2014
Ny Tenako [dia] Mahafantatra Ireny Zavatra Ireny
Nôvambra 2014


Ny Tenako [dia] Mahafantatra Ireny Zavatra Ireny

Afaka ny ho iray amin’ireo zavatra iainana tsara indrindra sy mahafaly indrindra eo amin’ny fiainana ny fahafantarantsika manokana fa marina ny filazantsaran’i Jesoa Kristy izay naverina tamin’ny laoniny.

Ry rahalahiko malala, mitaona ny fo amam-panahintsika mandrakariva ny ohatra asehon’ny Filoha Thomas S. Monson sy ny asa fanompoana ao amin’ny fisoronana izay ataony. Vao haingana izay dia nanontaniana ny diakona maromaro hoe: “Inona no zavatra tianareo indrindra momba ny Filoha Monson?” Ny diakona iray dia niresaka momba ny nanomezan’ny Filoha Monson, tamin’ny fahazazany, ny kilalaony ho an’ireo namany sahirana. Ny iray hafa dia niresaka mikasika ny nikarakaran’ny Filoha Monson ireo vehivavy mananotena maro tao amin’ny paroasiny. Ny fahatelo dia nilaza fa mbola vao herotrerony izy dia nantsoina ho Apôstôly ary nanasoa olona maro manerana izao tontolo izao. Dia hoy ny zatovolahy iray avy eo hoe “Ny zavatra tiako indrindra mikasika ny Filoha Monson dia ny fijoroana ho vavolombelona matanjaka ananany.”

Tsy isalasalana fa isika rehetra dia voataonan’ny tenivavolombelona manokan’ny mpaminanintsika momba an’i Jesoa Kristy Mpamonjy sy ny fanolorantenany hanaraka mandrakariva ny bitsiky ny Fanahy. Amin’ny zavatra tsirairay niainany izay zarainy dia manasa antsika ny Filoha Monson mba hiaina feno kokoa ny filazantsara sy hikatsaka fijoroana ho vavolombelona an’ny tenantsika manokana ary hanamafy orina izany. Tsarovy ny zavatra nolazainy teto amin’ity polipitra ity tamin’ny fihaonambe iray vao taona vitsy lasa izay hoe: “Mba hahafahantsika hanana tanjaka sy hahatohitra ireo hery rehetra misintona antsika mankany amin’ny lalan-diso … , dia tsy maintsy manana ny fijoroana ho vavolombelona ho an’ny tenantsika manokana isika. Na 12 taona ianareo na 112 taona—na eo anelanelan’izay—dia afaka mahafantatra ho an’ny tenanareo manokana fa marina ny filazantsaran’i Jesoa Kristy.”1

Na dia hoe atolotra ho an’ireo izay manakaiky kokoa ny 12 taona fa tsy ny 112 taona aza ny hafatra zaraiko anio hariva dia miantefa amin’ny rehetra ireo fitsipika. Ho valin’ny teny nolazain’ny Filoha Monson dia te hanontany aho hoe: Moa ve isika tsirairay avy mahafantatra ho an’ny tenantsika manokana fa marina ny filazantsara? Afaka miteny amim-pahatokiantena ve isika fa tena antsika marina ny fijoroana ho vavolombelona ananantsika? Hilaza tenin’ny Filoha Monsona indray aho hoe: “Manambara aho fa ny fijoroana ho vavolombelona matanjaka momba ny Mpamonjy sy ny filazantsarany dia … hiaro anareo amin’ny fahotana sy ny faharatsiana manodidina anareo. … Raha toa ka mbola tsy manana fijoroana ho vavolombelona ny amin’ireo zavatra ireo ianareo dia ataovy izay tokony hatao mba hahazoana izany. Zava-dehibe ho anareo ny fanananareo fijoroana ho vavolombelona anareo manokana, satria ny fijoroana ho vavolombelona an’ny hafa dia tsy afaka ny hanampy anareo ho lasa lavitra.”2

Ny Tenako [dia] Mahafantatra Ireny Zavatra Ireny

Afaka ny ho iray amin’ireo zavatra iainana tsara indrindra sy mahafaly indrindra eo amin’ny fiainana ny fahafantarantsika manokana fa marina ny filazantsaran’i Jesoa Kristy izay naverina tamin’ny laoniny. Mety tsy maintsy manomboka ny fivoarantsika ara-panahy amin’ny alalan’ny fianteherana amin’ireo fijoroana ho vavolombelona ananan’ny hafa isika—amin’ny filazana tahaka ny nataon’ireo zatovolahy mpiady hoe “Tsy miroanahana izahay, nahafantatra izany ny reninay.”3 Fomba tsara hanombohana ny fijoroantsika ho vavolombelona izany kanefa tsy maintsy mampitombo izany isika. Tsy misy zavatra manan-danja kokoa noho ny fahazoana sy ny fanamafisana orina ny fijoroana ho vavolombelona ananantsika manokana mba hahatonga antsika ho mahery amin’ny fiainana ny filazantsara. Tokony ho afaka hanambara tahaka ny nataon’i Almà isika hoe: “Ny tenako [dia] mahafantatra ireny zavatra ireny.”4

