Ny soratra masina
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88


Fizarana 88

Fanambarana nomena tamin’ny alalan’i Joseph Smith Mpaminany tao Kirtland, Ohio ny 27 sy 28 desambra 1832, ary ny 3 janoary 1833. Nantsoin’ny Mpaminany izy ity hoe “‘ravin’oliva’ … nongotana tamin’ny Hazon’ny Paradisa, ny hafatry ny Tompo mitondra fiadanana ho antsika.” Ity fanambarana ity dia nomena nandritra ny fihaonambe iray rehefa avy samy nivavaka “nitokana sy tamin’ny feo avo tamin’ny Tompo ny mpisorona avo maromaro ny mba hanambarany ny sitrapony amintsika mikasika ny fananganana an’i Ziona.”

1–5, Mandray ny Mpampionona izay fampanantenana ny fiainana mandrakizay ny Olomasina mahatoky; 6–13, Voara-maso sy voafehin’ny fahazavan’i Kristy ny zava-drehetra; 14–16, Ny fahatongavan’ny Fitsanganana amin’ny maty amin’ny alalan’ny Fanavotana; 17–31, Ny fankatoavana ny lalàna selestialy, terestrialy na telestialy dia manomana ny olona ho amin’ireo fanjakana sy voninahitra tsirairay avy ireo; 32–35, Ireo izay te hitoetra ao amin’ny fahotana dia mbola mijanona ho maloto; 36–41, Ny fanjakana rehetra dia entina amin’ny lalàna; 42–45, Efa nomen’ Andriamanitra ny lalàna ho an’ny zava-drehetra; 46–50, Ho takatry ny olona na dia Andriamanitra aza; 51–61, Ny fanoharana ny amin’ilay lehilahy izay mandefa ny mpanompony ho any an-tsaha sy ny fisafoany ny tsirairay avy taminy; 62–73, Manakaikeza ny Tompo ianareo dia hahita ny tavany; 74–80, Manamasina ny tenanareo ary mifampianara ny fotopampianaran’ny fanjakana; 81–85, Ny olona tsirairay izay efa nampitandremana dia tokony hampitandrina ny namany; 86–94, Famantarana, fikorontanan’ny singa, ary anjely no manomana ny lalana ho amin’ny fiavian’ny Tompo; 95–102, Fiantsoan’ny trompetran’ny anjely ny maty araka ny fandaminany; 103–116, Filazan’ny trompetran’ny anjely ny famerenana ny filazantsara ho amin’ny laoniny, ny fianjeran’i Babylona ary ny adin’ilay Andriamanitra lehibe; 117–126, Katsaho ny fianarana, aoreno ny tranon’ Andriamanitra (ny tempoly) ary atafio ny tenanareo ny famatoran’ny fiantrana; 127–141, Fanazavana ny amin’ny lamin’ny Sekolin’ny Mpaminany ka ao anatin’izany ny ôrdônansin’ny fanasan-tongotra.

1 Toy izao marina tokoa no lazain’ny Tompo aminareo izay efa niara-nivory mba handray ny sitrapony momba anareo:

2 Indro, izany dia ankasitrahan’ny Tomponareo ary miravoravo ny aminareo ny anjely; ny fanampiany fivavakareo dia efa tafakatra any an-tsofin’ny Tompon’ny Sabaota, ary voarakitra ao amin’ny bokin’ny anaran’ny nohamasinina, dia ireo izay ao amin’ny tontolo selestialy.

3 Koa irahiko ho aminareo ankehitriny ny Mpampionona hafa, dia aminareo ry sakaizako, mba hahazoany mitoetra ao am-ponareo, dia ny Fanahy Masin’ny fampanantenana; dia Mpampionona iray hafa izay izy ihany, ilay nampanantenaiko ny mpianatro, araka izay voasoratra ao amin’ny tenivavolombelon’i Jaona.

4 Io Mpampionona io no fampanantenana izay omeko anareo ny amin’ny fiainana mandrakizay, dia ny voninahitry ny fanjakana selestialy;

5 Dia ny voninahitra izay an’ny fiangonan’ny Lahimatoa, dia ny an’ Andriamanitra, ny masina indrindra amin’ny rehetra, amin’ny alalan’i Jesoa Kristy zanany—

6 Izy izay niakatra ho any amin’ny avo tahaka ny nidinany koa ho ambanin’ny zava-drehetra, ka nahatakarany ny zava-drehetra mba hahatonga Azy ho ao amin’ny rehetra sy amin’ny alalan’ny zava-drehetra, ny fahazavan’ny fahamarinana;

7 Dia fahamarinana izay mamirapiratra. Izany no fahazavan’i Kristy. Tahaka Azy koa ao amin’ny masoandro sy fahazavan’ny masoandro ary ny hery avy amin’izany izay nanaovana azy.

