2014
Ny Lalàn’ny Fifadian-kanina: Andraikitry ny Tena Manokana mba hikarakara ny Mahantra sy ny Sahirana
Nôvambra 2014


Ny Lalàn’ny Fifadian-kanina: Andraikitry ny Tena Manokana mba Hikarakara ny Mahantra sy ny Sahirana

Amin’ny maha-mpanaradia ny Mpamonjy dia manana andraikitra an’ny tena manokana isika ny hikarakara ny mahantra sy ny sahirana.

Ry rahalahy malalako isany, tiako ny fisoronana, ary tiako ny miaraka aminareo. Tena feno fankasitrahana lalina aho fa afaka miara-manompo isika amin’ity fanaovana ny asan’Andriamanitra ity.

Miaina ao anatin’ny fotoana tena mahavariana isika. Nampivoatra ny hatsaran’ny fiainan’ny maro ireo fivoarana mahagaga eo amin’ny lafiny ara-pitsaboana sy ara-tsiansa ary ara-teknôlôjia. Kanefa misy koa ny porofon’ny fijaliana sy fahoriana goavana eo amin’ny olombelona. Ankoatra ireo ady sy tabataban’ady dia miantraika eo amin’ny fiainan’ny olona an-tapitrisany maro ny fitombon’ny loza voajanahary—ka tafiditra ao amin’izany ny tondra-drano, ny firehetan’ny ala, ny horohoron-tany, ary ny aretina.

Ireo mpitondra ny Fiangonana dia mahafantatra tsara sy malina ny amin’izay mahasoa ireo zanak’Andriamanitra na aiza izy na aiza. Amin’ny fotoana sy amin’ny toerana ahafahana manao izany dia atolotra mba hanampiana ireo mila izany ireo loharano avy amin’ny Fiangonana ho an’ny vonjy taitra. Tamin’ny volana Nôvambra lasa teo ohatra, dia namely ny nosin’ny Filipina ny rivo-doza Haiyan.

Namela fahasimbana sy fijaliana goavambe i Haiyan izay voasokajy ao anatin’ny rivo-doza goavana sokajy fahadimy. Rava tanteraka ny tanàna maro; betsaka ny aina nafoy; trano an-tapitrisany no simba na rava; ary nitsahatra tsy niasa ireo sampan-draharaha fototra toy ny famatsiana rano sy ny zohindriaka ary ny famatsiana herinaratra.

Hita tany an-toerana ora vitsy monja taorian’ilay loza voajanahary ireo loharanom-panampiana avy amin’ny Fiangonana. Niray hina tamin’ireo ezaka mba hanampy ny rahalahiny sy rahavaviny ireo mpikamban’ny Fiangonana tany Filipina tamin’ny alalan’ny fanomezana sakafo, rano, akanjo, ary kitapo kely misy kojakoja fidiovana ho an’ireo mpikambana sy ireo tsy mpikamban’ny Fiangonana.

Nanjary toerana fialofana ho an’ireo tsy manan-kialofana an’arivony ireo trano Fiangonana. Nisy tombantombana natao teo ambany fitarihan’ny Fiadidian’ny Vondrom-paritra sy ireo mpitarika ao amin’ny fisoronana tany an-toerana, izay maro tamin’izy ireo no namoy ny zavatra rehetra nananany, mba hahafantarana ny toe-javatra iainan’ireo mpikambana rehetra ao amin’ny Fiangonana sy hiarovana azy ireo. Nanomboka nijoro sy nampiharina ireo drafitra tena tsara mba hamerenana ireo mpikambana hanana toe-piainana azo hiafiana sy hanana fizakan-tena.

Loharanom-panampiana tsotra no nomena mba hanampiana ireo mpikamban’ny Fiangonana hanorina indray ireo toeram-pialofana sy ireo tranon’izy ireo izay vita amin’ny hazo. Tsy hoe fanomezana maimaim-poana fotsiny ihany izany. Nampiofanina ireo mpikambana ka dia nanatontosa ny asa nilaina natao tamin’ny trano fonenan’izy ireo ary avy eo dia tamin’ny an’ny hafa koa.

Fitahiana iray naterak’izany ny hoe afaka nahita asa tsara ny mpikambana rehefa nanomboka naorina indray ireo tanàna sy fiarahamonina manodidina satria nianatra asa fandrafetana sy fikirakirana fantson-drano ary ireo fahaiza-manao hafa amin’ny fanamboarana trano izy ireo.

Ny fikarakarana ny mahantra sy ny sahirana dia fotopampianarana fototra sy ampahany manan-danja ao amin’ny drafitra mandrakizain’ny famonjena.

