia afaka ny hahazo fampiononana amin’ny fahafantarana “fa tia ireo zanany [Andriamanitra]” na dia “tsy fanta[tsika aza] ny hevitry ny zava-drehetra.”4

Soratra masina manan-danja: Romana 5:3–4; Almà 7:23; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 21:5