2014
Ataovy Voalohany amin’ny Laharam-pahamehanareo ny Fampiasana Finoana
Nôvambra 2014


Ataovy Voalohany amin’ny Laharam-pahamehanareo ny Fampiasana Finoana

Na dia eo aza ireo olana ratsy rehetra atrehantsika eo amin’ny fiainana dia tsy maintsy manokana fotoana isika hampiasana amim-pahavitrihana ny finoantsika.

Raha tao amin’ny Sahan’i Edena i Adama sy i Eva dia nomena azy ireo avokoa ny zavatra rehetra nilainy andavanandro. Tsy niaina fahasarotana na olana na fijaliana izy ireo. Satria tsy niaina fotoan-tsarotra na oviana na oviana izy ireo dia tsy nahafantatra hoe afaka ny ho faly. Tsy nahatsapa disadisa na oviana na oviana izy ireo ka tsy afaka nahatsapa izany hoe fiadanana.

Nandika ilay didy hoe tsy hihinana ny voan’ny hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy i Adama sy i Eva taty aoriana. Noho izy ireo nahavita izany dia tsy tao amin’ny toetry ny tsy fananan-tsiny intsony izy ireo. Nanomboka niaina ireo fitsipiky ny fifanoherana izy ireo. Nanomboka niaina aretina izay namparefo ny fahasalamany. Nanomboka nahatsapa alahelo sy fifaliana.

Ny fihinanan’i Adama sy i Eva ilay voankazo voarara no nahatafiditra ny fahalalana ny tsara sy ny ratsy teo amin’ izao tontolo izao. Ny safidin’izy ireo no nahafahantsika tsirairay ho tonga eto amin’ity tany ity mba hosedraina sy hotsapaina.1 Nomena fahafahana misafidy isika, izay fahafahantsika mandray fanapahan-kevitra sy ho tonga tompon’andraikitra amin’ireo safidy ireo. Ny Fahalavoana no nahafahana nahazo ilay fahatsapana hafaliana na alahelo eo amin’ny fiainantsika. Afaka mahatakatra ny atao hoe fiadanana isika satria mahatsapa disadisa.2

Fantatry ny Raintsika any an-danitra fa hitranga amintsika izany. Lafin-javatra ao anatin’ny drafitry ny fahasambarany tonga lafatra avokoa izany. Nanomana lalana iray Izy tamin’ny alalan’ny fiainan’ilay Zanany Lahy mpankatò tanteraka, dia i Jesoa Kristy, Mpamonjintsika, mba handresen’ny Sorompanavotany izay fahasarotana rehetra mety ho atrehantsika eto amin’ny fiainana an-tany.

Miaina ao anatin’ny fotoan-tsarotra isika. Tsy mila mitanisa ireo loharanon’ny faharatsiana eto amin’izao tontolo izao aho. Tsy ilaina ny mamariparitra ireo mety ho olana sy ratram-po rehetra izay hita eto amin’ny fiainana an-tany. Samy tena mahalala ireo adintsika manokana amin’ny fakam-panahy sy ny fanaintainana ary ny alahelo isika tsirairay avy.

Nampianarina isika tany amin’ny fiainana talohan’ny nahaterahana fa ny tanjontsika amin’ny fahatongavana eto dia ny hotsapaina sy hosedraina ary hampivelarina.3 Fantatsika fa hiatrika ireo faharatsian’ny fahavalo isika. Indraindray isika mety mahatsiaro ho mahalala bebe kokoa ireo zavatra ratsy eto amin’ny fiainana an-tany mihoatra noho ny fahalalantsika ireo zavatra tsara. Nampianatra ny mpaminany Lehia hoe: “Satria tsy maintsy ilaina ny hisian’ny fifanoherana amin’ny zava-drehetra.”4 Na dia eo aza ireo olana ratsy rehetra atrehantsika eo amin’ny fiainana dia tsy maintsy manokana fotoana isika hampiasana amin-pahavitrihana ny finoantsika. Ny fampiasana finoana toy izany dia manasa ilay hery tsara sy vontom-pinoana an’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy ho ao amin’ny fiainantsika.

