2014
Mijanòna ao anaty Sambo dia Mamikira!
Nôvambra 2014


Mijanòna ao anaty Sambo dia Mamikira!

Ampanantenaina fitahiana tsy manam-paharoa isika raha toa ka mihazona ny fifantohantsika amin’ny Tompo.

Vao tsy ela akory izay ny namako iray no nitondra ny zanany lahy nandeha sambo kely tao amin’ny Reniranon’i Colorado namakivaky ny cañon Cataract, izay any atsimo atsinanan’i Utah. Ilay cañon dia malaza amin’ny fisian’ny renirano mahery fikoriana mirefy 23 km izay azo lazaina fa mampidi-doza tokoa.

Teo am-piomanana hiatrehana izany dia mampangitangitaka izany dia nojeren’izy ireo tsara ny tranonkalan’ny Sampan-draharaha Misahana ny Valan-javaboarim-pirenena, izay ahitana ireo fampahalalana manan-danja momba ny fanomanantena manokana sy ireo zavatra mety mampidi-doza mateti-pitranga.

Namerina nilazalaza ireo toromarika manan-danja mikasika ny vonjy aina ny iray tamin’ireo mpitari-dia an-drenirano izay efa matihanina tamin’ny fanombohan’ilay dia ary nanantitrantitra fitsipika telo izay hiantoka ny fiarovana ny dian’ilay vondrona rehefa mamakivaky ny renirano mahery fikoriana. “Fitsipika laharana voalohany: mijanòna ao anaty sambo! Fitsipika laharana faharoa: manaovà foana salotra mampitsinkafona ambony rano! Fitsipika laharana fahatelo: mamikira hatrany amin’ny tanana roa!” Avy eo izy dia mbola namerina indray, sady nanantitrantitra mafy kokoa hoe: “Ambonin’izany rehetra izany dia tsarovy ilay fitsipika laharana voalohany: mijanòna ao anaty sambo!”

Mampahatsiahy ahy ny diantsika eto amin’ny fiainana an-tany izany dia mampangitangitaka izany. Mandalo fotoana izay ankafizantsika ireo fikorinan-drenirano milamina eo amin’ny fiainantsika ny ankamaroantsika. Amin’ny fotoana hafa dia miatrika fotoan-tsarotra isika izay azo oharina amin’ilay renirano mirefy 23 km misandrahaka ao amin’ny cañon Cataract—ahitana fanamby izay hiatrehana olana ara-pahasalamana eo amin’ny vatana sy ny saina, fahafatesan’ny olon-tiana iray, faharavan’ireo nofinofy sy fanantenana, ary—ho an’ny sasany—dia mety ho fihozongozonan’ny finoana rehefa miatrika ireo olana sy fanontaniana ary ahiahy eo amin’ny fiainana aza izany.

Nanome fanampiana ny Tompo noho ny hatsarampony, isan’izany ny sambo iray, sy ireo fitaovana manan-danja toy ny salotra mampitsinkafona ambony rano ary ireo mpitari-dia an-drenirano matihanina izay manolotra fitarihana sy torolalana mahakasika ny vonjy aina izay hanampy antsika handeha eo amin’ny reniranon’ny fiainantsika mankany amin’ny tanjontsika farany.

Andao hojerena ilay fitsipika laharana voalohany: “Mijanòna ao anaty sambo!”

Nampiasain’ny Filoha Brigham Young matetika ny sarinteny hoe “ilay Sambo Tsy Tontan’ny Ela atao hoe Ziona” mba entina hilazana Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany.

Hoy izy indray mandeha hoe: “Ety afovoan’ny ranomasina isika. Tonga ny rivo-doza dia hoy ireo tantsambo maromaro hoe sahirana ity sambo ity. ‘Tsy hijanona ato aho,’ hoy ny iray; ‘Tsy mino aho hoe ity ilay “Sambo atao hoe Ziona.”’ ‘Fa isika anie ety afovoan-dranomasina e!’ ‘Tsy raharahako izany, tsy hijanona ato aho.’ Nesoriny ny palitaony ary dia nitsambikina ivelan’ny sambo izy. Moa ve tsy hilentika izy? Eny. Ary toy izany koa ireo izay miala amin’ity Fiangonana ity. Ity ilay ‘Sambo Tsy Tontan’ny Ela atao hoe Ziona,’ andeha hijanona ato anatiny isika.”1