Mialohan’ny asa fanompoany teto an-tany dia nanambara tamin’ny alalan’ny mpaminaniny i Jehovah hoe: “Fa ny tany tsy ilaozan’olo-malahelo, koa izany no andidiako anao hoe: Sokafy tsara amin’ny rahalahinao ny tànanao, dia amin’ny malahelo sy ny mahantra eo amin’ny taninao.”1

Amin’izao androntsika izao, ny fikarakarana ny mahantra sy ny sahirana dia anisan’ireo andraikitra efatra avy amin’Andriamanitra sahanin’ny Fiangonana izay manampy ny olona tsirairay sy ny fianakaviana mba ho mendrika ny fisandratana.2

Tafiditra ao anatin’ny fikarakarana ny mahantra sy ny sahirana ny famonjena ara-batana sy ara-panahy. Ahitana ny asa fanompoana ataon’ny mpikambana tsirairay ato amin’ny Fiangonana izany rehefa mikarakara ny mahantra sy ny sahirana ny tenan’izy ireo manokana, ao koa ny asa fifanampiana maty paika ataon’ny Fiangonana, izay tantanana amin’ny alalan’ny fahefan’ny fisoronana.

Ivon’ny drafitry ny Tompo mba hikarakarana ny mahantra sy ny sahirana ny lalàn’ny fifadian-kanina. “Ny Tompo dia nametraka ny lalàn’ny fifadian-kanina sy ny fanatitra avy amin’ny fifadian-kanina mba hitahiana ny vahoakany sy hanolorana fomba iray hahafahan’izy ireo manompo ireo izay sahirana.”3

Amin’ny maha-mpanaradia ny Mpamonjy dia manana andraikitra an’ny tena manokana isika hikarakara ny mahantra sy ny sahirana. Ireo mpikambana mahatokin’ny Fiangonana na aiza na aiza dia manome tanana amin’ny alalan’ny fifadian-kanina isam-bolana—tsy mihinana sakafo sy tsy misotro rano mandritra ny 24 ora—ary manome vola ho an’ny Fiangonana mba ho fanatitra amin’ny fifadian-kanina izay farafahakeliny mitovy amin’ny vidin’ny sakafo izay mety ho nohaniny.

Tokony hosaintsainina ombam-bavaka ny tenin’i Isaia ary tokony hampianarina any amin’ny tokantrano tsirairay:

“Tsy izao va no fifadiana izay ankasitrahako: Dia ny hamaha ny famatoran’ny faharatsiana, sy hanaboraka ny fehin’ny zioga, sy handefa ny ampahoriana ho afaka, ary hanapatapaka ny zioga rehetra?

“Moa tsy hizara ny mofonao ho an’ny noana va, sy hampiantrano ny ory manjenjena, ary mba hanafianao izay hitanao mitanjaka, ka tsy hihirim-belona amin’ny namanao hianao?”4

Avy eo i Isaia dia nanohy tamin’ny fitanisana ireo fitahiana mahafinaritra nampanantenain’ny Tompo an’ireo izay mankato ny lalàn’ny fifadian-kanina. Hoy izy hoe:

“Fa raha izany, dia hiposaka tahaka ny fahazavan’ny maraina ny fahazavanao, ary ho tonga faingana ny fahasitrananao; ny fahamarinanao ho loha-lalanao, ary ny voninahitr’i Jehovah ho vodi-lalanao.

“Ary amin’izany dia hiantso ianao, ary Jehovah hamaly; Eny, hanandratra ny feonao ianao, ary Izy hanao hoe: Inty Aho. …

“Ary afoinao ho an’ny noana izay hanina tianao, ka mahavoky ny ory ianao, dia hiposaka ao amin’ny maizina ny fahazavanao, ary ny aizim-pitonao ho tahaka ny mitataovovonana;

“Ary Jehovah hitari-dalana anao mandrakariva sady hahavoky ny fanahianao ao amin’ny tany karankaina.”5

Niteny an’izao ny Filoha Harold B. Lee mikasika ity soratra masina ity hoe: “Ireo fitahiana goavana azo [avy amin’ny fifadian-kanina] dia efa nambara mazava tsara tao anatin’ny fotoam-pitantanana tsirairay, ary eto amin’ity soratra masina ity dia ambaran’ny Tompo amintsika amin’ny alalan’ity mpaminany lehibe ity ny antony hisian’ny fifadian-kanina sy ireo fitahiana azo avy amin’ny fifadian-kanina. Raha toa ka mamakafaka ny toko faha 58 ao amin’ny bokin’i Isaia ianareo dia hahita ny antony hitiavan’ny Tompo ny handoavantsika fanatitra amin’ny fifadian-kanina sy ny antony haniriany antsika hanao fifadian-kanina. Dia satria rehefa manao izay hahamendrika antsika isika amin’ny fanaovana ireo zavatra ireo dia afaka miantso ny Tompo ary afaka mamaly antsika Izy. Afaka manandratra ny feontsika isika ary ny Tompo hanao hoe: ‘Inty Aho.’”

