2014
[Saino Tsara izay] Alehan’ny Tongotrao
Nôvambra 2014


[Saino Tsara izay] Alehan’ny Tongotrao

Rehefa mandray an’i Jesoa ho toy ny Ohatra tokony harahantsika isika ary rehefa manao toy izay nataony dia afaka ny hiverina soa aman-tsara any amin’ny Raintsika any an-danitra.

Ry rahalahiko sy anabaviko malala, feno fanetrentena aho raha mijoro eto anoloanareo amin’ity maraina ity. Mangataka anareo aho mba hanam-pinoana sy hivavaka ho ahy eto am-pizarako ny hafatro aminareo.

Niainga mba hanao dia mahatalanjona sy tena ilaina isika rehetra rehefa nandao ny tontolo talohan’ny nahaterahana ary niditra tato anatin’ity dingana iray matetika feno sedra ity izay antsoina hoe fiainana an-tany. Ny tanjona voalohany hiainantsika ety an-tany dia ny hahazo vatana nofo sy taolana sy ny hahazo traikefa izay tsy ho azo raha tsy amin’ny alalan’ny fisarahana amin’ireo ray aman-drenintsika any an-danitra ary ny mba hijerena raha toa isika ka hitandrina ireo didy. Ao amin’ny bokin’i Abrahama, toko faha 3, dia ahitantsika ny hoe: “Dia hosedraintsika amin’izany izy ireo, hahitana raha toa izy ireo ka hanao ny zava-drehetra handidian’ny Tompo Andriamaniny azy ireo.”1

Rehefa tonga teto an-tany isika dia nitondra niaraka tamintsika ilay fanomezana lehibe avy amin’Andriamanitra—dia ny fahafahantsika misafidy. Amin’ny endriny maro, dia manana fahafahana hisafidy ho an’ny tenantsika isika. Mianatra avy amin’ireo zavatra iainana tena mafy isika eto. Afaka mamantatra ny tsara sy ny ratsy isika. Mahay manavaka ny mangidy sy ny mamy koa. Mahafantatra isika fa ireo fanapahan-kevitra raisina no mamaritra izay hiafarana.

Azoko antoka fa nandao ny Raintsika isika tamin’ny fananana faniriana lehibe ny hiverina any Aminy tao anatintsika tao, mba hahazoantsika ilay fisandratana izay nomaniny ho antsika sy tena nirian’ny tenantsika mafy dia mafy tokoa. Na dia navela ety aza isika mba hitady sy hanaraka ilay lalana izay hitondra antsika hiverina any amin’ny Raintsika any an-danitra dia tsy nalefany tety tsy nisy torolalana sy fitarihana fa nomeny antsika ireo fitaovana ilaintsika ary hanampy antsika Izy rehefa mikatsaka ny fanampiany isika sy miezaka manao izay tratran’ny herintsika mba haharetana hatramin’ny farany sy hahazoana ny fiainana mandrakizay.

Manana ny tenin’Andriamanitra sy ny an’ny Zanany isika izay hita ao amin’ny soratra masintsika mba hanampy hitarika antsika. Manana ny torohevitra sy ireo fampianaran’ireo mpaminanin’Andriamanitra isika. Zavatra iray faran’izay manan-danja ny nanomezana antsika ohatra iray tonga lafatra ho harahana—dia ny ohatr’i Jesoa Kristy Tompo sy Mpamonjintsika—ary nomena toromarika isika mba hanaraka io ohatra io. Ny Mpamonjy mihitsy no niteny hoe: “Avia, manaraha Ahy.”2 “Ny asa izay efa hitanareo nataoko no hataonareo koa.”3 Nanontany Izy hoe: “Tokony ho karazana olona toa inona moa ianareo?” Dia namaly izy avy eo hoe: “Lazaiko aminareo marina tokoa, ho toa Ahy.”4 “Izy no nanoritra sy nitarika ny lalana.”5

Rehefa mandray an’i Jesoa ho toy ny Ohatra tokony harahantsika isika ary rehefa manao toy izay nataony dia afaka ny hiverina soa aman-tsara any amin’ny Raintsika any an-danitra mba hiara-hiaina Aminy mandrakizay. Hoy ny mpaminany Nefia hoe: “Fa raha tsy maharitra hatramin’ ny farany ny olona amin’ ny fanarahana ny ohatry ny Zanak’ Ilay Andriamanitra velona, dia tsy ho azo vonjena izy.”6

Nisy vehivavy iray izay isaky ny mitantara ny zavatra niainany nandritra ny fitsidihany ny Tany Masina dia mihiaka foana hoe: “Nandeha tany amin’ny lalana nodiavin’i Jesoa aho!”