Tamin’ny fotoana iray hafa dia nilaza ny Filoha Young fa manahy koa izy ny amin’ireo olona izay mivily lalana rehefa nandray fitahiana—rehefa nilamina ny fiainana: “Ao anatin’ny toetrandro tony, raha iny misosa amin’ny tso-drivotra malefaka iny ilay sambo tsy tontan’ny ela atao hoe Ziona, ary toa milamina ny ao an-tsambo, no te hiondrana amin’ireo sambokely fanavotan’aina ireo rahalahy sasantsasany indraindray … mba hilomano, ary ao ireo nilentika, ny hafa very lalana, ary ny hafa tafaverina teny ambony sambo indray. Handeha isika hitoetra ato amin’ilay sambo tsy tontan’ny ela izay hitondra antsika anatin’ny fiarovana mandra-pahatonga eny amin’ny fiantsonana. Tsy mila manana ahiahy ianao.”2

Ary farany dia nampahatsiahivin’ny Filoha Young ireo Olomasina hoe: “Ato amin’ilay sambo tsy tontan’ny ela atao hoe Ziona isika. … [Andriamanitra] no mpanamory, ary hijanona eo Izy. … Milamina ny zava-drehetra, mihirà Aleloia; satria eto ny Tompo. Mibaiko sy manoro lalana Izy ary mitarika. Raha mametra-pitokiana tsy misy fepetra amin’ny Andriamaniny ny vahoaka ary tsy manadino mihitsy ireo fanekempihavanana nataony na ny Andriamaniny dia hitarika antsika tsara Izy.”3

Manoloana ireo fanamby atrehintsika ankehitriny dia ahoana no fomba ijanonantsika ao anatin’ilay Sambo Tsy Tontan’ny Ela atao hoe Ziona?

Toy izao ny fomba hanaovana izany. Mila miaina fiovampo tsy tapaka isika amin’ny alalan’ny fampitomboana ny finoantsika an’i Jesoa Kristy sy ny fahatokiantsika amin’ny Filazantsarany mandritra ny androm-piainantsika—tsy indray mandeha monja, fa atao tsy tapaka. Nanontany i Almà hoe: “Ary ankehitriny, indro lazaiko aminareo ry rahalahiko [sy anabaviko], fa raha efa nandalo fiovam-po ianareo ary raha efa nahatsiaro ny hikalo ny hiran’ ny fitiavana manavotra ianareo, dia hanontany aho, tsapanareo ve izany ankehitriny?”4

Ireo mpitari-dia an-drenirano matihanina ankehitriny dia azo oharina amin’ireo apôstôly sy mpaminanin’ny Fiangonana ary ireo mpitarika ao amin’ny fisoronana sy ny vondrona fanampiny eo an-toerana izay entanim-panahy. Manampy antsika ho tonga soa aman-tsara any amin’ny tanjontsika farany izy ireo.

Vao haingana aho no nitondra teny nandritra ny fivorian’ireo filohan’ny misiôna ary nanoro hevitra an’ireo mpitarika ireo:

“Afantohy amin’ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana ny mason’ny misiona. … Tsy hitarika [anareo] amin’ny lalandiso izahay ary … tsy afaka ny hanao izany.

“Ary rehefa mampianatra ireo misioneranareo ianareo hampifantoka ny masony aminay dia ampianaro izy ireo tsy hanaraka na oviana na oviana ireo izay milaza fa mahay kokoa ny fomba fitantanana ny raharahan’ny Fiangonana mihoatra … noho ny ataon’ny Ray any an-danitra sy ny Tompo Jesoa Kristy” amin’ny alalan’ireo mpitarika ao amin’ny fisoronana izay manana ny fanalahidy ahafahana miahy.

