Ny soratra masina
1 Nefia 19


Toko 19

Nanao takelaka tamin’ny akora i Nefia ary nirakitra an-tsoratra ny tantaran’ny olony—Eninjato taona taorian’ny fotoana nandaozan’i Lehia an’i Jerosalema vao ho tonga ny Andriamanitry ny Isiraely—Nilaza ny amin’ny fijaliany sy ny nanomboana Azy i Nefia—Hohamavoina ny Jiosy sy haely patrana hatramin’ny andro farany izay hiverenany amin’ny Tompo. Tokony ho 588–570 taona talohan’i Kristy.

1 Ary ny zava-nitranga dia nandidy ahy ny Tompo ka dia nanao takelaka tamin’ny akora aho mba hahazoako misokitra eo aminy ny rakitsoratry ny oloko. Ary teo amin’ny takelaka izay nataoko no nisokirako ny rakitsoratry ny raiko ary koa ny dianay tany an-tany foana sy ny faminanian-draiko; ary ny ankabeazany tamin’ny faminaniako dia efa nosokiriko teo aminy koa.

2 Ary tsy nahalala aho tamin’ny fotoana izay nanaovako azy ireo fa hodidian’ny Tompo aho mba hanaovako ireto takelaka ireto; koa ny rakitsoratry ny raiko sy ny tetiaran’ny razany ary ny ankamaroan’ny zavatra rehetra nanjo anay tany an-tany foana, dia efa voasokitra teo amin’ireo takelaka voalohany izay efa noresahiko ireo; koa ny zavatra izay nitranga talohan’ny nanaovako ireto takelaka ireto, raha ny marina dia voalaza kokoa amin’ny antsipiriany eo amin’ny takelaka voalohany.

3 Ary rehefa nahavita ireto takelaka ireto izaho Nefia araka ny baiko azoko, dia nahazo baiko aho fa ny asa fanompoana sy ny faminaniana, ny lafiny tsotra sy sarobidy indrindra amin’izany, dia hosoratana eo amin’ireto takelaka ireto; ary ny zavatra izay efa voasoratra dia hotehirizina ho fianarana ho an’ny oloko izay hizaka ny tany, ary koa ho an’ny tanjona voalanjalanja hafa, izay tanjona efa fantatry ny Tompo.

4 Koa izaho Nefia dia nanao rakitsoratra teo amin’ny takelaka hafa izay manao ny fitantarana, na izay mitantara bebe kokoa ny amin’ny ady sy ny fifandirana ary ny famongorana ny oloko. Ary izany dia efa nataoko ary efa nandidiako ny oloko izay tokony hataony rahatrizay lasana aho; ary ireto takelaka ireto dia tokony hatolotry ny taranaka iray ho an’ny anankiray hafa, na ny mpaminany iray ho an’ny iray hafa, mandra-pamoahan’ny Tompo didy hafa.

5 Ary homena etoana ao aoriana ny antony nanaovako ireto takelaka ireto; ary indro hotohizako aloha araka izay nolazaiko; ary izany no ataoko dia ny mba hahazoana mitahiry ny zava-masina indrindra ho fantatry ny oloko.

6 Kanefa tsy manoratra na inona na inona eo amin’ireto takelaka ireto aho afa-tsy izay heveriko ho masina. Ary ankehitriny raha manao hadisoana aho, dia nanao hadisoana ireo teo alohako; tsy te hanala tsiny ny tenako aho noho ireo olon-kafa, fa noho ny fahalemena kosa izay ao anatiko, araka ny maha-nofo, dia mba te hanala tsiny ny tenako ihany aho.

7 Satria ny zavatra izay heverin’ny olona sasany ho manan-danja, na ho an’ny vatana na ho an’ny fanahy, dia ataon’ny hafa tsinontsinona ka itsahany amin’ny tongony. Eny, na dia ny tena Andriamanitry ny Isiraely aza dia itsahan’ny olona amin’ny tongony; itsahany amin’ny tongony hoy aho, nefa tiako holazaina amin’ny teny hafa—ataony tsinontsinona Izy ka tsy henoiny ny feon’ny fanoloran-tsainy.

8 Ary indro, avy Izy, eninjato taona taorian’ny fotoana nandaozan-draiko an’i Jerosalema araka ny tenin’ny anjely.

9 Ary izao tontolo izao, noho ny helony dia hihevitra Azy ho tsinontsinona; koa karavasiny Izy ary miaritra izany; ary asiany Izy, fa miaritra izany. Eny, rorany Izy ary miaritra izany noho ny lemim-panahiny sy ny fitiavany ary ny faharipony amin’ny zanak’olombelona.

10 Ary ny Andriamanitry ny razantsika izay nentina nivoaka an’i Egypta, niala ny famatorana sy narovana koa tany an-tany foana tamin’ny alalany, eny, ny Andriamanitr’i Abrahama sy ny an’i Isaka ary ny Andriamanitr’i Jakoba no manolotra ny tenany araka ny tenin’ny anjely amin’ny maha-olona, ho eo an-tanan’ny olon-dratsy mba hasandratra araka ny tenin’i Zenôka sy mba homboana araka ny tenin’i Neoma ary halevina ao am-pasana, araka ny tenin’i Zenôsa izay niteny momba ny haizina hateloana izay ho famantarana homena ny amin’ny fahafatesany ho an’ireo izay honina amin’ny nosin-dranomasina, ary homena indrindra indrindra an’ireo izay isan’ny mpianakavin’i Isiraely.