Nanome fitaovana ho antsika ny Raintsika any an-danitra mba hanampiana antsika hanatona an’i Kristy sy hampiasa finoana amin’ny Sorompanavotany. Rehefa lasa zava-dehibe mahazatra ny mampiasa ireo fitaovana ireo dia manolotra ny fomba tsotra indrindra ahitana fiadanana ao anatin’ireo olan’ny fiainana an-tany izany. Nisafidy hiresaka ny efatra amin’ireo fitaovana ireo aho androany. Eo am-piresahako, dia tombantombano ny fampiasanareo manokana ny tsirairay amin’ireo fitaovana ireo, dia katsaho avy eo ny fitarihan’ny Tompo mba hahafantarana ny fomba ahafahanareo mampiasa tsaratsara kokoa ny tsirairay avy amin’izy ireo.

Vavaka

Ny fitaovana voalohany dia ny vavaka. Misafidiana ny hifampiresaka matetika amin’ny Rainareo any an-danitra. Makà fotoana hizarana Aminy isan’andro ireo eritreritra sy fahatsapana anananareo. Lazao Azy ny zavatra rehetra izay mampiahiahy anareo. Liana amin’ireo lafiny manan-danja indrindra sy ireo lafiny mahazatra indrindra amin’ny fiainanareo Izy. Zarao Aminy avokoa ireo karazana fahatsapana sy zavatra iainanareo.

Satria manaja ny fahafahanareo misafidy ny Ray any an-danitra, dia tsy hanery anareo na oviana na oviana Izy hivavaka Aminy. Kanefa rehefa mampiasa io fahafahana misafidy io ianareo ka mampiditra Azy ao anatin’ny lafiny rehetra amin’ny fiainanareo andavanandro, dia hanomboka ho feno fiadanana, fiadanana mahafinaritra ny fonareo. Io fiadanana io no hahafahanareo hijery ireo olanareo amin’ny fomba fijery mandrakizay. Hanampy anareo hitantana ireny olana ireny amin’ny fomba fijery mandrakizay izany.

Ry ray aman-dreny, ampio ny zanakareo mba ho voaro amin’ny fanomezana azy ireo fiarovana izay azo avy amin’ny vavaky ny mpianakavy isa-maraina sy isak’alina. Tototry ny faharatsian’ny fitsiriritana sy ny tsy fahaiza-mionona sy ny fisehosehoana ary ireo fitondrantena feno fahotana marobe hafa ireo zanaka isan’andro. Arovy amin’ireo fitaoman’izao tontolo izao isan’andro ny zanakareo amin’ny fanafiana hery azy ireo amin’ny alalan’ireo fitahiana mahery vaika izay ateraky ny vavaky ny mpianakavy. Tokony ho laharam-pahamehana tsy azo iadiana varotra eo amin’ny fiainanareo andavanandro ny vavaky ny mpianakavy.

Fandalinana ny Soratra Masina

Ny fitaovana faharoa dia ny fandalinana ny tenin’Andriamanitra ao anatin’ny soratra masina sy ny tenin’ireo mpaminany velona. Miresaka amin’Andriamanitra amin’ny alalan’ny vavaka isika. Matetika Izy no mamaly antsika amin’ny alalan’ny teniny izay voasoratra. Mba hahafantarana hoe toy ny ahoana sy manao ahoana ny feon’ilay Masina dia vakio ny teniny, halalino ny soratra masina ary saintsaino izany.5 Ataovy ho lafin-javatra manan-danja eo amin’ny fiainanareo andavanandro izy ireny. Raha tianareo hahafantatra sy hahatakatra ny bitsiky ny Fanahy ny zanakareo ary handray andraikitra mifanaraka amin’izany bitsika izany dia tsy maintsy miara-mandalina ny soratra masina amin’izy ireo ianareo.

Aza milefitra amin’ny laingan’i Satana hoe tsy manana fotoana ianareo handalinana ny soratra masina. Misafidiana haka fotoana handalinana azy ireny. Manan-danja kokoa noho ny torimaso, ny sekoly, ny asa, ny fandaharana amin’ny fahitalavitra, ny jeux vidéos, na ny tambazotra ifaneraserana ny fivokisana isan’andro amin’ny tenin’Andriamanitra. Mety mila mamerina mandamina indray ireo laharam-pahamehanareo ianareo mba hanokanana fotoana ho an’ny fandalinana ny tenin’Andriamanitra. Raha ilaina izany dia ataovy!