“Hitako taratra nandritra ny asa fanompoana nataoko fa ireo izay nivily lalana [sy] very hevitra dia mazàna no ireo izay matetika no … nanadino fa rehefa miteny ny Fiadidiana Voalohany sy ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ka miray feo dia feon’ny Tompo izany amin’io fotoana io. Mampahatsiahy antsika ny Tompo hoe: ‘Na amin’ ny alalan’ ny feoko na amin’ ny alalan’ ny feon’ ny mpanompoko, dia iray ihany izany’ [F&F 1:38].”5

Izany hoe raha miala ao amin’ny Sambo Tsy Tontan’ny Ela atao hoe Ziona izy ireo—dia hianjera ary hihemotra. Mampalahelo fa matetika izy ireo no mizaka ireo voka-dratsy tsy niriany izay maharitra fotoana fohy ary amin’ny farany dia lasa voka-dratsy maharitra, tsy ho an’ny tenan’izy ireo ihany fa ho an’ny fianakaviany koa.

Ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana misy antsika, tahaka ireo mpitari-dia an-drenirano efa za-draharaha, dia efa nandray lesona avy tamin’ireo traikefam-piainana, efa voaofana sy natoron’ireo apôstôly sy mpaminany ary mpitarika hafa ato amin’ny Fiangonana; ary, ny manan-danja indrindra dia efa nandray lesona avy tamin’ny Tompo mihitsy.

Nisy fotoana iray hafa tamin’ity taona ity izay niresahako tamin’ireo tanora tokan-tena sy mpivady vao herotrerony nandritra ny fampitana ny Fampaherezam-panahy an’ny DFF tamin’ny volana Mey. Hoy aho hoe:

“Reko fa ny olona sasany dia mihevitra fa miaina ao anatin’ny ‘tontolo iray tsy mifandray amin’izao tontolo izao’ ireo mpitarika ato amin’ny Fiangonana. Ny zavatra adinon’izy ireo dia ny hoe lehilahy sy vehivavy manana traikefa maro izahay, efa niaina tany amin’ny toerana maro samihafa, ary niara-niasa tamin’ny olona maro samy hafa fiaviana. Ireo asa ampanaovina anay amin’izao fotoana izao dia tena mahatonga anay hitety an’izao tontolo izao tokoa, izay hihaonanay amin’ireo mpitondra eo amin’ny sehatry ny pôlitika, sy ny fivavahana, sy ny raharaham-barotra, ary ny fanampiana olona manerana izao tontolo izao. Na dia nitsidika [ireo mpitondra] tao amin’ny Maison Blanche ao Washington, D.C. sy ireo mpitondra firenena sy [mpitondra fivavahana] manerana izao tontolo izao aza izahay, dia notsidihinay ihany koa ireo [fianakaviana sy vahoaka] sahirana indrindra eto ambony tany. …

“Rehefa mieritreritra amim-pisainana tsara ny fiainanay sy ny asa fanompoanay ianareo dia mety tena hanaiky fa mahita an’izao tontolo izao sy miaina ao anatin’izany izahay amin’ny fomba izay hiainan’ny olom-bitsy hafa an’izany. Ho hitanareo fa tsy dia miaina loatra ao anatin’ny ‘tontolo tsy mifandray amin’izao tontolo izao’ izahay raha ampitahaina amin’ny ankamaroan’ny olona. …

“… Kanefa dia misy zavatra mahakasika ny fahendren’ny tsirairay sy ny fahendrena iraisan’ireo [mpitarika ny Fiangonana] izay tokony hahazoana toky. Efa niaina zavatra maro tokoa izahay, ao anatin’izany ny vokatry ny lalàna sy ny fitsipika eo anivon’ny fanjakana, ny fahadisoam-panantenana, ireo loza, ary ireo fahafatesana eo anivon’ny fianakavianay tsirairay avy. Takatray ny zava-miseho eo amin’ny fiainanareo.”6

Aza adino ireo fitsipika laharana faharoa sy fahatelo izay tsy afa-misaraka amin’ilay fitsipika laharana voalohany araka izay nampiharako azy dia ny hoe: manaova foana salotra mampitsinkafona ambony rano, ary mamikira hatrany amin’ny tanana roa. Ny tenin’ny Tompo dia hita ao anatin’ny soratra masina sy ny fampianaran’ireo apôstôly ary mpaminany. Manoro hevitra sy manome fitarihana ho antsika izy ireo ka rehefa arahina dia ho toy ny salotra ara-panahy mampitsinkafona eny ambony rano ary hanampy antsika hahafantatra ny fomba hamikirana amin’ny tanana roa.

