2014
Mizara ny Fahazavanao
Nôvambra 2014


Mizara ny Fahazavanao

Mila mijoro ho mafy orina isika eo amin’ny finoantsika ary manandratra ny feontsika mba hanambarana fotopampianarana marina.

Anio alina aho dia te hitodika amin’ny andraikitra roa manan-danja izay sahanintsika: voalohany, dia ny manampy hatrany ny fahazavana sy fahamarinan’ny filazantsara ao amin’ny fiainantsika, ary faharoa dia ny mizara ireo fahazavana sy fahamarinana ireo amin’ny hafa.

Moa ve fantatrareo ny maha-manan-danja anareo? Ianareo tsirairay—amin’izao fotoana izao—dia manan-danja ary tena ilaina eo amin’ilay drafitry ny famonjen’ilay Ray any an-danitra. Manana asa ho tanterahina isika. Fantatsika ny fahamarinan’ny filazantsara naverina tamin’ny laoniny. Vonona ny hiaro an’io fahamarinana io ve isika? Mila miaina mifanaraka amin’izany isika, mila mizara izany. Mila mijoro ho mafy orina isika eo amin’ny finoantsika ary manandratra ny feontsika mba hanambarana fotopampianarana marina.

Ao amin’ny Liahona volana Septambra 2014 dia manoratra ny Loholona M. Russell Ballard hoe: “Mila bebe kokoa ny fitaomana miavaka ananan’ireo vehivavy isika sy ny finoan’izy ireo. Ilaintsika izy ireo hianatra ny fotopampianarana ary hahatakatra ny zavatra izay inoantsika mba hahafahany mijoro ho vavolombelona mikasika ny fahamarinan’ny zava-drehetra.”1

Ry rahavavy isany, mampatanjaka ny finoako an’i Jesoa Kristy ianareo. Nijery ny ohatrareo aho ka naheno ny tenivavolombelonareo ary nahatsapa ny finoanareo raha niainga avy any Brésil ka hatrany Botswana! Manana hery hitaomana ireo manodidina anareo ianareo na aiza na aiza alehanareo. Tsapan’ireo olona manodidina anareo izany—miainga amin’ireo fianakavianareo ka hatrany amin’ireo voarakitra ao amin’ny telefaoninareo ary miainga amin’ireo namanareo ao amin’ireny tambazotra ifaneraserana ireny ka hatramin’ireo izay mipetraka eo akaikinareo anio hariva. Miombon-kevitra amin-dRahavavy Harriet Uchtdorf aho izay nanoratra hoe: “Ianareo dia … ohatra mavitrika sy feno fientanentanana eo anivon’ny tontolo iray izay mihamaizina hatrany rehefa asehonareo amin’ny alalan’ny fomba fiainanareo fa ny filazantsara dia hafatra mahafaly.”2

Ny Filoha Thomas S. Monson dia nanamarika fa “Raha te hitondra fahazavana ho an’ny hafa ianao dia tsy maintsy manana fahazavana aloha ny tenanao.”3 Ahoana no ahafahantsika mitahiry ilay fahazavan’ny fahamarinana hamirapiratra hatrany ao anatintsika? Indraindray aho mahatsiaro ho toy ny jiro mitsilopilopy izay tsy miaina tsara ary tsy mizara tsara ny fahamarinana. Ahoana no fomba ahafahantsika mamirapiratra kokoa amin’izany?

Mampianatra ny soratra masina hoe: “Izay avy amin’ Andriamanitra dia fahazavana; ary izay mandray hazavana sy mitoetra ao amin’ Andriamanitra dia handray hazavana misimisy kokoa.”4 Tsy maintsy mitoetra ao amin’ Andriamanitra isika araka ny voalazan’io soratra masina io. Mila mankany amin’ilay loharanon’ny fahazavana—any amin’ny Ray any an-danitra sy i Jesoa Kristy ary ny soratra masina isika. Afaka mankany amin’ny tempoly ihany koa isika, sady mahafantatra fa ny zava-drehetra ao anatiny dia mampifantoka amin’i Kristy sy ny sorompanavotany.

Diniho ny zavatra entin’ireo tempoly amin’ny manodidina azy ireo. Manatsara ny endriky ny tanàna izy ireny; mamirapiratra eny ambony vohitra manerinerina. Nahoana izy ireny no manatsara sy mamiratra? Satria araka ny voalazan’ny soratra masina, ny “fahamarinana [dia] mamirapiratra,5 ary ireo tempoly dia mitahiry fahamarinana ary manana tanjona mandrakizay; ianao koa torak’izany.

