Tahirim-pitaovana
Fantaro fa dingana miantoana ny fahazoana fanambarana


“Fantaro fa dingana miantoana ny fahazoana fanambarana,” Lohahevitra sy fanontaniana (2023)

Sary
Zatovavy iray monina any Ghana mipetraka eo amin’ny zanatohatra ary manoratra ao anatina diary

Fikatsahana ny valin’ireo fanontanianao

Fantaro fa dingana miantoana ny fahazoana fanambarana

Mora ny mihevitra fa rehefa te hampita zavatra Andriamanitra dia miresaka fotsiny amin’ireo mpitarika ato amin’ny Fiangonana Izy mba hampahafantarana antsika izany. Saingy ny tantaran’ny Famerenana amin’ny laoniny dia mampiseho fa dingana miantoana ny fikatsahana ny hahafantatra ny sitrapon’ Andriamanitra ary matetika izany no raisina aorian’ny fisaintsainana sy fitalahoana. Mitombina izany ho an’ireo mpaminany sy ho an’ny tsirairay avy amintsika. Mamporisika antsika rehetra ny Filoha Russell M. Nelson mba “hampitombo ny fahafahan[tsika] ara-panahy amin’izao fotoana izao handray fanambarana ho an’ny tenan[tsika] manokana.”1

Ireto misy fitsipika vitsivitsy izay hanampy anao eo am-pandalinanao ny fandraisana fanambarana, eo anivon’ny Fiangonana sy eo amin’ny fiainanao:

  • Tsarovy fa mazàna ny fanambarana no miantomboka amin’ny fanontaniana. Ny ohatra nasehon’i Joseph Smith dia maneho fa mitana anjara asa fototra ao amin’ny dingan’ny fahazoana fanambarana ny fahafahantsika misafidy sy ny fanontaniana feno hitsim-po ananantsika. Saika ho ny fizarana tsirairay ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana no mamaly fanontaniana iray. Nampianatra an’i Joseph ny Tompo mba handinika ny zava-drehetra ao an-tsainy sy hikatsaka ny fanahin’ny fanambarana. Ny dingan’ny fandraisana an-tanana ireo olana, ny fikatsahana fahatakarana, sy ny fanandramana ireo mety ho valim-panontaniana isan-karazany, ary ny fivavahana mba hahazo fitarihana dia manomana ny fontsika sy manokatra ny saintsika. Manampy antsika handray, sy hahatakatra ary hampihatra fanambarana izany.

  • Ekeo fa tonga andalan-tsoratra anampy andalan-tsoratra ny fanambarana. “Vavolombelon’ny fizotry ny famerenana amin’ny laoniny isika,” araka ny nolazain’ny Filoha Russell M. Nelson. “Raha mihevitra ianareo fa efa naverina tamin’ny laoniny tanteraka ny Fiangonana dia tsy izay satria mbola ny fiantombohany ihany no hitanareo.”2 Fiangonana velona ity. Na dia tsy miova aza ireo fahamarinana manan-danja ao amin’ny filazantsara, dia amam-bolana sy aman-taona ary amam-polotoanany maro kosa no nahazoana fanambarana andalana anampy andalana ireo fitsipiky ny Fiangonana, ny fandaharanasany, sy ireo rafitra ary ireo fampianarana. Ary mitohy ilay dingana miantoana. Tsy afaka ny hahita ny farany aty am-boalohany foana isika saingy afaka matoky isika fa hanohy hiara-hiasa amin’ireo zanany ny Tompo mba hanomezana fahalalana sy fahatakarana misimisy kokoa ho azy ireo.

  • Tsarovy fa miresaka amintsika arakaraky ny fahatakarantsika Andriamanitra. Vovolavolain’ny kolontsaina ny olombelona rehetra: zavatra inoana, fomba amam-panao, fiteny ary ireo soatovina iombonantsika. Miovaova be araka ny toerana sy ny fotoana ny kolontsaina. Fahamarinana kanto momba ny Famerenana amin’ny laoniny ny fahavononan’ Andriamanitra hanome fanambarana izay misy dikany amintsika ao anatin’ny kolontsaintsika sy araky ny fahatakarantsika. Afaka manampy antsika handray ny soratra masina sy ny tenin’ireo mpaminany fahiny amim-panetrentena ny fahatsiarovana izany. Niresaka tamin’ireo Isiraelita fahiny araky ny fahatakarana Atsinanana akaiky (Proche-Orient) fahiny nananan’izy ireo Andriamanitra. Nampiasa fanehoana an’ohatra sy fiteny avy tamin’ny kolotsaina Amerikana tamin’ny taona 1800 Izy raha niresaka tamin’i Joseph Smith. Ary miresaka amintsika Andriamanitra ankehitriny araky ny fetran’ny fahaizantsika; amin’ny fomba izay hahatakarantsika izany.