Nampian’ny Filoha Lee hoe: “Efa naniry ny ho tojo toe-javatra iray ve isika, izay ahafahantsika miantso kanefa tsy hamaly Izy? Hiantsoantso ao anatin’ny fahoriantsika isika fa tsy hiaraka amintsika Izy? Amiko dia fotoana izao hieritreretantsika momba ireo fitsipika fototra ireo satria ho avy ny andro izay hilàntsika bebe kokoa hatrany hatrany ny fitahian’ny Tompo rehefa haidina tsy misy fangarony eo amin’ny tany manontolo ny fitsarana.”6

Nizara ny fijoroany ho vavolombelona ny mpaminany malalantsika, ny Filoha Thomas S. Monson—fijoroana ho vavolombelona avy amin’ny zavatra niainany manokana momba ireo fitsipika ireo. Hoy izy hoe: “Ireo mpikamban’ny Fiangonana rehetra izay nitondra fanampiana ho an’ireo sahirana dia tsy hanadino mihitsy ny zavatra niainany na hanenina ny amin’ny zavatra vitany. Ny fahazotoana miasa, ny fitsitsiana, ny fizakan-tena, ary ny fizarana amin’ny hafa dia tsy zava-baovao amintsika.”7

Ry rahalahy isany, vahoaka mpanao fanekempihavanana sy mpitandrina didy ny mpikambana ato amin’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany. Tsy misy lalàna na didy tonga ato an-tsaiko, ka hoe raha ankatoavina amim-pahatokiana tokoa, dia ho mora tandremana kokoa ary mitondra fitahiana lehibe kokoa noho ny lalàn’ny fifadian-kanina. Rehefa mifady hanina isika ka manome fanatitra amin’ny fifadian-kanina tena marina dia manolotra izay mety ho vola lany tamin’ny sakafo mba ho anjara biriky ao amin’ny trano fitehirizan’ny Tompo. Tsy mitaky fanomezana volabe mihoatra noho izay mety ho lany amin’ny andavanandro izany. Sady ampanantenaina ireo fitahiana mahagaga araka izay efa voalaza tetsy aloha koa isika.

Mihatra amin’ny mpikamban’ny Fiangonana rehetra ny lalàn’ny fifadian-kanina. Na ireo ankizy kely aza dia azo ampianarina hifady hanina, manomboka amin’ny sakafo iray dia avy eo sakafo roa rehefa afaka mahatakatra sy mahavita mitandrina ny lalàn’ny fifadian-kanina amin’ny fifehezany ny vatany izy ireo. Ireo mpivady sy ireo mpikambana tsy manambady sy ireo tanora ary ireo ankizy dia tokony hanomboka ny fifadian-kanina amin’ny vavaka mba hanome fankasitrahana noho ireo fitahiana eo amin’ny fiainan’izy ireo sady mikatsaka fitahiana sy tanjaka avy amin’ny Tompo mandritra ny fotoana hifadian-kanina. Atao hoe tontosa tanteraka ny lalàn’ny fifadian-kanina rehefa atolotra amin’ny solonte-nan’ny Tompo, dia ny eveka izany, ny fanatitra amin’ny fifadian-kanina.

Ry eveka isany, mitarika ny asa fifanampiana ao amin’ny paroasy ianareo. Naharay didy avy amin’Andriamanitra ianareo mba hitady sy hikarakara ny mahantra. Miaraka amin’ny fanohanan’ny filohan’ny Fikambanana Ifanampiana sy ireo mpitarika ao amin’ny kôlejin’ny Fisoronana Melkizedeka, ny tanjonareo dia ny hanampy ireo mpikambana mba hanampy ny tenany sy ho tonga mizaka tena. Mikarakara ny filàna ara-batana sy ara-panahin’ny mpikambana ianareo amin’ny alalan’ny fampiasana amim-pitandremana ny fanatitra amin’ny fifadian-kanina ho toy ny fanampiana vonjy maika sy ho famenon’ireo loharanom-pivelomana atolotr’ireo fianakaviana lavitra sy ny fiarahamonina. Rehefa ampiasanareo ombam-bavaka mba hanampiana ny mahantra sy ny sahirana ireo fanalahidin’ny fisoronana sy ny fahaizana mamantatra, dia ho fantatrareo fa ny fampiasana araka ny tokony ho izy ny fanatitra amin’ny fifadian-kanina dia natao hanohanana ny aina fa tsy hanondrotana ny fari-piainana.