Nilaza ny Filoha George Q. Cannon tamin’ny taona 1877 hoe: “Ny tempoly tsirairay voatsangana … dia mampihena ny tanjak’i Satana eto an-tany.”6 Izaho dia mino fa na aiza na aiza no misy tempoly aorina eto ambonin’ny tany dia mampihemotra ny haizina izany. Ny tanjon’ny tempoly dia ny hanompo ny zanak’olombelona ary ny hanome an’ireo zanaka rehetra an’ny Ray any an-danitra fahafahana hiverina sy hiaina hiaraka Aminy. Moa ve ny tanjontsika tsy mitovitovy amin’ny an’ireny trano voatokana ireny, ireny tranon’ny Tompo ireny? Dia ny hanompo ny hafa sy hanampy azy ireo hampihemotra ny haizina sy hiverina ho amin’ny fahazavan’ny Ray any an-danitra?

Ny asa masina atao any amin’ny tempoly dia hampitombo ny finoantsika an’i Kristy, ary amin’izany isika dia afaka manana fiantraikany tsara kokoa amin’ny finoan’ny hafa. Amin’ny alalan’ilay fanahy mamelona hita ao amin’ny tempoly no ahafahantsika mianatra ny tena fisian’ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy sy ny hery ary ny fanantenana entiny eo amin’ny fiainantsika manokana.

Taona maro lasa izay dia nisedra olana lehibe ny fianakavianay. Nankany amin’ny tempoly aho ary tany aho dia nivavaka mafy mba hahazo fanampiana. Nahazo fotoam-pitsapana goavana aho. Nahazo fahatsapana mazava aho momba ireo fahalemeko ka dia tohina. Tamin’io fotoana feno fananarana ara-panahy io aho dia nahatazana vehivavy feno ambo-po izay manao araka ny fombany manokana, fa tsy voatery ho araka ny fomban’ny Tompo, ary maka voninahitra ho an’ny tena any amin’ny mangingina noho izay mety hoheverina fa zava-bita. Fantatro fa ny tenako io tazako io. Nivavaka tao am-poko aho tamin’ny Ray any an-danitra ka niteny hoe: “Tsy te ho io vehivavy io aho, saingy ahoana no fomba hiovako?”

Tamin’ny alalan’ilay fanahin’ny fanambarana tsy misy fangarony tao amin’ny tempoly no nampianarana ahy ny tena nilako Mpanavotra iray. Nitodika avy hatrany tany amin’i Jesoa Kristy Mpamonjy aho tato an-tsaiko ary nahatsapa fa nanjavona ny tebitebiko ka fanantenana lehibe no nanenika ny foko. Izy no hany fanantenako ary naniry ny hifikitra Taminy fotsiny aho. Nazava tamiko fa ny vehivavy iray tsy mijery afa-tsy ny tenany sy araka ny nofo “dia fahavalon’ Andriamanitra”7 ary fahavalon’ireo manodidina azy. Nianatra aho tao amin’ny tempoly tamin’io andro io fa amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy ihany no ahafahan’ny toetrako feno ambo-po hiova, ary ahafahako hanao ny tsara. Nahatsapa mafy ny fitiavany aho ary nahafantatra fa hampianatra ahy amin’ny alalan’ny Fanahy Izy ary hanova ahy raha manolotra ny foko ho Azy aho ka tsy mihazona na inona na inona.

Mbola miady amin’ny fahalemeko aho, kanefa mahatoky ny fanampiana masina entin’ny Sorompanavotana. Izany fampianarana madio izany no azo dia satria niditra tao amin’ny tempoly masina aho ka nikatsaka fanampiana sy vahaolana. Navesatr’entana aho raha niditra tao amin’ny tempoly, ary nony nivoaka avy tao aho dia nahafantatra fa nanana Mpamonjy mahery sy be fitiavana. Maivamaivana kokoa aho ary falifaly satria nandray ny Fahazavany ary nanaiky ny drafiny ho ahy.

