2014
Andro Roa Tena Mahafinaritra Izay Nizarana Hafatra Manentana Fanahy
Nôvambra 2014


“Andro Roa Tena Mahafinaritra Izay Nizarana Hafatra Manentana Fanahy”

“Niaina andro roa tena mahafinaritra izay nizarana hafatra manentana fanahy isika,” hoy ny Filoha Thomas S. Monson tamin’ny famaranana ny Fihaonamben’ny Fiangonana Maneran-tany faha 184 tamin’ny Alahady 5 Ôktôbra 2014.

Voalaza tao amin’ireo hafatra ireo ny maha- zava-dehibe ny mampitombo ny fijoroana ho vavolombelona mba hahafahan’izany manampy anao haharitra amin’ny toe-javatra rehetra mety hisy; sy ny fanarahana ny lalana nalehan’ny Mpamonjy ary ny fahatongavana ho mpianatra feno fanolorantena; ny fanarahana sy ny fanohanana ireo mpaminany; ny fampiasana amim-pahendrena ny fahafahana misafidy; ary ny fanaovana izay hahatonga ny tokantrano ho toerana feno fitiavana, azo antoka, ahitana ny ohatra tsara ary hianarana ny filazantsara.

Nilaza ny Filoha Monson nandritra ny teny fanokafana nataony ny Sabotsy fa mitohy ny fitombon’ny Fiangonana. “Ankehitriny isika dia 15 tapitrisa mahery, izay sady matanjaka no tsy mitsaha-mitombo,” hoy ny Filoha Monson. “Mandroso tsy voasakantsana ny ezaka ataontsika amin’ny asa fitoriana. Manana misiônera maherin’ny 88.000 isika, izay manompo sy mizara ny hafatry ny filazantsara manerana izao tontolo izao.”

Nandritra ny fivoriana Sabotsy tolakandro dia nisaorana sy napetraka eo amin’ny toeran’ny Manampahefana Ambony nahavita ny asany tamim-pahamendrehana ny Loholona Carlos H. Amado sy ny Loholona William R. Walker ao amin’ny Kôlejy Voalohan’ny Fitopololahy. Ny Loholona Arayik V. Minasyan sy ny Loholona Gvido Senkans dia nisaorana tamin’ny naha-Fitopololahin’ny Vondrom-paritra azy ireo.

Voalohany tamin’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany izao no nisy mpandahateny izay nanao ny lahateniny tamin’ny fitenin-drazany izay tsy teny Anglisy. Niteny Sinoa Kantôney ny Loholona Chi Hong (Sam) Wong, niteny Espaniola ny Loholona Eduardo Gavarret sy ny Loholona Hugo E. Martinez, ary niteny Pôrtogey ny Loholona Carlos A. Godoy.

Hipoky ny olona ny Ivontoeran’ny Fihaonamben’ny Fiangonana, izay mahazaka olona 21.000, sy ireo faritra teo amin’ny Temple Square ao Salt Lake City, Utah, Etazonia, tamin’ny fivoriana rehetra tamin’ny fihaonamben’ny fiangonana, izay nadika tamin’ny fiteny miisa 90 mahery ary nampitaina tany amin’ny firenena sy tany mihoatra ny 170. Ankoatra izany, ny fizotran’ireo fivoriana dia azo nojerena tamin’ny fahitalavitra, onjam-peo, fampitana amin’ny alalan’ny zanabolana, sy ny Internet, ary tafiditra tao anatin’izany ireo fitaovana elektrônika fitondra mandehandeha. Manamarika ny faha 90 taonan’ny fampitana amin’ny alalan’ny onjam-peo sy ny faha 65 taonan’ny fampitana amin’ny alalan’ny fahitalavitra ny fihaonamben’ny Fiangonana ity fihaonambe ity.

Niteny nandritra ny fivoriana Alahady tolakandron’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany ny Filoha Thomas S. Monson.