2014
Misafidiana Amim-pahendrena
Nôvambra 2014


Misafidiana Amim-pahendrena

“[M]andà ny ratsy sy [m]ifidy ny tsara” (Isaià 7:15).

Ry rahalahiko malala, ny hizara torohevitra vitsy mikasika ny fanapahan-kevitra sy ny safidy no faniriako amin’ity takariva ity.

Fony aho mpisolovava vao herotrerony tany amin’ny Faritr’i San Francisco Bay dia nanao asa momba ny lalàna ny orinasanay ho an’ilay orinasa izay namokatra ilay fandaharana manokana ho an’ny ankizy tamin’ny fahitalavitra momba an’i Charlie Brown, fandaharana izay nalefa nandritra ny fialan-tsasatra.1 Lasa mpankafy an’i Charles Shultz sy ny asa noforoniny aho—Peanuts, izay ahitana an’i Charlie Brown, Lucy, Snoopy, ary ireo mpandray anjara mahafinaritra hafa.

Ahitana an’i Lucy ny iray amin’ireo sombin-tantarana sary miaina tiako indrindra. Raha ny fitadidiako azy dia nandray anjara tamin’ny lalao lehibe iray ny ekipa mpilalao baseball an’i Charlie Brown—Nilalao teo amin’ny faritra ankavanan’ny kianja i Lucy, ary voakapoka nisavoana nankeny aminy ny baolina. Efa tsara petraka teo amin’ireo “bases” telo ny ekipa mpifanandrina tamin’izy ireo, ary izay no fizaram-potoana farany tamin’ireo sivy nisy. Raha azon’i Lucy ilay baolina dia handresy ny ekipany. Raha tsy azony ilay baolina dia handresy ilay ekipa mpifanandrina tamin’ny azy ireo.

Toy ny zavatra izay tsy mitranga raha tsy ao anaty sary miaina ihany dia nihodidina an’i Lucy ilay ekipa iray manontolo rehefa nidina ilay baolina. Nieritreritra i Lucy hoe “Raha azoko ilay baolina dia izaho no ho ilay maherifo, fa raha tsy azoko izany dia izaho no ho ilay vendrana indrindra.”

Nidina ilay baolina, ary raha dodona ery ireo mpiara-milalao taminy nijery izany dia tsy azon’i Lucy ilay baolina. Natsipin’i Charlie Brown teo amin’ny tany ny fonon-tanany noho ny fahadisoam-panantenana. Nitodika tany amin’ireo mpiara-milalao taminy i Lucy sady nitery kiho no nilaza hoe “Ahoana moa no antenanareo ahy hahazo ilay baolina kanefa aho manahy ny amin’ny pôlitikan’ny firenentsika eo amin’ny fifandraisana amin’ny any ivelany?”

Iray tamin’ireo baolina maro nisidina ambony ka tsy azon’i Lucy nandritra ny taona iny baolina iny, ary nahita fialan-tsiny vaovao natao foana izy.2 Na dia nampihomehy aza ireo fialan-tsinin’i Lucy dia fialan-tsiny enti-manadio tena izy ireo; tsy ireo no antony marina tsy nahazoany ilay baolina.

Nandritra ny asa fanompoana nataon’ny Filoha Thomas S. Monson dia matetika izy no nampianatra fa ny fanapahan-kevitra no mamaritra ny anjara.3 Ao anatin’ny foto-kevitr’izay fitsipika izay no hanoroako hevitra anareo anio hariva mikasika ny fandresena ny fialan-tsiny izay manakana antsika tsy hanao safidy mendrika, indrindra fa mahakasika ny fanompoana an’i Jesoa Kristy. Ampianarina isika ao amin’ny Isaià mba “handà ny ratsy sy hifidy ny tsara.”4