11 Fa toy izao no nolazain’ny mpaminany: Hamangy marina tokoa ny mpianakavin’i Isiraely rehetra ny Tompo Andriamanitra amin’izany andro izany, ny sasany amin’ny feony noho ny fahamarinany mba ho fifaliana lehibe sy famonjena ny azy, ary ny hafa amin’ny varatra sy ny tselatry ny heriny, amin’ny tafio-drivotra, amin’ny afo ary amin’ny setroka sy amin’ny eton’ny haizina ary amin’ny fisokafan’ny tany, sy amin’ny tendrombohitra izay hasondrotra.

12 Ary tsy maintsy ho tonga marina tokoa izany zavatra rehetra izany, hoy ny mpaminany Zenôsa. Ary tsy maintsy hitresaka ny vatolampin’ny tany; ary noho ny fitoreoreon’ny tany dia maro amin’ny mpanjakan’ny nosin-dranomasina no hiasan’ny Fanahin’ Andriamanitra ka hiantso hoe: Mijaly ny Andriamanitry ny voary.

13 Ary ny amin’ireo izay ao Jerosalema, hoy ny mpaminany, dia hokaravasin’ny olon-drehetra izy ireo, satria manombo ny Andriamanitr’i Isiraely sy mamily lalana ny fony, mitsipaka ny famantarana sy ny fahagagana ary ny hery sy ny voninahitry ny Andriamanitr’i Isiraely.

14 Ary satria namily lalana ny fony izy ireo, hoy ny mpaminany, sy efa nanamavo ny Iray Masin’ny Isiraely, dia hirenireny izy ireo eo amin’ny nofo sy ho faty, ary lasa faneso sy fandatsa ary hankahalaina eo anivon’ny firenen-drehetra.

15 Kanefa, rehefa tonga izany andro izany, hoy ny mpaminany, izay tsy hamiliany intsony ny fony hanohitra ilay Iray Masin’ny Isiraely, dia hotsaroany kosa amin’izany ny fanekempihavanana izay nataony tamin’ny razany.

16 Eny, hotsaroany amin’izany ny nosin-dranomasina; eny, ary ny vahoaka rehetra izay isan’ny mpianakavin’i Isiraely, hoy ny Tompo, araka ny tenin’i Zenôsa mpaminany dia hangoniko avy amin’ny vazan-tany efatra.

17 Eny, ary ny tany manontolo dia hahita ny famonjen’ny Tompo, hoy ny mpaminany; hotahiana ny firenena, ny foko sy ny samy hafa fiteny ary ny mponina rehetra.

18 Ary izaho Nefia dia efa nanoratra ireo zavatra ireo ho an’ny oloko, fa angamba mba haharesy lahatra azy aho ka hotsaroany ny Tompo Mpamonjy azy.

19 Koa, miteny amin’ny mpianakavin’i Isiraely rehetra aho raha toa ka hahazo ireo zavatra ireo izy.

20 Fa indro tojo fanahiana ny fanahiko ho an’ireo ao Jerosalema, izay tena mandreraka ahy, ka na dia ny vanintaolako rehetra aza dia mangozohozo; satria raha tsy feno famindram-po ny Tompo ka tsy nampiseho ahy ny momba azy ireo, toy ny efa nataony tamin’ny mpaminany fahiny, dia tokony ho efa maty koa aho.

21 Ary nasehony marina tokoa tamin’ny mpaminany fahiny ny zava-drehetra momba azy ireo; ary nasehony ny maro koa ny momba anay; koa tsy maintsy ilaina ny hahafantaranay ny momba azy ireo satria efa voasoratra eo amin’ny takela-barahina izany.

22 Ankehitriny ny zava-nitranga, izaho Nefia dia nampianatra ireo zavatra ireo ny rahalahiko; ary ny zava-nitranga izaho dia namaky taminy zavatra maro izay efa voasokitra eo amin’ny takela-barahina mba hahafantarany ny momba ny zavatra nataon’ny Tompo tany amin’ny tany hafa, teo anivon’ny mponina fahiny.

23 Ary izaho dia namaky taminy zavatra maro izay voasoratra ao amin’ny bokin’i Mosesy; nefa mba hahazoako mandresy lahatra tanteraka azy ireo ka hinoany ny Tompo Mpanavotra azy ireo, dia novakiako taminy izay voasoratry ny mpaminany Isaia; satria efa nampihariko taminy ny tenin’ny soratra masina rehetra mba ho tombontsoanay sy ho fianarana ho anay.

24 Koa niteny taminy aho nanao hoe: Henoinareo ny tenin’ny mpaminany, ianareo izay sisa tavela tamin’ny mpianakavin’i Isiraely, izay sampana iray nosarahina hiala; henoinareo ny tenin’ny mpaminany izay nosoratana ho an’ny mpianakavin’i Isiraely rehetra ary ampiharo amin’ny tenanareo mba hahazoanareo manana fanantenana toy ny rahalahinareo izay nosarahina taminareo; fa toy izao no efa nosoratan’ny mpaminany.