“Ary ahoana no iheveranareo fa fantatro ny maha-azo antoka ireny zavatra ireny?” Dia notohizan’i Almà izany. “Indro lazaiko aminareo fa ampahafantarina ahy amin’ ny alalan’ ny Fanahy Masin’ Andriamanitra ireny. Indro, efa nifady hanina sy nivavaka andro maro aho mba hahazoan’ ny tenako mahafantatra ireny zavatra ireny. Ary ankehitriny, mahalala ny tenako fa marina ireny.”5

Maniry Hahita ny Zavatra izay Hitan-draiko Aho

Tahaka an’i Almà, i Nefia koa dia nahafantatra ho an’ny tenany manokana ny fahamarinana. Rehefa avy nihaino ny rainy niresaka mikasika ny zavatra maro niainany ara-panahy i Nefia dia naniry ny hahafantatra ireo zavatra fantatry ny rainy ireo izy. Mihoatra lavitra ny fahalianana tsotra fotsiny izany—zavatra nampangetaheta azy mafy izany. Na dia “mbola tena tanora tokoa” aza izy dia efa “nanam-paniriana lehibe ny hahafantatra ny mistery momba an’Andriamanitra.”6 Niriny ny “hahita sy handre ary hahalala ny amin’ireo zavatra ireo, amin’ny alalan’ny herin’ny Fanahy Masina.”7

Raha mbola “nipetraka nandinika tao am-po[ny]” i Nefia dia nentina “tao amin’ny [Fanahy] … hankeny an-tendrombohitra avo izaitsizy” izy, izay toerana nanontanian’ny Fanahin’ny Tompo azy hoe “Inona no irinao?” Tsotra ny valinteniny hoe: “Maniry hahita ny zavatra izay hitan-draiko aho.”8 Noho ny finoana lalina nananan’i Nefia sy ny ezaka tamim-pahazotoana nataony dia nampiainana zavatra mahatalanjona izy. Nahita maso ny fiavian’ny fahaterahan’i Jesoa Kristy sy ny fiainany ary ny Fanomboana Azy izy, nahita ny fivoahan’ny Bokin’i Môrmôna sy ny Famerenana amin’ny laoniny ny filazantsara amin’ny andro farany izy—ary ireo rehetra ireo dia vokatry ny faniriany marina mba hahafantatra ho an’ny tenany.9

Ireo traikefa manokana niainan’i Nefia niaraka tamin’ny Tompo ireo dia nanomana azy tamin’ireo fotoan-tsarotra sy ireo olana izay hohatrehany atsy ho atsy. Ireo no nahatonga azy hijoro ho matanjaka na dia nijaly aza ireo olona hafa tao amin’ny fianakaviany. Afaka nanao izany izy satria nianatra ho an’ny tenany manokana ary nahafantatra ho an’ny tenany manokana. Nahazo fijoroana ho vavolombelona ho azy manokana izy.

Aoka Izy Hangataka amin’Andriamanitra

Tahaka an’i Nefia, ny Mpaminany Joseph Smith koa dia “mbola tena tanora tokoa” rehefa “voasarika ho amin’ny fandinihana lalina … ny sainy” mahakasika ireo fahamarinana ara-panahy. Fotoan’ny “fahasahiranana lehibe” izany ho an’i Joseph, noho izy tafalatsaka teo afovoan’ireo fampianarana marobe mikasika ny fivavahana izay mifanohitra sy mampikorontan-tsaina. Niriny ny hahafantatra hoe iza no marina tamin’ireo fiangonana.10 Rehefa nahazo ny fitaoman’ny Fanahy avy amin’ireto teny ao amin’ny Baiboly ireto izy hoe: “Raha misy aminareo tsy manam-pahendrena, dia aoka izy hangataka amin’Andriamanitra,”11 dia nandeha nitady samirery ny valin’ny fanontaniany. Tamin’ny marainan’ny andro tsara iray tamin’ny lohataonan’ny taona 1820 dia niditra tao anaty ala kely iray izy ka nandohalika nivavaka. Noho ny finoan’i Joseph ary noho Andriamanitra nanana asa manokana tiany hataony dia nahita fahitana iray feno voninahitra izay nisy an’Andriamanitra Ray sy ny Zanany Jesoa Kristy i Joseph, ary nahafantatra ho an’ny tenany ny zavatra tokony hataony.

