2014
Mitodika Mankaiza Ianao?
Nôvambra 2014


Mitodika Mankaiza Ianao?

Famadihana ny filaharan’ny didy lehibe voalohany sy faharoa ny fanaovana izay hahafaly ny hafa aloha, vao izay hahafaly an’Andriamanitra.

“Mitodika Mankaiza Ianao?” Notairin’ny Filoha Boyd K. Packer tamin’io fanontaniana nahasanganehana io aho raha niaraka tamiko izy nandritra ny iraka voalohany nampanaovina ahy tamin’ny naha-Fitopololahy vaovao ahy. Nikorontan-tsaina teo aho rehefa tsy nanana fanazavana nentina nanomezana hevitra manodidina izany fanontaniana izany. “Ny Fitopololahy,” hoy izy nanohy, “dia tsy misolo tena ny olona eo anatrehan’ny mpaminany, fa misolo tena ny mpaminany eo anatrehan’ny olona. Aza adino velively hoe mitodika mankaiza ianao!” Lesona tena nafonja izany.

Mampifamadika ny filaharan’ny didy lehibe voalohany sy faharoa (jereo ny Matio 22:37–39) ny fanaovana izay hahafaly ny hafa aloha, vao izay hahafaly an’Andriamanitra. Manadino izay tokony hitodihantsika ny fanaovana izany. Nefa dia samy nanao izany fahadisoana izany daholo isika noho ny fahatahorana ny olona. Ao amin’ny Isaia dia mampitandrina antsika ny Tompo hoe: “Aza matahotra ny fanomezan-tsinin’ny olona” (Isaia 51:7; jereo koa ny 2 Nefia 8:7). Tao anatin’ny fahitan’i Lehia io tahotra io dia nanomboka tamin’ny rantsantanana mamingavinga izay nanondro avy teny amin’ilay trano mijoalajoala sy malalaka, ka nahatonga ny maro hanadino hoe mitodika mankaiza izy ireo sy hanalavitra ilay hazo tao anatin’ny henatra (jereo ny 1 Nefia 8:25–28).

Io faneriterena ataon’ny hafa io dia miezaka manova ny fijerin’ny olona sy ny fitondrantenany mihitsy amin’ny fanaovana izay hahatsiarovan’ny olona iray ho meloka noho ny fanafintohinana nataony. Mikatsaka fiaraha-miaina amim-panajana amin’ireo izay mandrabiraby antsika isika, saingy rehefa maka fanahy antsika tsy hiraharaha ny fahotana io fahatahorana ny olona io dia lasa “fandrika” araka ny bokin’ny Ohabolana (jereo ny Ohabolana 29:25). Mety natao amin-kafetsena izay hahatsara endrika izany fandrika izany mba hisarika ilay toetrantsika tia mangoraka mba handefitra na hanaiky mihitsy aza ny zavatra iray izay nomelohin’Andriamanitra. Mety ho vato misakana lehibe ho an’izay marefo ara-pinoana izany. Ohatra, misy misiônera sasany izay mitondra izany fahatahorana ny olona izany hatrany amin’ny sahan’ny misiona ka dia tsy sahy manao tatitra any amin’ny filohan’ny misionany mikasika ny fandikan-dalàna mibaribary nataon’ny mpiara-mitory aminy satria tsy te hanafintohina ilay mpiara-mitory aminy izay tsy manara-dalàna. Avy amin’ny fahatsiarovana ny filaharana marin’ny didy lehibe voalohany sy faharoa no hananana toetra mafy orina tsara (jereo ny Matio 22:37–39). Rehefa tsapan’ireo misiônera misafotofoto saina ireo fa tompon’andraikitra amin’izay ataony eo anatrehan’Andriamanitra izy fa tsy eo anatrehan’ny mpiara-mitory aminy, dia tokony hanome herimpo azy ireo izany hitodi-doha.

Tao anatin’ny fahatanorany fony izy 22 taona, dia na i Joseph Smith aza dia tsy nahatadidy izay tokony hitodihany tamin’izy nangataka lava tamin’ny Tompo mba hamela an’i Martin Harris hindrana ireo 116 pejy tamin’ilay rakitsoratra. Angamba te haneho fankasitrahana an’i Martin i Joseph noho ny fanohanana nataony. Fantatsika fa nitady mafy vavolombelona hafa nahita maso i Joseph mba hiara-hijoro aminy hanohitra ireo zavatra tsy marina sy lainga nandrera-tsaina izay naely momba azy.