8 Tahaka Azy koa ao amin’ny volana sy fahazavan’ny volana, ary ny hery avy amin’izany izay nanaovana azy;

9 Tahaka ny fahazavan’ny kintana koa, ary ny hery avy amin’izany izay nanaovana azy ireo;

10 Ary ny tany koa sy ny hery avy amin’izany, dia ny tany izay eo amboniny no ijoroanareo.

11 Ary ny fahazavana izay mamirapiratra, izay manome anareo fahazavana, dia avy aminy izay manazava ny masonareo, dia ilay fahazavana izay mampahavitrika ny fahatakaranareo;

12 Izay fahazavana mivoaka avy eo anatrehan’ Andriamanitra mba hameno ny fidadasiky ny habakabaka—

13 Fahazavana izay ao amin’ny zava-drehetra, izay manome aina ny zava-drehetra, dia lalàna izay itondrana ny zava-drehetra, dia ny herin’ Andriamanitra izay mipetraka eo amin’ny seza fiandrianany, izay ao anivon’ny mandrakizay, izay eo afovoan’ny zava-drehetra.

14 Ankehitriny, dia lazaiko aminareo marina tokoa fa amin’ny alalan’ny fanavotana izay natao ho anareo no anatanterahana ny fitsanganan’ny nodimandry amin’ny maty.

15 Ary ny fanahy sy vatana no atao hoe olona velona.

16 Ary ny fitsanganana amin’ny maty no fanavotana ny fanahy.

17 Ary ny fanavotana ny fanahy dia amin’ny alalan’ilay mamelona ny zava-drehetra, izay ao an-tratrany no voatendry fa ny mahantra sy ny malemy fanahy amin’ny tany no handova izany.

18 Koa tsy maintsy ilaina ho voadio amin’ny tsy fahamarinana rehetra izany mba ho azo omanina ho amin’ny voninahitra selestialy;

19 Fa rehefa nahatratra ny tanjona nahariana azy izany dia hosatrohina voninahitra, dia ny fanatrehan’ Andriamanitra Ray;

20 Mba hahazoan’ny vatana, izay an’ny fanjakana selestialy, mizaka izany mandrakizay mandrakizay; fa noho io tanjona io no nanaovana sy nahariana izany, ary noho io tanjona io no nanamasinana azy ireo.

21 Ary ireo izay tsy hamasinina amin’ny alalan’ny lalàna izay efa nomeko anareo, dia ny lalàn’i Kristy, dia tsy maintsy mandova fanjakana iray hafa, dia ny fanjakana terestrialy, na ny telestialy.

22 Fa izay tsy afaka mandray ny lalàn’ny fanjakana selestialy dia tsy afaka handray ny voninahitra selestialy.

23 Ary izay tsy afaka mandray ny lalàn’ny fanjakana terestrialy dia tsy afaka handray ny voninahitra terestrialy.

24 Ary izay tsy afaka mandray ny lalàn’ny fanjakana telestialy dia tsy afaka handray ny voninahitra telestialy; koa tsy sahaza azy ny fanjakam-boninahitra. Koa tsy maintsy mandray fanjakana izay tsy fanjakam-boninahitra izy.

25 Ary ankoatra izany, dia lazaiko aminareo marina tokoa fa mandray ny lalàn’ny fanjakana selestialy ny tany satria mahatratra ny tanjona nahariana azy izy ary tsy mandika ny lalàna—

26 Koa hohamasinina izy; eny, na dia ho faty aza izy dia hovelomina indray ary hahatanty ny hery izay amelomana azy, ary ny marina no handova azy.

27 Fa na dia ho faty aza izy ireo dia hitsangana indray ho vatana ara-panahy.

28 Ireo izay an’ny fanahy selestialy dia handray vatana, izay ilay vatana voajanahary ihany; eny horaisinareo ny vatanareo, ary ny voninahitrareo dia ilay voninahitra izay hamelona ny vatanareo.

29 Ianareo izay velomin’ny ampahany amin’ny voninahitra selestialy amin’izay, dia handray izany ihany, saingy amin’ny fahafenoany.

30 Ary ireo izay velomin’ny ampahany amin’ny voninahitra terestrialy amin’izay, dia handray izany ihany, saingy amin’ny fahafenoany.

31 Ary ireo izay velomin’ny ampahany amin’ny voninahitra telestialy amin’izay, dia handray izany ihany, saingy amin’ny fahafenoany.

32 Ary ireo izay tavela dia hovelomina koa; kanefa dia hiverina indray eo amin’ny toerany ihany izy ireo mba hanana anjara amin’izay tiany horaisina, noho izy ireo tsy te hanana anjara amin’izay mety ho noraisiny.

33 Fa inona no soa azon’ny olona raha atolotra azy ny fanomezana kanefa tsy mandray izany izy? Indro tsy mankasitraka izay omena azy izy sady tsy mankasitraka an’ilay mpanome fanomezana.