Mahita ohatra azonareo alaina tahaka amin’ny fanamafisana orina ny fijoroana ho vavolombelona anareo manokana ve ianareo ao anatin’ny zavatra niainan’i Joseph? Navelan’i Joseph hiditra lalina tao am-pony ny soratra masina. Nosaintsaininy lalina izany ary nampihariny tamin’ny toe-javatra niainany. Dia nampihatra ny zavatra nianarany izy avy eo. Ny vokatr’izany dia ilay Fahitana Voalohany feno voninahitra—sy ny fotoan’ny Famerenana amin’ny laoniny izay nitranga taorian’izay. Ity Fiangonana ity dia miorina marina tokoa amin’ilay fitsipika hoe ny olona rehetra na iza na iza—ao anatin’izany ny zazalahy tantsaha iray 14 taona—dia afaka “manontany an’Andriamanitra” ary mahazo ny valin’ny vavaka nataony.

Ka inona ary no Atao hoe Fijoroana ho Vavolombelona?

Matetika isika no mahare ireo mpikamban’ny Fiangonana izay milaza fa ny fijoroana ho vavolombelona ananan’izy ireo momba ny filazantsara no fananana sarobidy indrindra amin’izy ireo. Fanomezana masina avy amin’Andriamanitra izany, izay tonga eo amintsika amin’ny alalan’ny herin’ny Fanahy Masina. Izany no ilay fahazoana antoka izay tony sy tsy voahozongozona azontsika rehefa mandalina sy mivavaka ary miaina ny filazantsara isika. Izany dia ny fahatsapana ny Fanahy Masina mijoro ho vavolombelona amin’ny fanahintsika fa marina ny zavatra ianarantsika sy ataontsika.

Ny olona sasany dia miresaka ny fijoroana ho vavolombelona ho toy ny fandrehetana sy famonoana jiro—na izany mirehitra na maty; na ianao manana fijoroana ho vavolombelona na tsia. Raha ny marina dia mitovy bebe kokoa amin’ny hazo izay mandalo ireo dingan’ny fitsiriana sy ny fitomboana ny fijoroana ho vavolombelona iray. Ny sasany amin’ireo hazo lava indrindra eto an-tany dia hita ao amin’ny Valan-javaboaharim-pirenena Redwood ao amin’ny faritra andrefan’i Etazonia. Rehefa mijoro eo amin’ny fototr’ireo hazo makadiry ireo ianao dia mahavariana ny mieritreritra fa nitsiry avy amin’ny voa kely iray ny tsirairay amin’izy ireo. Toy izany koa ny fijoroana ho vavolombelona ananantsika. Na dia mety hoe manomboka amin’ny alalan’ny zavatra iray niainana ara-panahy aza izy ireo dia mitombo sy mihalehibe rehefa mandeha ny fotoana amin’ny alalan’ny famahanana azy ireo tsy tapaka sy ireo zavatra iainana matetika ara-panahy.

Tsy mahagaga noho izany raha toa ny mpaminany Almà ka niresaka mikasika ny voa iray lasa hazo rehefa nanazava ny fomba ampitomboantsika ny fijoroana ho vavolombelona izy. “Raha manisy toerana ianareo,” hoy izy, “mba hahazoana mamboly voa iray ao am-ponareo, indro, raha tena voa marina izany na voa tsara, raha tsy mandroaka izany hivoaka ianareo noho ny tsy finoanareo, … dia … hanomboka handrobona ao an-tratranareo izy; ary rehefa tsapanareo ireo fihetsiny mandrobona, dia hanomboka hiteny anakampo ianareo hoe—Tsy azo ihodivirana ny maha tsy maintsy voa tsara azy, na ny teny dia tsara, satria manomboka mampivelatra ny fanahiko izy; eny, manomboka manazava ny fahazavan-tsaiko izy, eny manomboka ho fy amiko izy.”12

Toy izao matetika no hiantom-bohan’ny fananana fijoroana ho vavolombelona: amin’ny alalan’ny fahatsapana masina sy manazava ny saina amam-panahy ary manome antoka izay mampiseho amintsika fa marina ny tenin’Andriamanitra. Na mahafinaritra toy izany aza ireo fahatsapana ireo dia fiantombohana fotsiny izany. Tsy mbola vita ny asanao amin’ny fampitomboana ny fijoroanao ho vavolombelona—tahaka ny tsy fahavitan’ny asa fambolena hazo séquoia raha iny vao mipoitra avy ao anaty tany iny ny tsimoka kely voalohany. Raha manao tsinontsinona na tsy miraharaha ireo bitsika voalohany avy amin’ny Fanahy ireo isika, raha tsy mikolokolo azy ireo amin’ny fanohizana ny fandalinana ny soratra masina sy ny fanolorana vavaka ary amin’ny alalan’ny fikatsahana traikefa bebe kokoa miaraka amin’ny Fanahy isika dia hihena ny fahatsapantsika ary hihena ny fijoroantsika ho vavolombelona.

