2014
Mitady Fiadanana Maharitra sy Manorina Fianakaviana Mandrakizay
Nôvambra 2014


Mitady Fiadanana Maharitra sy Manorina Fianakaviana Mandrakizay

Ny filazantsaran’i Jesoa Kristy no manome ilay fototra izay ahafahantsika mahita fiadanana maharitra sy manorina rafitra fianakaviana mandrakizay.

Ny fiainantsika eto an-tany dia sady ahitana fotoana mahafinaritra no ahitana fotoan-tsarotra. Samy ahitana olana isan-karazany ny tsirairay amin’ireo. Miankina amin’ny fototra hanorenantsika zavatra no fomba hianarantsika miaina mifanaraka amin’ireo fiovana izay tonga eo. Manome fototra azo antoka sy mafy ny filazantsaran’ny Tompo sy Mpamonjy antsika. Aorina tsikelikely izany rehefa mahazo fahalalana momba ny drafitra mandrakizain’ny Tompo ho an’ireo zanany isika. Ny Mpamonjy no Mpampianatra Lehibe. Manaraka Azy isika.

Mijoro ho vavolombelona momba Azy ny soratra masina ary manolotra ohatra momba ny fahamarinana tonga lafatra mba harahantsika. Noresahako tamin’ny mpikamban’ny Fiangonana nandritra ny fihaonambe iray tany aloha fa manana kahie fandraisana an-tsoratra maromaro aho izay niraketan’ny reniko ireo zavatra nampiasainy mba hanomanana ireo lesony tao amin’ny Fikambanana Ifanampiana. Mbola mety tsara amin’izao vaninandro izao tahaka ny tamin’izany fotoana izany ireo zavatra nosoratany. Ny iray amin’ireo dia teny notsongaina izay nosoratan’i Charles Edward Jefferson tamin’ny 1908 mikasika ny toetran’i Jesoa Kristy. Mivaky toy izao izany:

“Ny maha-Kristiana dia ny mitia an’i Jesoa Kristy amin-kitsimpo sy amin’ny zotompo tokoa ka mirona any Aminy daholo ny fiainantsika amin’ny fiezahana ho tonga tahaka Azy.

“… Afaka mahazo fijoroana ho vavolombelona momba Azy isika amin’ny alalan’ireo teny nolazainy sy ireo zavatra nataony ary ireo zavatra tsy nolazainy ihany koa. Afaka mahafantatra Azy ihany koa isika amin’ny alalan’ny zavatra tsapan’ny olona momba Azy, voalohany ireo namany, faharoa ireo fahavalony, ary fahatelo ireo vahoaka niaina tamin’ny androny. …

“Lafin-javatra iray nisongadina teo amin’ny fiainana nandritra ny taonjato faharoapolo ny tsy fahafahampo sy [ny korontandrotana]. …

“… Maniry zavatra iray ny olona kanefa zara raha fantany hoe inona izany. Tonga ny harena, … [ary] feno zavatra … noforonina avy amin’ny talenta sy ny fahaiza-mamorona ananan’ny olombelona izao tontolo izao, saingy … [mbola] mitebiteby sy tsy afa-po [ary] tapi-dalan-kaleha ihany isika. … [Raha manokatra] ny Testamenta Vaovao isika dia [hahita ireto teny ireto], ‘Mankanesa atỳ amiko, … fa Izaho no hanome anareo fitsaharana, Izaho no mofon’aina, Izaho no Fahazavan’izao tontolo izao. Raha misy olona mangetaheta, aoka izy hanatona Ahy ka hisotro, ny Fiadanako no omeko anareo. Hahazo hery hianareo. Ho faly ny fonareo’” (The Character of Jesus [1908], 7, 11, 15–16).

Ny toetran’ny lehilahy sy ny vehivavy dia voatefy amin’ny ampahany amin’ny alalan’ireo olona izay safidian’izy ireo hiaraha-monina. Manefy ny toetran’izy ireo koa ireo olona izay raisin’izy ireo ho toy ny ohatra ka tian’izy ireo halain-tahaka. I Jesoa Kristy no Ohatra tsara indrindra. Ny hany fomba hahitana fiadanana maharitra dia ny mijery Azy ka ho velona.

Inona mikasika an’i Jesoa no mendrika ny hohalalinintsika?