Misy fampanantenana maro avy amin’ny mpaminany momba ireo fitahiana azo avy amin’ny fandalinana isan’andro ny soratra masina.6

Anampiako an’ity fampanantenana ity ny fijoroako ho vavolombelona: rehefa manokana fotoana isan’andro ianareo, mitokana na miaraka amin’ny fianakavianareo, handalinana ny tenin’Andriamanitra dia hanjaka eo amin’ny fiainanareo ny fiadanana. Tsy ho avy any ivelany, any amin’izao tontolo izao izany fiadanana izany. Ho tonga avy ao anatin’ny tokantranonareo izany, avy ao anatin’ny fianakavianareo, avy ao anatin’ny fonareo ihany. Ho fanomezana avy amin’ny Fanahy izany. Hamirapiratra avy ao anatinareo izany mba hitaona ny hafa ao amin’ny tontolo manodidina anareo. Hanao zavatra tena goavana ianareo mba hanampiana ilay fiadanana miavovona eo amin’izao tontolo izao.

Tsy milaza aho hoe hitsahatra tsy hisy olana intsony ny fiainanareo. Tsarovy fa rehefa tao amin’ny Sahan’i Edena i Adama sy Eva dia tsy nanana olana izy ireo, saingy tsy afaka niaina hasambarana sy fifaliana ary fiadanana izy ireo.7 Ampahan-javatra manan-danja eo amin’ny fiainana an-tany ny olana. Ny fandalinana tsy tapaka ny soratra masina isan’andro no hahitanareo fiadanana eo anivon’ireo disadisa manodidina anareo sy hery hanoherana ny fakam-panahy. Hanana finoana matanjaka ianareo ao amin’ny fahasoavan’Andriamanitra ary hahafantatra fa amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy no hahatonga ny rehetra ho tomombana araky ny fotoan’Andriamanitra.

Takarivan’ny mpianakavy

Eo am-panaovanareo izay hampatanjaka ny fianakavianareo sy hampisy fiadanana dia tadidio ity fitaovana fahatelo ity: ny takarivan’ny mpianakavy isan-kerinandro. Tandremo ny takarivan’ny mpianakavinareo mba tsy ho lasa zavatra tratra aoriana ao anatin’ny andro iray feno firotorotoana. Manapaha hevitra fa hiaraka ao an-trano ny fianakavianareo amin’ny takarivan’ny Alatsinainy. Aza avela ho manan-danja kokoa noho ny fotoana iarahanareo amin’ny fianakavianareo ao an-tokantrano ny zavatra takian’ny asa, na ny fanatanjahantena, na ny hetsika hafa, na ny enti-mody na ny zavatra hafa na inona izany na inona.

Tsy manan-danja kokoa noho ny fotoana natokana ho an’izany izay mety ho endrikendriky ny takarivanareo. Sady tokony hampianarina amin’ny fotoana efa natokana tsara ho an’izany sy amin’ny fotoana tsotsotra rehetra ny filazantsara. Ataovy lasa traikefa manan-danja ho an’ny olona tsirairay ao amin’ny fianakaviana izany. Ny takarivan’ny mpianakavy dia fotoana iray sarobidy hizarana fijoroana ho vavolombelona ao anatin’ny tontolo azo antoka, hianarana mampianatra sy manao drafitra ary mandrindra asa, ary hanamafisana orina ny fifandraisan’ny mpianakavy; hikolokoloana ireo fomba fanaon’ny fianakaviana, hifampiresahana; ary indrindra indrindra, hiarahana mizara fotoana mamy!

Tamin’ny Fihaonambe farany tamin’ny volana Aprily teo dia nanambara tamin’ny fomba hentitra Rahavavy Linda S. Reeves hoe: “Tsy maintsy mijoro ho vavolombelona aho ny amin’ny fitahiana azo avy amin’ny fandalinana soratra masina sy ny vavaka isan’andro ary ny takarivan’ny mpianakavy. Ireo no tena fomba fanao izay hanampy hanala ny fikorontanan-tsaina, hanoro ny fomba hitantanana ny fiainantsika ary hitondra fiarovana fanampiny ho an’ny tokantranontsika.”8 Vehivavy tena hendry Rahavavy Reeves. Mamporisika mafy anareo aho mba hahazo fijoroana ho vavolombelona manokana mikasika ireo fahazarana telo tena manan-danja ireo.