Mino aho fa manan-danja manokana amin’izao androntsika izao, izay hanjakan’i Satana ao am-pon’ny olona amin’ny fomba vaovao maro tokoa sy misoko mangina, ny hanaovantsika safidy sy handraisantsika fanapahan-kevitra amim-pahamalinana, mifanaraka amin’ireo tanjona sy tarigetra lazaintsika fa ifotoran’ny fiainantsika. Mila fanolorantena tanteraka amin’ireo didy isika ary fankatoavana amin’ny fomba hentitra ireo fanekempihavanana masina. Rehefa avelantsika hanakana antsika tsy handray ny fanafiana masina any amin’ny tempoly sy hanao asa fitoriana mendrika ary fanambadiana any amin’ny tempoly ny fialan-tsiny dia manimba tokoa izy ireo. Mahavaky fo ny filazantsika fa mino ireo tanjona ireo isika kanefa manao tsinontsinona ny fiainana mifanaraka amin’izany isan’andro, izay takina mba hahatratrarana azy ireo.5

Milaza ny tanora sasany fa manana tanjona ny hanambady any amin’ny tempoly kanefa tsy mampiaraka amin’ireo olona mendrika ny ho any amin’ny tempoly. Raha ny marina dia tsy mampiaraka akory aza ny sasany! Ry lehilahy mpitovo, arakaraky ny hijanonanareo ho mpitovo, rehefa tonga amin’ny taonan’ny fahamatorana ianareo, no mety hahazoanareo aina kokoa amin’ny tsy firotsahanareo amin’ny fanambadiana. Kanefa raha ny marina dia tokony ho vao mainka lasa tsy mahazo aina kokoa ianareo! Aoka ianareo mba “hazoto hirotsaka”6 amin’ireo hetsika ara-panahy sy ara-piaraha-monina izay mifanaraka amin’ny tanjonareo hanambady any amin’ny tempoly.

Ny sasany dia manemotra ny fanambadiana mandra-pahavitany fianarana mandra-pahitany asa. Raha toa ka eken’ny rehetra eny amin’izao tontolo izao izany fomba fisainana izany, dia tsy maneho finoana sady tsy mifanaraka amin’ny torohevitr’ireo mpaminany maoderina no tsy mifanaraka amin’ny fotopampianarana azo itokiana tsara.

Vao haingana aho no nihaona tamin’ny zatovolahy bikàna iray. Ny tanjony dia ny handeha hanao asa fitoriana, ny hamita fianarana, ny hanambady any amin’ny tempoly ary ny hanana fianakaviana sambatra mahatoky. Tena faly tamin’ireo tanjony aho. Fa rehefa nitohy ny resaka dia lasa nazava tamiko fa tsy nifanaraka tamin’ireo tanjony ny fomba fiainany sy ny safidy nataony. Tsapako fa tena te handeha marina hanao asa fitoriana izy ary nisoroka ireo fandikan-dalàna goavana izay hanakana azy tsy hanao asa fitoriana, saingy tsy nanomana azy tamin’ireo fanamby ara-batana, ara-pihetsehampo, ara-tsôsialy, ara-pahaizana, ary ara-panahy izay tsy maintsy hatrehany ireo zavatra fanaony isan’andro.7 Tsy nianatra niasa mafy izy. Tsy matotra izy tamin’ny fianarana na ny seminera. Nandeha nivavaka izy saingy tsy namaky ny Bokin’i Môrmôna. Nandany fotoana be dia be izy tamin’ny jeux video sy ny tambazotra ifaneraserana. Toy ny hoe mieritreritra izy fa ho ampy ny fandehanany fotsiny manao asa fitoriana. Ry zatovolahy, manolora tena indray mba hanana fitondrantena mendrika sy hanao fiomanana matotra mba ho solontenan’i Jesoa Kristy Tompo sy Mpamonjintsika.

Tsy ireo fanapahan-kevitra lehibe manova ny fiainantsika ihany no mampanahy ahy fa ireo zavatra hafa heverina ho tsy manan-danja ihany koa—ny fiainana isan’andro sy ireo fanapahan-kevitra toy ny tsy dia manan-danja izay andaniantsika ny ankamaroan’ny fotoantsika. Amin’ireo sehatra ireo dia ilaintsika hamafisina ny fifehezantena sy ny fandanjalanjana ary indrindra fa ny fahendrena. Zava-dehibe ny mandresy ny fialan-tsiny sy manao ireo safidy tsara indrindra.