Ry filohan’ny kôlejin’ny Fisoronana Aharôna isany, mihazona fanalahidy ianareo ary manana fahefana hitantanana ireo ôrdônansy ivelany. Miasa miaraka amin’ny eveka ianareo ary mampianatra ireo mpikambana ao amin’ny kôlejy mikasika ireo adidin’izy ireo ao amin’ny fisoronana sy amin’ny fitadiavana ireo mpikamban’ny Fiangonana mba hanomezana fahafahana azy ireo hitondra anjara biriky amin’ny fanatitra amin’ny fifadian-kanina. Rehefa manatanteraka ny andraikitrareo ao amin’ny fisoronana ianareo mpihazona ny fisoronana Aharôna ka manome ity fahafahana ity amin’ny mpikambana rehetra ato amin’ny Fiangonana dia ianareo no matetika manamora ny ahafahan’ireo fitahiana ampanantenaina amin’ny fifadian-kanina hipaka amin’ireo izay mety tena mila izany. Ho hitanareo fa manana hery hampalefaka ireo fo vato ny toe-panahy tia mikarakara ny mahantra sy ny sahirana ary mitahy ny fiainan’ireo izay tsy manatrika matetika ny fivoriam-piangonana.

Hoy ny Filoha Monson hoe: “Ireo eveka izay mandrindra ny kôlejin’ny Fisoronana Aharôna ao amin’ny paroasin’izy ireo mba handray anjara amin’ny fanangonana ny fanatitra amin’ny fifadian-kanina dia hahita fahombiazana tsy mitsaha-mitombo eo amin’ity andraikitra masina ity.”8

Ry eveka isany, tadidio fa tena samihafa be ny toe-java-misy isaky ny faritra sy ny firenena. Mety tsy hahomby any amin’ny faritra honenanareo ny fandondònana isam-baravarana ataon’ny mpikambana ao amin’ny kôlejin’ny Fisoronana Aharôna. Manasa anareo anefa izahay mba hisaintsaina ombam-bavaka ny torohevitra avy amin’ny mpaminany ka hikatsaka fitaomam-panahy amin’izay fomba azo atao ahafahan’ny mpihazona ny Fisoronana Aharôna ao amin’ny paroasinareo manatontosa ny andraikiny ao amin’ny fisoronana amin’ny alalan’ny fandraisana anjara amin’ny fanangonana ny fanatitra amin’ny fifadian-kanina.

Ao amin’ny toko faha 27 ao amin’ny 3 Nefia, dia nanontany ilay Tompo efa nitsangana tamin’ny maty hoe: “Tokony ho karazan’olona toa inona moa ianareo?” Namaly Izy hoe: “Ho toa Ahy.”9 Rehefa mitondra ny anaran’i Kristy eo amintsika isika ka miezaka manaraka Azy dia handray ny endriny misoritra eo amin’ny tarehintsika ka ho tonga toa Azy kokoa isika. Ampahany tsy afa-misaraka amin’ny asa fanompoan’ny Mpamonjy ny fikarakarana ny mahantra sy ny sahirana. Hita ao amin’ny zavatra rehetra ataony izany. Manampy antsika rehetra izy ary mankahery antsika. Fa mora ny ziogany ary maivana ny entany. Manasa antsika tsirairay aho mba ho tonga tahaka ny Mpamonjy bebe kokoa amin’ny alalan’ny fikarakarana ny mahantra sy ny sahirana, ny fitandremana amim-pahatokiana ny lalàn’ny fifadian-kanina, ary ny fahalalahan-tanana amin’ny fanatitra amin’ny fifadian-kanina. Mijoro ho vavolombelona amim-panetrentena aho fa taratry ny fahamatorana ara-panahy ny fikarakarana ny mahantra sy ny sahirana ary sady hitahy ny mpanome no hitahy izay omena. Amin’ny anarana masin’i Jesoa Kristy, amena.

Fanamarihana

  1. Deotoronomia 15:11.

  2. Jereo ny Boky Torolalana 2: Fitantanana ny Fiangonana (2010), 2.2.

  3. Boky Torolalana 2, 6.1.2.

  4. Isaia 58:6–7.

  5. Isaia 58:8–11.

  6. Harold B. Lee, “Listen and Obey” (Welfare Agricultural Meeting, 3 Apr. 1971), tahadikan’ny sora-tanana natao tamin’ny milina fanoratana, 14; Tranombokin’ny Tantaran’ny Fiangonana, Salt Lake City.

  7. Thomas S. Monson, “Efa Niomana Ve Isika?” Liahona, Sept. 2014, 4.

  8. Thomas S. Monson, nandritra ny fivoriana iray niaraka tamin’ny Episkôpà Mpiahy, 28 Feb. 2014.

  9. 3 Nefia 27:27.