“Ireo mpanoratra ny Testamenta Vaovao … dia tsy niraharaha momba ny endriky ny vatan’i [Jesoa], na ireo akanjo nanaovany, na ireo trano nipetrahany. … Teraka tao an-tranon’omby Izy, niasa tao amin’ny tsena fandrafetana fanaka, nampianatra nandritra ny telo taona, ary avy eo dia maty teo amin’ny hazofijaliana iray. … Ny Testamenta Vaovao dia nosoratan’ireo lehilahy izay tena tapa-kevitra fa hanao izay … hifantohantsika [Aminy]” (The Character of Jesus, 21–22) miaraka amin’ny fahazoana antoka fa tena Izy marina ilay Zanak’Andriamanitra, ilay Mpamonjy sy Mpanavotra izao tontolo izao.

Mino aho fa miantefa manokana amin’izao androntsika izao ny iray amin’ireo fanoharana nataon’ny Mpamonjy.

Hita ao amin’ny Matio toko faha 13 izany, ary mivaky toy izao:

“Fa raha natory ny olona, dia avy ny fahavalony ka namafy voan-tsimparifary teny amin’ny vary, dia lasa nandeha.

“Ary rehefa naniry ny vary ka niteraka dia niposaka koa ny tsimparifary.

“Dia avy ny mpanompon-dralehilahy ka nanao taminy hoe: Tompoko, tsy voa tsara va no nafafinao tany an-tanimbarinao? Koa avy taiza kosa ny tsimparifary?

“Dia hoy izy taminy: Fahavalo no nanao izany. Ary ny mpanompony nanao taminy hoe: Koa tianao va handehananay hanongotra sy hanangona azy?

“Fa hoy izy: Tsia, fandrao, raha manongotra ny tsimparifary hianareo, dia hongotanareo miaraka aminy koa ny vary.

“Aoka ihany hiara-maniry izy roroa ambara-pihavin’ny fararano; ary amin’ny fararano dia holazaiko amin’ny mpijinja hoe: Angony aloha ny tsimparifary, ka ataovy amboarany mba hodorana; fa ny vary dia taomy ho any an-tsompitro” (andininy 25–30).

Io fahavalon’ny olombelona rehetra efa hatrizay io dia nahita tetikady marobe araka izay azony neritreretina mba hamafazana ireo voan-tsimparifary manerana ny tontolo. Nahita fomba izy mba hampidirana azy ireo na dia ao anatin’ny toetra masina ananan’ny tokantranontsika manokana mihitsy aza. Lasa nahazo vahana tokoa ireo fomba feno haratsiam-panahy sy araka izao tontolo izao ka nanjary toa tsy misy fomba tena azo hanaisorana azy ireo tanteraka. Tonga amin’ny alalan’ny tariby izy ireo ary koa avy eny amin’ny rivotra ka tafiditra ao amin’ireo fitaovana elektrônika izay namboarintsika mba hampianarana sy hampialana voly antsika. Niara-naniry sy nifanakaiky teo ny vary sy ny tsimparifary. Ny olona iray mpiandraikitra ny fikarakarana ilay tanimboly dia tsy maintsy mikolokolo amin’ny heriny rehetra ilay voly tsara ary manao izay hampatanjaka sy hahatsara tarehy tokoa izany mba tsy hahafahan’ireo tsimparifary misarika ny maso na ny sofina. Sambatra tokoa isika amin’ny maha-mpikambana antsika ao amin’ny Fiangonan’ny Tompo noho ny fananantsika ilay filazantsara sarobidin’ny Tompo sy Mpamonjintsika mba ho fototra azontsika hanorenana ny fiainantsika.

Misy an’izao ao amin’ny Bokin’i Môrmôna ao amin’ny 2 Nefia hoe: “Fa indro, lazaiko aminareo indray fa raha te hiditra ny lalana ianareo ary handray ny Fanahy Masina, dia Izy no hampiseho aminareo ny zavatra rehetra izay tokony hataonareo” (2 Nefia 32:5).

Tsy tokony havelantsika handresy sy hanarona io feo tony sy malefaka io mihitsy ny fitaoman’izao tontolo izao.

Azo antoka fa efa nomena fampitandremana isika mikasika ireo zavatra hitranga izay hohatrehantsika amin’izao androntsika izao. Ny fanamby ho antsika dia ny fomba hiomanantsika amin’ireo zavatra hitranga izay voalazan’ny Tompo fa mbola vao hitranga marina tokoa.

Olona maro eo anivon’ny fiaraha-monintsika izay feno tebiteby no mahatakatra fa ny faharavan’ny fianakaviana dia tsy hitondra afa-tsy alahelo sy fahadisoam-panantenana ao anatin’ny tontolo mikorontana. Amin’ny maha-mpikamban’ny Fiangonana antsika dia manana andraikitra isika ny hikajy sy hiaro ny fianakaviana amin’ny maha-rafitra fototra azy eo amin’ny fiaraha-monina sy ny mandrakizay. Ireo mpaminany dia efa nampitandrina sy nilaza mialoha mikasika ny voka-dratsy tsy azo sakanana sy manimba avy amin’ny fihenan’ny hasin’ny fianakaviana.