Ohatra tena tsara amin’ny filana ny fifehezantena sy ny fandanjalanjana ary ny fahendrena ny fampiasana ny Internet. Azo ampiasaina hanaovana asa fitoriana izany, hanampiana amin’ireo andraikitry ny fisoronana, hitadiavana ireo razambe sarobidy izay mila ny ôrdônansy masin’ny tempoly, ary zavatra maro hafa. Goavana ny fahafahany mitondra zavatra tsara. Fantatsika ihany koa fa afaka mampita zavatra maro izay ratsy izany, ao anatin’izany ny pôrnôgrafia, ny fanaovan-doza amin’ny hafa amin’ny alalan’ny fitaovana elektrônika,8 na ny fitenenan-dratsy tsy anononana anarana amin’ny chat. Afaka mitarika amin’ny fanaovana hadalana tsy misy fiafarany koa izany. Hoy Rahalahy Randall L. Ridd raha nampianatra mafy momba ny Internet tamin’ny fihaonamben’ny Fiangonana farany teo, “[Ny Internet dia mety hahatonga anao] ho voafandrika ao anatin’ny zavatra maro tsy misy fiafarana nefa tsy manan-danja izay handany ny fotoanao ka hampihena ny fahafahanao hanao ny tsara.”9

Tsy ao amin’ny Internet ihany no ahitana ireo zavatra mahavariana sy manohitra ny fahamarinana; hita eny rehetra eny izy ireo. Tsy miantraika amin’ny tanora fotsiny ihany izy ireo fa amintsika rehetra. Miaina ao anatin’ny tontolo miaina ara-bakiteny ao anatin’ny korontana isika.10 Voahodidin’ny fanehoana tsy misy fiafarany ny antsoina hoe “hetsika mampiala voly” isika ary ny fiainana vetaveta sy tsy mandeha araka ny tokony ho izy. Aseho ho toy ny zavatra mety sy mahazatra ireo ao amin’ny maro amin’ireo fampitam-baovao.

Vao haingana ny Loholona David A. Bednar no nampitandrina ny mpikambana mba ho marina amin’ny fampiasana ny tambazotra ifaneraserana.11 I Arthur C. Brooks izay fanta-daza amin’ny fizarana ny heviny dia nanamafy izany. Nilaza izy fa rehefa mampiasa tambazotra ifaneraserana isika dia mirona amin’ny fanehoana ireo antsipiriany mahafinaritra eo amin’ny fiainantsika fa tsy ireo fotoan-tsarotra lalovana any am-pianarana na any am-piasana. Maneho fiainana tsy feno isika—indraindray dia amin’ny fomba izay maneho fa tsara kokoa noho ny tena izy isika. Maneho io fiainana io isika ary avy eo dia mino ny “fiainan’ireo naman[tsika] ao amin’ny tambazotra ifaneraserana izay kely fotsiny amin’ilay izy no marina.” Hoy i Brooks hoe: “Ahoana moa no tsy haharary anao ny mandany ny ampahany amin’ny fotoanao amin’ny fihamboanao ho faly kokoa noho ny tena izy, ary ny ampahany sisa amin’ny fotoanao amin’ny fahitana hoe toy ny sambatra kokoa noho ianao ny hafa.”12

Indraindray isika dia toy ny hoe difotr’ireo fahadalana tsy manan-danja sy fialamboly tsy misy dikany ary fifandirana tsy misy fiafarany. Rehefa mampihena ireo zavatra mahavariana sy mandinika ny zavatra manodidina antsika isika dia hahita fa tena vitsy ny zavatra hanampy antsika hanatratra ny tanjona tsara ananantsika ho amin’ny mandrakizay. Nisy raim-pianakaviana iray izay namaly ireo zanany tamim-pahendrena tamin’ny fangatahana maro be nataon’izy ireo mba handray anjara amin’ireo fialamboly ireo. Nanontany azy ireo fotsiny izy hoe “Hahatonga anareo ho olona tsaratsara kokoa ve izany?”