Napetraka manerana izao tontolo izao ireo tempoly ary samy manana ny endrika mampiavaka azy ety ivelany, saingy raha ny ao anatiny dia samy ahitana fahazavana sy tanjona ary fahamarinana mandrakizay mitovy ihany. Hitantsika ao amin’ny 1 Korintiana 3:16 ny hoe: “Tsy fantatrareo va fa tempolin’ Andriamanitra ianareo, ary ny Fanahin’ Andriamanitra mitoetra ao anatinareo?” Isika koa amin’ny maha-zanakavavin’Andriamanitra antsika dia napetraka manerana an’izao tontolo izao, toy ny tempoly, ary samy manana endrika sy bika ety ivelany mampiavaka antsika tsirairay, toy ny tempoly. Manana fahazavana ara-panahy ihany koa isika ao anatintsika. Io fahazavana ara-panahy io dia taratry ny fahazavan’i Kristy. Ho voasarika ho any amin’io famirapiratana io ny hafa.

Manana ny anjara asantsika manokana isika eto an-tany—miainga amin’ny zanakavavy, sy reny, sy mpitarika ary mpampianatra ka hatramin’ny rahavavy, mpampidi-bola, vady sy ny sisa. Samy manana hery mitaona avokoa ireo. Ny anjara asa tsirairay dia samy manana hery ara-tsaina—rehefa maneho ireo fahamarinan’ny filazantsara sy ireo fanekempihavanan’ny tempoly eo amin’ny fiainantsika isika.

Hoy ny Loholona D. Todd Christofferson hoe: “Na inona na inona zava-mitranga, ny reny dia afaka mampihatra fitaomana izay tsy mitovy mihitsy amin’izay vitan’olon-kafa eo amin’izay mety ho fifandraisana hafa misy.”8

Fony mbola kely ireo zanakay dia nahatsiaro tena ho toy ny mpiara-manamory sambo iray miaraka amin’i David vadiko aho, ary azoko sary an-tsaina ho toy ny andian-tsambokely mitsingevana manodidina anay teo amin’ny seranana ireo zanakay 11, miomana hanainga ho eny amin’ny ranomasin’izao tontolo izao. Nahatsiaro ho nila nandray fitaomam-panahy isan’andro avy amin’ny Tompo izaho sy i David mba hahitana ny lalana tsara indrindra handehanana amin’ireo andian-tsambokelinay.

Fenon’ireo zavatra mora adino ny androko, toy ny famalonana lamba sy famakiana bokin’ankizy ary fanangonana vilany ho an’ny sakafo hariva. Indraindray tao amin’ny seranan’ny tranonay dia tsy tsikaritray fa tamin’ny alalan’ireny fihetsika tsotra sy atao tsy tapaka ireny—anisan’izany ny vavaky ny mpianakavy sy ny fandalinana soratra masina ary ny takarivan’ny mpianakavy—no anatanterahana zavatra lehibe. Fa mijoro ho vavolombelona aho fa ireny fihetsika ireny mihitsy no manana lanja mandrakizay. Fifaliana lehibe no azo rehefa mitombo ireo sambokely ireo—ireo zanakay izany—ka lasa sambo mahery miampita ranomasina izay heniky ny fahazavan’ny filazantsara ary vonona “[h]irotsaka amin’ny fanompoana an’ Andriamanitra.”9 Ireo fihetsika madinika feno finoana sy fanompoana nataonay no fomba ahafahan’ny ankamaroantsika mitoetra ao amin’ Andriamanitra ary amin’ny farany dia mitondra fahazavana sy voninahitra mandrakizay ho an’ny fianakaviantsika, sy ireo namantsika ary ireo izay mifandray amintsika. Tena manana fahafahana ianao hanana hery hitaomana ny hafa!

Eritrereto ny fitaomana mety hananan’ny finoan’ny ankizivavy iray ao amin’ny Kilonga eo amin’ny fianakaviany. Nitahy ny fianakavianay ny finoan’ny zanakavavinay raha sendra very ny zanakay lahy kely tany amin’ny zaridaina fialam-boly iray. Nikoropaka tsy nahatombina nanketsy nankeroa ny mpianakavy nitady azy. Farany, nosarihan’ilay zanakay vavy 10 taona ny sandriko ary hoy izy: “Neny a, sao dia tokony hivavaka isika?” Marina ny azy! Nivondrona teo afovoan’ny mpitazana marobe ny mpianakavy ary nivavaka mba hahitana ilay zanakay. Hitanay tokoa izy. Ho an’ireo zazavavy rehetra ao amin’ny Kilonga dia hoy aho hoe: “Ampahatsiahivo hatrany anie azafady ireo ray aman-dreninareo mba hivavaka e!”