Nandeha tany amin’ny faritra nipetrahan’i Jesoa sy nampianarany izy. Mety hoe nijoro teo amin’ny vato iray izay nijoroan’i Jesoa fahiny izy na nijery andian-tendrombohitra izay efa nodinihiny fahiny. Ireo zavatra niainany ireo fotsiny dia efa nampientanentana azy ery, saingy ny fandehanana an-tongotra ara-bakiteny amin’ny lalana izay nodiavin’i Jesoa dia tsy manan-danja noho ny mandeha araka ny fomba nandehanany. Ny fakana tahaka ireo zavatra nataony sy ny fanarahana ny ohatra nasehony dia manan-danja lavitra noho ny fiezahana mitady izay sisa tavela tamin’ireo lalana nandehanany teto an-tany.

Rehefa nanolotra tamin’ny lehilahy mpanankarena iray ilay fanasana hoe “Avia, manaraha ahy”7 i Jesoa dia tsy ny hanarahan’ilay lehilahy mpanankarena Azy hitety ireo vohitra sy lohasaha teo amin’ilay tanàna kely fotsiny ihany no nokasainy.

Tsy mila mandeha eny amoron’i Galilia isika na eny amin’ireo vohitr’i Jodia mba handehanana amin’izay lalana nodiavin’i Jesoa. Afaka mandeha amin’ny lalana nodiaviny isika rehetra rehefa misafidy ny hanaraka Azy mandritra ny fiainantsika ety an-tany ka tsaroantsika ao an-tsaina ireo teniny sy manenika ny fontsika ny Fanahiny ary ny fampianarany no mitarika ny fiainantsika. Manazava ny lalana ny ohatra asehony. Hoy izy hoe: “Izaho no làlana sy fahamarinana ary fiainana.”8

Rehefa mandinika ny lalana nodiavin’i Jesoa isika dia hahita fa nolalovany ny maro tamin’ireo olana izay holalovantsika eo amin’ny fiainana.

Ohatra, nandalo fahadisoam-panantenana i Jesoa. Na dia niaina fahadisoam-panantenana maro aza Izy dia niseho nandritra ny fitomaniany ho an’i Jerosalema ny fahadisoam-panatenana iray izay mampihetsi-po indrindra, rehefa nifarana ny asa fanompoana nataony teo anivon’ny vahoaka. Nandà ny fiarovana teo ambanin’ny elany izay natolony azy ireo ny zanak’i Isiraely. Rehefa nitazana ilay tanàna izay ho tratran’ny faharavana tsy ho ela Izy dia heniky ny alahelo lalina. Niantsoantso tao anatin’ny fahoriana lalina Izy hoe: “Ry Jerosalema, ry Jerosalema, izay mamono ny mpaminany sy mitora-bato izay nirahina any aminao, impiry Aho no ta-hanangona ny zanakao tahaka ny fanomban’ny akoho ny zanany ao ambanin’ny elany, fa tsy nety hianareo!”9

Nandalo fakam-panahy i Jesoa. I Losifera, ilay ratsy fanahy, izay nanangona ny heriny lehibe indrindra sy nanambatra ireo laingany manintona indrindra, dia naka fanahy Azy izay nifady hanina 40 andro sy 40 alina. Tsy nanaiky ny ho azo tamin’izany i Jesoa fa notoheriny kosa ny fakam-panahy tsirairay. Hoy Izy raha nanao veloma hoe: “Mandehana hianao, ry Satana.”10

Nandalo fanaintainana i Jesoa. Eritrereto ny tao Getsemane, izay toerana nahatsapany ho “fadiranovana … ka dia nivavaka mafimafy kokoa; ary ny dininy dia tahaka ny ra nipotrapotraka tamin’ny tany.”11 Ary tsy misy afaka manadino ny fijaliany teo amin’ilay hazofijaliana lozabe.