Rehefa miezaka isika ny hanamarina ireo safidy ratsy ataontsika, izay tsy mifanaraka amin’ny filazantsara naverina tamin’ny laoniny, na lehibe izy ireo na kely, dia tsy ho azontsika ireo fitahiana sy fiarovana ilaintsika ary matetika isika no voafandrika ao anaty fahotana na tsy mahita tsotra izao ny lalana tokony halehantsika.

Ny mampanahy ahy indrindra dia ny fahadalana13 sy ny fibahanan’ny fitiavana ny “zava-baovao rehetra” ao an-tsaina. Mamporisika sy manome lanja lehibe ny fahamarinana sy ny fahalalana isan-karazany isika ato amin’ny Fiangonana. Kanefa rehefa misaraka amin’ny drafitry ny fahasambarana nataon’Andriamanitra sy ny anjara asan’i Jesoa Kristy izay tena ilaina ny kolontsaina sy ny fahalalana ary ireo fomba fanao mahazatra eo amin’ny fiaraha-monina, dia tsy azo sakanana ny faharavan’ny fiaraha-monina.14 Amin’izao androntsika izao, na dia eo aza ireo fivoarana tsy mbola nisy toy izany eo amin’ny sehatra maro, indrindra fa ny siansa sy ny serasera, dia nihen-danja ireo soatoavina fototra manan-danja ary nihena ny fahasambarana sy ny fiadanana amin’ny ankapobeny.

Rehefa nasaina handray fitenenana ny Apôstôly Paoly teo amin’ny Areopago tao Atena dia hitany ny sasany amin’ireo filazan-tena ho mahay sy ny tsy fisian’ny fahendrena marina izay misy amin’izao fotoana izao.15 Misy ity tantara ity ao amin’ny Asan’ny Apôstôly: “Fa ny Ateniana rehetra sy ny vahiny izay nitoetra teo tsy nandany ny androny tamin’ny zavatra hafa, afa-tsy ny hilaza na hihaino zava-baovao.”16 Ny Fitsanganan’i Jesoa Kristy tamin’ny maty no nantitranterin’i Paoly. Rehefa nahatsikaritra ny vahoaka fa hafatra ara-panahy no nentiny dia nihomehy azy ny sasany ary ny sasany dia nandroaka azy tamin’ny fitenenana hoe “Mbola hihaino anao indray izahay ny amin’izany zavatra izany.”17 Niala tao Atena i Paoly, tsy nahita fahombiazana mihitsy. Toy izao no nosoratan’i Dean Frederic Farrar momba io fitsidihana io: “Tsy nanangana fiangonana izy tao Atena, tsy nanoratra epistily izy ho an’i Atena, ary rehefa nandalo matetika teny amin’ny manodidina an’i Atena izy dia tsy nandingana tao intsony.”18

Mino aho fa ny hafatra manazava ny saina amam-panahy nataon’ny Loholona Dallin H. Oaks izay manavaka ny “tsara sy ny tsara kokoa ary ny tsara indrindra”19 dia manolotra fomba mahomby handanjalanjana ireo safidy sy laharam-pahamehana. Maro ireo safidy izay tsy voatery ho tonga dia ratsy, kanefa raha mandany ny fotoantsika rehetra izy ireo sy manakana antsika tsy hanao ny safidy tsara indrindra dia lasa mampidi-doza.

Na ireo zavatra atao sy tanjona mendri-piderana aza dia mila fandanjalanjana mba hamaritana raha toa izy ireo ka lasa zavatra tsy mampifantoka amin’ireo tanjona tsara indrindra. Nisy resaka tsy hay hadinoina nifanaovako tamin’ny raiko fony aho zatovo. Tsy nino izy hoe betsaka ireo tanora nifantoka na niomana ho amin’ny fanatratrarana tanjona maharitra sy manan-danja—toy ny asa sy ny famelomana ny ankohonana.