34 Ary ankoatra izany, dia lazaiko aminareo marina tokoa fa izay entin’ny lalàna dia arovan’ny lalàna ary manjary tanteraka sy hamasinin’izany ihany koa.

35 Izay mandika lalàna sy tsy mandray ny lalàna fa mitady ny ho lalàna ho an’ny tenany ary te hitoetra ao amin’ny fahotana, ary mitoetra tanteraka ao amin’ny fahotana, dia tsy azo hamasinina amin’ny lalàna, na amin’ny famindram-po, na ny fahamarinana, na ny fitsarana. Koa tsy maintsy mbola mijanona ho maloto izy.

36 Manana lalàna izay nomena ny fanjakana rehetra;

37 Ary misy maro ireo fanjakana; fa tsy misy velarana izay tsy misy fanjakana; ary tsy misy fanjakana izay tsy misy velarana ao anatiny, na fanjakana lehibe izany na kely.

38 Ary ho an’ny fanjakana tsirairay dia misy ny lalàna nomena; ary ho an’ny lalàna tsirairay dia misy koa ny fetra sy ny fepetra.

39 Ny olona rehetra izay tsy manaraka ireo fepetra ireo dia tsy hamarinina.

40 Fa ny faharanitan-tsaina dia miraikitra amin’ny faharanitan-tsaina; ny fahendrena dia mandray ny fahendrena; ny fahamarinana mifamihina amin’ny fahamarinana; ny hatsaran-toetra tia ny hatsaran-toetra; ny fahazavana miraikitra amin’ny fahazavana; ny famindram-po manana fangorahana ny famindram-po ary mitaky izay azy; ny fahitsiana manohy ny diany ary mitaky izay azy; ny fitsarana mandeha eo anoloan’ny tavan’ilay mipetraka eo amin’ny seza fiandrianana sy mitondra ary manatanteraka ny zava-drehetra.

41 Mahatakatra ny zava-drehetra Izy, ary ny zava-drehetra dia eo anoloany, ary ny zava-drehetra dia manodidina Azy; ary Izy dia ambonin’ny zava-drehetra sy ao amin’ny zava-drehetra ary mameno ny zava-drehetra ary manodidina ny zava-drehetra; ary ny zava-drehetra dia amin’ny alalany sy avy Aminy, dia Ilay Andriamanitra mandrakizay mandrakizay.

42 Ary ankoatra izany, dia lazaiko aminareo marina tokoa, efa nomeny ho an’ny rehetra ny lalàna izay ihetsehan’izy ireo amin’ny fotoany sy ny fizaran-taonany;

43 Ary ny lalan’izy ireo dia efa raikitra, dia ny lalan’ireo lanitra sy ny tany, ka anisan’izany ny tany sy ireo planeta rehetra.

44 Ary izy ireo dia mifanome hazavana amin’ny fotoany sy amin’ny fizaran-taonany, amin’ny minitrany, amin’ny orany, amin’ny androny, amin’ny herinandrony, amin’ny volany, amin’ny taonany—ireo rehetra ireo dia taona iray ho an’ Andriamanitra fa tsy ho an’ny olona.

45 Mihodina amin’ny elany ny tany, ary ny masoandro dia manome ny hazavany amin’ny antoandro, ary ny volana manome ny hazavany amin’ny alina, ary ny kintana koa dia manome ny hazavany raha mbola mihodina amin’ny elany ao amin’ny voninahiny, eo afovoan’ny herin’ Andriamanitra.

46 Amin’ny inona no hanoharako ireo fanjakana ireo mba hahatakaranareo izany?

47 Indro, ireo rehetra ireo dia fanjakana, ary izay olona efa nahita ny iray na ny madinika indrindra tamin’ireo dia efa nahita an’ Andriamanintra mihetsika ao amin’ny fahandrianany sy ny heriny.

48 Hoy Aho aminareo, efa nahita Azy izy; kanefa Izy ilay tonga tany amin’ny Azy dia tsy nisy nahazo.

49 Ny hazavana dia mamirapiratra ao amin’ny haizina ary tsy azon’ny haizina izany; kanefa ho avy ny andro izay hahazoanareo na dia Andriamanitra aza, rehefa velomina ao Aminy sy amin’ny alalany ianareo.

50 Amin’izay dia ho fantatrareo fa efa nahita Ahy ianareo, fa Izy Aho, fa Izaho no ilay hazavana marina izay ao aminareo, ary ianareo dia ato amiko; raha tsy izany dia tsy ho afaka ny hiroborobo ianareo.

51 Indro, ireo fanjakana ireo dia hohariko amin’ny lehilahy iray manana saha, ary nirahiny ireo mpanompony ho any an-tsaha mba hiasa eo an-tsaha.