Koa satria mbola manohy mijery antsika mpikamban’ny Fiangonana izao tontolo izao dia tokony ho azontsika antoka fa ny ohatra asehontsika dia hanohana ilay drafitra namboarin’ny Tompo ho an’ireo zanany eto amin’ny fiainana an-tany. Ny fampianarana tena tsara indrindra dia tokony ho avy amin’ny fanehoana ohatra tsara. Tokony ho toerana masina ny tokantranontsika mba hanoherana ireo fanerena ataon’izao tontolo izao. Tsarovy fa ny fitahiana tena tsara indrindra avy amin’ny Tompo dia tonga amin’ny alalan’ireo fianakaviana marina ary omena azy ireo koa.

Tokony hanohy hanao tomban’ezaka amim-pitandremana isika mikasika ny fahaizantsika ny andraikitra amin’ny maha-ray aman-dreny antsika. Ny fampianarana mafonja indrindra izay horaisin’ny zanaka iray dia hipoitra avy amin’ireo ray sy reny tia miahy sy marina. Andeha hojerentsika aloha ny anjara asan’ny reny. Henoy ity teny nambaran’ny Filoha Gordon B. Hinckley ity:

“Ireo vehivavy izay mamadika ny trano iray ho lasa tokantrano dia mitondra anjara biriky lehibe lavitra eo amin’ny fiaraha-monina noho ireo izay mibaiko miaramila marobe na mpitondra orinasa goavana. Iza no afaka milaza ny sarany azo hividianana ilay hery mitarika ananan’ny reny iray amin’ireo zanany, na ananan’ny renibe iray amin’ireo taranany, na ananan’ireo nenitoa sy rahavavy amin’ireo havany lavitra?

“Isika dia tsy afaka manomboka mandrefy na manao kajy ny hery mitarika ananan’ireo vehivavy izay manorina, amin’ny fombany manokana, fiainam-pianakaviana mafy orina sy mitaiza ireo taranaka ho avy mba hitondrana soa maharitra mandrakizay ho azy ireo. Ireo fanapahan-kevitra raisin’ireo vehivavy ao anatin’ity taranaka ity dia hanana fiantraikany mandrakizay. Te hilaza aho hoe tsy misy tombontsoa lehibe kokoa ary tsy misy fanamby goavana kokoa ho an’ireo reny amin’izao fotoana izao noho ny fanaovan’izy ireo izay rehetra azony atao mba hanamafisana orina ny [tokantrano]” (Standing for Something: 10 Neglected Virtues That Will Heal Our Hearts and Homes [2000], 152).

Izao isika dia hijery ny anjara asan’ny ray eo amin’ny fiainantsika:

Ireo raim-pianakaviana dia manome tsodrano sy manatanteraka ireo ôrdônansy masina ho an’ireo zanany. Ho lasa fotoana sarobidy ara-panahy eo amin’ny fiainan’izy ireo izany.

Ireo raim-pianakaviana dia voakasika mivantana mihitsy amin’ny fitarihana ny vavaky ny mpianakavy sy ny famakiana soratra masina isan’andro ary ny takarivam-pianakaviana isan-kerinandro.

Ireo raim-pianakaviana dia mandrafitra fomba fanaon’ny mpianakavy amin’ny alalan’ny fandraisana anjara amin’ny fanaovana drafitra momba ireo fandehanana miala sasatra sy ireo fivoahana izay handraisan’ny olona rehetra ao amin’ny fianakaviana anjara. Tsy hiala ao amin’ireo zanany mihitsy ny fahatsiarovana ireo fotoana miavaka niarahana ireo.

Ireo raim-pianakaviana dia miresaka amin’ny zanany tsirairay ary mampianatra azy ireo ny fitsipiky ny filazantsara.

Ireo raim-pianakaviana dia mampianatra ireo zanany lahy sy vavy ny hasarobidin’ny asa ary manampy azy ireo hametraka tanjona mendrika eo amin’ny fiainan’izy ireo manokana.

Ireo raim-pianakaviana dia maneho ohatra amin’ny fanompoana amim-pahatokiana araka ny filazantsara.

Aoka mba hotsaroanareo ry rahalahy ny antsonareo masina amin’ny maha-ray anareo ao amin’ny Isiraely—ny antsonareo manan-danja indrindra amin’izao fiainana izao sy mandrakizay—izay antso tsy hisaorana anareo mihitsy.