Laharam-pahamehana lehibe indrindra nafatrafaran’ny raiko mandrakariva ny fianarana mafy sy ny fakana traikefa hiomanana amin’ny asa. Tiany raha toa ka mba nisy fifandraisany mivantana tamin’ny sasany tamin’ireo tanjoko manan-danja ny fandraisako anjara tamin’ireo hetsika ankoatra ny fianarana toy ny fifanakalozan-kevitra ataon’ny mpianatra sy ny fitanana andraikitra tany am-pianarana. Tsy naharesy lahatra azy ny fotoana maharitra nolaniako tamin’ny fandraisana anjara tamin’ny baolina Amerikana, ny basketball, ny baseball ary ny fanaovana hazakazaka. Niaiky izy fa manome tanjaka sy mampisy faharetana ary manampy amin’ny fahaizana miara-miasa amin’ny hafa ny fanatanjahantena saingy nolazainy fa ny fifantohana amin’ny fanatanjahantena iray ao anatin’ny fotoana fohy kokoa angamba no ho tsaratsara kokoa. Araka ny fijeriny dia tsara ny fanatanjahantena fa tsy izay no tsara indrindra ho ahy. Nanahy izy fa toa namolavola olo-malaza teo an-toerana ny fanatanjahantena sasany tamin’ny fanaovana sorona ireo tanjona maharitra izay manan-danja kokoa.

Noho io zavatra niainako io, dia antony iray itiavako ilay tantaran’i Lucy nilalao baseball ny hoe raha ny hevitry ny raiko dia tokony nianatra momba ny fifandraisana ara-pôlitikan’ny firenentsika amin’ny firenen-kafa aho fa tsy nitaintaina mikasika ny hoe hahazo ilay baolina sa tsia. Tiako hazava tsara anefa fa tia fanatanjahantena ny reniko. Raha narary tany amin’ny hôpitaly izy angamba izay vao tsy tonga nijery ny iray tamin’ireo lalao nandraisako anjara.

Nanapa-kevitra aho hanaraka ny torohevitry ny dadako fa tsy hilalao amin’ny fifaninanana ara-panatanjahatena any amin’ny ambaratonga ambony. Taorian’izay dia nilaza tamiko ny mpanazatra anay tamin’ny lalao baolina tao amin’ny lycée fa te hanasa ahy sy Merlin Olsen ny mpanazatra ny ekipa mpilalao baolina tao Stanford hiara-hisakafo aminy. Mety tsy mahafantatra an’i Merlin ianareo izay zandriolona. Iray tamin’ireo vodilaharana mahay indrindra teto amin’ny firenena Amerikana izy tao amin’ny ekipa mpilalao baolina an’ny Lycée tao Logan, izay nilalaovako teo amin’ny toeran’ny mpandrindra fanafihana sy vodilaharana ary mpisambotra ny baolina nodakan’ny mpifanandrina ka mamono izany baolina izany eny amin’ny tsato-by. Fony tany amin’ny lycée i Merlin dia nalain’ny ankamaroan’ireo ekipa mpilalao baolina mahay indrindra manerana ny firenena. Nahazo ny Amboara Outland izy tany amin’ny sekoly ambaratonga ambony noho izy mpilalao teo afovoan’ny kianja izay nahay indrindra nanerana ny firenena. Taty aoriana i Merlin dia voafidy ho mpilalao laharana fahatelo tamin’ireo voafantina hilalao tao amin’ny ekipan’ny Ligy Nasiônalin’ny Baolina Amerikana, ary nandray anjara tamin’ny lalao hilalaovan’ny matihanina inefatra ambiny folo nifanesy be izao. Voahosotra ho ao amin’ny Pro Football Hall of Fame izy, izay natokana ho an’ireo mpilalao matihanina sangany indrindra, tamin’ny 1982.20