Na inona na inona antony nanaovan’i Joseph izany ary na ara-drariny aza ny fijery azy dia tsy nomen’ny Tompo rariny izany ary notezerany mafy izy: “Impiry akory no efa nandikanao ny didy … ka efa nanekenao ny fandresen-dahatry ny olona. Fa indro, tsy tokony ho natahotra ny olona mihoatra noho Andriamanitra ianao” (F&F 3:6–7; nampiana fanamafisana). Nanampy an’i Joseph io toe-javatra mafy niainany io hahatsiaro mandrakariva taty aoriana hoe aiza izy no tokony hitodika.

Ny olona rehefa miezaka ny mitandro ny voninahiny eo anatrehan’ny olona dia ho very voninahitra tsy fidiny eo anatrehan’Andriamanitra izy. Ny fieritreretana hoe afaka manao izay hahafaly an’Andriamanitra ianao no sady afaka tsy miraharaha izay fandikan-dalàna ataon’ny olona dia tsy fanehoana velively hoe tsy mirona amin’ny andaniny na ny ankilany ianao fa fivadiham-pitokiana izany na fihatsarambelatsihy na fiezahana “manompo tompo roa” (Matio 6:24; 3 Nefia 13:24).

Na dia mila herimpo tokoa aza ny fiatrehana zavatra mety hampidi-doza, ny tena mariky ny fananana herimpo dia ny fandresena ny fahatahorana ny olona. Ohatra, nanampy an’i Daniela hiatrika ireo liona ny vavaka nataony, fa ny tena nahitana hoe tsy nahatahotra izy dia izy sahy nihantsy an’i Dariosy Mpanjaka (jereo ny Daniela 6). Izany karazana herimpo izany dia fanomezam-pahasoavan’ny Fanahy omena ny olona matahotra an’Andriamanitra izay nanolotra vavaka. Ireo vavaka nataon’ny Mpanjakavavy Estera koa dia nahazoany io herimpo io mba hiatrehana ny Mpanjaka Ahasoerosy vadiny, na dia fantany aza fa mety hamoizany ny ainy ny fanaovana izany (jereo ny Estera 4:8–16).

Tsy iray amin’ireo soatoavina fototra fotsiny ny fananana herimpo fa raha arak’i C. S. Lewis: “Ny herimpo … dia maneho ny endriky ny soatoavina rehetra rehefa ao anatin’ny fotoam-pisedrana. … Feno famindrampo foana i Pilato mandra-pahitany fa mety hampidi-doza izany.”1 Nalahelo i Heroda Mpanjaka rehefa nangatahina mba hotapahina ny lohan’i Jaona Mpanao Batisa saingy nanao izay hahafaly “ny olona niara-nipetraka nihinana teo aminy” izy (Matio 14:9). Vonona ny hamotsotra an’i Abinadia ny Mpanjaka Noà saingy lasa nisalasala izy noho ny faneriterena nataon’ireo mpisorona ratsy fanahy (jereo ny Môsià 17:11–12). Tsy nankato ny tenin’ny Tompo i Saoly Mpanjaka satria tsy foiny naringana nandritra ny ady ireo zavatra tsara noho ny “[fahatahorany] ny vahoaka, [ka dia nohenoiny] ny feony” (1 Samoela 15:24). Mba hampitoniana an’i Isiraely izay nikomy teo am-pototry ny Tendrombohitra Sinay dia nanao ombilahy kely volamena i Arona noho ny fanadinoany hoe aiza izy no tokony hitodika (jereo ny Eksodosy 32). Maro tamin’ireo mpanapaka ao amin’ny Testamenta Vaovao “no nino [ny Tompo]; nefa noho ny Fariseo dia nanaiky ireo; fandrao havoaka hiala amin’ny synagoga: fa tia ny voninahitra avy amin’ny olona izy ireo fa tsy ny voninahitra avy amin’Andriamanitra” (Jaona 12:42–43). Feno ohatra tahaka izany ny soratra masina.

Henoy izao ireto ohatra vitsivitsy manentana ny fanahy ireto:

  • Voalohany, Môrmôna: “Indro, miteny amim-pahasahiana aho, rehefa nahazo fahefana avy tamin’Andriamanitra; ary tsy atahorako izay azon’ny olona atao; fa ny fitiavana tanteraka mandroaka ny tahotra rehetra” (Môrônia 8:16; nampiana fanamafisana).

  • Nefia: “Koa tsy hanoratra zavatra izay mahafinaritra izao tontolo izao aho, fa ny zavatra kosa izay mahafaly an’Andriamanitra sy ireo izay tsy an’izao tontolo izao” (1 Nefia 6:5).