Handalo fahadisoam-panantenana avokoa ny tsirairay amintsika, mety hoe noho isika tsy nahay nively ny vy dieny mbola mafana, na noho ny tsy fahaizana nampiasa araka ny tokony ho izy ny fahefana nananana, na noho ireo safidin’ny olona iray akaiky antsika, na noho ny safidy nataon’ny tenantsika ihany. Samy handalo fakam-panahy daholo ihany koa ny tsirairay. Toy izao no hita ao amin’ny fizarana faha 29 ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana hoe: “Ary tsy maintsy ilaina ny hakan’ny devoly fanahy ny zanak’olombelona, fa raha tsy izany dia tsy afaka ny hisafidy ho an’ny tenany izy ireo.”12

Mitovy amin’izany ihany, handalo fanaintainana koa isika. Isika izay mpanompo dia tsy afaka miandrandra zavatra tsaratsara kokoa noho izay nolalovan’ny Tompo, izay tsy nandao ity fiainana an-tany ity raha tsy nandalo fanaintainana sy fijaliana lehibe.

Na dia handalo fahoriana mafy aza isika eny amin’ny lalantsika dia afaka mahita fahasambarana lehibe ihany koa.

Afaka mandeha amin’ny lalan’ny fankatoavana isika, miaraka amin’i Jesoa. Tsy ho mora foana izany kanefa aoka mba ho ilay lova navelan’i Samoela ho antsika no ho teny filamatsika, izay manao hoe: “He! ny [mankatò] no tsara noho ny fanatitra, ary ny mihaino no tsara noho ny saboran’ondrilahy.”13 Aoka isika hahatsiaro fa ny fiafaran’ny tsy fankatoavana dia ny fahababoana sy ny fahafatesana, raha toa kosa ka ny fahafahana sy ny fiainana mandrakizay no valisoa azo avy amin’ny fankatoavana.

Afaka mandeha amin’ny lalan’ny fanompoana isika, tahaka an’i Jesoa. Ohatra lehibe maneho hatsaram-panahy ny fiainan’i Jesoa tamin’ny fotoana nanompoany teo anivon’ny olona. Nampatanjaka ny rantsam-batan’ireo malemy Izy, nampahiratra ny mason’ireo jamba, ary nampalady ny sofin’ireo marenina.

Nandalo tamin’ny lalan’ny vavaka i Jesoa. Nampianatra antsika ny fomba fivavaka izy tamin’ny alalan’ny fanomezany antsika ilay vavaka kanto izay fantatsika amin’ny anarana hoe Vavaka nampianarin’ny Tompo. Ary tsy hay hadinoina ilay vavaka nataony tao Getsemane manao hoe: “Tsy ny sitrapoko anie no hatao, fa ny Anao.”14

Ny torolalana hafa nomen’ny Tompo antsika dia efa mby eo an-tanantsika, hita ao amin’ny soratra masina. Tamin’ny toriteny nataony teo An-tendrombohitra dia noteneniny isika mba hiantra, hanetry tena, ho marina, ho madio am-po ary ho mpampihavana. Mampianatra antsika Izy mba hijoro amim-pahasahiana hiaro ny zavatra inoantsika na dia haratsiana sy henjehina aza isika. Mangataka antsika Izy mba hamela ny fahazavantsika hamiratra mba hahitan’ny hafa izany ka mba hahafahan’izy ireo maniry hankalaza ny Ray any an-danitra. Mampianatra antsika Izy mba hadio fitondrantena na eo amin’ny eritreritsika na amin’ny zavatra ataontsika. Milaza amintsika Izy fa manan-danja lavitra ny mihary harena any an-danitra toy izay ety an-tany.15