Tany amin’ny trano fisakafoanana Bluebird ao Logan Utah no natao ilay sakafo atoandro niarahana tamin’ilay mpanazatra tao Stanford. Rehefa avy nifampiarahaba izahay dia tsy nijery ahy intsony izy. Niresaka mivantana tamin’i Merlin izy fa tsy niraharaha ahy mihitsy. Rehefa lany ny sakafonay dia izay izy vao nitodika tany amiko saingy tsy tadidiny ny anarako. Dia hoy izy tamin’i Merlin hoe “Raha misafidy ny hianatra sy hilalao ao amin’ny oniversite an’i Stanford ianao ka te hitondra ny namanao miaraka aminao dia azontsika atao tsara izany satria nahazo naoty tsara izy tany amin’ny lycée.” Io zavatra niainako io dia nanamafy tamiko fa tokony hanaraka ny torohevitra hendry avy amin’ny dadako aho.

Tsy mikasa ny hamporisika anareo tsy hanao fanatanjahantena aho na tsy hampiasa ny Internet na tsy handray anjara amin’ireo hetsika hafa mahasoa ankafizin’ny tanora. Karazan-javatra atao izay mitaky fifehezantena sy fandanjalanjana ary fahendrena ireo. Rehefa ampiasaina amim-pahendrena izy ireo dia manatsara ny fiainantsika.

Na izany aza dia mamporisika ny rehetra aho, na ny tanora na ny efa nahazo taona, mba hamerina hijery ireo tanjona ka hiezaka ny hampihatra fifehezana bebe kokoa. Tokony hifanaraka amin’ireo tanjontsika ny fitondrantenantsika isan’andro. Mila mandresy ny fialan-tsiny sy ny zavatra mahavarimbariana isika. Tena manan-danja manokana ny manao safidy mifanaraka amin’ny fanekempihavanantsika hanompo an’i Jesoa Kristy amim-pahamarinana.21 Tsy tokony hiala amin’io ny masontsika ary tsy tokony hamotsotra an’io baolina iray io mihitsy isika na inona na inona antony.

Izao fiainana izao no fotoana hiomanana hihaona amin’Andriamanitra.22 Olona sambatra sy faly isika. Mankafy ny fampihomezana amin’ny zavatra tsara isika ary manome lanja ireo fotoana tsy voalamina mialoha mba hiarahana amin’ny namana sy ny fianakaviana. Kanefa mila miaiky isika fa misy tanjona lehibe izay tsy maintsy ataontsika fototry ny fomba fiainantsika sy ny safidy rehetra ataontsika. Manimba tokoa ireo zavatra mahavarimbariana sy ny fialan-tsiny izay mametra ny fivoarantsika, fa rehefa mampihena ny finoantsika an’i Jesoa Kristy sy ny Fiangonany izy ireo dia tena loza be.

Mivavaka aho mba ho vitantsika mpihazona fisoronana ny hampifanaraka ny fomba fiainantsika amin’ireo tanjona mendri-kaja takina amin’ireo izay manompo ny Tompo. Tokony hahatsiaro isika amin’ny zava-drehetra fa ny fahatongavana ho “maherifo amin’ny tenivavolombelon’i Jesoa” no fitsapan-toetra lehibe hanavahana ny olona ho ao amin’ny fanjakana selestialy sy ny ho ao amin’ny fanjakana terestrialy.23 Ilay ilany selestialy amin’io fizarana io no tiantsika hisy antsika. Amin’ny maha-iray amin’ireo Apôstôliny ahy no ijoroako ho vavolombelona amin-kafanam-po ny amin’ny fisian’ny Sorompanavotana nataony sy ny maha-Andriamanitra an’i Jesoa Kristy Mpamonjintsika. Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.

Fanamarihana

  1. Fandaharana Manokana amin’ny Fahitalavitra Lee Mendelson-Bill Melendez Production.

  2. Nitady fialan-tsiny foana i Lucy mikasika ny antony tsy nahazoany ilay baolina, niainga avy amin’ny hoe variana nijery ireo volana teo amin’i Saturne izy ary tonga hatrany amin’ny hoe niahiahy ny amin’ny fisian’ny akora misy poizina tao anatin’ny fonon-tanany.

