2014
Ao amin’ny Hulu ankehitriny ny horonan-tsary mikasika an’i Joseph Smith
Nôvambra 2014


Ao amin’ny Hulu ankehitriny ny horonan-tsary mikasika an’i Joseph Smith

Ankehitriny dia olona an-tapitrisany no afaka mahita ny horonan-tsary iray novokarin’ny Fiangonana ho fahatsiarovana am-panajana ny Mpaminany Joseph Smith. Joseph Smith: Prophet of the Restoration, misy horonan-tsary iray izay mitantara ny fiainan’ny Mpaminany sy ny lova avy aminy, azo jerena maimaim-poana ao amin’ny Hulu, izay tranonkala manolotra horonan-tsary tsy an-kiato.

Io horonan-tsary io no horonan-tsarin’ny Fiangonana voalohany izay tafiditra amin’ny fandefasan-javatra avo lenta sy maro mpijery toa an’i Hulu, izay tranonkala ahafahan’ny olona voasoratra anarana miisa 4 tapitrisa mijery horonan-tsary tsy ankiato amin’ny fotoana itiavany azy amin’ny alalan’ny Roku, fahitalavitra Apple, Xbox, PlayStation, ary smartphone sy tablettes izay mahazo Internet. Ny fisian’ilay horonan-tsary ao amin’ny Hulu dia tsy vitan’ny hoe manamora ny fahitan’ireo mpikamban’ny Fiangonana azy io, fa manome ihany koa fahafahana ho an’ny olona maro kokoa izay tsy mpikamban’ny Fiangonana mba hijery sy hahafantatra bebe kokoa momba ny Fiangonana.

Ireo mpikamban’ny Fiangonana izay mijery sy mamela fanamarihana ary manome salanisa ho an’ilay horonan-tsary dia afaka manamora ny fitadiavan’ny olona hafa ilay horonan-tsary.