Tahaka ny nilazan’i Almà an’izany hoe: “Raha tsy miraharaha ny hazo ianareo sy tsy manana eritreritra ny amin’ ny famahanana azy, dia indro tsy hiorim-paka izy; ary rehefa tonga ny hafanan’ ny masoandro, dia mandazo azy, satria tsy niorim-paka izy, ka maina, dia ongotanareo sy arianareo.”13

Amin’ny ankapobeny dia hitombo tahaka ny fitombon’ny hazo ny fijoroantsika ho vavolombelona: mandeha tsikelikely sy tsy tsikaritra akory, vokatry ny fikarakarantsika tsy tapaka sy ny ezaka ataontsika amim-pahazotoana. “Nefa raha mamahana ny teny ianareo,” hoy i Almà nampanantena, “eny, mamahana ny hazo raha manomboka mitombo izy, amin’ ny finoanareo miaraka amin’ ny fahazotoana be sy miaraka amin’ ny faharetana, sady miandrandra ny voany, dia hiorim-paka izy; ary indro izy ho tonga hazo maniry hatrany amin’ ny fiainana maharitra mandrakizay.”14

Izao no Fotoana; Anio ilay Andro

Nanomboka nanana fijoroana ho vavolombelona aho rehefa nandalina sy nisaintsaina ireo fampianarana hita ao amin’ny Bokin’i Môrmôna. Rehefa nandohalika nivavaka tamim-panetrentena aho mba hanontany an’Andriamanitra dia nijoro ho vavolombelona tamin’ny fanahiko ny Fanahy Masina fa marina ny zavatra novakiko. Nitarika tamin’ny fahazoako fijoroana ho vavolombelona mikasika ireo fahamarinana maro hafa ao amin’ny filazantsara io tenivavolombelona voalohany io, satria, araka ny nampianarin’ny Filoha Monson hoe: “Rehefa fantatsika hoe marina ny Bokin’i Môrmôna dia manaraka ho azy ny hoe tena mpaminany marina i Joseph Smith ary nahita an’Andriamanitra Ray Mandrakizay sy i Jesoa Kristy Zanakalahiny izy. Manaraka ho azy koa ny hoe naverina tamin’ny laoniny ny filazantsara amin’izao andro farany izao tamin’ny alalan’i Joseph Smith—ao anatin’izany ny famerenana amin’ny laoniny ny Fisoronana Aharôna sy Melkizedeka.”15 Hatramin’io andro io dia niaina zavatra masina maro niaraka tamin’ny Fanahy Masina aho, izay nanamafy tamiko indray fa i Jesoa Kristy no Mpamonjy izao tontolo izao ary marina ny filazantsarany izay naverina tamin’ny laoniny. Afaka miteny tsy amim-pisalasalana miaraka amin’i Almà aho fa ny tenako dia mahafantatra ireny zavatra ireny.

Ry zandry namako, izao no fotoana ary anio no andro hianarana na hanamafisantsika indray fa marina ny filazantsara. Manana asa lehibe hatao ny tsirairay amintsika. Mba hanatanterahana izany asa izany, sy ho voaro amin’ireo fitaoman’izao tontolo izao izay toa manambana tsy tapaka, dia tokony hanana ny finoana nananan’i Almà sy i Nefia ary i Joseph Smith kely isika mba hahazoana sy hampitomboana ny fijoroana ho vavolombelona antsika manokana.

Izaho koa, tahaka ilay diakona kely noresahiko tany am-piandohana, dia tia ny Filoha Monson noho ny fijoroana ho vavolombelona ananany. Lasa lehibe tahaka ny hazo séquoia mijoalajoala izany, kanefa na ny fijoroana ho vavolombelona ananan’ny Filoha Monson aza dia tsy maintsy hoe nihatombo sy nihalehibe teny rehefa nandeha ny fotoana. Afaka mahafantatra ho an’ny tenantsika isika, tahaka ny Filoha Monson, fa i Jesoa Kristy no Mpamonjy antsika sy Mpanavotra an’izao tontolo izao, fa i Joseph Smith no mpaminan’ny Famerenana amin’ny laoniny, ao anatin’izany ny famerenana amin’ny laoniny ny fisoronan’Andriamanitra. Mitondra izany fisoronana masina izany isika. Mivavaka amim-panetrentena aho mba hianarantsika ireo zavatra ireo sy hamantarantsika azy ireo ho an’ny tenantsika, amin’ny anarana masin’i Jesoa Kristy, amena.