  • Kapiteny Môrônia: “Indro, izaho dia i Môrônia, lohan’ny kapiteninareo. Tsy mikatsaka fahefana aho, fa ny handrodana izany kosa. Tsy mikatsaka ny voninahitr’izao tontolo izao aho, fa ny voninahitr’Andriamanitro kosa sy ny fahafahana ary ny fiadanan’ny taniko” (Almà 60:36).

Nanana herimpo lehibe tokoa i Môrônia teo amin’ny fahatsiarovana hoe aiza no tokony hitodihany ka nahatonga ny filazana hoe:, “Raha ny olon-drehetra no efa nitovy sy nitovy ary ho nitovy mandrakizay tamin’i Môrônia dia indro, ny fahefan’ny helo mihitsy no efa nohozongozonina mandrakizay; eny, ny devoly dia tsy ho nanam-pahefana na oviana na oviana tamin’ny fon’ny zanak’olombelona” (Almà 48:17).

Niharan’ny fanalam-baraka hatrany ireo mpaminany. Nahoana? Araka ny soratra masina dia satria “sarotra ho an’ny olo-meloka ny mandray ny fahamarinana, satria manatrobaka azy hatrany anatiny izany” (1 Nefia 16:2), ary hoy ny filazan’ny Filoha Harold B. Lee azy hoe: “Izay mahatsiaro ho voatsindrona no tohina!”2 Ny fihetsika feno fankahalana asehon’izy ireo, raha ny marina, dia fahamelohana tsapa izay sarontsaronana, tsy misy hafa amin’i Kôrihôra, izay niaiky ihany tamin’ny farany hoe: “Nahafantatra mandrakariva aho fa nisy Andriamanitra” (Almà 30:52). Nandresy lahatra tokoa ny famitahana nataon’i Kôrihôra ka na izy aza nino ny lainga nataony (jereo ny Almà 30:53).

Matetika ny mpankahala no miampanga ireo mpaminany hoe tsy miaina ao anatin’ny taonjato faha 21 na hoe tery saina. Manandrana mandresy lahatra na manery mihitsy ny Fiangonana izy ireo mba hampidina ireo fenitr’Andriamanitra hifanaraka amin’ny fitondrantena tsy mendrika ataon’izy ireo, izay araka ny tenin’ny Loholona Neal A. Maxwell, dia “hampitombo ny fanomezana fahafaham-po ny tena raha tokony hitady izay hampivoarana ny tena”3 sy ny fibebahana. Apôstazia ny fampidinana ireo fenitr’Andriamanitra hifanaraka amin’ny fitondrantena tsy mendrika misy eo amin’ny fiaraha-monina. Maro tamin’ireo Fiangonana teo anivon’ny Nefita taonjato roa taorian’ny namangian’ny Mpamonjy azy ireo no nanomboka “nanatsotsotra” ny fotopampianarana, raha hindrana ny tenin’ny Loholona Holland aho.4

Eo am-pihainoana ity andininy ao amin’ny 4 Nefia ity, dia mitadiava zavatra mitovy amin’izany amin’izao androntsika izao: “Ary ny zava-nitranga, nony efa lasana ny folo amby roanjato taona, dia nisy fiangonana maro izay nihambo ho mahalala an’i Kristy, ary nolaviny anefa ny ampahany betsaka tamin’ny filazantsarany, hany ka nekeny ny karazana faharatsiana rehetra ary nanomezany izay masina ho an’izay efa nandrarana izany noho ny tsy fahamendrehana” (4 Nefia 1:27).

Mitovy amin’izany ny mitranga amin’izao andro farany izao! Misy mpikambana sasany izay tsy mahatsapa fa tafalatsaka ao anatin’ny fandrika toy izany izy ireo rehefa manery ny hanekena ny “fomban-drazan[a]” eo an-toerana na an’ny foko iray (F&F 93:39) izay tsy mifanaraka amin’ny kolontsain’ny filazantsara. Mbola misy koa olona hafa izay mamita-tena sy mitsipaka tsy hanao ny tokony hatao, ka miangavy na mangataka ny eveka mba hanamaivana ny fepetra takina mba hahazoana ny fahazoan-dalana hidirana ny tempoly, na mba hahazoana fankatoavana hidirana any amin’ny sekoly iray na mba hirotsahana ho misiônera. Tsy mora izany hoe eveka rehefa iharan’ny karazana fanerena toy izany. Kanefa, toy ny Mpamonjy izay nandio ny tempoly mba hiarovana ny fahamasinany (jereo ny Jaona 2:15–16), dia voantso amin’izao fotoana izao ireo eveka mba hiaro ny fepetra takina hidirana ny tempoly. Ny Mpamonjy no nilaza hoe: “Izaho haneho ny tenako amin’ny vahoakako amin’ny famindram-po … raha mitandrina ny didiko ny vahoakako ary tsy mandoto ity trano masina ity” (F&F 110:7–8).