  3. Jereo ny “Decisions Determine Destiny,” fizarana faha 8 ao amin’ny Pathways to Perfection: Discourses of Thomas S. Monson (1973), 57–65.

  4. Isaia 7:15.

  5. “Raha mora toy ny fahalalana hoe inona no tsara ny fanaovana ny tsara dia ho goavana toy ny trano fiangonana lehibe ireo trano fiangonana kely ary ho lasa toy ny rovan’ireo printsy ny tranobongon’ny mahantra” (William Shakespeare, Le Marchand de Venise fizarana 1, sehatra 2, andalana 12–14).

  6. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 58:27.

  7. Jereo ny Adaptation à la vie missionnaire (bokikely, 2013), 23–49.

  8. Jereo ny Stephanie Rosenbloom, “Dealing with Digital Cruelty,” New York Times, 24 Aog. 2014, SR1.

  9. Randall L. Ridd, “Ilay Taranaka Nofinidy,” Liahona, Mey 2014, 56.

  10. Jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 45:26.

  11. Jereo ny David A. Bednar, “To Sweep the Earth as with a Flood” (lahateny natao tao amin’ny BYU Campus Education Week, 19 Aog. 2014); lds.org/prophets-and-apostles/unto-all-the-world/to-sweep-the-earth-as-with-a-flood

  12. Arthur C. Brooks, “Love People, Not Pleasure,” New York Times, 20 Jolay 2014, SR1.

  13. Mampalahelo fa ny fialamboly iray izay nahazo vahana amin’izao androntsika izao dia ny fahadalana tanteraka. Rehefa nitanisa ny sasany amin’ireo zavatra izay mandoto ny olona ny Mpamonjy dia nampidiriny tao ny fahadalana (jereo ny Marka 7:22).

  14. Nitranga tany Grèce sy Rôma fahiny izany, ary tao amin’ireo rafi-piainana tao amin’ny Bokin’i Môrmôna ihany koa.

  15. Jereo ny Frederic W. Farrar, The Life and Work of St. Paul (1898), 302. Nahitana ireo filôzofa isan-karazany tamin’izany, anisan’izany ny épicuriens sy ny stoïciens, vondrona roa tsy nitovy hevitra izay nofaritan’ny olona sasany ho toy ny Fariseo sy ny Sadoseo teo amin’ny tontolon’ny jentilisa. Jereo koa ny Quentin L. Cook, “Looking beyond the Mark,” Liahona, Mar. 2003, 21–24.

  16. Asan’ny Apostoly 17:21.

  17. Asan’ny Apostoly 17:32.

  18. Farrar, The Life and Work of St. Paul, 312.

  19. Jereo ny Dallin H. Oaks, “Tsara, Tsara Kokoa, Tsara Indrindra,” Liahona, Nôv. 2007, 104–8.

  20. I Merlin Olsen dia mpilalao baolina tena sangany sy mpilalao sarimihetsika ary mpitantara baolina tamin’ny lalaon’ny Ligy Nasiônalin’ny baolina Amerikana ho an’ny fahitalavitra NBC. Nahazo ny amboara Outland izy raha nilalao tao amin’ny oniversite an’i Utah State. Nilalao Football matihanina tamin’ny ekipa Los Angeles Rams izy. Nitana ny anjara milalao an’i Jonathan Garvey izy tamin’ny fahitalavitra ary niaraka tamin’ilay mpilalao sarimihetsika Michael Landon tao amin’ny Little House on the Prairie sy tao amin’ny fandaharana novokariny manokana tao amin’ny fahitalavitra izay nitanany ny anjara milalao an’i Father Murphy. Efa nodimandry i Merlin (11 Mar. 2010), ary malahelo azy mafy izahay.

  21. Jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76:5.

  22. Jereo ny Almà 34:32.

  23. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76:79.