2014
Mitohy ny Fivoaran’ny Tempoly
Nôvambra 2014


Mitohy ny Fivoaran’ny Tempoly

“Rehefa voavoatra sy voatokana avokoa ireo tempoly rehetra izay nambara dia hanana tempoly am-perinasa miisa 170 isika manerana izao tontolo izao,” hoy ny Filoha Thomas S. Monson nandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany volana Ôktôbra 2014. “Noho isika mampiompana ny ezaka ataontsika amin’ny famitana ireo tempoly izay nambara tany aloha dia tsy manambara tempoly vaovao isika amin’izao fotoana izao. Amin’ny fotoana manaraka anefa, rehefa mahafantatra ny filàna izany sy mahita toerana izahay, dia hanao fambarana ny amin’ireo tempoly fanampiny.”

Rehefa nitokana indray ny Tempolin’i Ogden Utah ny Filoha Monson tamin’ny volana Septambra 2014, dia lasa 143 ny isan’ny tempolin’ny Fiangonana manerana izao tontolo izao.

Notokanan’ny Filoha Dieter F. Uchtdorf, Mpanolotsaina Faharoa ao amin’ny Fiadidiana Voalohany ny Tempolin’i Fort Lauderdale any Floride tamin’ny volana Mey 2014. Hotokanana amin’ny volana Nôvambra 2014 ny Tempolin’i Phoenix Arizona ary farafahakeliny hisy tempoly dimy hotokanana na haverina hotokanana amin’ny 2015.

Notokanana indray ny Tempolin’i Ogden Utah tamin’ny 21 Septambra 2014.

Sary nalain’i Sarah Jane Weaver, Church News