Taona maro lasa izay nandritra ny fihaonamben’ny tsatòka dia nampiseho horonantsary kely iray izahay mba hanehoana ny lohahevitry ny hafatra nozarainay. Nandritra ny taona iray, rehefa nitety ireo toerana misy ny Fiangonana izahay nandritra ny fanatrehana ireo fihaonamben’ny tsatòka izay nampandraiketina anay, dia lasa hainay tsara ny votoatin’ilay horonan-tsary ary saika hainay tsianjery izany. Tsaroako lalandava ilay hafatra tao anatin’izay taona maro izay. Ny Filoha Harold B. Lee no mitantara ao amin’ilay horonan-tsary, ary izy ity dia mitantara ny zavatra nitranga tao an-tranon’ny zanany vavy. Tahatahaka izao ilay izy:

Indray hariva ilay renim-pianakaviana dia somokotra tamin’ny fiezahana namita ny fampidirany voankazo tao anaty tavoahangy. Vonona ny hatory ihany ireo zanany nony farany ary nilamina amin’izay. Tonga amin’izay ny fotoana hamitana ny fampidirana ny voankazo ao anaty tavoahangy. Rehefa nanomboka namaofy sy nanala ny voan’ireo voankazo izy dia tonga tao an-dakozia ny zazalahy kely anankiroa ka nilaza fa hoe vonona ny hanao ny vavaka alohan’ny hatoriany izy ireo.

Tsy te hanajanona ny zavatra nataony ilay renim-pianakaviana ka niteny haingana tamin’ireo zazalahy kely hoe “Fa maninona raha ataonareo irery aloha ny vavakareo androany alina dia i Neny manohy mampiditra voankazo ihany?”

Tsy nanaiky handeha ilay zokiny tamin’izy roalahy sady nanontany hoe, “Fa inona no manan-danja indrindra, ny vavaka sa ny voankazo?” (Jereo ny Enseignements des Présidents de l’Eglise Harold B. Lee [2000], 143–44.)

Indraindray isika dia tojo toe-javatra izay hananantsika fahafahana hampianatra lesona amin’ny zanaka, lesona izay hisy fiantraikany maharitra eo amin’ny fiainany izay vao miandoha. Mazava ho azy fa manan-danja kokoa noho ny voankazo ny vavaka. Ny ray aman-dreny mahomby dia tsy tokony hoe sahirana loatra izany mihitsy ka hoe tsy afaka hanararaotra fotoana iray eo amin’ny fiainan’ny zanaka hahafahana mampianatra lesona iray manan-danja.

Tena mino tokoa aho fa tsy mbola nisy fotoana tao anatin’ireo taona maro niainako ka hoe nilan’ireo zanaky ny Raintsika any an-danitra bebe kokoa toy ny amin’izao tanana mitarika avy amin’ireo ray aman-dreny mahatoky sy manolo-tena. Manana lova lehibe sy mendrika isika dia ireo ray aman-dreny izay mahafoy ny ankamaroan’ny zavatra ananany mba hahitany toerana hahafahan’izy ireo manabe ny fianakaviany amim-pinoana sy amin’ny herimpo, mba hahazoan’ireo taranaka manaraka tombontsoa bebe kokoa noho izay nananan’izy ireo. Tokony hanana io toe-tsaina feno fahasahiana io ao anatintsika isika ary handresy ireo olana hatrehantsika amin’ny fananana toe-tsaina vonona hahafoy tena toy izany. Tokony hataontsika mifaka ao am-pon’ireo taranaka ho avy ny fianteherana mafy kokoa hatrany amin’ireo fampianaran’ny Tompo sy Mpamonjintsika.

“Ary ankehitriny, ry zanako, tsarovy, tsarovy fa eo amin’ ny vatolampin’ ny Mpanavotra antsika, dia i Kristy, Ilay Zanak’ Andriamanitra, no tsy maintsy anorenanareo ny fototrareo; ka rehefa handefa ny rivo maheriny ny devoly, eny, ny zana-tsipìkany ao amin’ ny tadio, eny, rehefa hamely anareo ny havandrany rehetra sy ny tafiotra maheriny, dia tsy hanan-kery aminareo izany mba hisintona anareo hidina any amin’ ny hantsan’ ny fahoriana sy ny loza tsisy farany, noho ilay vatolampy izay iorenanareo eo amboniny, izay fototra azo antoka, dia fototra izay tsy ahafahan’ ny olona mianjera raha miorina eo amboniny izy” (Helamàna 5:12).

Ny filazantsaran’i Jesoa Kristy no manome io fototra io, izay ahafahantsika mahita fiadanana maharitra sy manorina rafitra fianakaviana mandrakizay. Mijoro ho vavolombelona ny amin’izany aho amin’ny anaran’ilay Tompontsika sy Mpamonjitsika, dia i Jesoa Kristy, amena.