Nitodika tany amin’ny Rainy foana ny sain’ny Mpamonjy, ilay Ohatra lehibe ho antsika. Nitia sy nanompo ny mpiara-belona taminy Izy saingy nilaza hoe: “Tsy mandray laza avy amin’olona Aho” (Jaona 5:41). Tiany hanaraka Azy ireo olona nampianariny, saingy tsy nikatsaka ny hahazo laza avy amin’izy ireo Izy. Rehefa nanao asa fanasoavana Izy, toy ny fanasitranana ny marary, dia matetika izany fanomezana izany no nampiarahana tamin’ny fiangaviana hoe, “tandremo mba tsy hilaza amin’olona” (Matio 8:4; Marka 7:36; Lioka 5:14; 8:56). Amin’ny lafiny iray dia natao izany mba hisorohana io laza io mihitsy, izay nanaraka Azy teny na dia teo aza ny ezaka nataony hisorohana izany (jereo ny Matio 4:24). Nomelohiny ireo Fariseo izay nanao asa soa mba ho hitan’ny olona fotsiny (jereo ny Matio 6:5).

Olona faran’izay tsy mba natahotra ny Mpamonjy, izay hany olona lavorary niaina teto an-tany. Nifanehatra tamin’ny mpanenjika maro izy teo amin’ny fiainany, kanefa tsy mba nilavo lefona velively teo anatrehan’ny fanalam-baraka nataon’izy ireo. Izy no hany tsy mba nanadino velively na dia indray mandeha aza hoe aiza Izy no tokony hitodika: “Izaho manao izay sitraky ny [Ray] mandrakariva” (Jaona 8:29; nampiana fanamafisana), ary “tsy mitady ny sitrapoko Aho fa ny sitrapon’izay naniraka Ahy” (Jaona 5:30).

Eo anelanelan’ny 3 Nefia toko faha 11 sy ny 3 Nefia toko faha 28, dia nampiasa ny anarana hoe Ray farafahakeliny in 150 ny Mpamonjy, izay nampiseho mazava tsara tamin’ny Nefita fa ny hisolo tena ny Ray no nahatongavany teo. Ary manomboka eo amin’ny Jaona toko faha 14 ka hatramin’ny faha 17, dia nampiasa ny anaran’ny Ray farafahakeliny in 50 ny Mpamonjy. Mpianatra lavorarin’ny Rainy Izy tamin’ny fomba rehetra azo heverina. Tena tonga lafatra tokoa Izy tamin’ny fisoloany tena ny Ray, ka rehefa mahalala ny Mpamonjy dia mahalala koa ny Ray. Izay mahita ny Zanaka dia mahita ny Ray (jereo ny Jaona 14:9). Izay mandre ny Zanaka dia mandre ny Ray (jereo ny Jaona 5:36). Raha ny tena marina dia lasa tsy hay ny manavaka Azy amin’ny Rainy. Iray Izy sy ny Rainy (jereo ny Jaona 17:21–22). Fantany tanteraka hoe nitodika mankaiza Izy.

Enga anie ilay ohatra manentana ny fanahy nasehony hampatanjaka antsika eo anatrehan’ny fandriky ny fandokafana avy amin’ny hafa na ny fieboeboana avy ao anatintsika ihany. Enga anie izany hanome antsika herimpo tsy hahatahotra velively sy tsy handokadoka fahatany eo anatrehan’ny fampitahorana ataon’ny hafa. Enga anie izany hanosika antsika handehandeha hanao soa amim-pahanginana araka izay azo atao ary tsy “hiandrandra ny voninahitry ny olona” (F&F 121:35). Ary enga anie ny ohatra tsy manam-paharoa nasehony hanampy antsika hahatsiaro lalandava hoe iza amin’ireo didy no ilay “didy lehibe voalohany” (Matio 22:38). Raha mangataka ny hanekena ny faniratsirana ny didin’Andriamanitra ny hafa dia enga anie kosa isika hahatsiaro lalandava hoe mpianatr’iza isika ary aiza isika no tokony hitodika. Izany no vavaka ataoko amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.

Fanamarihana

  1. C. S. Lewis, The Screwtape Letters, rev. ed. (1982), 137–38.

  2. Harold B. Lee, ao amin’ny Mine Errand from the Lord: Selections from the Sermons and Writings of Boyd K. Packer (2008), 356.

  3. Neal A. Maxwell, “Repentance,” Ensign, Nôv. 1991, 32.

  4. Jeffrey R. Holland, “The Call to Be Christlike,” Liahona, Jona 2014, 35.