Mila manao toy ireo zanakalahin’i Môsià isika izay “nihanahery tamin’ ny fahalalana ny marina.” Afaka ny ho tonga lehilahy sy vehivavin’ny “fahalalana tsy misy tomika” isika. Tsy afaka ho tanteraka izany raha tsy amin’ny alalan’ny “[fandinihantsika] amim-pahazotoana tokoa ny soratra masina [mba] hahazoan[tsika] mahalala ny tenin’ Andriamanitra.”7

Rehefa mandalina ireo soratra masina sy ny tenin’ireo apôstôly sy mpaminany fahiny sy ankehitriny isika dia tokony hifantoka amin’ny fandalinana ny fotopampianaran’i Kristy sy ny fampiharana ary ny fitiavana azy.

Mila manao toy ireo zanakalahin’i Mosià isika ary manolotra ny tenantsika hanao “fivavahana fatratra sy ny fifadian-kanina”8 ankoatry ny fiezahana hanana fahazarana hamaky samirery ny soratra masina.

Toa manana lanjany goavana ireo zavatra izay tsy mora tombantombanana ireo. Mifantoha hatrany amin’ireo zavatra tsotra ireo ary aza variandriana.

Araka ny hitako tamin’ireo olona fantatro izay tsy nijanona tao anatin’ilay sambo ary tsy namikitra tamin’ny tanana roa nandritra ny fotoam-pitsapana sy ny fahasahiranana, na ireo izay tsy nijanona tao anatin’ny sambo nandritra ny fotoan’ny fandriampahalemana, dia tsikaritro fa maro tamin’izy ireo no niala tamin’ny fifantohana amin’ireo fahamarinana fototra ao amin’ny filazantsara—dia ireo antony nahatonga azy ireo ho tonga mpikamban’ny Fiangonana tany am-boalohany; ireo antony nijanonan’izy ireo ho feno fanolorantena tanteraka sy nazoto teo amin’ny fiainana ny fitsipiky ny filazantsara ary ny fitahiana ny hafa tamin’ny alalan’ny asa fanompoana natao tamin’ny fahafoizantena sy ny tsy fikelezana aina; ary ireo fomba izay naha-“toerana hahazoana fivokisana sy fivoarana ara-panahy”9 ny Fiangonana teo amin’ny fiainan’izy ireo.

Nampianatra ity fahamarinana fototra ity i Joseph Smith: “Ireo fitsipika fototry ny fivavahantsika [dia] ny tenivavolombelon’ireo apôstôly sy mpaminany momba an’i Jesoa Kristy, … ‘fa maty izy, ka nalevina ary nitsangana tamin’ny maty tamin’ny andro fahatelo ary niakatra tany an-danitra;’ ary ireo zavatra hafa rehetra izay misy ifandraisany amin’ny fivavahantsika dia fanampin’ireo fotsiny ihany.”10

Nampanantenaina fitahiana tsy manam-paharoa isika raha toa ka mihazona ny fifantohantsika amin’ny Tompo: “Noho izany dia tsy maintsy mibosesika handroso amin’ ny fiorenana ao amin’ i Kristy ianareo, amin’ ny fanananareo fanantenana mamirapiratra sy lavorary omban’ ny fitiavana an’ Andriamanitra sy ny olon-drehetra. Koa raha mibosesika handroso ianareo ka mivoky amin’ ny tenin’ i Kristy ary maharitra hatramin’ ny farany, dia indro, izao no lazain’ ny Ray: Hahazo ny fiainana mandrakizay ianareo.”11

Indraindray ireo Olomasin’ny Andro Farany mahatoky sy ireo mpikaroka ny fahamarinana amim-piniavana no manomboka mifantoka amin’ireo “fanampin-javatra” fa tsy amin’ireo fitsipika fototra. Izany hoe maka fanahy antsika i Satana mba hahasondriana antsika ka tsy hifantoka amin’ireo hafatra tsotra sy mazava ao amin’ny filazantsara naverina amin’ny laoniny. Matetika ireo izay sondriana tahaka izany no tsy mandray ny fanasan’ny Tompo satria lasa mifantoka, na sahiran-tsaina mihitsy aza, amin’ireo fomba fanao sy fampianarana tsy dia manan-danja loatra.