52 Ary hoy izy tamin’ilay voalohany: Mandehana ianao ary miasà any an-tsaha, ary amin’ny ora voalohany dia hankany aminao aho ary ho hitanao ny fifaliana eo amin’ny tavako.

53 Ary hoy izy tamin’ilay faharoa: Mandehana koa ianao mankany an-tsaha, ary amin’ny ora faharoa, dia hamangy anao aho miaraka amin’ny fifaliana eo amin’ny tavako.

54 Ary tamin’ilay fahatelo koa, nanao hoe: Hamangy anao aho;

55 Ary tamin’ilay fahefatra, ary dia toy izany hatrany amin’ilay faharoa ambin’ny folo.

56 Ary ny Tompon’ny saha dia nandeha tany amin’ilay voalohany tamin’ny ora voalohany ary niara-nitoetra taminy nandritra izany ora manontolo izany, ary nampifaly azy ny hazavan’ny tavan’ny tompony.

57 Ary rehefa izany, dia niala teo amin’ilay voalohany izy mba hahazoany mamangy koa ny faharoa sy ny fahatelo sy ny fahefatra ary dia toy izany hatrany amin’ny faharoa ambin’ny folo.

58 Ary dia toy izany no nandraisan’izy rehetra ny hazavan’ny tavan’ny tompony, ny olona tsirairay tamin’ny orany sy ny fotoany ary ny fizaran-taonany avy—

59 Nanomboka tamin’ny voalohany, ary dia toy izany hatrany amin’ny farany, ary hatrany amin’ny farany ka hatrany amin’ny voalohany, ary hatrany amin’ny voalohany ka hatrany amin’ny farany;

60 Ny olona tsirairay araka ny filaharany avy ambara-pahatapitry ny orany, araka izay efa nandidian’ny tompony azy, mba hahazoana mankalaza ny tompony ao aminy ary izy ao amin’ny tompony, mba hahazoana mankalaza azy rehetra.

61 Koa, ireo fanjakana rehetra ireo sy ny mponina ao aminy dia hohariko amin’io fanoharana io—ny fanjakana tsirairay amin’ny orany sy ny fotoany ary ny fizaran-taonany, dia araka ny didim-pitondrana izay efa nataon’ Andriamanitra.

62 Ary ankoatra izany, dia lazaiko aminareo marina tokoa ry sakaizako, avelako aminareo ireny teny ireny mba hosaintsaininareo ao am-ponareo, miaraka amin’izao didy izay omeko anareo izao, dia ny hiantsoanareo Ahy dieny mbola akaiky aho—

63 Manakaikeza Ahy dia hanakaiky anareo Aho; tadiavo fatratra Aho dia hahita Ahy ianareo; mangataha dia hahazo ianareo, dondòny dia hovohana ianareo.

64 Na inona na inona angatahinareo amin’ny Ray amin’ny anarako, ka ilainareo, dia homena anareo izany;

65 Ary raha mangataka zavatra izay tsy ilainareo ianareo dia hivadika ho fanamelohana ho anareo izany.

66 Indro, izay renareo dia tahaka ny feon’ilay miantso any an’efitra—any an’efitra satria tsy afaka ny hahita azy ianareo—ny feoko satria ny feoko dia Fanahy; ny Fanahiko dia fahamarinana; ny fahamarinana dia mitoetra ary tsy manam-pahataperana; ary raha ao aminareo izany dia hamoa be dia be.

67 Ary raha tsy mibanjina afa-tsy ny voninahitro ny masonareo, dia ho feno fahazavana ny vatanareo manontolo ka tsy hisy haizina ao aminareo; ary izany vatana izay feno hazavana izany dia mahatakatra ny zava-drehetra.

68 Koa manamasina ny tenanareo mba tsy hibanjina afa-tsy Andriamanitra ny sainareo, dia ho avy ny andro izay hahitanareo Azy; fa hasehony anareo ny tavany ary izany dia ho amin’ny fotoany sy araka ny fombany ary araka ny sitrapony.

69 Tadidio ilay fampanantenana lehibe sady farany izay efa nataoko taminareo; ario lavitra anareo ny hevi-dravinareo sy ny tokelakareo tafahoatra.

70 Mitomoera ianareo, mitomoera ianareo eo amin’ity toerana ity ary miantsoa fivoriana masina, dia ny fivorian’ireo izay efa mpiasa voalohany ao amin’ity fanjakana farany ity.

71 Ary aoka ireo izay efa nampitandremany tamin’ny diany hiantso ny Tompo ka hisaintsaina ao am-pony mandritra ny fotoana fohy ny fampitandremana izay efa noraisiny.