Fankanesana any amin’ny Tempoly

Ny fitaovana fahefatra dia ny fandehanana any amin’ny tempoly. Fantatsika rehetra fa tsy misy toerana hafa feno fiadanana kokoa eto ambonin’ny tany noho ny ao anatin’ny tempolin’Andriamanitra. Raha toa ianareo ka tsy manana fahazoan-dalana ho any amin’ny tempoly dia ataovy izay hahamendrika anareo hahazo izany. Rehefa manana fahazoan-dalana ianareo dia ampiasao matetika izany.9 Manokàna fotoana raikitra iray hidirana ny tempoly. Aza avela hisy na inona na inona ary na iza na iza hanakana anareo tsy ho ao.

Rehefa ao anatin’ny tempoly ianareo dia henoy ireo teny mandritra ireo ôrdônansy, saintsaino izy ireny, mivavaha momba azy ireny, ary katsaho ny hahatakatra ny hevitr’izy ireny. Anisan’ireo toerana tsara indrindra hahatakarana ny herin’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy ny tempoly. Tadiavo ao Izy. Tsarovy fa fitahiana marobe kokoa no tonga avy amin’ny fitondrana ny anaran’ireo razambenareo manokana any amin’ny tempoly.

Fahazarana tena manan-danja hiarovana ny fiainanareo ao amin’ny herin’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy ireo fitaovana efatra ireo. Tsarovy fa ny Mpamonjintsika no Andrian’ny Fiadanana. Tonga avy amin’ny Sorompanavotany ny fiadanana eto amin’ity fiainana an-tany ity. Rehefa mivavaka tsy tapaka maraina sy hariva isika, ka mandalina isan’andro ny soratra masintsika, sy manao takarivan’ny mpianakavy isan-kerinandro, ary mandeha tsy tapaka any amin’ny tempoly dia mamaly amim-pahavitrihana ilay fanasana “hanatona Azy.” Arakaraka ny ananantsika bebe kokoa ireo fahazarana ireo no vao maika mampanosika bebe kokoa an’i Satana handratra antsika, saingy hihena ny fahafahany manao izany. Amin’ny alalan’ny fampiasana ireo fitaovana ireo no hampiharantsika ny fahafahantsika misafidy mba hanekena ireo fanomezana feno avy amin’ny Sorompanavotany.

Tsy milaza aho akory hoe hanjavona avokoa ireo olana rehetra eo amin’ny fiainana rehefa manao ireo zavatra ireo ianareo. Ny hivoatra avy amin’ireo fisedrana sy fitsapana mihitsy no nahatongavantsika teto amin’ny fiainana an-tany. Manampy antsika ho tonga tahaka ny Raintsika any an-danitra kokoa ireo olana, ary ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy no manao izay ahafahantsika mahazaka ireny olana ireny.10 Mijoro ho vavolombelona aho fa rehefa manatona Azy amim-pahavitrihana isika dia afaka ny hahatohitra izay fakam-panahy rehetra, sy hahazaka izay ratram-po sy olana rehetra atrehantsika, amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.

Fanamarihana

  1. Jereo ny Mosesy 5:11.

  2. Jereo ny Mosesy 4–5.

  3. Jereo ny Abrahama 3:25.

  4. 2 Nefia 2:11.

  5. Jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 18:36; jereo ihany koa ny andininy 34–35.

  6. Anisan’ny ohatra amin’izany ireto:

    Niteny ny Filoha Thomas S. Monson hoe: “Rehefa mamaky sy misaintsaina ny soratra masina isika dia hahazo ilay fitarihana tena tsara omen’ny Fanahy antsika. Afaka mahazo ny valin’ireo fanontaniantsika isika. Mahafantatra ireo fitahiana tonga amin’ny alalan’ny fitandremana ny didin’Andriamanitra isika. Mahazo fijoroana ho vavolombelona azo antoka ny amin’ny Raintsika any an-danitra sy i Jesoa Kristy Mpamonjy antsika ary ny fitiavan’Izy ireo antsika isika. Rehefa ampiarahantsika amin’ny vavaka ataontsika izany dia afaka mahafantatra marina tokoa isika fa marina ny filazantsaran’i Jesoa Kristy. … Rehefa mahatsiaro ny vavaka isika ary maka fotoana hamakiana ny soratra masina dia hotahiana kokoa amin’ny fotoana tsy voafetra ny fiainantsika ary hohamaivanina kokoa ny enta-mavesatsika.” (“Tsy Irery na Oviana na Oviana Isika,” Liahona, Nôv. 2013, 122).