  • Aoka ianao ho mahatoky ary minoa. Matetika ny Olomasin’ny Andro Farany no manambara hoe “fantatro” rehefa mizara ny fijoroana ho vavolombelona ananan’izy ireo. Milazalaza ny traikefa ara-panahy azon’ny tena manokana tamin’ny alalan’ny fandalinana sy ny fiainana ny filazantsara ireny filazan-javatra vokatry ny fo ireny. Saingy mandeha am-pinoana daholo isika eto amin’ity fiainana ity. Ny hany angatahan’ny Mpamonjy amintsika dia ny manomboka amin’ny alalan’ny finoana. Tsy maninona raha manana fisalasalana ianao. Tsy maninona raha faniriana ny hino no hany anananao amin’izao fotoana izao. Afaka miteny tahaka ilay raim-pianakaviana nangataka an’i Jesoa mba hanasitrana ny zanany ianao hoe: “Mino aho; vonjeo mba ho afaka amin’ny tsi-finoako.”3

  • Tsarovy fa avy amin’ Andriamanitra ny zavatra tsara rehetra. Rehefa niseho tamin’i Joseph Smith ny anjely Môrônia dia namerina ny faminanian’i Joela izay milaza fa handatsaka ny Fanahiny amin’ny nofo rehetra ny Tompo amin’ny andro farany.4 Na dia feno faharatsiana aza eto amin’izao tontolo izao dia heniky ny hatsarana sy fahamarinana ihany koa izany. Tafiditra ao anatin’izany ny fivoaran’ny siansa sy ny fitsaboana ary ireo ezaka amin’ny fampitomboana ny fanajana ny olon-drehetra. Nampianatra ireo mpitarika ato amin’ny Fiangonana fa miresaka amin’ny isam-batan’olona any anivon’ny kolontsaina rehetra Andriamanitra. Tahaka ny anasantsika ny hafa hiaraka amintsika sy “hitondra ny zava-tsoa rehetra ananareo,” no ankamamiantsika ny fahamarinana na aiza na aiza ahitantsika izany.5

  • Fantaro fa mety ho sarotra ny hahazoana fanambarana. Na dia mety ho vetivety sy mora aza indraindray ny fahatongavan’ny valin’ireo fanontaniana ananantsika, dia mety hitaky asa an-taonany maro ihany koa ny fahazoana fanambarana. Mety hitondra fahasahiranana ho antsika ihany koa ny toe-javatra iainantsika rehefa mikatsaka fanambarana ho an’ny tena manokana isika. Ohatra, misy olona miatrika tsy fahasalamana toy ny rarin-tsaina izay mampananosarotra kokoa ny fahatsapana ho akaiky an’ Andriamanitra. Afaka manao izy tandrify antsika isika mba handraisana an-tanana ireny olana ireny sady manohy matoky fa hanampy antsika hahita fiadanana ny Tompo. Tsy hoe satria tsy naharay valiny avy amin’ Andriamanitra ianao dia tsy maintsy hoe misy zavatra tsy mety ataonao izay no dikan’izany. Manàna faharetana ary voleo ny finoanao eo am-piandrasanao ny Tompo.

  • Mitozoa mikatsaka fanambarana. Eo am-pikatsahanao fiadanana mifandray amin’ireo fanontanianao, dia tohizo ny fanaovana ireo zavatra fototra: mivavaka, mandalina soratra masina, mandray ny fanasan’ny Tompo, miezaka mitandrina ireo didy, ary mitsaoka any amin’ny tempoly. Ankoatra izany dia azonao atao ny mikatsaka ny ho akaikin’ny Tompo kokoa amin’ny alalan’ny fanompoana ny hafa ao amin’ny fianakavianao, ny mpiara-miangona na ny fiaraha-monina; amin’ny alalan’ny fanokanana fotoana hankamamiana ny zavaboary; na amin’ny alalan’ny fisaintsainana ireo zavatra ara-panahy. Hanampy anao haka antoka ny fihazonana ny fantson’ny fanambarana mba hisokatra ny fanakaikezana an’ Andriamanitra.

Soratra masina manan-danja: Jakoba 1:5–6; 2 Nefia 28:30; 31:3; Almà 5:45–47; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 1:24; 88:63