72 Indro ka jereo, hiahy ny ondrinareo Aho ka hanangana loholona ary haniraka azy ireo ho any aminy.

73 Indro, hohafainganiko amin’ny fotoany ny asako.

74 Ary omeko anareo izay mpiasa voalohany ao amin’ity fanjakana farany ity ny didy, mba hiarahanareo mivory ary handaminanareo ny tenanareo sy hanamasinanareo ny tenanareo; eny, diovy ny fonareo ary sasao eo anoloako ny tananareo sy ny tongotrareo mba hahazoako manadio anareo;

75 Mba hahazoako mijoro ho vavolombelona amin’ny Rainareo sy Andriamanitrareo ary Andriamanitro, fa ianareo dia madio amin’ny ran’ity taranaka mamohehatra ity; mba hahazoako manatanteraka ity fampanantenana ity, rehefa sitrako, dia ity fampanantenana lehibe sady farany izay efa nataoko taminareo ity.

76 Omeko anareo koa ny didy mba hanohizanareo ny vavaka sy ny fifadian-kanina hatramin’izao.

77 Ary omeko anareo ny didy mba hifampianaranareo ny fotopampianaran’ny fanjakana.

78 Mampianara amin’ny fahazotoana tokoa dia homba anareo ny fahasoavako, mba hahazoana mampianatra anareo misimisy kokoa ny amin’ny foto-pisainana, ny amin’ny fitsipika, ny amin’ny fotopampianarana, ny amin’ny lalàn’ny filazantsara, ny amin’ny zava-drehetra izay mikasika ny fanjakan’ Andriamanitra izay ilaina ho takatrareo;

79 Ny amin’ny zavatra any an-danitra sy ety an-tany ary any ambanin’ny tany; zavatra izay efa nisy, zavatra izay misy, ary zavatra izay tsy maintsy ho avy tsy ho ela; zavatra izay eo an-toerana, zavatra izay any ivelany; ny ady sy ny fisavorovoroan’ireo firenana, ary ny famaliana izay eo amin’ny tany; ary fahalalana koa ireo firenena sy ireo fanjakana—

80 Mba hahatonga anareo ho vonona amin’ny zava-drehetra, rehefa hirahiko indray ianareo mba hanandriana ny antso efa niantsoako anareo sy ny asa fitoriana izay efa nanendreko anareo.

81 Indro, naniraka anareo Aho ho vavolombelona manambara sy hampitandrina ny olona, ary ilaina ny olona nampitandremana mba hampitandrina ny namany.

82 Koa tsy manana fialan-tsiny izy ary ny fahotany dia eo ambony lohany ihany.

83 Izay fatra-pitady Ahy dia hahita Ahy ary tsy hafoy.

84 Koa mitomoera ianareo ary miasà fatratra hahazoana manao anareo ho tanteraka eo amin’ny asa fanompoanareo, dia ny handeha any anivon’ny Jentilisa indray mandeha farany, dia ireo rehetra izay hotononin’ny vavan’ny Tompo anarana mba hamehy ny lalàna sy hanisy tombo-kase ny tenivavolombelona ary hanomana ny olomasina ho amin’ny ora fitsarana izay ho avy;

85 Mba hahazoan’ny fanahiny miala ny fisafoahan’ Andriamanitra, ny fandravan’ny fahavetavetana izay miandry ny olon-dratsy, na eo amin’ity fiainana ity na amin’ny fiainana ho avy. Lazaiko aminareo marina tokoa, aoka ireo izay loholona voalohany hanohy eo amin’ny tanimboaloboka mandra-piantson’ny vavan’ny Tompo azy ireo satria tsy mbola tonga ny fotoan’izy ireo; tsy madio amin’ny ran’ity taranaka ity ny fitafiany.

86 Mitomoera ao amin’ny fahafahana izay nanafahana anareo; aza maningotra ny tenanareo amin’ny fahotana, fa aoka ho madio ny tananareo ambara-piavin’ny Tompo.

87 Fa tsy firy ny andro ho lasa hatramin’izao, dia hihorohoro ny tany ary hivembena etsy sy eroa toy ny olona mamo; ary hanafina ny tavany ny masoandro ka handà ny hanome hazavana; ary ny volana dia hampandroina amin’ny ra; ary ho tezitra izaitsizy tokoa ny kintana ka hiraraka amin’ny tany toy ny aviavy izay mihintsana amin’ny hazony.

88 Ary aorian’ny tenivavolombelonareo dia ho tonga amin’ny olona ny fisafoahana sy ny fahavinirana.

89 Satria aorian’ny tenivavolombelonareo dia tonga ny tenivavolombelon’ny horohoron-tany izay hahatonga toreo any anivony, ary ho lavo amin’ny tany ny olona ka tsy hahajoro.

90 Ary tonga koa ny tenivavolombelon’ny feom-baratra sy ny feon’ny tseletra, ary ny feon’ny tafio-drivotra sy ny feon’onjan-dranomasina miantoraka any ankoatra ny morony.

91 Ary hisamboaravoara ny zava-drehetra; ary ho ketraka marina tokoa ny fon’ny olona; fa ho tonga amin’ny olon-drehetra ny tahotra.