    Nilaza ny Filoha Gordon B. Hinckley hoe: “Tsy amim-pisalasalana no hampanantenako anareo fa raha mitandrina ity fandaharana tsotra ity ny tsirairay aminareo, na efa impiry na efa impiry ianareo no namaky ny Bokin’i Môrmôna teo aloha, dia ho tonga eo amin’ny fiainanareo sy ao amin’ny tokantranonareo amin’ny fatra bebe kokoa ny Fanahin’ny Tompo, sy ny fanapahan-kevitra matanjaka kokoa hankatò ny didiny, ary fijoroana ho vavolombelona matanjaka kokoa ny amin’ny maha-velona marina ny Zanak’Andriamanitra” (“A Testimony Vibrant and True,” Liahona, Aog. 2005, 6).

    Niteny ny Filoha Howard W. Hunter hoe: “Tahina tokoa ny fianakaviana rehefa manangona ny zanany ho eo aminy ka hiara-hamaky ao amin’ireo pejin’ny soratra masina ny ray sy reny hendry, ary avy eo mifampiresaka amin-kalalahana mikasika ireo tantara mahafinaritra sy ny eritreritra arakaraky ny fahatakaran’ny rehetra. Matetika ireo tanora sy ireo ankizy kely no manana hevitra mahatalanjona sy fitiavana an’ireo bokim-pivavahanana fototra.” (“Reading the Scriptures,” Ensign, Nôv. 1979, 64).

    Niteny ny Filoha Ezra Taft Benson hoe: “Matetika isika no mandany hery lehibe mba hampitomboana ny isan’ireo mpikambana mazoto ao amin’ny tsatòkantsika. Miasa fatratra isika mba hampiakatra ny isan-jaton’ireo manatrika ny fivorian’ny fanasan’ny Tompo. Miasa isika mba hahazoana isan-jato avo kokoa amin’ireo zatovolahy manao asa fitoriana. Miezaka isika ny hanatsara ny isan’ireo manambady any amin’ny tempoly. Ezaka tsara sy manan-danja amin’ny fampiroboroboana ny fanjakana avokoa ireo rehetra ireo. Saingy rehefa miroboka ao anatin’ny soratra masina matetika sy tsy tapaka ireo mpikambana tsirairay sy ny fianakaviana dia hisongadina ho azy ireo sehatra hafa hanaovana asa ireo. Hitombo ny fijoroana ho vavolombelona. Hihamatanjaka ny fanolorantena. Hirotsaka ny fanambarana ho an’ny tena manokana.” (“The Power of the Word,” Ensign, Mey 1986, 81).

    Nanambara ny Filoha Spencer W. Kimball hoe: “Hitako fa rehefa tsy dia miraharaha loatra ny fifandraisako amin’ny any an-danitra aho sy rehefa toa tsy misy sofina mihaino avy any an-danitra ary tsy misy feo miteny avy any an-danitra, dia lavitra, tena lavitra aho. Rehefa miroboka ao anatin’ny soratra masina aho dia mihafohy ny elanelana ary miverina ny aim-panahy. Hitako fa tena tia bebe kokoa ireo izay tsy maintsy tiaviko amin’ny foko sy saiko ary tanjako manontolo aho, ary mihatia azy ireo bebe kokoa. Hitako toy ny mora kokoa ny miaina araka ny torohevitr’izy ireo.” (Teachings of Presidents of the Church: Spencer W. Kimball[2006], 67.)