Tamin’ny fahavaratra teo aho dia nanana fahafahana nanatrika lasy iray izay nahitana zatovovavy 900, tany Alaska. Lalina ny herin’ny fitaoman’izy ireo teo amiko. Vonona ara-panahy izy ireo raha tonga tany amin’ny lasy, efa nahavaky ny Bokin’i Môrmôna ary nahatadidy tsianjery ny “Ilay Kristy Velona: Ny Fijoroana ho Vavolombelona’ireo Apôstôly.” Ny alina fahatelo nilasiana dia niara-nitsangana ireo zatovovavy 900 rehetra ary nanonona ilay fanambarana ka nisy teny iray latsaka.

Nanenika ilay efitrano lehibe ny Fanahy, ary naniry ny hiombom-peo tamin’izy ireo aho. Saingy tsy afaka. Tsy mbola nanao izay tokony hatao hanaovana izany tsianjery izany aho.

Nanomboka nianatra ny tonon’ny “Ilay Kristy Velona” aho ankehitriny tahaka ny nataon’ireto rahavavy ireto, ary noho ny fitaomana nananan’izy ireo dia miaina feno kokoa ireo fanekempihavanana amin’ny fanasan’ny Tompo aho dia ny hahatsiaro ny Mpamonjy mandrakariva, rehefa mamerimberina hatrany ny tenivavolombelon’ireo Apôstôly momba an’i Kristy. Manomboka misy heviny lalina kokoa ho ahy ny fanasan’ny Tompo.

Ny antenaiko dia ny hanolotra fanomezan’ny Krismasy ho an’ny Mpamonjy amin’ity taona ity dia ny fahavitana tsianjery sy ny fankamamiana ny “Ilay Kristy Velona” hatramin’ny 25 Desambra. Manantena aho ny ho afaka ho lasa fitaomana ho amin’ny tsara—tahaka ny naha-toy izany an’ireo rahavavy tany Alaska tamiko.

Afaka mahita ny tenanareo ve ianareo ao anatin’ireto teny ireto izay ao amin’io fanambarana hoe “Ilay Kristy Velona” io? Nitalaho tamin’ny rehetra Izy ny mba hanaraka ny ohatra nasehony. Nandeha teo amin’ireo làlan’i Palestina izy, nanasitrana ny marary, nampahiratra ny jamba ary nanangana ireo maty.”10

Isika vehivavin’ny Fiangonana dia tsy mandeha eo amin’ireo làlan’i Palestina mba hanasitrana ny marary, kanefa afaka mivavaka isika ary mampihatra ilay fitiavana manasitran’ny Sorompanavotana amin’ny fifandraisana iray izay simba na niharatsy.

Na dia tsy hampahiratra ny jamba araka ny fomban’ny Tompo aza isika, dia afaka mijoro ho vavolombelona mikasika ny drafitry ny famonjena amin’izay jamba ara-panahy. Afaka manokatra ny mason’ny fahatakaran’izy ireo isika mba hahitany ny ilàna ny fahefan’ny fisoronana amin’ireo fanekempihavanana mandrakizay.

Tsy hanangana ny maty tahaka ny nataon’ny Mpamonjy isika, saingy afaka mitahy ireo maty amin’ny fikarohana ny anarany hanaovana asa any amin’ny tempoly. Amin’izany isika dia tena hanangana azy ireo avy ao amin’ny tranomaizin’ny fanahy ary hanolotra azy ireo ny lalan’ny fiainana mandrakizay.

Mijoro ho vavolombelona aho fa manana Mpamonjy velona isika, dia i Jesoa Kristy, ary raha miaraka amin’ny heriny sy ny fahazavany isika dia ho afaka hampihemotra ny haizin’izao tontolo izao, sy manambara ilay fahamarinana fantatsika, ary mitaona ny hafa hankany Aminy. Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.

Fanamarihana

  1. M. Russell Ballard, “Men and Women and Priesthood Power,” Liahona, Sept. 2014, 36.

  2. Harriet R. Uchtdorf, The Light We Share (Deseret Book Company 2014), 41; nampiasaina rehefa avy nahazoana lalana.

  3. Thomas S. Monson, “For I Was Blind, but Now I See,” Liahona, Jolay 1999, 69.

  4. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 50:24.

  5. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:7.

  6. George Q. Cannon tao amin’ny Preparing to Enter the Holy Temple (bokikely, 2002), 36.

  7. Môsià 3:19.

  8. D. Todd Christofferson, “Ny Herim-panahy Hanao ny Tsara Ananan’ny Vehivavy,” Liahona, Nôv. 2013, 30.

  9. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 4:2.

  10. “Ilay Kristy Velona: Ny Fijoroana Vavolombelon’ireo Apôstôly,” Liahona, Apr. 2000, 2.