92 Ary hanidina eo afovoan’ny lanitra ireo anjely, hihiaka amin’ny feo mahery sady hitsoka ny trompetran’ Andriamanitra, manao hoe: Miomàna ianareo, miomàna ianareo ô, Ry mponin’ny tany; fa avy ny fitsaran’ Andriamanitsika. Indro ary jereo, avy ny Mpampakatra; mivoaha mba hitsena Azy.

93 Ary eo no ho eo dia hisy famantarana lehibe hiseho eny amin’ny lanitra, ary hiara-hahita izany ny olon-drehetra.

94 Ary hitsoka ny trompetrany ny anjely iray hafa, hanao hoe: Ilay fiangonana lehibe, ny renin’ny fahavetavetana, ilay nampisotro ny firenen-drehetra tamin’ny divain’ny fisafoahan’ny fijangajangany, ilay manenjika ny olomasin’ Andriamanitra, ilay nandatsaka ny rany—izy ilay mipetraka eo amin’ny rano maro sy amin’ireo nosin-dranomasina—indro, izy no tsimparifarin’ny tany; izy dia voafatotra ho fehezana; natao mafy ny fatorany, tsy misy olona afaka mamaha izany; koa, efa vonona ny hodorana izy. Ary hotsofiny maharitra sady mafy ny trompetrany ka handre izany avokoa ireo firenena.

95 Ary hisy fahanginana mandritra ny antsasak’adiny any an-danitra; ary aorian’izany avy hatrany no hanokafana ny lambam-baravaran’ny lanitra toy ny hamelarana horonan-taratasy avy nahorona, ary haseho ny tavan’ny Tompo;

96 Ary ny olomasina izay ety an-tany, izay velona, dia hampahavitrihana sy hakarina mba hitsena Azy.

97 Ary ireo izay efa matory ao am-pasana dia hivoaka satria hovohana ny fasany; ary hakarina koa izy ireo hitsena Azy eo afovoan’ny andrin’ny lanitra—

98 An’i Kristy izy ireo, ny voaloham-bokatra, ireo izay hiara-hidina Aminy voalohany, ary ireo izay ety an-tany sy ao am-pasana izay hakarina voalohany mba hitsena Azy; ary izany rehetra izany dia amin’ny alalan’ny feo sy ny fanenon’ny trompetran’ny anjelin’ Andriamanitra.

99 Ary aorian’izany dia hitsoka ny anjely iray hafa, izany no trompetra faharoa; ary amin’izany dia tonga ny fanavotana ireo izay an’i Kristy amin’ny fiaviany; izay efa nandray ny anjarany tao amin’ilay tranomaizina izay efa voaomana ho azy ireo mba hahazoany mandray ny filazantsara ka hotsaraina araka ny olona ao amin’ny nofo.

100 Ary ankoatra izany dia haneno ny trompetra iray hafa, dia ny trompetra fahatelo; ary amin’izany dia hivoaka ny fanahin’ireo olona izay hotsaraina sy hita ho eo ambanin’ny fanamelohana;

101 Ary ireo no ambiny amin’ny maty; ary tsy velona indray ireo raha tsy efa mifarana ny arivo taona, raha tsy aorian’ny fiafaran’ny tany.

102 Ary haneno ny trompetra iray hafa, dia ny trompetra fahefatra, hanao hoe: Ho hita eo anivon’ireo izay hitoetra ambara-pahatongan’izany andro lehibe sady farany izany, dia ny fiafarana, ireo izay mbola hitoetra ho maloto.

103 Ary haneno ny trompetra iray hafa, dia ny trompetra fahadimy, dia ny anjely fahadimy—manidina eo afovoan’ny lanitra—izay manolotra ny filazantsara maharitra mandrakizay amin’ny firenena, ny foko sy ny samy hafa fiteny ary ny mponina rehetra;

104 Ary izao no ho fanenon’ny trompetrany, milaza amin’ny olon-drehetra, na any an-danitra na ety an-tany na ambanin’ny tany—fa ny sofina tsirairay dia handre izany, ary ny lohalika rehetra hitsaoka, ary ny lela rehetra hiaiky, raha reny ny fanenon’ny trompetra, hanao hoe: Matahora an’ Andriamanitra ka omeo voninahitra izy izay mipetraka eo amin’ny seza fiandrianana mandrakizay mandrakizay; fa efa tonga ny ora fitsarany.

105 Ary ankoatra izany dia hitsoka ny trompetrany ny anjely iray hafa, dia ny anjely fahenina, hanao hoe: Lavo izy, ilay nampisotro ny firenen-drehetra ny divain’ny fisafoahan’ny fijangajangany; lavo izy; lavo!