    Niteny ny Filoha Marion G. Romney hoe: “Mahatsapa aho fa any an-tokantranontsika any, raha mamaky ombam-bavaka sy tsy tapaka ny Bokin’i Môrmôna ireo ray aman-dreny, sady manao izany samirery no manao izany miaraka amin’ny zanany, dia hanenika ny tokantranontsika ary hitoetra amin’ireo izay monina ao ny fanahin’io boky manan-danja io. Hitombo ny fanahin’ny fanehoana fanajana. Hitombo ny fifanajana sy ny fifanomezana lanja ny tsirairay. Hisitaka ny fanahin’ny fifandirana. Hitarika ny zanany amim-pitiavana sy amim-pahendrena kokoa ireo ray aman-dreny. Hanaraka sy hanoa kokoa ireo torolalan’ny ray aman-dreniny ireo zanaka. Hitombo ny fahamarinana. Hitosaka ao an-tokantrano sy eo amin’ny fiainana ny finoana, sy ny fanantenana ary ny fiantrana—ilay fitiavana madion’i Kristy—izay hiteraka fiadanana, sy fifaliana ary fahasambarana” (“The Book of Mormon,” Ensign, Mey 1980, 67).

    Niteny ny Filoha Boyd K. Packer hoe: “Ny fotopampianarana marina rehefa takatra, dia manova ny fihetsika sy ny fitondrantena. Ny fandalinana ny fotopampianaran’ny filazantsara no hanatsara haingankaingana kokoa ny fitondrantena toy izay ny fandalinana ny fitondrantena mba hampivoarana ny fitondrantena” (“Do Not Fear,” Liahona, Mey 2004, 79).

    Loholona David A. Bednar: “Ny vavaky ny mpianakavy tsirairay, ny fotoam-pandalinana ny soratra masina tsirairay ataon’ny fianakaviana ary ny takarivan’ny mpianakavy tsirairay dia diam-borosy indray mandehan’ilay sary hosodokon’ny fanahintsika. Tsy misy na dia zava-mitranga iray aza mety ho tena hanaitra na tsy hay hadinoina. Saingy rehefa mifameno ireo diam-borosy indray mandehan’ilay boronsindoko miloko mavo sy volom-bolamena ary volontany ireo dia mamokatra asa tanana mahatalanjona, ary toy izany koa ny vokatry ny fanaovantsika tsy tapaka ireo zavatra izay toa kely nefa mitondra vokatra manan-danja ara-panahy” (“Hazoto sy Hikarakara Bebe Kokoa ao An-tokantrano,” Liahona, Nôv. 2009, 19–20).

  7. Jereo ny 2 Nefia 2 :13.

  8. Linda S. Reeves, “Fiarovana amin’ny Pôrnôgrafia—Tokantrano Mifantoka amin’i Kristy,” Liahona, Mey 2014, 16–17.

  9. Niteny ny Filoha Howard W. Hunter hoe: “Ao anatin’izay toe-tsaina izay no hanasako ny Olomasin’ny Andro Farany mba handray ny tempolin’ny Tompo ho toy ny famantarana lehiben’ny maha-mpikambana anareo. Tena fanirian’ny foko lalina indrindra ny hahamendrika ny mpikamban’ny Fiangonana tsirairay hiditra ny tempoly. Hahafaly ny Tompo raha toa ka mendrika—sy mitondra—fahazoan-dalana ho any amin’ny tempoly manan-kery ny mpikambana olon-dehibe rehetra. Ireo zavatra tokony hataontsika sy tsy tokony hataontsika mba ho mendrika ny fahazoan-dalana ho any amin’ny tempoly indrindra no zavatra hanome antoka fa ho sambatra isika na amin’ny maha-olona tsirairay na amin’ny maha-fianakaviana antsika. Aoka isika ho vahoaka mpankany amin’ny tempoly. Mankanesa any amin’ny tempoly matetika araka izay azo atao arakaraky ny toe-javatra iainanareo manokana. Asio sarin’ny tempoly ao an-tokantranonareo mba ho hitan’ny zanakareo. Ampianaro momba ireo tanjon’ny tranon’ny Tompo izy ireo. Asaivo manao drafitra izy ireo handehanana any sy hijanonana ho mendrika an’izany fitahiana izany dieny mbola kely” (“Exceeding Great and Precious Promises,” Ensign, Nôv. 1994, 8).

  10. Jereo ny 2 Nefia 2 :2.