Ny sasany mety mifantoka amin’ireo fanontaniana sy ahiahy lalovany. Marina fa tsy mifanohitra amin’ny maha-mpianatra mahafoy tena ny fananana fanontaniana sy fisalasalana. Vao haingana ny Filankevitry ny Fiadidiana Voalohany sy ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo no nanambara hoe: “Takatray fa misy fotoana hametrahan’ireo mpikamban’ny Fiangonana fanontaniana momba ny fotopampianarana, na ny tantara na ny fomba fanaon’ny Fiangonana. Manana fahalalahana hatrany ireo mpikambana hametraka fanontaniana toy izany ary hikatsaka fahatakarana bebe kokoa amim-kitsimpo.”12

Tsarovy fa ny fametrahan’i Joseph Smith fanontaniana no nanombohan’ny Famerenana tamin’ny laoniny. Mpikatsaka ny fahamarinana toa an’i Abrahama izy ary nahazo valiny tamin’ireo fanontaniana manan-danja indrindra eo amin’ny fiainana.

Mifantoka amin’izay manan-danja indrindra—dia ny drafitry ny Ray any an-danitra sy ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy—ireo fanontaniana goavana. Tokony hahatonga antsika ho mpianatra tsara fanahy, malemy fanahy, be fitiavana, mpamela heloka, maharitra ary feno fanolorantena izany fikatsahantsika izany. Tokony ho vonona isika ny hanaraka izay nampianarin’i Paoly hoe “mifampitondrà izay mavesatra, ary aoka izany no hahatanterahanareo ny lalàn’i Kristy”13.

Izany hoe fitondrana ny enta-mavesatry ny hafa izany dia ahitana ny fanampiana, ny fanohanana ary ny fahazoana an-tsaina ny zava-miseho amin’ny tsirairay, isan’izany ireo marary, ireo manan-kilema, ireo mahantra ara-panahy sy ara-batana, ireo mpikatsaka ny fahamarinana sy ireo ao anatin’ny fikorontanan-tsaina ary ireo mpikambana hafa izay mpianatra ihany koa—isan’izany ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana izay nantsoin’ny Tompo hanompo mandritra ny fotoana iray.

Ry rahalahy sy anabavy, mijanòna ao anatin’ny sambo, mampiasà ny salotra mampitsinkafona ambony rano ary mamikira amin’ny tanana roa. Ialao ireo zavatra mahasondriana! Ary raha misy iray aminareo tafavoaka ny sambo dia hikaroka anareo izahay, hahita anareo ary hanompo anareo sy hisintona anareo hiverina soa aman-tsara ato amin’ilay Sambo Tsy Tontan’ny Ela atao hoe Ziona, izay Andriamanitra ilay Raintsika any an-danitra sy ny Tompo Jesoa Kristy no eo amin’ny fanamoriana ary hitarika antsika amin’ny tsara, izany no ijoroako ho vavolombelona amim-panetrentena amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.

Fanamarihana

  1. Teachings of Presidents of the Church: Brigham Young (1997), 82–83.

  2. Brigham Young, “Discourse,” Deseret News, 27 Jan. 1858, 373.

  3. Brigham Young, “Remarks,” Deseret News, 18 Nôv. 1857, 291.

  4. Almà 5:26.

  5. M. Russell Ballard, “Mission Leadership” (lahateny natao tao amin’ny seminera ho an’ireo filohan’ny misiona vaovao, 25 Jona 2014), 8.

  6. M. Russell Ballard, “Mitonia, ary Fantaro fa Izaho no Andriamanitra” (Fampaherezam-panahy an’ny Departemantan’ny Fampianaran’ny Fiangonana, 4 Mey 2014); lds.org./broadcast.

  7. Almà 17:2.

  8. Almà 17:3.

  9. Taratasy avy tamin’ny Fiadidiana Voalohany sy ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo, 28 Jona 2014.

  10. Joseph Smith, Elders’ Journal, Jolay 1838, 44.

  11. 2 Nefia 31:20.

  12. Taratasy avy tamin’ny Fiadidiana Voalohany sy ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo, 28 Jona 2014.

  13. Galatiana 6:2.