106 Ary ankoatra izany dia hitsoka ny trompetrany ny anjely iray hafa, dia anjely fahafito, hanao hoe: Vita; vita! Ny Zanakondrin’ Andriamanitra dia efa nandresy sy nanosihosy ny famiazam-boaloboka irery, dia ny famiazam-boaloboky ny firehetan’ny fisafoahan’ Andriamanitra Tsitoha.

107 Ary amin’izany dia hosatrohana ny voninahitry ny heriny ireo anjely ary hofenoina ny voninahiny ireo olomasina ka handray ny lovany sy hatao mitovy Aminy.

108 Ary amin’izany dia hitsoka ny trompetrany eo an-tsofin’ny manan’aina rehetra ny anjely voalohany ary hanambara ny asa miafin’ny olona sy ny asa maherin’ Andriamanitra ao amin’ny arivo taona voalohany.

109 Ary amin’izany dia hitsoka ny trompetrany ny anjely faharoa ary hanambara ny asa miafin’ny olona mbamin’ny eritreritra sy ny fisaintsainan’ny fony ary ny asa maherin’ Andriamanitra amin’ny arivo taona faharoa—

110 Ary dia izany hatrany ambara-pitsokan’ny anjely fahafito ny trompetrany; ary hijoro eo ambonin’ny tany sy eo ambonin’ny ranomasina izy ary hianiana amin’ny anaran’ilay mipetraka eo amin’ny seza fiandrianana fa tsy hisy intsony ny fotoana; ary hofatorana i Satana, ilay menarana ela izay atao hoe ny devoly, ka tsy hovahana mandritra ny arivo taona.

111 Rehefa izany dia hovahana mandritra ny fotoana fohy izy mba hahazoany manangona ny miaramilany.

112 Ary i Mikaela, ilay anjely fahafito, ilay arakanjely dia hanangona ny miaramilany; dia ny tafiky ny lanitra.

113 Ary hanangona ny miaramilany ny devoly, dia ny tafiky ny helo, ka hiakatra mba hiady amin’i Mikaela sy ny miaramilany.

114 Ary amin’izany dia ho tonga ny adin’ilay Andriamanitra lehibe; ary ny devoly sy ny miaramilany dia horoahina hankany amin’ny toerany ihany ka tsy hanana hery intsony mihitsy amin’ny olomasina.

115 Fa i Mikaela dia hiady ny adiny ary handresy ilay mikatsaka ny seza fiandrianan’ilay mipetraka eo amin’ny seza fiandrianana, dia ny Zanakondriny.

116 Izany no voninahitr’ Andriamanitra sy ny nohamasinina; ary tsy hahita fahafatesana intsony izy ireo.

117 Koa lazaiko marina aminareo tokoa ry sakaizako, ataovy ny fivorianareo masina, araka izay efa nandidiako anareo.

118 Ary satria tsy manana finoana ny rehetra, dia mikatsaha fatratra sy mifampianara ny teny fahendrena ianareo; eny, katsahonareo ao amin’ny boky tsara indrindra ny teny fahendrena; katsahonareo ny fianarana amin’ny alalan’ny fandinihana ary koa amin’ny alalan’ny finoana.

119 Mifandamina ianareo; omano ny zavatra rehetra ilaina, ary manorena trano, dia tranon’ny vavaka, tranon’ny fifadian-kanina, tranon’ny finoana, tranon’ny fianarana, tranon’ny voninahitra, tranon’ny filaminana, tranon’ Andriamanitra;

120 Mba ho amin’ny anaran’ny Tompo ny fidiranareo; mba ho amin’ny anaran’ny Tompo ny fivoahanareo; mba ho amin’ny anaran’ny Tompo ny fifampiarahabanareo rehetra amin’ny fananganana ny tanana ho amin’ny Avo Indrindra.

121 Koa atsaharo ny resaka kitoatoanareo rehetra, ny tsikanikaninareo rehetra, ny faniriana ara-nofo rehetra, ny fiavonavonanareo sy ny hamaivanan-tsainareo rehetra ary ny fanaovanareo ratsy rehetra.

122 Manendre mpampianatra iray eo anivonareo, ary aoka tsy indray ho mpitondra teny ny rehetra; fa aoka hiteny tsirairay ary hihaino izay lazaina ny rehetra, ka rehefa avy miteny ny rehetra, dia ho azo aorina ny rehetra amin’ny alalan’ny rehetra, mba hananan’ny olona tsirairay zo mitovy.

123 Ataovy izay hifankatiavanareo; atsaharo ny fitsiriritana; mianara mifampizara araka ny takian’ny filazantsara.

124 Atsaharo ny fidonanaha-poana; atsaharo ny tsy fahadiovana; atsaharo ny fifanomezan-tsiny; atsaharo ny fatoriana mihoatra noho izay ilaina; vonjeo aloha ny fandrianareo mba tsy hahatonga anareo ho reraka; mifohaza aloha mba hahatonga ny vatanareo sy ny sainareo ho mavitrika.