Mampianatra amin-kery sy fahefana ireo fanoharana nataony. Mampianatra antsika Izy hitia sy hanompo ireo mpiara-belona amintsika amin’ny alalan’ny tantaran’ilay Samaritana tsara fanahy.16 Mampianatra antsika Izy mba hivoatra sy hiezaka ny ho tanteraka ao amin’ilay fanoharana nataony momba ny talenta.17 Mampianatra antsika Izy hamonjy ireo izay niala tamin’ilay lalana ka very ao amin’ilay fanoharana momba ilay ondry very.18

Rehefa miezaka mametraka an’i Kristy ho ivon’ny fiainantsika isika amin’ny alalan’ny fianarana ny teniny sy ny fanarahana ireo fampianarany ary amin’ny fanarahana ny zavatra nataony dia nampanantena antsika Izy fa hizara amintsika ilay fiainana mandrakizay izay namoizany ny ainy mba hahazoany izany. Tsy misy tanjona ambony kokoa noho izao, dia ny hisafidianantsika ny hanaiky ny fitsipiny sy ho tonga mpianany ary hanao ny asany mandritra ny androm-piainantsika. Tsy misy zavatra hafa na safidy hafa ataontsika ka afaka hahatonga antsika ho tahaka izay azony hanefena antsika.

Rehefa mieritreritra an’ireo izay niezaka marina ny hanaraka ny ohatry ny Mpamonjy aho, ary ireo izay nanao izay nataony, dia tonga ao an-tsaiko avy hatrany ny anaran’i Gustav sy i Margarete Wacker—izay roa amin’ireo olona manana toetra tena mitovy amin’ny an’i Kristy fantatro hatramin’izay. Teratany Alemana izy ireo, izay nifindra monina tany amin’ny faritra atsinanan’i Kanada, ary nihaona tamin’izy ireo aho tamin’izaho filohan’ny misiona tany an-toerana. Mpanety no asa fiveloman-drahalahy Wacker. Na dia tsy nanam-bola firy aza izy ireo dia nizara izay rehetra nananany. Tsy niteraka izy ireo kanefa nobeazin’izy ireo avokoa izay rehetra niditra tao an-tranony. Lehilahy sy vehivavy maro nahita fianarana sy be rendrarendra no nitady an’ireto mpanompon’Andriamanitra manetry tena sy tsy mahay mamaky teny sy manoratra ireto, ary nahatsapa tena ho tsara vintana raha toa ka afaka niaraka tamin’izy mivady ireto nandritra ny adiny iray.

Tsotra ny endrik’izy ireo ety ivelany, niakanakana izy ireo rehefa niteny anglisy ary somary sarotra ny nahazo ny teniny, ary tsotra ny tranon’izy ireo. Sady tsy nanana fiara na fahitalavitra izy ireo no tsy nanao na inona na inona tamin’ireo zavatra izay mazàna ifantohan’ny sain’izao tontolo izao. Kanefa dia namangy azy ireo matetika ireo olona mahatoky mba hahatsapa ilay fanahy nisy tao. Sombin-danitra tety an-tany ny tokantranon’izy ireo ary ilay fanahy mihanaka avy amin’izy ireo dia fanahin’ny fiadanana sy hatsaram-panahy madiorano.

Afaka manana izany toe-panahy izany koa isika ary afaka mizara izany amin’izao tontolo izao rehefa mandeha amin’ny lalan’ny Mpamonjintsika ka manaraka ny ohatra tonga lafatra nasehony.

Hitantsika ao amin’ny Ohabolana ny fananarana manao hoe: “Saino tsara izay alehan’ny tongotrao.”19 Rehefa manao izany isika dia hanana ny finoana, eny, ny faniriana mihitsy, handeha amin’ilay lalana izay nodiavin’i Jesoa. Ho azontsika antoka fa eo amin’ny lalana izay tian’ny Raintsika harahantsika isika. Manome antsika lamina mba ho fototr’ireo zavatra rehetra ataontsika ny ohatry ny Mpamonjy ary manome fitarihana azo itokiana tsara ireo teniny. Hitondra antsika soa aman-tsara any an-trano ny lalany. Mivavaka aho mba ho azontsika izany fitahiana izany, amin’ny anaran’i Jesoa Kristy izay tiako sy tompoiko ary iijoroako ho vavolombelona ny Aminy, amena.