125 Ary ambonin’ny zava-drehetra, dia atafio ny tenanareo toy ny kapaoty ny famatoran’ny fiantrana, dia ny famatoran’ny fahatanterahana sy ny fiadanana izany.

126 Mivavaha mandrakariva mba tsy ho kivy mandra-piaviko. Indro ka jereo, ho avy faingana Aho ary handray anareo ho any Amiko. Amena.

127 Ary ankoatra izany, ny fandaminana ny trano voaomana ho an’ny fiadidiana ny sekolin’ny mpaminany, voaorina ho fampianarana azy ireo ny zavatra rehetra izay ilain’izy ireo, dia ireo rehetra mpitarika ny fiangonana, na amin’ny teny hafa, ireo izay voantso ho amin’ny asa fanompoana ao am-piangonana, manomboka amin’ny mpisorona avo ka hatramin’ny diakona—

128 Ary izao no ho fandaminana ny tranon’ny fiadidiana ny sekoly: Izay voatendry ho filoha na ho mpampianatra dia ho hita hijoro eo amin’ny toerany, ao amin’ny trano izay homanina ho azy.

129 Koa izy dia ho voalohany ao an-tranon’ Andriamanitra, eo amin’ny toerana izay haharenesan’ny mpiangona ny teniny mazava sy miavaka tsara ka tsy ilana ny hitenenany mafy.

130 Ary rehefa miditra ny tranon’ Andriamanitra izy, satria izy dia tokony ho voalohany ao an-trano—indro, izany dia mahafinaritra, mba hahatonga azy ho faka tahaka—

131 Aoka izy handohalika ka hanolotra ny tenany amin’ny vavaka eo anoloan’ Andriamanitra ho marika na ho fahatsiarovana ny fanekempihavanana maharitra mandrakizay.

132 Ary rehefa misy miditra ao aoriany dia aoka hitsangana ny mpampianatra, ary amin’ny tanana misandratra ho amin’ny lanitra, eny, mivantana, no iarahabany ny rahalahiny na ireo rahalahiny amin’ireto teny ireto:

133 Moa va ianao rahalahy na ianareo rahalahy? Izaho miarahaba anao amin’ny anaran’i Jesoa Kristy Tompo, ho marika na ho fahatsiarovana ny fanekempihavanana maharitra mandrakizay, dia fanekempihavanana izay andraisako anao amim-pirahalahiana omban’ny finiavana izay mitoetra, tsy miova ary tsy mety lefy, ny mba ho namanao sy ho rahalahinao amin’ny alalan’ny fahasoavan’ Andriamanitra, ao amin’ny famatoran’ny fitiavana, ny mba handeha tsisy tsiny araka ny didin’ Andriamanitra rehetra, amin’ny fanateran-tsaotra mandrakizay mandrakizay. Amena.

134 Ary izay hita ho tsy mendrika izany fiarahabana izany dia tsy hanana toerana eo anivonareo, fa tsy havelanareo holotoiny ny tranoko.

135 Ary izay miditra ka mahatoky eo anoloako, ary rahalahy izy na rahalahy izy ireo, dia hiarahaba ny filoha na ny mpampianatra amin’ny fanandratana ny tanana amin’ny lanitra, miaraka amin’io vavaka sy fanekempihavanana io ihany, na amin’ny fanaovana Amena ho marik’izany ihany.

136 Indro, lazaiko aminareo marina tokoa, izany no fianarana ho anareo ho fifampiarahabana ao an-tranon’ Andriamanitra, ao amin’ny sekolin’ny mpaminany.

137 Ary antsoina ianareo hanao izany amin’ny alalan’ny vavaka sy ny fanateran-tsaotra araka izay hampitenenan’ny Fanahy, amin’ny ataonareo rehetra ao an-tranon’ny Tompo, ao amin’ny sekolin’ny mpaminany, mba hahatonga izany ho fitoera-masina, ho tabernakelin’ny Fanahy Masina, ho fampiorenana anareo.

138 Ary tsy hisy horaisinareo ho eo anivonareo ao amin’ity sekoly ity afa-tsy izay madio amin’ny ran’ity taranaka ity;

139 Ary izy dia horaisina amin’ny alalan’ny ôrdônansin’ny fanasan-tongotra, satria noho izany antony izany no nananganana ny ôrdônansin’ny fanasan-tongotra.

140 Ary ankoatra izany, ny ôrdônansin’ny fanasan-tongotra dia tokony hokarakarain’ny filoha na ny loholona mpiahy ny fiangonana.

141 Izany dia hatomboka amin’ny vavaka; ary aorian’ny fandraisana ny mofo sy ny divay dia hisikina ny tenany araka ny toromarika omena ao amin’ny toko fahatelo ambin’ny folon’ny tenivavolombelon’i Jaona momba Ahy. Amena.